Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.44.0-wmf.6
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Zavaboary
0
9411
1092673
1092604
2024-12-08T17:55:08Z
Thelezifor
15140
/* Ny rano eto an-tany */ Nanitsy tsipelina
1092673
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Hopetoun falls.jpg|343x343px|ankavanana|thumb|Hopetoun Falls, any Aostralia]]
Ny '''zavaboary''' na '''natiora''' dia tontolo tsy nokasihan' ny olombelona, indrindra ny tontolo manodidina ny [[Fajiry|planeta]] na [[izao rehetra izao]]. Ny tontolo voatr' olombelona, izany hoe ny tontolo namboarin' ny olombelona toy ny saha, ny trano na ny tanàna, no mifanohitra amin' ny zavaboary.
Amin' ity heviny ankapobeny ity dia manondro ny lalàna sy ny singa ary ny zava-mitranga rehetra ao amin' ny tontolo fizika (azo tsapain-tanana) ny teny hoe "natiora" bna "zavaboary", anisan' izany ny [[fiainana]]. Na dia anisan' ny zavaboary aza ny [[olombelona]] dia matetika no ampifanipahina na sarahina aminy tanteraka ary ambony noho ny natiora mihitsy aza ny asan' ny olombelona na ny olombelona amin' ny fitambarany.
Nandritra ny fanombohan' ny [[fomba fiasa siantifika]] môderina tao anatin' ny taonjato maromaro farany dia nanjary ny zava-misy miandry hasaina na hiasana sady voalamina sy hetsehin' ny [[lalàn' Andriamanitra]], ny zavaboary. Tamin' ny [[Revôlisiôna Indostrialy]] dia noheverna ho ampahany amin' ny zava-misy tsy misy fidirana an-tsehatra atosiky ny finiavana ny zavaboary: noho izany dia noheverina araka ny fomba fijery sasany ho masina izy io ([[Jean-Jacques Rousseau]], [[transendentalisma amerikana]]) na ho vondrom-pitsipika tsy maintsy tandremana mba hihazonana ny laharan' ny tena ao anatin' ny lamim-[[Fitantanan' Andriamanitra|pitantanan' Andriamanitra]] na ao amin' ny tantaran' ny olombelona ([[Georg Wilhelm Friedrich Hegel|Hegel]], [[Karl Marx|Marx]]). Na izany aza dia teraka indray tamin' izany fotoana izany, indrindra nanaraka an' i [[Charles Darwin]], ny fomba fijery [[Vitalisma|vitalista]] momba ny natiora, izay manakaiky kokoa ny an' ny [[Filôzôfia presôkratika|presôkratika]].
Amin' ny fampiasana azy isan-karazany ankehitriny dia matetika manondro ny [[jeôlôjia]] sy ny fitambaran' ny karazan-[[Zavamananaina|javamananaina]] ny teny hoe "natiora" na "zavaboary". Azo anondroana ny sehatra ankapoben' ny zavamananaina, ary amin' ny toe-javatra sasany, anondroana ny dingana rehetra mifandray amin' ny zavatra tsy miaina ny hoe "zavaboary" — araka ny fomba fisiana sy fiovan' ny karazan-javatra samihafa araka ny nahiny avy, toy ny [[toetrandro]] sy ny [[jeôlôjia]]<nowiki/>n' ny [[Tany]]. Matetika io teny io no ilazana ny "tontolo iainana voajanahary": ny [[bibidia]], ny [[vato]], ny [[ala]], ary amin' ny ankapobeny ny zavatra rehetra tsy novain' ny asan' olombelona, na izay mbola manohy fisiana na dia eo aza ny fitsabahan' ny olombelona. Ohatra, tsy heverina ho anisan' ny zavaboary ny zavatra namboarin' ny olombelona sy ny fifandraisan' ny olombelona amin' ny samy olombelona amin' ny ankapobeny, raha tsy ao amin' ny filazana hoe "natioran' olombelona" (izany hoe ny toetran' ny olombelona) na "ny zavaboary manontolo", ohatra. Midika fanavahana ny voajanahary sy ny voatr' olombelona (artifisialy) io hevitra nentim-paharazana kokoa momba ny zavatra voajanahary izay mbola hita ankehitriny io, ka ny voatr' olombelona na artifisialy eto dia izay noforonin' ny fahatsiarovan-tenan' olombelona na noforonin' ny sain' olombelona. Arakaraka ny teny manodidina no mety hanavahana ny teny hoe "voajanahary" amin' ny atao hoe "tsy voajanahary" na ny hoe "[[mihoatra ny natoraly]]".
== Fandaharana ==
[[Sary:Jordens inre-numbers.svg|200px|ankavanana|thumb|Ny bolantany enina : voany anaty (1) ; voany ivelany (2) ; kapaoty ambany (4) ; kapaoty ambony (5) ; litôsfera (6) ; hero-tany (6)]]
Ny siansan' ny [[tany]] dia mahalala bolantany efatra: ny litôsfera, ny hidirôsfera, ny [[soson-drivotra]] ary ny biôsfera; ireo bolantany efatra ireo dia mifandrify amin' ny vato, ny rano, ny rivotra ary ny fiainana.
Ny taranja siantifika lehibe mikasika ny tany dia ny [[jeôgrafia]], ny [[Jeolojia|jeôlôjia]], ny jeôfizika ary ny jeôdezia. Ireo taranja ireo dia mampiasa ny [[fizika]], ny [[simia]], ny [[Biolojia|biôlôjia]], ny krônôlojia ary ny [[matematika]] mba hametraka ny taranja na fandrafetan' ny tany sy ny fahazoana azy tsara.
== Hetsika jeôlôjika ==
== Ny rano eto an-tany ==
[[Sary:44 - Iguazu - Décembre 2007.jpg|vignette|379x379px|Ny Riandrano Iguazu eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i [[Brezila]] sy i [[Arjentina|Arzantina]]]]
Akora simika misy [[Hidirôzenina|hidrôzenina]] sy [[ôksizenina]] (H<sub>2</sub>O) sady tena iankinan' ny fiainan' ny [[zavamananaina]] rehetra fantatra ny [[rano]]. Amin' ny fampiasana azy mahazatra, ny teny hoe "rano" dia tsy manondro afa-tsy ny endrika [[ranoka]], nefa manana toetra [[vainga]] ([[ranomandry]]) sy [[etona]] ([[eton-drano]]) koa ny rano. Ny rano no mandrakotra ny 71 % amin' ny velaran' ny [[Tany]]. Eto amn' ny Tany dia hita any anaty [[ranomasimbe]] sy any amin' ny hadirin-drano lehibe hafa izy io, anisan' izany ny izay rano ambanin' ny tany (1,6 %) sy ny rano eny amin' ny rivotra toy ny [[eton-drano]] sy ny [[rahona]] ary ny [[rotsa-drano]] ([[orana]], [[oram-panala]], sns) (0,001 %). Ny 97 % amin' ny rano ety ambonin' ny Tany dia ao amin' ny ranomasimbe, ny [[tahirin-dranomandry]], ary ny 2,4 % ao amin' ny ranomandry mamorona ny [[saron-tendrontany]], ary ny rano hafa ambonin' ny Tany toy ny [[ony]], ny [[renirano]], ny [[farihy]] ary ny [[dobo]] dia miantoka ny 0,6 %. Fanampin' izany dia voatahiry ao anatin' ny vatan' ny zavamananana sy ny vokatra namboarin' ny olombeona ny ampahany kely amin' ny rano eto amin' ny Tany.
=== Ranomasimbe ===
[[Sary:Ocean from Leblon.jpg|vignette|275x275px|Ny [[Ranomasimbe Atlantika]] avy eo Leblon, [[Rio de Janeiro]]]]
Hadirin-drano lehibe misy [[Ranon-dranomasina|rano masira]], sady singa fototra ao amin' ny bolan-drano (na hidrôsfera), ny [[ranomasimbe]] na [[ôseana]]. Manodidina ny 71 % amin' ny velaran' ny Tany (361 km<sup>2</sup> eo ho eo) no rakotry ny ranomasimbe, izay rano mitohy nefa matetika zaraina ho ranomasimbe maromaro sy [[ranomasina]] kely kokoa. Maherin' ny antsasany amin' io faritra io no manana halalina mihoatra ny 3 000 m. Manodidina ny 35 ‰ (na 3,5 %) ny salan-[[Hasira|kasira]]<nowiki/>n' ny ranomasimbe, ary saika ny rano an-dranomasina rehetra dia manana hasira eo anelanelan' ny 30 ‰ (na 3 %) ka hatramin' ny 38 ‰ (na 3,8 %). Na dia ifanarahana amin' ny ankapobeny aza izy ireo fa ranomasimbe "misaraka" maromaro, dia rano masira iray mitambatra sy mifandray ireo rano ireo, izay antsoina hoe [[Ranomasimbe eran-Tany]]. Manan-danja lehibe eo amin' ny ôseanôgrafia ny hoe "Ranomasimbe eran-Tany", izay manondro rano mitohy misy fifanakalozana malalaka eo amin' ny faritra misy azy.
Voafaritry ny [[kôntinenta]] sy [[vondronosy]] isan-karazany ary fepetra hafa ny fizaràna lehibe eo amin' ny ranomasimbe: amin' ny fandaharana midina ny habeny, ireo fizaràna ireo dia ny [[Ranomasimbe Pasifika]], ny [[Ranomasimbe Atlantika]], ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]], ny [[Ranomasimbe Arktika|Ranomasimbe Atsimo]] ary ny [[Ranomasimbe Arktika]]. Ny [[ranomasina]], ny [[hoala]], ny [[helodrano]] ary velaran-drano masira madinika hafa no faritra kely kokoa ao amin' ny ranomasimbe. Misy ihany koa ny [[farihy masira]], izay velaran-drano masira kely, kokoa voahidy an-tanety, tsy mifandray amin' ny Ranomasimbe eran-Tany. Ohatra roa miavaka ny [[Ranomasin' i Aral|Ranomasina Aral]] sy ny [[Great Salt Lake]] ("farihy masira lehibe").
=== Farihy ===
[[Sary:Biluthu Yinderitu.JPG|vignette|280x280px|Ny farihy Yinderitu, eo afovoan' ny tany efitr' i Badain Jaran any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]].]]
Velaran-dranoka eo ambonin' ny [[planeta]] na [[Satelita (voajanahary)|satelita]] izay hita ao amin' ny fanambanin' ny [[deboka]] ny [[farihy]]. Eto an-tany dia heverina ho farihy ny velaran-drano rehefa eny an-tanety, fa tsy anisan' ny [[ranomasimbe]], sady lehibe sy lalina noho ny [[dobo]], ary ivarinan' ny [[renirano]]. Ny hany tontolo ankoatra ny Tany fantatra fa misy farihy dia i [[Titan (volana)|Titan]](volana lehibe indrindra mihodidina an' i [[Satiorna (planeta)|Satiorna]]) izay misy farihin' [[etanina]] (C<sub>2</sub>H<sub>6</sub>) azo inoana fa mifangaro amin' ny [[metanina]] (CH<sub>4</sub>). Tsy fantatra raha ivarinan-drenirano ny farihy eny amin' i Titan, na dia lalan-drenirano maro aza no misoritsoritra ny vohon' i Titan.
Hita amin' ny ankapobeny any amin' ny faritra be [[tendrombohitra]] sy any amin' ny faritra mitriatra ary any amin' ny faritra misy [[fandrian-drano]] mitohy na vao haingana ny farihy voajanahary eto an-tany. Hita eny amin' ny deboka na lempona endôreika, na manaraka ny moron' ny renirano na [[ony]] lehibe ny farihy hafa. Any amin' ny faritra sasany amin' izao tontolo izao dia misy farihy maro noho ny fikorontanan' ny fitatarana tavela tamin' ny Vanim-potoan' ny Ranomandry farany. Voafetra fisiana ara-potoana ny farihy rehetra raha oharina amin' ny [[fotoana jeôlôjika]], satria ho feno [[antsanga]] na hivoaka avy ao anaty deboka na lempona misy azy ny rano.
=== Dobo ===
[[Sary:Eutrophic pond - geograph.org.uk - 6665879.jpg|vignette|263x263px|Dobo]]
Velaran-drano misy rano mihandrona, voajanahary na nataon' olombelona, izay matetika kely noho ny [[farihy]], ny [[dobo]]. Velaran-drano isan-karazany nataon' olombelona no sokajiana ho dobo, anisan' izany ny [[zaridaina an-drano]] izay atao fanaingoana tanàna, ny [[dobon-trondro]] atao ho an' ny fiompiana trondro hamidy, ary ny [[dobo masoandro]] atao hitehirizana angovon-kafananana.
Miavaka amin' ny [[kinga]] ny dobo sy ny farihy noho ny fiadan' ny fikoriany. Mora jerena ny fikoriana ao amin' ny korian-drano, fa manana fikoriana madinika vokatry ny [[hafanana]] sy fikoriana antonony vokatry ny [[Rivotra mitsoka|rivotra]] kosa ny dobo sy ny farihy. Manavaka ny dobo amin' ny karazan-toerana hafa misy ranomamy, toy ny [[dobon-kinga]] sy ny [[dobom-pamonta]], ireo toetoetra ireo.
=== Ony sy renirano ===
[[Sary:Horseshoe Bend TC 27-09-2012 15-34-14.jpg|vignette|264x264px|Ny ony Colorado eo akaikin' i Horseshoe Bend, Arizona, [[Etazonia]]]]
Korian-drano voajanahary mandeha mankany amin' ny [[ranomasina]] na any amin' ny [[ranomasimbe]] ny [[ony]]. Korian-drano voajanahary mikoriana mankany amin' ny [[ranomasimbe]], amin' ny [[ranomasina]], amin' ny [[farihy]], amin' ny ony, na amin' ny renirano hafa kosa ny [[renirano]]. Misy koa ny renirano izay mikoriana fotsiny ao anaty tany na maina tanteraka alohan' ny hahatongavana any amin' ny velaran-drano na korian-drano hafa. Ampahany ao amin' ny tsingerina hidrôlôjika ny ony sy ny renirano. Ny rano ao anaty ony na renirano, amin' ny ankapobeny, dia miangona avy amin' ny [[Rotsa-drano|rotsak' orana]] amin' ny alalan' ny fikorianana ambonin' ny tany, avy amin' ny fihoaran' ny [[rano ambanin' ny tany]], avy amin' ny loharano, na avy amin' ny famotsorana ny rano voatahiry ao anaty ranomandry voajanahary sy akanjon-dranomandry (izany hoe avy amin' ny tobin-dranomandry).
== Atmôsfera ==
== Fiainana ==
== Ekôsistema ==
=== Faritra biôlôjika ===
== Tsingerina biôjeôsimika ==
{{lahatsoratra antsipirihany|Tsingerina biojeosimika}}
=== Rafitra ===
=== Fanangonana ===
=== Tsingerina lehibe ===
== Jereo koa ==
=== Rohy ivelany ===
* [http://www.nature.com/nature/index.html Nature Journal - Weekly journal of science].
* [http://www.wild.org The WILD Foundation].
* [http://www.bbc.co.uk/sn/ BBC - Science and Nature].
* [http://ec.europa.eu/environment/nature/index_en.htm European Commission - Nature and Biodiversity homepage].
* [http://www.nature.org/ The Nature Conservancy]
* [http://www.science.gov/browse/w_123.htm Science.gov - Environment & Environmental Quality] {{Wayback|url=http://www.science.gov/browse/w_123.htm |date=20020808080158 }}.
* [http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html wallpapers nature] {{Wayback|url=http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html |date=20100720080457 }}.
* [http://www.naturewatch.wikia.com/wiki/NatureWatch_Wiki NatureWatch - Wiki for documenting biodiversity (german)]
* [http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 Ministry of Environment Republic of Korea - Nature] {{Wayback|url=http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 |date=20110718084400 }}
{{vangovango}}
hjpq3gn4fy7kjfo59ynf6qwajqfa77u
1092678
1092673
2024-12-08T18:12:24Z
Thelezifor
15140
/* Ny rano eto an-tany */ Nanisy rohy anatiny
1092678
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Hopetoun falls.jpg|343x343px|ankavanana|thumb|Hopetoun Falls, any Aostralia]]
Ny '''zavaboary''' na '''natiora''' dia tontolo tsy nokasihan' ny olombelona, indrindra ny tontolo manodidina ny [[Fajiry|planeta]] na [[izao rehetra izao]]. Ny tontolo voatr' olombelona, izany hoe ny tontolo namboarin' ny olombelona toy ny saha, ny trano na ny tanàna, no mifanohitra amin' ny zavaboary.
Amin' ity heviny ankapobeny ity dia manondro ny lalàna sy ny singa ary ny zava-mitranga rehetra ao amin' ny tontolo fizika (azo tsapain-tanana) ny teny hoe "natiora" bna "zavaboary", anisan' izany ny [[fiainana]]. Na dia anisan' ny zavaboary aza ny [[olombelona]] dia matetika no ampifanipahina na sarahina aminy tanteraka ary ambony noho ny natiora mihitsy aza ny asan' ny olombelona na ny olombelona amin' ny fitambarany.
Nandritra ny fanombohan' ny [[fomba fiasa siantifika]] môderina tao anatin' ny taonjato maromaro farany dia nanjary ny zava-misy miandry hasaina na hiasana sady voalamina sy hetsehin' ny [[lalàn' Andriamanitra]], ny zavaboary. Tamin' ny [[Revôlisiôna Indostrialy]] dia noheverna ho ampahany amin' ny zava-misy tsy misy fidirana an-tsehatra atosiky ny finiavana ny zavaboary: noho izany dia noheverina araka ny fomba fijery sasany ho masina izy io ([[Jean-Jacques Rousseau]], [[transendentalisma amerikana]]) na ho vondrom-pitsipika tsy maintsy tandremana mba hihazonana ny laharan' ny tena ao anatin' ny lamim-[[Fitantanan' Andriamanitra|pitantanan' Andriamanitra]] na ao amin' ny tantaran' ny olombelona ([[Georg Wilhelm Friedrich Hegel|Hegel]], [[Karl Marx|Marx]]). Na izany aza dia teraka indray tamin' izany fotoana izany, indrindra nanaraka an' i [[Charles Darwin]], ny fomba fijery [[Vitalisma|vitalista]] momba ny natiora, izay manakaiky kokoa ny an' ny [[Filôzôfia presôkratika|presôkratika]].
Amin' ny fampiasana azy isan-karazany ankehitriny dia matetika manondro ny [[jeôlôjia]] sy ny fitambaran' ny karazan-[[Zavamananaina|javamananaina]] ny teny hoe "natiora" na "zavaboary". Azo anondroana ny sehatra ankapoben' ny zavamananaina, ary amin' ny toe-javatra sasany, anondroana ny dingana rehetra mifandray amin' ny zavatra tsy miaina ny hoe "zavaboary" — araka ny fomba fisiana sy fiovan' ny karazan-javatra samihafa araka ny nahiny avy, toy ny [[toetrandro]] sy ny [[jeôlôjia]]<nowiki/>n' ny [[Tany]]. Matetika io teny io no ilazana ny "tontolo iainana voajanahary": ny [[bibidia]], ny [[vato]], ny [[ala]], ary amin' ny ankapobeny ny zavatra rehetra tsy novain' ny asan' olombelona, na izay mbola manohy fisiana na dia eo aza ny fitsabahan' ny olombelona. Ohatra, tsy heverina ho anisan' ny zavaboary ny zavatra namboarin' ny olombelona sy ny fifandraisan' ny olombelona amin' ny samy olombelona amin' ny ankapobeny, raha tsy ao amin' ny filazana hoe "natioran' olombelona" (izany hoe ny toetran' ny olombelona) na "ny zavaboary manontolo", ohatra. Midika fanavahana ny voajanahary sy ny voatr' olombelona (artifisialy) io hevitra nentim-paharazana kokoa momba ny zavatra voajanahary izay mbola hita ankehitriny io, ka ny voatr' olombelona na artifisialy eto dia izay noforonin' ny fahatsiarovan-tenan' olombelona na noforonin' ny sain' olombelona. Arakaraka ny teny manodidina no mety hanavahana ny teny hoe "voajanahary" amin' ny atao hoe "tsy voajanahary" na ny hoe "[[mihoatra ny natoraly]]".
== Fandaharana ==
[[Sary:Jordens inre-numbers.svg|200px|ankavanana|thumb|Ny bolantany enina : voany anaty (1) ; voany ivelany (2) ; kapaoty ambany (4) ; kapaoty ambony (5) ; litôsfera (6) ; hero-tany (6)]]
Ny siansan' ny [[tany]] dia mahalala bolantany efatra: ny litôsfera, ny hidirôsfera, ny [[soson-drivotra]] ary ny biôsfera; ireo bolantany efatra ireo dia mifandrify amin' ny vato, ny rano, ny rivotra ary ny fiainana.
Ny taranja siantifika lehibe mikasika ny tany dia ny [[jeôgrafia]], ny [[Jeolojia|jeôlôjia]], ny jeôfizika ary ny jeôdezia. Ireo taranja ireo dia mampiasa ny [[fizika]], ny [[simia]], ny [[Biolojia|biôlôjia]], ny krônôlojia ary ny [[matematika]] mba hametraka ny taranja na fandrafetan' ny tany sy ny fahazoana azy tsara.
== Hetsika jeôlôjika ==
== Ny rano eto an-tany ==
[[Sary:44 - Iguazu - Décembre 2007.jpg|vignette|379x379px|Ny Riandrano Iguazu eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i [[Brezila]] sy i [[Arjentina|Arzantina]]]]
Akora simika misy [[Hidirôzenina|hidrôzenina]] sy [[ôksizenina]] (H<sub>2</sub>O) sady tena iankinan' ny fiainan' ny [[zavamananaina]] rehetra fantatra ny [[rano]]. Amin' ny fampiasana azy mahazatra, ny teny hoe "rano" dia tsy manondro afa-tsy ny endrika [[ranoka]], nefa manana toetra [[vainga]] ([[ranomandry]]) sy [[etona]] ([[eton-drano]]) koa ny rano. Ny rano no mandrakotra ny 71 % amin' ny velaran' ny [[Tany]]. Eto amn' ny Tany dia hita any anaty [[ranomasimbe]] sy any amin' ny hadirin-drano lehibe hafa izy io, anisan' izany ny izay rano ambanin' ny tany (1,6 %) sy ny rano eny amin' ny rivotra toy ny [[eton-drano]] sy ny [[rahona]] ary ny [[rotsa-drano]] ([[orana]], [[oram-panala]], sns) (0,001 %). Ny 97 % amin' ny rano ety ambonin' ny Tany dia ao amin' ny ranomasimbe, ny [[tahirin-dranomandry]], ary ny 2,4 % ao amin' ny ranomandry mamorona ny [[Saron-tendro|saron-tendrontany]], ary ny rano hafa ambonin' ny Tany toy ny [[ony]], ny [[renirano]], ny [[farihy]] ary ny [[dobo]] dia miantoka ny 0,6 %. Fanampin' izany dia voatahiry ao anatin' ny vatan' ny zavamananana sy ny vokatra namboarin' ny olombeona ny ampahany kely amin' ny rano eto amin' ny Tany.
=== Ranomasimbe ===
[[Sary:Ocean from Leblon.jpg|vignette|275x275px|Ny [[Ranomasimbe Atlantika]] avy eo Leblon, [[Rio de Janeiro]]]]
Hadirin-drano lehibe misy [[Ranon-dranomasina|rano masira]], sady singa fototra ao amin' ny bolan-drano (na hidrôsfera), ny [[ranomasimbe]] na [[ôseana]]. Manodidina ny 71 % amin' ny velaran' ny Tany (361 km<sup>2</sup> eo ho eo) no rakotry ny ranomasimbe, izay rano mitohy nefa matetika zaraina ho ranomasimbe maromaro sy [[ranomasina]] kely kokoa. Maherin' ny antsasany amin' io faritra io no manana halalina mihoatra ny 3 000 m. Manodidina ny 35 ‰ (na 3,5 %) ny salan-[[Hasira|kasira]]<nowiki/>n' ny ranomasimbe, ary saika ny rano an-dranomasina rehetra dia manana hasira eo anelanelan' ny 30 ‰ (na 3 %) ka hatramin' ny 38 ‰ (na 3,8 %). Na dia ifanarahana amin' ny ankapobeny aza izy ireo fa ranomasimbe "misaraka" maromaro, dia rano masira iray mitambatra sy mifandray ireo rano ireo, izay antsoina hoe [[Ranomasimbe eran-Tany]]. Manan-danja lehibe eo amin' ny ôseanôgrafia ny hoe "Ranomasimbe eran-Tany", izay manondro rano mitohy misy fifanakalozana malalaka eo amin' ny faritra misy azy.
Voafaritry ny [[kôntinenta]] sy [[vondronosy]] isan-karazany ary fepetra hafa ny fizaràna lehibe eo amin' ny ranomasimbe: amin' ny fandaharana midina ny habeny, ireo fizaràna ireo dia ny [[Ranomasimbe Pasifika]], ny [[Ranomasimbe Atlantika]], ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]], ny [[Ranomasimbe Arktika|Ranomasimbe Atsimo]] ary ny [[Ranomasimbe Arktika]]. Ny [[ranomasina]], ny [[hoala]], ny [[helodrano]] ary velaran-drano masira madinika hafa no faritra kely kokoa ao amin' ny ranomasimbe. Misy ihany koa ny [[farihy masira]], izay velaran-drano masira kely, kokoa voahidy an-tanety, tsy mifandray amin' ny Ranomasimbe eran-Tany. Ohatra roa miavaka ny [[Ranomasin' i Aral|Ranomasina Aral]] sy ny [[Great Salt Lake]] ("farihy masira lehibe").
=== Farihy ===
[[Sary:Biluthu Yinderitu.JPG|vignette|280x280px|Ny farihy Yinderitu, eo afovoan' ny tany efitr' i Badain Jaran any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]].]]
Velaran-dranoka eo ambonin' ny [[planeta]] na [[Satelita (voajanahary)|satelita]] izay hita ao amin' ny fanambanin' ny [[deboka]] ny [[farihy]]. Eto an-tany dia heverina ho farihy ny velaran-drano rehefa eny an-tanety, fa tsy anisan' ny [[ranomasimbe]], sady lehibe sy lalina noho ny [[dobo]], ary ivarinan' ny [[renirano]]. Ny hany tontolo ankoatra ny Tany fantatra fa misy farihy dia i [[Titan (volana)|Titan]](volana lehibe indrindra mihodidina an' i [[Satiorna (planeta)|Satiorna]]) izay misy farihin' [[etanina]] (C<sub>2</sub>H<sub>6</sub>) azo inoana fa mifangaro amin' ny [[metanina]] (CH<sub>4</sub>). Tsy fantatra raha ivarinan-drenirano ny farihy eny amin' i Titan, na dia lalan-drenirano maro aza no misoritsoritra ny vohon' i Titan.
Hita amin' ny ankapobeny any amin' ny faritra be [[tendrombohitra]] sy any amin' ny faritra mitriatra ary any amin' ny faritra misy [[fandrian-drano]] mitohy na vao haingana ny farihy voajanahary eto an-tany. Hita eny amin' ny deboka na lempona endôreika, na manaraka ny moron' ny renirano na [[ony]] lehibe ny farihy hafa. Any amin' ny faritra sasany amin' izao tontolo izao dia misy farihy maro noho ny fikorontanan' ny fitatarana tavela tamin' ny Vanim-potoan' ny Ranomandry farany. Voafetra fisiana ara-potoana ny farihy rehetra raha oharina amin' ny [[fotoana jeôlôjika]], satria ho feno [[antsanga]] na hivoaka avy ao anaty deboka na lempona misy azy ny rano.
=== Dobo ===
[[Sary:Eutrophic pond - geograph.org.uk - 6665879.jpg|vignette|263x263px|Dobo]]
Velaran-drano misy rano mihandrona, voajanahary na nataon' olombelona, izay matetika kely noho ny [[farihy]], ny [[dobo]]. Velaran-drano isan-karazany nataon' olombelona no sokajiana ho dobo, anisan' izany ny [[zaridaina an-drano]] izay atao fanaingoana tanàna, ny [[dobon-trondro]] atao ho an' ny fiompiana trondro hamidy, ary ny [[dobo masoandro]] atao hitehirizana angovon-kafananana.
Miavaka amin' ny [[kinga]] ny dobo sy ny farihy noho ny fiadan' ny fikoriany. Mora jerena ny fikoriana ao amin' ny korian-drano, fa manana fikoriana madinika vokatry ny [[hafanana]] sy fikoriana antonony vokatry ny [[Rivotra mitsoka|rivotra]] kosa ny dobo sy ny farihy. Manavaka ny dobo amin' ny karazan-toerana hafa misy ranomamy, toy ny [[dobon-kinga]] sy ny [[dobom-pamonta]], ireo toetoetra ireo.
=== Ony sy renirano ===
[[Sary:Horseshoe Bend TC 27-09-2012 15-34-14.jpg|vignette|264x264px|Ny ony Colorado eo akaikin' i Horseshoe Bend, Arizona, [[Etazonia]]]]
Korian-drano voajanahary mandeha mankany amin' ny [[ranomasina]] na any amin' ny [[ranomasimbe]] ny [[ony]]. Korian-drano voajanahary mikoriana mankany amin' ny [[ranomasimbe]], amin' ny [[ranomasina]], amin' ny [[farihy]], amin' ny ony, na amin' ny renirano hafa kosa ny [[renirano]]. Misy koa ny renirano izay mikoriana fotsiny ao anaty tany na maina tanteraka alohan' ny hahatongavana any amin' ny velaran-drano na korian-drano hafa. Ampahany ao amin' ny tsingerina hidrôlôjika ny ony sy ny renirano. Ny rano ao anaty ony na renirano, amin' ny ankapobeny, dia miangona avy amin' ny [[Rotsa-drano|rotsak' orana]] amin' ny alalan' ny fikorianana ambonin' ny tany, avy amin' ny fihoaran' ny [[rano ambanin' ny tany]], avy amin' ny loharano, na avy amin' ny famotsorana ny rano voatahiry ao anaty ranomandry voajanahary sy akanjon-dranomandry (izany hoe avy amin' ny tobin-dranomandry).
== Atmôsfera ==
== Fiainana ==
== Ekôsistema ==
=== Faritra biôlôjika ===
== Tsingerina biôjeôsimika ==
{{lahatsoratra antsipirihany|Tsingerina biojeosimika}}
=== Rafitra ===
=== Fanangonana ===
=== Tsingerina lehibe ===
== Jereo koa ==
=== Rohy ivelany ===
* [http://www.nature.com/nature/index.html Nature Journal - Weekly journal of science].
* [http://www.wild.org The WILD Foundation].
* [http://www.bbc.co.uk/sn/ BBC - Science and Nature].
* [http://ec.europa.eu/environment/nature/index_en.htm European Commission - Nature and Biodiversity homepage].
* [http://www.nature.org/ The Nature Conservancy]
* [http://www.science.gov/browse/w_123.htm Science.gov - Environment & Environmental Quality] {{Wayback|url=http://www.science.gov/browse/w_123.htm |date=20020808080158 }}.
* [http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html wallpapers nature] {{Wayback|url=http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html |date=20100720080457 }}.
* [http://www.naturewatch.wikia.com/wiki/NatureWatch_Wiki NatureWatch - Wiki for documenting biodiversity (german)]
* [http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 Ministry of Environment Republic of Korea - Nature] {{Wayback|url=http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 |date=20110718084400 }}
{{vangovango}}
j9zr1simvodvuj7knt89w1z0ntyo5jc
Carency
0
13032
1092659
927724
2024-12-08T14:01:34Z
Kontributor 2K
31390
CoA img @correct version
1092659
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|50.3792|2.705}}
{{infobox tanàna
|tanàna=Carency
|firenena={{Frantsa}}
|faritany=[[Hauts-de-France]]
|velarantany=8.6
|isam-ponina=700
|ben'ny tanàna=Justin Clairet
}}
[[sary:Blason ville fr Carency (Pas-de-Calais).svg|120px|thumb|right|Mari-piandrian'i Carency]]
I '''Carency''' dia kaominina ao amin'ny fivondronan'i Arras, ao amin'ny departemantan'i [[Pas-de-Calais]], ao amin'ny faritr'i [[Hauts-de-France]], ao [[Frantsa]].
Ny INSEE dia mampiasa ny kaodim-paositra 62213.
I Justin Clairet no ben'ny tanàna mandritry ny taona 2008–2014. Ilay kaominina dia kaominina mpikambana amin'ny fivondronan-kaominin'i [[Communauté d'agglomération de Lens-Liévin]]
== Jeografia ==
Ny isam-ponin'i Carency dia 700 mponina araka ny fanisana natao tamin'ny taona 2004. Ny haavon'ny toerana ambany indrindra dia 79 metatra. Ny haavon'ny toerana avo indrindra dia 152 metatra. Ny fisiana ara-daharampehintany ary ara-daharanjarahasin'ilay kaominina dia 50.3792° ary 2.705° amin'ny soratra desimaly.
Ny faritr'ora dia GMT+1.
== Rohy ivelany ==
* : Tranonkala
* [http://www.communes.com/recherche/?q=Carency Eo amin'i www.communes.com]
<references/>
[[Sokajy:Tanàna ao amin'ny faritr'i Pas-de-Calais]]
1016o1fzgt7o96rvb8qfq42eku5uav4
Jodaisma
0
96033
1092635
1070823
2024-12-08T12:35:06Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092635
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Menorah 0307.jpg|vignette|Menorah (jiro fito rantsana) tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema (famerenana ny endriny)|275x275px]]
Ny '''jodaisma''' dia endriky ny fivavahan' ny [[Israelita]] na ny [[Jiosy]] (na Josy), indrindra taorian' ny faharavan' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] (taona 587 tal. J.K.) sy taorian' ny [[Fahababoana tany Babilôna|fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna]] (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an' [[Mônôteisma|Andriamanitra tokana]] atao hoe [[Iahveh]]. Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin' io fivavahana io. 15 000 000 no isan' ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary ny 7 000 000 amin' ireo no mipetraka any [[Israely]]. Anisan' ny finoana nolovana tamin' i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] izy ka atao hoe "[[Fivavahana abrahamika|finoana abrahamika]]" sahala amin' ny [[kristianisma]] sy ny [[Silamo|finoana silamo]].
[[Sary:Star of David.svg|vignette|226x226px|Kintan'i Davida]]
Milaza ny [[Jiosy]] fa ny fivavahany dia avy amin' i Abrahama (izay atao hoe rain' ny mino) sy amin' i [[Mosesy]] na [[Mosesy|Môizy]] (mpadahatra ny lalàn' i Israely). Ny [[Tanakh]] no [[Soratra Masina|Soratra Masin]]' ny jodaisma izay mirakitra ny [[Torah|Lalàna voasoratra]] ([[Torah]]) nambaran' Andriamanitra tamin' i Mosesy amin' ny ankamaroany teo amin' ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Tendrombohitra Sinay]] (na Sinaia). Misy koa ny [[Torah am-bava|Lalàna am-bava]] atao hoe [[Mishnah|Misnà]] izay manazava ny Lalàna voasoratra, izay voatahiry ao amin' ny [[Talmoda]], asasoratra nataon' ny manampahaizana jiosy, ka ny fandraiketana an-tsoratra izany dia vita tamin' ny taonjato faha-6 taor. J.K.
Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben' ny [[Hebreo (vahoaka)|Hebreo]] no rain' ny fivavahana jiosy. Nifindra fonenana tany [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] ny Hebreo ka niharan' ny [[fanandevozana]] tao. Nampian' Andriamaitra i Mosesy hanafaka ny Israelita sy hitondra azy ireo mankany [[Kanaana (faritra)|Kanaana]]. Rehefa tonga teo amin' ny tany Kanaana izy ireo dia niroborobo hatramin' izay ka hatramin' ny fandravan' ny [[Empira Rômana|Rômana]] azy ireo tamin' ny taona 70 taor. J.K. Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny [[sinagôga]] izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana soro.
== Tantaran' ny jodaisma ==
=== Ny fiavian' ny jodaisma ===
==== Fivavahan' i Abrahama, araka ny Baiboly ====
Araka ny Baiboly dia i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] razamben' ny [[Hebreo (vahoaka)|Hebreo]] no rain' ny fivavahana jiosy. Notarihin' i Mosesy ny vahoaka hebreo ka niala avy tany [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] izay nanandevozana azy ireo. Niforona avy amin' izany ny vahoakan' i Israely. Fotoana fohy taorian' ny fiaingany dia nanolotra lalàna i Mosesy, dia ny [[Didy Folo]], izay azony tamin' Andriamanitra teo amin' ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Tendrombohitra Sinay]] (na Sinaia).
==== Ny iahvisma, araka ny fikarohana ara-tantara anketriny ====
Araka ny filazan' ny manampahaizana sasany dia tsy [[Mônôteisma|mônôteista]] tanteraka ny fivavahan' ny Hebreo tany amboalohany fa [[Henôteisma|henôteista]] atao hoe [[iahvisma]], izany hoe manompo andriamanitra iray izy ireo, dia i [[Iahveh]] izay antsoiny hoe [[Elohim]] koa matetika, nefa mino ny fisian' ny andriamanitra maro ivavahan' ny firenena hafa manodidina. I Iahveh dia tsy iza fa ny andriamanitry ny razany izay nanafaka azy ireo tamin' ny fahandevozana sy nitondra azy ireo tany amin' ny Tany nampanantenaina. Talohan' ny [[fahababoana tany Babilôna]] dia vondrom-poko nikambana ho [[Fanjakan' i Israely (mitambatra)|fanjakana tokana]] i Israely. Ny fanafahana azy ireo avy amin' ny fanandevozana tany Egipta sy ny famaboany ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanaana]] no zava-nitranga nanorina ny tantaran' i Israely sy ny fivavahany. Ny fanompoam-pivavahana anaovana sorona dia notanterahina tao amin' ny fitoerana masina tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]], nefa nisy fitoerana masina koa naorina tany Betela any amin' ny tanin' i [[Fokon' i Dana|Dana]] any avaratra izay nifaninana taminy. Rehefa nisaraka ny [[Fanjakan' i Jodà]] any atsimo sy ny [[Fanjakan' i Israely (Samaria)|Fanjakan' i Samaria]] any avaratra dia nipoitra ireo [[mpaminany]] hetsehin' ny fanahy izay nanameloka ny [[Sinkretisma|fivavahana mifangaroharo]] sy ny fiharatsian' ny fiarahamonina. Ho setrin' izany tsy fahatokian' ny vahoaka izany dia nobaboin' ny firenena hafa, dia ny [[Asiria|Asiriana]] sy ny [[Babilôna|Babilôniana]], ireo fanjakana roa ireo.
=== Ny jodaisma tamin' ny Andro Taloha ===
==== Ny jodaisma nanomboka tamin' ny fahababoana ====
[[Sary:The captivity of Judah.jpg|vignette|227x227px|Fanaovan-tsesitany ny Jiosy tany Babilôna]]
Ny [[fahababoana tany Babilôna]] izay nanomboka tamin' ny fandravana an' i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] sy ny [[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] tamin' ny taona 586 tal. J.K. dia nitondra fiovana lehibe teo amin' ny fivavahan' ny jiosy. Tany Babilôna no namitana ny fanoratana ny ankamaroan' ny [[Tanakh|bokim-pivavanan' ny jiosy]] izay nanao fivoasana ny tantaran' ny [[Zanak' i Israely]] tamin' ny fampifandraisana izany amin' ny faharavan' i Jerosalema sy ny Tempoly. Andriamanitra dia ninoana fa naniraka an' i Babilôna hanafay an' i Israely nefa izy ihany koa no hanafaka azy amin' ny fahababoana raha mibebaka ny vahoakany. Tany [[Babilôna]] no tena niovan' ny fivavahan' ny Hebreo ho tena mônôteisma, ka i Iahveh dia tsy andriamanitry ny Jiosy irery fa Andriamanitry ny olona rehetra izay miasa ao amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona sy ny firenena rehetra. Nitsiry koa ny fanantenana mpamonjy izay hanorina indray ny fanjakan' i Jodà hotapan' ny olom-boahosotr' Andriamanitra, atao hoe [[Mesia]]. Nihevitra ny Jiosy tamin' izany fotoana izany fa ny mpanjaka [[Kirôsy Lehibe]], izay nanome alalana ny vahoaka jiosy hody an-tanindrazana sy hanangana indray an' i Jerosalema sy ny Tempoly, io Mesia lazain' ny [[Mpaminanin' i Israely|mpaminany]] io. Tsy tanteraka tao Jodà na [[Jodea]] amin' ny fomba feno anefa izany fanantenana izany satria tsy navelan' ny [[Persia|Persiana]] hitsangana ny fanjakan' i Jodà mahaleo tena fa fanjakana fehezim-bahiny nentin' ny [[Mpisoronaben' i Israely|mpisoronabe]] no nisy ka tsy nahafa-po ny Jiosy.
==== Ny jodaisma tamin' ny vanimpotoana rômana ====
Ny famaboan' i [[Aleksandra Lehibe]] ny Tany Atsinanana tamin' ny taona 331 tal. J.K. dia nampiditra ny kolontsaina grika izay tsy nankasitrahin' ny ankamaroan' ny vahoaka jiosy, na dia nisy ireo Jiosy helenista. Nipoaka noho izany ny [[fikomian' ny Makabeo]] teo anelanelan' ny taona 165 sy 142 tal. J.K. izay niseho tamin' ny endrika ady an-trano teo amin' ny Jiosy helenista sy ny Jiosy mandala ny fomban-drazana. Niova ho tolom-bahoaka izany ka azon' ny Jiosy ny fahaleovan-tena pôlitikan' i [[Jodea]] (na Jodia).
Nisy akony teo amin' ny fivoaran' ny jodaisma ireo ady ireo. Tamin' io vanimpotoana io no nipoiran' ny [[literatiora apôkaliptika]] izay maneho fa ny ady nifanaovan' ny Jiosy tamin' ny fanjakana hafa dia adin' ny [[Tsara]] sy ny [[Ratsy]] (jereo [[Doalisma (finoana)|doalisma]]) izay tsy maintsy hiafara amin' ny fandresen' Andriamanitra. Nanomboka nampianarina sy nampanantenaina ny Jiosy fa ireo izay maty tamin' ny ady dia [[Fitsanganan-ko velona|hitsangan-ko velona]] any am-parany, raha nampianarina fa ny [[tsy feteza-maty]] dia midika tsy fahataperan' ny fitohizan' ny taranaka fotsiny ihany fa tsy ny tsy fahafatesan' ny olona tsirairay, ary ny olona maty dia noheverina fa tsy hanam-pisiana ara-batana intsony fa ara-panahy ao amin' ny [[fiainan-tsi-hita]] atao hoe [[Seôla|Sheol]].
Nahaleo tena i Jodea nandritra ny 80 taona teo ho eo nefa fotoana nisian' ny korontana ara-pivavahana sy ny fizarazaràn' ny jodaisma koa izany. Nanorina ny fitondram-pianakaviana [[hasmôneana]] ny [[Makabeo]]. Tsy taranaky ny mpisorona levita izy ireo nefa nanendry ny tenany ho [[Mpisoronaben'i Israely|mpisoronabe]] nandova asam-pisoronana ka tsy nankasitrahin' ny [[Jiosy]] maro. Teraka noho izany sy noho ny fanarahany ny kolontsaina grika koa ny fanoheran' ny Jiosy azy ireo. Izany koa no nahatonga ny fiforonan' ny fikambanana tany [[Komràno|Komrano]] nisaraka tamin' ny fivavahana tanterahina tao amin' ny Tempoly izay heveriny fa efa nolotoin' ny [[Hasmôneana]] ka nankanesan' izy ireo any an-tany efitra. Misy ny mpikaroka milaza fa ireo vahoaka nonina tany an' efitra ireo dia tsy iza fa ny [[Eseniana]]. Ny antoko matanjaka roa hafa, dia ny [[Sadoseo]] (na Sadoseanina) sy ny [[Fariseo]] (na Farizianina), ankoatry ny Eseniana, no nijanona nanao fanompoana miankina amin' ny Tempoly.
Tamin' ny fotoana nanaperan' ny tafika rômana ny fahaleovan-tena ara-pôlitikan' i Jodea tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia niroborobo ny [[mesianisma]] [[Literatiora apôkaliptika|apôkaliptika]] ka isan' izany ny endriky ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] tany am-boalohany. Nitohy izany toe-javatra izany mandra-pahatongan' ny fikomian' ny Jiosy teo anelanelan' ny taona 66 sy 70 taor. J.K. izay niteraka ny fandravan' ny [[Empira Rômana|Rômana]] an' i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] sy ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly]]. Niseho indray ny fanoherana mitam-piadiana ny Rômana teo anelanelan' ny taona 132 sy 135 taor. J.K. izay notarihin' i [[Simôna Bar Kôkhba|Shimon Bar Kokhba]].
==== Ny jodaisma rabinika, tsy misy Tempoly ====
Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] izay anatanterahana sorona dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny [[sinagôga]] izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana sorona.
Ny fandravan' i Tito (emperona rômana) ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly Faharoa]] tamin' ny taona 70 sy ny faharesen' i Shimon Bar Kokhba tamin' ny taona 136 dia trangan-javatra nitovy lanja amin' ny fandravan' ny Babilôniana ny [[Tempolin' i Sôlômôna|Tempoly Voalohany]] tamin' ny taona 586 tal. J.K. Very tanteraka ny fahaleovantenan' ny vahoaka jiosy ary tsy nisy intsony ny Tempoly hatao ivon' ny fivavahany. Nipoitra noho izany toe-javatra izany ny fihetsiketsehan' ny [[raby]], dia ireo mpandimby ny [[Fariseo]], izay nanizingizina ny tokony hisian' ny fivondronana sy ny fampiroboroboana ny fiainana ara-panahy. Raha mbola andrasana ny fanavotan' Andriamanitra an' i Israely amin' ny alalan' ny [[Mesia]] dia ny fandinihana sy ny fampianarana ary ny fitandremana ny [[Lalàn' i Mosesy|Lalàna]] (na [[Torah]]) ao amin' ny sinagôga sy any an-tranon' ny raby aloha no asolo ny Tempoly. Nisy raby sasany nampianatra fa rehefa mitandrina ny Lalàna ny Jiosy rehetra dia tsy maintsy ho tonga ny Mesia.
=== Ny jodaisma tamin' ny Andro Antenatenany ===
Ny fahefan' ny raby teo amin' ny vahoaka jiosy manontolo dia nipetraka miandalana. Nisy ihany anefa ny fikambanana nanohitra izany toy ny [[Jodaisma karaita|Jiosy karaita]]. Tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. no tafapetraka tanteraka ny [[jodaisma rabinika]] manerana ny ankamaroan' ny faritra nonenan' ny Jiosy. Niezaka nandrindra ny fanao ara-pivavanana sy ny fombam-pivavahana ireo lohan' ny sekoly rabinika any [[Babilôna]] tao [[Bagdad]] tamin' ny alalan' ny fanaparitahany ny heviny any amin' ny Jiosy am-pielezana. Tsy tao [[Palestina (faritra)|Palestina]] intsony izany ny ivon' ny fivavanana jiosy fa tany Babilôna, ary ny [[Talmodan' i Babilôna]] no lasa filamatra.
==== Ny jodaisma niatrika ny filôzôfia grika ====
Ny jodaisma rabinika dia nifanehatra tamin' ny [[filôzôfia grika]] ka lasa nisy ny Jiosy nanao filôzôfia. Nandalina izany filôzôfia izany ny raby mba hiatrehany ny fanoherana ny jodaisma nataon' ny [[Silamo|Mozilmana]] sady hanehoana amin' ny Jiosy fa mifanaraka koa amin' ny lalàn' ny saina ny Lalàn' ny jodaisma sy ny finoany. Ny tena malaza amin' ireo filôzôfa jiosy ireo dia ny raby Saadia ben Joseph tamin' ny taonjato faha-9 sy i Judah haLevi ary i [[Mosesy Maimonida|Moshe ben Maimon]] (atao hoe [[Mosesy Maimonida|Maimônida]]) izay nanoratra ny fehezan-dalàna atao hoe ''Mishne Torah''.
==== Ny Sefarada sy ny Askenazy ====
Niteraka kolontsaina roa miavaka ny jodaisma tamin' ny [[Andro Antenatenany]], dia ny [[Sefarada]] (tao Espaina) sy ny [[Askenazy]] (tao amin' ny tanin' ny [[Empira Masina Rômana Jermanika]]). Ny [[filôzôfia]] sy ny fanaovana ny Lalàna ho fehezan-dalàna voarindra dia nosahanin' ny Sefarada manokana, fa nifantoka tamin' ny fandalinana ny [[Talmoda]] ny Askenazy. Nanorina sekoly lehibe fandalinana ny Talmoda ny raby Shlomo ben Itzhak (atao hoe Rashi, fanafohezana ny hoe ''Rabbi Shlomo Itzhaki'') tamin' ny taonjato faha-11. Nanohy ny asan' i Rashi ny mpianany sy ny zafikeliny, izay nanoratra ny literatiora ''Tosafot'' na ''Tosefot'' (hebreo: תוספות), izany hoe "tovana" amin' ny fivoasana nataon' i Rashi.
==== Ny kabala sy ny hasidisma ====
Nandritra ny Andro Antenatenany dia nipoitra ny antoko [[Mistisisma|mistika]] sy antokon' ny [[fitiavam-bavaka]] jiosy. Ny lehibe amin' ireo dia ny fihetsiketsehan' ny [[Hasidisma tamin'ny Andro Antenantenany|Hasidima]] (hebreo: ''Hasidim'' "tia vavaka") tao [[Alemaina]] tamin' ny taonjato faha-12 sy ny [[kabala]] tao [[Espaina]] tamin' ny taonjato faha-13.
Tamin' ny voalohany dia filôzôfia tsy natao ho an' ny daholobe na natao ho fantatry ny maro ny kabala fa miafina, izay ahitana fampianarana [[Gnôstisisma|gnôstika]] sy [[Neôplatônisma|neôplatonisiana]]. Ny asasoratra fototra ao amin' izany dia ny ''Sepher haZohar'' ("Bokin' ny famirapiratana") nosoratan' i Moshe ben Shem Tov. Tandindona sy famantarana ary sary an' ohatra momba ny [[Torah]] sy momba ireo didy maro no votoatiny. Nanjary firehana be mpanaraka izy taorian' ny fandroahan' ny [[Katôlisisma|Fiangonana katôlika]] ny Jiosy avy ao Espaina tamin' ny taona 1492. Izany fitomboan' ny isan' ny olona afaka manaraka ny kabala izany dia vokatry ny fivoasana manasongadina ny anjara toeran' ny [[Mesia]] nataon' i Yitzhak Ben Sh'lomo Luria. Ny kabalan' i Luria dia manome heviny ny fahoriana sy ny fijalian' ireo Jiosy nisesy tany ka nilaza fa misahana anjara asa iankinan-javatra betsaka ao amin' ny tantaran' ny [[fanavotana]] eto amin' izao tontolo izao izy ireo. Niteraka hetsika [[Mesianisma|mesianika]] lehibe izay nanova tanteraka ny fiainan' ny vahoaka jiosy tamin' ny taonjato faha-17 izany fiheveran' i Luria izany, ka i Sabbatai Zevi no nitarika izany.
Nisy akony tamin' ny firoborobon' ny hasidisma [[Pôlônia|pôlôney]] koa izany fiheveran' i Luria izany nanomboka tamin' ny taonjato faha-18. Ny asa nataon' i Israel Baal Shem Tov no nampalaza izany hasidisma izany. Nambarany fa ny fanoloran-tena amim-pahazotoana sy ny hafanam-pon' ny Jiosy mahantra sady tsy mahay taratasy dia tsara lavitra hanompoana an' Andriamanitra noho ny fandalinana am-pahazarana fotsiny ny [[Talmoda]]. Nanohitra ny hasidisma ny antokon' ny raby nefa nihen-danja izany noho ny tahotr' ireo antoko roa mpifanohitra ireo ny fivoaran' ny [[filôzôfian' ny Fahazavana]] tao [[Eorôpa]] andrefana sy ny mety ho vokatr' io filôzôfia io teo amin' ny jodaisma.
=== Ny jodaisma amin' ny Andro Vaovao ===
Nisy ny fankahalan' ny olona sasany ny Jiosy ([[antisemitisma]]) nefa nanomboka tamin' ny Revôlisiona frantsay dia nisy ny fahalalahana izay niteraka fiovana betsaka teo amin' ny fivavahan' ny Jiosy tao Eorôpa. Vokatr' izany dia teraka ny fanavaozam-pivavahana ([[jodaisma nohavaozina]]) izay niezaka ny hampirindra kokoa ny jodaisma ka anisan' izany ny fanaovana amin’ ny fitenin' ny olona andavanandro ny toriteny (fa tsy amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izay nihavitsy mpampiasa), ny fandaozana ny ankamaroan' ny fomba amam-panao jiosy noheverina fa antitra loatra, ny fanafohezana ny faharetan' ny fotoam-pivavahana. Naka tahaka ny fomban' ny mpitondra fivavahana kristiana ny [[raby]] mpankasitraka ny fanavaozana. Ny teôlôjianan' ny jodaisma mpanohana ny fanavaozam-pivavahana dia nanantitra ny momba ny fitondrantena sady natoky ny fivoaram-pandrosoan' ny zanak' olombelona. Na dia izany aza dia nisy ireo mpanavao fivavahana nandanjalanja ka nanohy ny fitorian-teny amin' ny teny hebreo sady nanaja ny fomba amam-panao nentin-drazana.
Ny [[jodaisma ôrtôdôksa]] nanohitra ny mpanavao fivavahana dia niezaka ny hampisy fifandanjana eo amin' ny fomba nolovaina tamin' ny razana sy ny fampianarana vaovao.
== Ny Jiosy ==
Ny [[Jiosy]] na Jody dia ireo [[Zanak' i Israely]] niaina taorian' ny [[fahababoana tany Babilôna]], na ny olona manaraka ny fivavahana [[jodaisma]]. I [[Israely]] no tany fiavian' ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny [[Baiboly]] dia nomen' i [[Iahveh]] [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] azy ireo io tany io. Miisa any amin' ny 14 000 000 ny Jiosy amin' izao.
Ankehitriny na ny hoe ''Jiosy'' na ''Jody'' dia teny enti-manondro indrindra ireo mponina tao [[Jodea]] (na Jodia) tamin' ny andron' i [[Jesoa]] na ireo olona mpivavaka amin' ny [[jodaisma]]. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany, mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany. Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin' ny [[Baiboly]]. Ny Lalàna israeliana ankehitriny dia mamaritra ny atao hoe Jiosy ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin' ny jodaisma<ref name=":1"><small>[https://web.archive.org/web/20131021112918/http://www.icsresources.org/content/curricula/ReligiousOrEthnic.pdf "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?"] (PDF). Institute for Curriculum Services''.''</small></ref>.
== Ny jodaisma sy ny fivavahana hafa ==
=== Ny jodaisma sy ny fivavahana hafa tamin' ny Andro Taloha ===
==== Ny jodaisma sy ny fivavahana tao Kanaana ====
Ny fivavahana kanaanita dia ireo fivavahana semitika taloha izay narahin' ireo Kanaanita niaina tao [[Kanaana (faritra)|Kanaana]] tamin' ny fiandohan' ny [[Andron' ny Alimo]] ka hatramin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Ny Kanaanita dia mivavaka amin' [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] maro ([[pôliteisma]]), nefa indraindray koa amin' ny iray amin' ireo andriamanitra maro ([[mônôlatria]]). Isan' ny andriamanitry ny Kanaanita ireo andriamanitra mitondra ny anaran hoe ''Ahserah'', ''El'', ''Baal'', ''Dagon'' ary ''Yahweh'' (lasa anaran' ny andriamanitry ny Israelita taty aoriana) izay resahina koa ao amin' ny [[Baiboly]].
==== Ny jodaisma sy ny zôrôastrisma ====
Maro ireo mpahay tantara mihevitra fa nisy akony lehibe teo amin' ny jodaisma ny [[zôrôastrisma]] (fivavahana [[Mônôteisma|mônôteista]] naorin' i [[Zaratostra]] avy amin' ny fivavahana pôliteista) tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. rehefa nahazo an' i Babilôna izay nanaovana [[Fahababoana tany Babilôna|sesitany ny mponin' i Jodà]] ny [[Persia|Persiana]]. Nisy fiantraikany teo amin' ny foto-pampianaranan' ny fivavahana jiosy ny rafitra nisy ao aminy araka ny hita ao amin' ny ''Bokin' ny fitsipi-pifehezana'' hita tao amin' ireo [[soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty]]. Hita ao ireo lohahevitry ny zôrôastrisma izay mitovitovy amin' ny an' ny jodaisma sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]].
Ny ankamaroan' ny lahatsoratry ny jodaisma - momba ny lohahevitra toy ny [[fiainana aorian' ny fahafatesana]], ny [[Mesianisma|fiandrasana mesia]], ny [[Fitsarana farany|fitsarana]] aorian' ny fahafatesana, ny [[Lanitra (finoana)|lanitra]] sy ny [[helo]], ny [[safidy malalaka]] ananan' ny olombelona - dia niseho tamin' ny vanimpotoana nanjakan' ny Persiana amin' i [[Jodea]], ka azo eritreretina ny fisian' ny akon' ny zôrôastrisma amin' ny fivavahana jiosy, izany hoe lohahevitra momba ny [[eskatôlôjia]]. Anisan' ny lohahevitra mety azon' ny jodaisma tamin' ny zôrôastrisma koa ny [[demônôlôjia]]. Izany dia tsy hita raha tsy ao amin' ny soratra jiosy taorian' ny fahababoana tany Babilôna (taona 597 - 538 tal. J.K.), izay nifampikasohan' ny manampahaizana jiosy tamin' ny Persia sy ny [[fivavahana iraniana]] sy [[Kiorda (vahoaka)|kiorda]].
=== Ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo ===
'''Ny jodaisma sy ny kristianisma'''
Ny jodaisma sy ny [[kristianisma]] dia [[fivavahana abrahamika]] samy miorina amin' ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] antsoin' ny Kristiana hoe [[Testamenta Taloha]]. Nipoitra avy tamin' ny [[Vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa|andron' ny Tempoly Faharoa]] ny kristianisma nefa nisaraka ireo fivavahana roa ireo tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Nihamafy miandalana izany fisarahana izany nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K.
Nanamafy ny ataony hoe "finoana marina" (na ôrtôdôksia) ny kristianisma ka nifantoka amin' ny fanekem-pihavanana vaovao amin' ny alalan' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]], araka ny voasoratra ao amin' ny boky manokan' ny Kristiana, dia ny [[Testamenta Vaovao]]. Ny jodaisma kosa dia manamafy izay ataony hoe "fitondrantena marina" (na ôrtôpraksia) izay mifantoka amin' ny fanekem-pihavanan' i [[Mosesy]] (na [[Mosesy|Môizy]]) araka ny hita ao amin' ny [[Torah]] sy ny [[Talmoda]].
Mino ny [[famonjena]] ny olona tsirairay ho afaka amin' ny [[fahotana]] amin' ny alalan' ny fandraisany an' i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny Kristiana. Ny Jiosy kosa mino ny fandraisana anjaran' ny olona tsirairay sy miaraka ao amin' ny fifampiresahana mandrakizay amin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny lovam-pampianarana, ny fombafombam-pivavahana, ny vavaka ary ny fitondran-tena tsara. Mino Andriamanitra tokana misy [[Trinite|persôna telo]] ny ankamaroan' ny Kristiana, ka ny iray amin' ireo [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] telo ireo dia inoany fa [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga olombelona]] ao amin' i Jesoa Kristy. Ny jodaisma kosa manamafy ny maha iray tsy mivaky an' Andriamanitra ka mitsipaka ny fiheverana kristiana ny amin' ny Andriamanitra tonga olombelona.
'''Ny jodaisma sy ny finoana silamo'''
Fivavahana abrahamika sahala amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ny [[Silamo|finoana silamo]]. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. tamin' ny nahaterahan' ny fivavahana silamo sy ny fielezany tao amin' ny [[Saikanosin' i Arabia]]. Samy mandala soatoavina sy hevitra fototra ary fitsipika mitovitovy ny jodaisma sy ny finoana silamo. Ataon' ny silamo ho ampahan-tantarany ny tantaran' ny jodaisma. Zava-dehibe amin' ny finoana silamo ilay fitenenana hoe "[[Zanak' i Israely]]". Amin' ny silamo dia mpaminany lehibe i [[Mosesy]] ([[Fiteny arabo|arabo]]: موسى / ''Musa'') sady heveriny fa mpaminanin' ny finoana silamo no irak' Andriamanitra. Resahina matetika kokoa noho ny hafa rehetra i Mosesy ao amin' ny [[Kor'any]] ary tantaraina bebe kokoa noho ny an' ny mpaminany hafa ny fiainany. Resahina in-43 ny [[Israelita]] ao amin' ny Kor'any, ary matetika ao amin' ny [[Hadita]] maro. Toy ny Kristiana sy ny Miozolmana koa dia ataon' ny fivavahana silamo hoe "[[Olon' ny Boky]]" (arabo: اهل الكتاب / ''ahl al-kitâb'') ny Jiosy.
Maro ireo zavatra itovian' ny fivavahana roa noho ny maha samy [[fivavahana abrahamika]] azy ireo, sy ny akon' ny filôzôfia silamo amin' ny vahoaka jiosy any amin' ny tontolo miozolmana. Nifampikasoka sy nisy zavatra nifampizarana ireo fivavahana roa ireo nandritra ny 1 400 taona, na ara-pôlitika izany, na ara-teôlôjia. Tamin' ny fananganana ny [[Israely|Fanjakan' i Israely]] vaovao tamin' ny taona 1948 anefa dia niharatsy ny fifandraisana eo amin' ny Jiosy sy ny Miozolmana.
== Finoana sy fitsipika ary fanompoam-pivavahana ==
=== Ny Lalàna ===
[[Sary:Hildesheim Synagogenmahnmal 3.jpg|304x304px|ankavanana]]Ny Lalàna voasoratra, ny [[Tanakh]] (Baiboly jiosy), no loharano fototry ny fivavahana jiosy. Ao no ahitana ny [[Torah]]. Ao no ahitana ireo fitsipiky ny fiainam-pivavahana teo amin' i Israely. Ao koa no misy ireo soratra momba ny fiavian' izao tontolo izao sy ny tantaran' i Israely ary ny fampianarana momba ny fitondran-tena tokony hananan' ny vahoaka jiosy. Misy koa ny [[Torah am-bava|Lalàna am-bava]] (na Torah am-bava) izay voarakitra an-tsoratra ao amin' ny Talmoda, izay manome ny fanazavana ilaina amin' ny fampiharana ny didin' ny Torah.
=== Ny finoana ===
Ny [[tenim-pinoana]] lehibe ao amin' ny jodaisma dia ireto:
* Tokana [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] sady izy no [[Famoronana (finoana sy fedrà)|mpahary]] izao tontolo izao;
* I [[Mosesy]] no lehibe indrindra amin' ny [[Mpaminanin'i Israely|mpaminany]] rehetra, izay nandray avy amin' Andriamanitra ny Lalàna mifehy ny fiarahamonina sy ny fivavahana jiosy.
* Handefa [[Mesia]] Andriamanitra, araka ny efa nambaran' Andriamanitra tamin' ny mpaminany mialoha, mba hamerina indray ny [[fanjakan' Andriamanitra]].
== Ny andro sy fety tokony tandremana ==
Ny [[litorjia]] dia mandidy fotoam-panompoana telo isan' andro. Ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]] sy ny andro firavoravoana dia misy fotoam-panompoana iray fanampiny atao amin' ny maraina.
=== Ny Sabata ===
Ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]], izay atao hoe שָׁבַת / ''Shabbat'' amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]], dia andro fitsaharana izay mifanandrify amin' ny andro fahafito amin' ny herinandro jiosy, izany hoe ny [[Asabotsy]]. Araka ny voalaza ao amin' ny [[Baiboly]] dia nasain' Andriamanitra notandreman' ny [[Zanak' i Israely]] ny andro Sabata. Zava-dehibe indrindra ao amin' ny jodaisma ny andro Sabata ka hajain' ny Jiosy fatratra. Ny olona tsirairay dia tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo atao ny asa rehetra amin' ny andro Sabata mba hifantohany amin' ny fianakaviany sy ny ankohonany. Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata ao amin' ny [[Israely|Fanjakan' i Israely]] ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana izany.
=== Ny andro fankalazana ara-pivavahana ===
Maromaro ireo andro ankalazain' ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin' ny [[Tanakh]] fa ny sisa niforonina taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona. Ny andro fankalazana ifandian-kanina dia ny andron' ny taom-baovao (hebreo: רֹאשׁ הַשָּׁנָה/ ''rosh hashanah'') sy ny andron' ny famelan-keloka (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר / ''Yom kippur'') izay atokana manontolo amin' ny [[vavaka]] sy ny [[fifadian-kanina]].
'''Fankalazana anaovana fivahiniana masina'''
==== Ny ''Pesakh'' ====
Ny ''[[Paska jiosy|Pesakh]]'' (hebreo: פֶּסַח) io no [[Paska jiosy]]; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ireo Jiosy tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny [[Fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Egipta|fivoahan' ny razany]] avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 22 ''[[Nisana (volana hebreo)|Nisan]].''
==== Ny ''Shavuot'' ====
Ny ''[[Shavuot]]'' (hebreo: שבועות "herinandro") na [[Shavuot|Pentekôsta]] ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra ny Torah tany an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]]; ankalazaina amin' ny 6 ''[[Sivàna (volana hebreo)|Sivan]]''.
==== Ny ''Sukkot'' ====
Ny ''[[Sokota|Sukkot]]'' (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / ''Hag ha-Sukkot'' "fetin' ny trano lay" na "[[Sokota|fetin' ny tabernakely]]"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian' Andriamanitra ny [[Zanak' i Israely|Zanak' i Isiraely]] tamin' ny nivoahany avy any Egipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahana avy tany Egipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona; ankalazaina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 21 (na 22) ''[[Tisry (volana hebreo)|Tishri]].''
'''Fankalazana tsy anaovana fivahiniana masina'''
==== Ny ''Rosh ha-Shana'' ====
Ny ''[[Rosh ha-Shana]]'' (hebreo: ''רֹאשׁ הַשָּׁנָה'' "fiantombohan' ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה /''Yom Teruah'' "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan' ny fivavahana; ankalazaina amin' ny 1 sy 2 ''[[Tishri]]'' (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1 ''[[Nisana (volana hebreo)|Nisan]]'').
==== Ny ''Yom Kippur'' ====
Ny ''[[Yom Kippur]]'' (hebreo: ''יוֹם כִּיפּוּר'' na ''יום הכיפורים'' / ''Yom ha-Kippurim'' "andron' ny famelan-keloka" na "androm-panavotana") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin' ny 10 ''Tishri.''
==== Ny ''Shemini Atseret'' ====
Ny ''[[Shemini Atseret]]'' (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת "valo andro fivoriana" na ''יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת'' / ''Yom ha-Shemini Atseret'' "fetim-pamaranana amin' ny faha-valo andro"); anombohan' ny fotoana irotsahan' ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin' ny 22 ''Tishri.''
==== Ny ''Simkhat Torah'' ====
Ny ''[[Simkhat Torah]]'' (hebreo: שמחת תורה '''/''' "hafalian' ny Lalàna"); ankalazana ny [[Torah]] ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin' ny 22 sy 23 ''Tishri.''
==== Ny ''Khanukka'' ====
Ny ''[[Hanokà|Khanukka]]'' (hebreo: חג החנוכה / ''Hag ha-Khanukka'' "fetin' ny fanorenana"); ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin' ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly Faharoa]] tao Jerosalema, tamin' ny fiverenana amin' ny fanompoam-pivavahana jiosy, telo taona taorian' ny nandraran' i [[Antiôkôsy IV Epifanesy|Antiôkôsy IV]] ([[Seleokida]]) an' izany, manomboka amin' ny 25 ''[[Kisleva (volana hebreo)|Kislev]]'' hatramin' ny 2 ''[[Teveta (volana hebreo)|Tevet]].''
==== Ny ''Tu bi-Shevat'' ====
Ny ''[[Tu bi-Shevat]]'' (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin' ny folo andron' ny Shevat"); taom-baovaon' ny hazo; ankalazaina amin' ny 15 [[Sevata (volana hebreo)|Shevat]].
==== Ny ''Purim'' ====
Ny ''[[Porima|Purim]]'' (hebreo: פּוּרִים / ''He-Purim''); ahatsiarovana ny nanavotan' i [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]] ny Jiosy tamin' ny fanenjehan' i Hamana; ankalazaina amin' ny 14 (sy 15) ''[[Adara (volana hebreo)|Adar]].''
== Ny mpitondra fivavahana sy ny mpanazava ny Lalàna ==
=== Ny mpisorona sy ny levita hafa ===
Ny [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] dia mpitondra fivavahana ao amin' ny fivavahan' ny [[Israelita]] fahiny sy ny [[Jiosy]] izay natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] ka olona nofidina avy amin' ny [[fokon' i Levy]] taranak' i [[Aarôna]] izy ireo. Mizara roa ny mpisorona, dia ny mpisoronabe sy ny mpisorona tsotra. Lehilahy avy amin' ny fokon' i Levy tsy taranak' i Aarôna kosa no azo atao mpisorona madinika, fa tsy maintsy taranak' i Aarona kosa ny mpisoronabe. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny [[Lalàn' i Mosesy]] amin' ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema ary ny fitsofan-drano ny vahoaka. Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny [[Sanedrina|Sinedriona]] azy. Ny Levita tsy mpisorona dia afaka manampy ny mpisorona amin' ny fanaovana raharaha amin' ny toerana sasany ao an-tempoly.
Rehefa rava ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly Faharoa]] sy i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia nihavery lanja ny mpisorona ary tsy nisy intsony ny asam-pisoronana eo amin' ny fivavahana jiosy. Nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly ny mpisoronabe.
=== Ny raby ===
Ny [[raby]] dia Jiosy mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana sady filoha ara-panahy no mpitarika ara-pivavahana ao amin' ny vondron' olona [[jiosy]] iray, izay misahana koa ny fampianarana ny Lalàna. Ny raby dia sady mpandalina no mpanao fivoasana ny [[Torah]]. Araka ny fomba jiosy taloha dia ny lehilahy ihany no afaka misahana ny asan' ny raby nefa maro ireo seminera izay manosotra raby vehivavy ankehitriny.
=== Ny mpanoradalàna ===
Ny [[Mpampiana-dalàna|mpanoradalàna]] na [[mpampiana-dalàna]] (hebreo: סופרים / ''soferim'') dia olonkendry niasa nandritra ny [[vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa]]. Ny vanimpotona niasany dia mety nandritra ny an' ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin' ny andron' i [[Ezra]] na [[Ezra|Esdrasa]], izay sady lohan' ny Sôferima no filoha voalohan' ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin' ny andron' i Simôna ilay Marina izany. Ny anjara asan' izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan' ny vahoaka ny [[Tanakh]] sady manazava izany.
== Ny firehana sy sampan' ny jodaisma taloha ==
=== Ny tena fantatra ===
==== Ny Sadoseo ====
Ny [[Sadoseo]] na Sadoseanina ([[Fiteny hebreo|hebreo]]: צְדוּקִים / ''Ṣĕdûqîm'' na ''Tsadukim'') dia ireo mpikambana amin' ny antoko iray amin' ny efatra lehibe amin' ny firehan' ny fivavahana jiosy tamin' ny [[Andro Taloha]] tao [[Jodea]] tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Nahitana ireo mpisorona amin' ny saranga ambony ny Sadoseo. Tsy inoany ny [[fitsanganan-ko velona]]. Tsy ekeny koa ny lovatsofin' ny [[Fariseo]] izay maneho fomba fijery ntaolo kokoa ny lalàna sy ny fivavahana.
==== Ny Fariseo ====
Ny [[Fariseo]] na Farizianina (hebreo: פְּרוּשִׁים / ''pěrûšîm'') dia ireo [[Jiosy]] amin' ny antoko iray tao [[Jodea]] nandritra ny vanimpotoan' ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly Faharoa]], izany hoe tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe ''farisaisma'' na ''farizianisma'' ny firehan-kevitra ara-pivavahan' izy ireo. Ny Fariseo no mpialoha lalana mivantana ny fihetsiketsehan' ny [[Raby]] izay nipoitra taorian' ny taona 70 taor. J.K. Maro ny fampianaran' ny Fariseo izay tafakambana ao amin' ny lovatsofin' ny Raby. Miavaka ny fampianaran' ny Fariseo noho izy mifototra amin' ny [[Torah am-bava]] mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin' ny Fariseo dia ny boky nosoratan' i [[Flavio Jôsefa]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] ary ny soratr' ireo Raby.
==== Ny Eseniana ====
Ny [[Eseniana]] ([[Fiteny grika|grika]]: εσσήνοι / ''essēnoi''; hebreo: אִסִּיִים, ''Isiyim'') dia ireo olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin' ny [[vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa]] izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany tao [[Palestina (faritra)|Palestina]]. Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan' andro (sahala amin' ny [[batisa]]) sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao.
==== Ny Filôzôfia fahefatra ====
Ny ''[[Filôzôfia Fahefatra (jodaisma)|Filôzôfia fahefatra]]'' na ''Sekta fahefatra'' na ''Fikambanan' i Jodasy Galileana'' dia anarana nomen' i [[Flavio Jôsefa]] ny hetsika na fikambanana noforonin' i Jodasy Galileana (mpitarika ny Jiosy mpikomy tao [[Galilea (faritra)|Galilea]] sy tao [[Jodea]] tamin' ny nahalasa faritany rômana an' i Jodea) tamin' ny andron' ny fikomiana nataon' ny Jiosy (taona 66 taor. J.K.) hanoherana ny fanisam-bahoaka nampanaovin' i Kirinio tamin' ny taona 6 taor. J.K. raha lasa faritanin' i Jodea fehezin' ny Rômana mivantana ny faritra notapahin' i [[Herôda Arkelaôsy]]. Ity firehana ity dia manizingizina ny amin' ny atao hoe fahafahana sy ny atao hoe fanjakana tsy refesi-mandidin' ny Andriamanitr' i Israely ary manandratra avo ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrasana ny fanafahana amin' ny [[andro farany]] hataon' Andriamanitra (fanafahana [[Eskatôlôjia|eskatôlôjika]]). Ny tapany farany tamin' ny fotoana nisehoan' ny fikomian' ny Jiosy dia ny fanoherana hiarovana ny toby famaharana [[Masada]] notarihin' i Eleazara zanak' i Jairo, izay zafikelin' i Jodasy Galileana (taona 74).
=== Ny firehana hafa ===
==== Ny Zelôta ====
[[Sary:Massada Israel.jpg|vignette|250x250px|Ny toeram-pamaharana Masada jerena avy atsinanana]]
Ny [[Zelôta]] ([[Fiteny grika|grika]]: ζηλωτής / ''zêlôtês''; raha tokana, ζηλωταί / ''zêlôtai,'' raha maro), izay atao hoe ''קנאים'' / ''Qana'im'' amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]], dia fikambanana namporisika ny vahoaka jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Fanjakana rômana sady handroaka azy ity amin' ny alalan' ny fiadiana. Izy no lohany tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny [[Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy]] tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.
==== Ny Ebiônita ====
Ny [[Ebiônita]] (grika: ''Ἐβιωναῖοι / Ebiônaîoi'', izay avy amin' ny teny hebreo hoe ''אביונים / ebyonim'' "mahantra, malahelo") dia ireo Kristiana jiosy tamin' ireo taonjato voalohandohany nisian' ny [[kristianisma]]. Amin' izy ireo dia i [[Jesoa]] no [[Mesia]] nefa lavin' izy ireo ny maha Andriamanitra azy sy ny [[fiteraham-birijiny]] azy sady manamafy izy ireo fa tokony hotandremana ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàna]] sy ny fombam-pivavahana jiosy. Ny [[Evanjely hebreon' i Matio]], manomboka amin' ny toko fahatelo, no ampiasainy. Hajainy i [[Jakôba ilay Marina|Jakôba]] [[rahalahin' i Jesoa]] (atao hoe Jakôba ilay Marina) nefa laviny i [[Paoly (apôstôly)|Paoly]] noho ity apôstôly ity mandà ny Lalàna jiosy. Midika fanoloran-tena ho amin' ny fiainana ao anaty fahantrana io anarana ''Ebiônita'' iantsoana azy ireo io. Ny teny hoe ''Ebionim'' dia nampiasain' ny sekta tao [[Komràno|Komrano]] izay nisaraka tamin' ny fahasimban' ny fivavahana tao an-[[Tempoly Faharoan' i Jerosalema|Tempoly]].
==== Ny Nazôreana ====
Ny [[Nazôreana]] na [[Nazôreana|Nazareana]] (grika: ''Ναζωραῖος'' / ''Nazôraios;'' hebreo: נוצרים / ''Notzrim'') dia vondrona ara-pivavahana [[Jodaisma mesianika|jiosy mesianika]] tsy dia fantatra loatra, izay fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany. Ity vondrona ity dia manaiky an' i Jesoa ho [[Mesia]] nefa manaja ny lalàm-pivavahan' ny Jiosy. Tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa anefa izy ireo.
==== Ny Elkasaita ====
Ny [[Elkasaita]] na Elkesaita na Helkasaita na Elkesaiana (avy amin' ny anaran' ilay olona heverina fa namorona azy, atao amin' ny teny grika hoe Ἠλχασαΐ / ''Elkhasai'' na Ἠλξαί / ''Elksai'' na Ελκεσαΐ / ''Elkesai'') dia ireo tao amin' ny fikambanana ara-pivavahana jodeô-kristiana batista sinkretika manam-pirehana [[Gnôstisisma|gnôstika]] izay sady anisan' ny jodaisma ankapobeny amin' ny lafiny sasany, no isan' ny jodaisma nazôreana.
==== Ny Hasideana ====
Ny [[Hasideana]] (hebreo: חסידים / ''Hassidim'' "tia vavajka"'')'' dia antoko jiosy tia vavaka izay nanomboka nandray anjara mavitrika teo amin' ny lafiny pôlitika nandritra ny [[fikomian' ny Makabeo]], na dia efa nisy aza izany taloha. Ny [[Bokin' ny Makabeo]] dia miresaka azy ireo in-telo.
==== Ny Bôetôsiana ====
Ny [[Bôetosiana|Bôetôsiana]] (hebreo: בייתוסים / ''baitôsîm'') dia ireo mpikambana ao amin' ny fikambanana jiosy tamin' ny faramparan' ny [[vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa]]. Amin' ny lovantsofina rabinika dia manam-pifandraisana akaiky amin' ny [[Sadoseo]] na Sadoseanina ny Bôetôsiana na fivoaran' ny Sadoseo. Mety ho momba ny fianakaviana mpisoron' i Bôetôsy ny fikambanana bôetôsiana, nefa mbola tsy mifanaraka ny amin' izany ny mpikaroka.
==== Ny Jiosin' i Elefantina ====
Ny [[Jiosin' i Elefantina]] dia vahoaka jiosy tany Egipta tamin' ny vanimpotoan' ny [[Persia|Persiana]] [[akemenida]] (taonjato faha-5 tal. J.K.) izay nonina teo amin' ny [[Elefantina (nosy)|nosy Elefantina]] nantsoina hoe ''Yeb'' tamin' izany fotoana izany.
== Ny sampan' ny jodaisma ankehitriny ==
=== Ny jodaisma rabinika ===
Ny [[jodaisma rabinika]] (hebreo: יהדות רבנית / ''Yahadut Rabbanit'') izay atao hoe koa ''rabinisma'' no be mpanaraka indrindra ao amin' ny jodaisma, hany ka raha miresaka ny amin' ny jodaisma dia izy no tonga ao an-tsain' ny maro voalohany ka lasa ampitovina aminy. Misy sampam-pirehana telo lehibe ny jodaisma rabinika, dia ny [[jodaisma nohavaozina]] sy ny [[jodaisma mpitahiry]] ary ny [[jodaisma ôrtôdôksa]].
==== Ny jodaisma ôrtôdôksa ====
Ny [[jodaisma ôrtôdôksa]] dia firehan' ny jodaisma rabinika mihevi-tena ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaon' ny Jiosy mandala ny [[Torah|Lalàna voasoratra]] sy ny [[Torah am-bava|Lalàna am-bava]] nampitain' i [[Mosesy]] teo amin' ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Tendrombohitra Sinay]] (na Sinaia), miaraka amin' ny fivoasana ireo lalàna ireo. Heverin' ny Jiosy ôrtôdôksa ho mihataka amin' ny lala-marina ny Jiosy hafa rehetra ka ataony ho manao [[Fampianaran-diso (fivavahana)|fampianaran-diso]]. Ny teny hoe "ôrtôdôksa" dia napetak' ireo Jiosy manaraka ny [[jodaisma nohavaozina]] ka misy ny manaiky an' izany ary misy ny tsy tia an' izany fa misafidy ny teny hoe ''Haredi''.
==== Ny jodaisma mpitahiry ====
Ny [[jodaisma mpitahiry]], izay atao hoe koa ''Masorti'', dia firehan' ny jodaisma rabinika izay mandray ny fotokevitry ny fanavaozana nefa tsy mandray izany ho lasan-davitra loatra na lalina loatra. Ny fihetsiketsehana masorti dia mitonon-tena ho firehana afovoany izay manome lanja ny fahefan' ny [[Talmoda|Talmud]] nefa manaraka ny fitsipika amin' ny fomba tsy hentitra loatra sady tsy mila fanajana amin' ny pitsopitsony ireo fanapahan-kevitra tany aloha, ka izany no mahatonga ireo rabiny halalaka kokoa amin' ny fivoasany ny [[Halakà]]. Ao [[Etazonia]] sy ao [[Kanada]] no tena ahitana ny jodaisma mpitahiry.
==== Ny jodaisma nohavaozina ====
Ny [[jodaisma nohavaozina]] dia sampan' ny jodaisma rabinika izay niseho tao [[Alemaina]] tamin' ny taonjaton' ny Fahazavana, tao amin' ny hetsika Haskala notarihin' i Moses Mendelssohn. Maro ireo firehana nipoitra tamin' izany izay namporisika ny Jiosy handray ny fandrosoana amin' izao andro ankehitriny izao sady hifanerasera amin' ny fiarahamonina ivelan' ny an' ny Jiosy. Indraindray koa ny jodaisma nohavaozina dia atao hoe [[Jodaisma nohavaozina|jodaisma liberaly]] na [[Jodaisma nohavaozina|jodaisma prôgresista]].
=== Sampana hafan' ny jodaisma ===
==== Ny jodaisma karaita ====
Ny [[jodaisma karaita]] dia firehan' ny jodaisma miorina amin' ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] sy ny fandavana ny Lalàna am-bava. Mifanohitra amin' ny [[jodaisma rabinika]] izany ny jodaisma karaita. Atao hoe ''קראות'' / ''qaraut'' ny jodaisma karaita ary בני המקרא / ''bnei haMiqra'' (midika hoe "zanaky ny ''Miqra''") ny Karaita amin' ny teny hebreo. Mihena hery miandalana ny jodaisma karaita nefa misy fikambanana maro mbola mijoro ny ao [[Kahira]] any [[Ejipta]], ny any [[Krimea]], ny any [[Litoania]] sy ny any amin' ny toeran-kafa.
==== Ny jodaisma rekônstroksiônista ====
Ny [[jodaisma rekonstroksionista|jodaisma rekônstroksiônista]] no firehan' ny [[Jodaisma nohavaozina|jodaisma prôgresista]] niforona farany indrindra sady ahitana mpino farany vitsy indrindra. Tamin' ny taona 1968 tao [[Etazonia]] no niforonany ka ny raby Mordechai Kaplan no nanorina izany tamin' ny fotokevitra nipoitra tamin' ireo taona 1920 sy 1930 ary 1940. Ao Etazonia sy ao [[Kanada]] no tena ahitana ity firehan' ny jodaisma ity. Ity firehana manaraka toetrandro ity dia mampianatra fa ny jodaisma dia sivilizasiona tsy mitsaha-mivoatra. Nitombo ilay fihetsiketsehana tamin' ny faramparan' ireo taona 1920 sy 1940 ary 1968 ka nisy ny sekoly rabinika niforona. Ny [[Halakà]] dia tsy heverina ho zavatra tsy maintsy arahina fa ho sisasisan' ny kolontsaina sarobidy tokony hotehirizina, afa-tsy raha misy antony hafa tsy hanaovana izany.
== Ny literatioran' ny jodaisma ==
=== Ny Soratra Masin' ny jodaisma ===
==== Ny Lalàna na ''Torah''====
Ny ''[[Torah]]'' (hebreo: תּוֹרָה "Lalàna") dia fitambaran’ ireo boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]). Ny fitambaran’ ireo no atao hoe [[Pentateoka]] na [[Pentateoka|Boky dimin' i Mosesy]] ao amin’ ireo asa soratra kristiana.
Ireto avy ny anaran’ ireo boky dimy ireo ao amin' ny Baiboly hebreo na [[Tanakh]]:
*''Sefer Bereshit'' (ספר בראשית "Tamin' ny voalohany"): [[Bokin' ny Genesisy|Genesisy]] na Jenezy
*''Sefer Shemot'' (ספר שְׁמוֹת "ireo anarana"): [[Bokin' ny Eksôdôsy|Eksôdosy]] na Eksaody
*''Sefer Vayikra'' (ספר ויקרא "ary niantso Izy"): [[Bokin' ny Levitikosy|Levitika]] na Levitikosy
*''Sefer Bemidbar'' (ספר במדבר "tany an-tany efitra"): [[Bokin' ny Nomery|Nomery]]
*''Sefer Devarim'' (ספר דְּבָרִים "ireo teny"): [[Bokin' ny Deoterônômia|Deoterônômy]] na Deoterônômia
==== Ny Mpaminany na ''Nevi'im''====
Ny ''[[Nevi'im]]'' na ''Nebi'im'' (hebreo: נְבִיאִים "mpaminany") dia ilazàna ireo boky mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ ny Baiboly hebreo. Mizara roa ny ''Nevi'im'', dia ny ''Nevi'im rishonim'' ("mpaminany taloha") sy ny ''Nevi'im aharonim'' ("mpaminany taoriana").
Ny ''Nevi'im rishonim'' dia ahitana boky efatra, ka ireto avy izany:
* ''Sefer Yehoshua'' na ''Yehoshua'': [[Bokin' i Jôsoa|Jôsoa]]
* ''Sefer Shoftim'' na ''Shoftim'': [[Bokin' ny Mpitsara|Mpitsara]]
* ''Sefer Shemuel'' na ''Shemuel'': [[Boky voalohan' i Samoela|Samoela voalohany]] sy [[Boky faharoan' i Samoela|Samoela faharoa]]
* ''Sefer Melakhim'' na ''Melakhim'': [[Boky voalohan' ny Mpanjaka|Mpanjaka voalohany]] sy [[Boky faharoan' ny Mpanjaka|Mpanjaka faharoa]]
Miisa efatra ny bokin’ ny mpaminany taoriana, dia ireto avy:
* ''Sefer Yeshayahu'' na ''Yeshayahu'': [[Bokin' i Isaia|Isaia]]
* ''Sefer Yrmeyahu'' ("bokin'i Jeremià") na ''Yrmeyahu'': [[Bokin' i Jeremia|Jeremia]]
* ''Sefer Yehezkael'' ("bokin'i Ezekiela") na ''Yehezkael'': [[Bokin' i Ezekiela|Ezekiela]]
* ''Trei Assar'' (תרי עשר “[[Bokin' ny Mpaminany 12|mpaminany madinika roa ambin’ ny folo]]”)
Ny ''Trei Assar'' dia manambatra ireo "mpaminany madinika", dia ny ''Sefer Hoshea'' (הושע) ([[Bokin' i Hôsea|Hôsea]]), ny ''Sefer Yo'el'' (יואל) ([[Bokin' i Jôela|Jôela]]), ny ''Sefer Amos'' (עמוס) ([[Bokin' i Amôsa|Amôsa]]), ny ''Sefer Ovadiyah'' (עובדיה) ([[Bokin' i Ôbadia|Ôbadia]]), ny ''Sefer Yohnah'' (יונה) ([[Bokin' i Jônà|Jôna]]), ny ''Sefer Mikhah'' (מיכה) ([[Bokin' i Mikà|Mikà]]), ny ''Sefer Nahum'' (נחום) ([[Bokin' i Nahoma|Nahoma]]), ny ''Sefer 'Havakuk'' (חבקוק) ([[Bokin' i Habakoka|Habakoka]]), ny ''Sefer Tsefaniyah'' (צפניה) ([[Bokin' i Zefania|Zefania]]), ny ''Sefer Haggai'' (חגי) ([[Bokin' i Hagay|Hagay]]), ny ''Sefer Zekhariyah'' (זכריה) ([[Bokin' i Zakaria|Zakaria]]) ary ny ''Sefer Malakhi'' (מלאכי) ([[Bokin' i Malakia|Malakia]]).
==== Ny Soratra na ''Ketuvim''====
Ny ''[[Ketuvim]]'' na ''Ketubim'' (hebreo: כְּתוּבִים "Soratra") dia fitambaran’ ny boky iraika ambin’ ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ ny Baiboly hebreo. Ireto avy ireo boky voasokajy ho ''Ketuvim'':
* ''Sefer Tehillim'' ([[Bokin' ny Salamo|Salamo]])
* ''Sefer Mishlei'' ([[Bokin' ny Ohabolana|Ohabolana]])
* ''Sefer Iyyôb'' ([[Bokin' i Jôba|Jôba]])
* ''Sefer Shir Hashirim'' ([[Tononkira Fanaperana]])
* ''Sefer Ruth'' ([[Bokin' i Rota|Rota]])
* ''Sefer Eikhah'' ([[Bokin' ny Fitomaniana|Fitomaniana]])
* ''Sefer Qoheleth'' ([[Bokin' ny Mpitoriteny|Mpitoriteny]])
* ''Sefer Ester'' ([[Bokin' i Estera|Estera]])
* ''Sefer Daniel'' ([[Bokin' i Daniela|Daniela]])
* ''[[Boky Ezra-Nehemia|Sefer Ezra wu Nekhem'ya]]'' ([[Bokin' i Ezra|Ezra]] sy [[Bokin' i Nehemia|Nehemia]] mitambatra)
* ''Sefer Divrei haYamim'' ([[Bokin' ny Tantara|Tantara]])
Marihina fa mitambatra ho boky iray ny [[Bokin' i Ezra]] sy ny [[Bokin' i Nehemia]] izay misaraka ao amin' ny Baiboly kristiana, toraka izany koa ireo [[Bokin' ny Tantara]] ([[Boky voalohan' ny Tantara|1Tantara]] sy [[Boky faharoan' ny Tantara|2Tantara]]).
=== Ny soratra mivaofy ny Soratra Masina jiosy ===
==== Ny Talmoda ====
Ny [[Talmoda]] (hebreoː תַּלְמוּד / ''talmud'') dia fanangonan-dalàna izay ahitana ny fivoasana ny [[Torah]] ka ahitana ny fitambaran' ny fehezan-dalàna atao ho [[Mishnah|Misnà]] (hebreo: מִשְׁנָה / ''Mishnah''), sy ny fivoasana ny Misnà atao hoe [[Gemarà]] (hebreo: גמרא / ''Gemarah''), sy ny zavatra mahakasika ny lalàna nefa misy tsy itovizan' ny raby hevitra, mamorona ny atao hoe [[Halakà]] (hebreo: הֲלָכָה / ''Halakha''), ary ny angano ampiasaina ho enti-manome ohatra momba ny lalàna dia atao hoe [[Agadà]] (hebreo: אגדה / ''Agadah''). Misy karazany roa ny Talmoda, dia ny [[Talmodan' i Jerosalema|Talmodan' i Palestina]] (na [[Talmodan' i Jerosalema]]) sy ny [[Talmodan' i Babilôna]]. Ny Talmodan' i Babilôna no lasa soratra manam-pahefana noho ireo sekolin' ny raby tany Babilôna tsy ravan' ny zava-niseho rehetra mandritra ny taonjato maro, raha miohatra amin' ny an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]].
==== Ny Midrasa ====
Ny [[Midrasa]] (hebreoː מדרש / ''midrash'') dia lahateny na lahatsoratra ivoasana ny Baiboly hebreo mba hanazavana ireo zavatra momba ny lalàna na ny fitondrantena. Ny tanjon' ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin' ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon' ny raby maro ny amin' ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin' ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny Midrasa (''Midrashim'') voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Ny midrasa tranainy indrindra dia voasoratra tany amin' ny taona 200 tal. J.K. any ho any, ary ny farany indrindra dia tamin' ny taonjato faha-12 taor. J.K. Misokajy roa ny Midrasa, dia ny [[Midrasa halakà]] (hebreoː מדרש הלכה / ''Midrash halakha'') sy ny [[Agadà|Midrasa agadà]] (hebreoː מדרש אגדה / ''Midrash aggada'').
=== Ny soratra ara-pivavahana tsy kanônika ===
==== Ny literatiora apôkaliptika ====
Ny [[literatiora apôkaliptika]] jiosy dia ilazana ireo boky mirakitra ny fahitana ny hiafaran' izao rehetra izao sy ny hiavian' ny tontolo vaovao tonga lafatra. Amin' ny jodaisma dia apôkrifa daholo ireo boky apôkaliptika ireo. Teo anelanelan' ny nanoratana ny [[Testamenta Taloha]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] no nanoratana ny literatiora apôkaliptika jiosy.
Ireto misy ohatra amin' izanyː
* [[Bokin' ny Jobily|Apôkalipsin' i Mosesy]] na [[Bokin' ny Jobily]]
* [[Boky fahefatr' i Esdrasa|Apôkalipsiny grikan' i Ezra]] (na [[Boky fahefatr' i Esdrasa|Boky fahefatr' i Ezra]])
* [[Apôkalipsin' i Zefania]]
* [[Bokin' i Henôka]] (na [[Bokin' i Henôka|Henôka etiôpiana]])
* [[Boky faharoan' i Henôka]] (na [[Boky faharoan' i Henôka|Henôka slava]])
* [[Boky fahatelon' i Henôka]] (na [[Boky fahatelon' i Henôka|Henôka hebreo]])
* [[Testamentan' i Mosesy]]
==== Ny literatioran' ny Lapa ====
Ny "literatioran' ny Lapa" na "literatioran' ny Kalesin-danitra" (izay atao amin' ny treny hebreo hoe ספרות ההיכלות והמרכבה / ''Sifrut ha-heikhalot ve ha-merkava''), izay ahitana lohahevitra [[Mistisisma|mistika]] dia nosoratana tao Israely teo anelanelan' ny taonjato faha-4 sy faha-7 taor. J.K. Miisa 25 ny boky voasoratra tamin' izany. Ireo manampahaizana amin' ny [[Misnà]] na ny [[Talmoda]] no heverina fa nanoratra azy ireo. Ireo boky ireo dia mitantara fahitana tsapa tao anaty [[fahavarianam-panahy]] momba ny Lapa (''Heikhalot'') fito any an-danitra izay niseho mandritra ny fiakarana mistikan' ny Kalesin-danitra (''Merkava'') sy ny lanitra maro sy ny [[anjely]] sy ny seza fiandrianan' Andriamanitra ka ny toko voalohany ao amin' ny [[Bokin' i Ezekiela]] no velabelariny sy itariny.
=== Ny soratra mifandray amin' ny kolontsaina jiosy ===
==== Ny literatiora filôzôfika jiosy ====
Ny filôzôfia jiosy dia ny fihaonan' ny filôzôfia grika sy ny teôlôjia jiosy. Ny filôzôfa jiosy fantatra indrindra dia i Solomon ibn Gabirol, i Saadia Gaon, i Judah Halevi, i Maimonides ary i Gersonides. Nisy fiovana lehibe ny filôzôfia jiosy tamin' ny vanimpotoan' ny Fahazavana (taonjato faha-18 sy faha-19). Misy roa karazana ny firehan' ny filôzôfia jiosy, dia ny filôzôfia ôrtôdôksa sy ny filôzôfia tsy ôrtôdôksa. Isan' ny filôzôfa jiosy ôrtôdôksa i Eliyahu Eliezer Dessler, i Joseph B. Soloveitchik ary i Yitzchok Hutner. Isan' ireo filôzôfa tsy ôrtôdôksa malaza i Martin Buber, i Franz Rosenzweig, i Mordecai Kaplan, i Abraham Joshua Heschel, i Will Herberg ary i Emmanuel Lévinas.
==== Ny literatiora kabalistika ====
Niforona tao [[Espaina]] sy [[Frantsa]] tamin' ny taonjato faha-12 ny literatioran' ny kabala (hebreo: קבלה / ''Qabbala''). Ny kabala dia firehana mistika (mampifandray mivantana ny fanahy amin' Andriamanitra) sy filôzôfika jiosy izay amin' ny ankapobeny tsy natao ho an' ny be sy ny maro. Tsy tenim-pinoana (na dôgma) ny kabala fa firehana ao anatin' ny jodaisma.
Heverin' ny mpanao azy ho "lalàna am-bava sy miafina" nomen' Andriamanitra an' i Mosesy tao amin' ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Tendrombohitra Sinay]] (na Sinaia) niaraka tamin' ny Torah izay "lalàna am-bava sy ho an'ny rehetra" ny kabala. Tanjon' ny kabala ny fahalalana ny tontolon' Andriamanitra ka ny fanaovana fivoasana ny [[Torah]] sy ny fandinihana ny [[fiteny hebreo]] no ahatongavana amin' izany. Ny fahalalana ny fitsipika mifehy ny fanakambanana ny literan' ny [[abidy hebreo]] no ahafahana miditra any amin' izany tontolo izany. Ny boky malaza indrindra amin' izany dia ny ''Sefer ha-Zohar'' ("Bokin' ny famirapiratana"), hafohezina hoe ''Zohar'' (hebreo: זֹהַר), izay voasoratra amin' ny [[fiteny arameana]] tao [[Espaina]] tamin' ny taonjato faha-13.
== Jereo koa ==
* [[Jiosy]]
* [[Tanakh]]
* [[Torah]]
*[[Jodaisma rabinika]]
*[[Andriamanitra ao amin' ny jodaisma]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[sokajy:finoana]]
3ci570beklj3g6b027pxn034s7fhh77
Kristianisma
0
96034
1092629
1090456
2024-12-08T12:19:29Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092629
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Gold Christian cross.svg|vignette|Sarin' ny [[hazo fijaliana]], iray amin' ireo famantarana ny kristianisma|368x368px]]
Ny '''kristianisma''' dia [[fivavahana abrahamika]] mino an' Andriamanitra tokana, izay mifototra amin' ny soratra navelan' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|apôstôly]] ([[Filazantsara|evanjely]] na [[filazantsara]]) mikasika ny fiainan' i [[Jesoa]] avy any [[Nazareta]], na Jesoa Kristy. Roa arivo taona taorian' ny nahafatesany, dia miisa maherin' ny 2 546 000 tapitrisa ny mpino tamin' ny taona 2021, miparitaka anaty antokom-piangonana miisa 33 000 any ho any; ka ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia ny [[Fiangonana katôlika|Fiangonana katôlika]].
Niisa 2 355 000 tapitrisa ny Kristiana maneran-tany tamin' ny taona 2013, ka ny 1 200 000 tapitrisa [[Katôlisisma|Katôlika]], ny 440 tapitrisa [[Prôtestantisma|Prôtestanta]], ny 280 tapitrisa [[Ôrtôdôksa]], ny 92 tapitrisa [[Anglikanisma|Anglikana]], ny 370 tapitrisa Kristiana tsy miankina, ary ny 38 tapitrisa Kristiana hafa.
Ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] anarana ''[[kristianina]]'' dia midika hoe "an' i Kristy", na "mpanaraka ny fampianaran' i Kristy". Io mpamaritra io dia nomena ny mpanaraka ny fampianaran' i Kristy nanomboka tamin' ny taonjato voalohany tany [[Antiôkia]] (na Antiôka).
Ny [[Testamenta Taloha]] miaraka amin' ny [[Testamenta Vaovao]] no soratra ifotoran' ny finoana kristianina.
== Fampianaram-pinoana ==
=== Ny Baiboly ===
Ny [[Baiboly]] no boky inoan' ny [[Kristianina|Kristiana]] fa [[Soratra Masina]] mirakitra ny tenin' Andriamanitra. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran' ireo boky voasoratra talohan' i [[Jesosy|Jesoa Kristy]], dia atao hoe [[Testamenta Taloha]], fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran' ireo boky voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe [[Testamenta Vaovao]].
=== Ny amin' i Kristy ===
[[Sary:El bautismo de Jesús, por José Ferraz de Almeida Júnior.jpg|vignette|209x209px|''Fanaovam-batisa an' i Jesoa'', sary nataon' i Almeida Júnior, 1895]]
Amin' ny Kristiana dia i [[Jesosy|Jesoa]] no [[Mesia]] na [[Kristôlôjia|Kristy]]. Inoan' ny [[Kristianina|Kristiana]] ho voahosotr' Andriamanitra sy [[zanak' Andriamanitra]] nirahina ety ambonin' ny tany [[Fanavotana|hanavotra]] ny olombelona amin' ny alalan' ny [[Fanomboana an' i Jesoa|fahafatesany]] sy ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany ho velona]] i Jesoa.
=== Fanekem-pinoana sy Trinite ===
Ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana dia mino ny atao hoe [[Trinite]], izany hoe ny maha tokana nefa misy [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] (na ''Olona'') telo an' [[Andriamanitra ao amin' ny kristianisma|Andriamanitra]]. Ireo persôna ireo dia ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] (na ny Teny) ary ny [[Fanahy Masina]]. Tsy andriamanitra telo izany, araka io fampianarana io.
Ny fiangonana kristiana sasany dia nandray [[fanekem-pinoana]] (na fiekem-pinoana) nolovana tamin' ny [[kônsily]] maro tany aloha fa ny sasany dia tsy manana na nanampy fanekem-pinoana famenony azy manokana. Ny malaza indrindra amin' ny fanekem-pinoana kristiana dia ny [[Fanekem-pinoana apôstôlika|Faneke-mpinoana apôstôlika]] sy ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan' i Nikea-Kônstantinôpôly]].[[Sary:Cristoforo Majorana - The Triumph of Eternity is represented by a cart drawn by the Four Evangelists with their symbols; on the cart is a Gnadenstuhl representation of the Trinity (NYPL b12455533-426312)-crop3.jpg|vignette|146x146px|Ny Trinite Masina]]
=== Ny sakramenta na ôrdônansa ===
Ny [[sakramenta]] na [[ôrdônansa (kristianisma)]] dia fombam-pivavahana inoana fa naorin' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]] ary nasainy hotandreman' ny mpanara-dia azy mba hampitana sy hanomezana ny [[Fahasoavana (finoana)|fahasoavan]]' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], izay sady famantarana (na tandindon') ny fihavanana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona no sady fitaovana ahatongavana amin' izany, famantarana atao hanomezana sy hampitomboana ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] izay [[fahamasinana|manamasina]] ny mpino. Roa ny isan' ny sakramenta iraisan' ny fiangonana kristiana rehetra, dia ny [[batisa]] (na batemy) sy ny [[eokaristia]] (na fanasan' ny Tompo), fa miampy dimy izany ao amin' ny [[Fiangonana katôlika]] sy ny [[Fiangonana ôrtôdôksa]], dia ny [[kônfirmasiôna]], ny [[Sakramentan' ny fampihavanana|sakramentan' ny fampihavanana]], ny [[fanosorana ny marary]], ny [[Sakramentan' ny fanambadiana|fanambadiana]], ary ny [[Sakramentan' ny filaharana|ôrdinasiôna]]<nowiki/>n' ny [[pretra]].
=== Ny teôlôjia kristiana ===
Ny [[teôlôjia]] kristiana dia andinihana ny Andriamanitry ny Kristiana sy ny fifandraisany amin' ny olombelona eo amin' ny tantaran' ny [[famonjena]], ka ny fara tampony dia ny asa sy ny [[sorom-panavotana]] nataon' i [[Jesoa|Jesoa]] Kristy. Ireto ny sampana lehiben' izany teôlôjia izany: ny [[kristôlôjia]] (izay andinihana ny amin' ny [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] sy ny [[Foto-pampianarana|fampianarana]] ary ny asan' i [[Jesoa]] amin' ny maha Kristy azy), ny [[Antrôpôlôjia kristiana|antrôpôlôjia]] kristiana (andalinana ny amin' ny olombelona ny fifandraisany amin' Andriamanitra), ny [[sôteriôlôjia]] (andalinana ny amin' ny famonjena), ny [[pneomatôlôjia]] (iresahana indrindra ny amin' ny [[Fanahy Masina]] sy ny asany ary ny [[Fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy]]), ny [[ekleziôlôjia]] (andalinana ny anjara asan' ny Fiangonana amin' ny maha vahoakan' Andriamanitra azy eo amin' ny tantaran' ny famonjena ny olombelona), ary ny [[eskatôlôjia]] (andinihana ny fiafaran' izao tontolo izao izay atao hoe koa [[andro farany]]).
== Tantara ==
=== Fiantombohana ===
[[Sary:Schnorr von Carolsfeld Bibel in Bildern 1860 226.png|vignette|''Pentekôsta'', sary nataon' i Julius Schnorr von Carolsfeld, 1860]]
Tany amin' ny fotoana lazaina fa nilatsahan' ny [[Fanahy Masina]] tamin' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] sy nanombohan' izy ireo nitory ny [[filazantsara]] no azo lazaina fa nanombohan' ny fivavahana kristiana efa nahaleo tena ka tsy nikambana intsony tamin' ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]]. Niely tany [[Asia Minora]] sy [[Eorôpa Atsimo]] ary amin' ny tapak' i [[Afrika Avaratra]] ny fivavahana kristianina ka isan' ny nandray anjara betsaka i [[Paoly (apôstôly)|Paoly]]. Nisy ny fanenjehana ny Kristiana nataon' ny [[Jiosy]] sy ny [[Empira Rômana|Rômanina]].
=== Lasa fivavaham-panjakana rômana ===
[[Sary:Nicaea icon.jpg|vignette|213x213px|Ny emperora [[Kônstantino I|Kônstantino]] (eo afovoany), sy ireo [[eveka]] tamin' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsilin' i Nikea]] (taona 325), mihazona ny lahatsoratry ny [[Fanekem-pinoana nikeana]]]]Taty aoriana dia lasa [[fivavaham-panjakana]] ny kristianisma ka i [[Rôma]] no renivohitra tamin' izany. Nanomboka ny fahalalahan' ny fivavahan' ny tsirairay tamin' ny andron' i [[Kônstantino I]], ka tapitra ny fanenjehana ny Kristiana tamin' ny taona 313, ary taorian' izany dia niantomboka ny fananany fahefana amin' ny raharaham-pivavahana. Ny fanavaozana sy fanitsiana nataony dia nanampy ny firoborobon' ny fivavahana kristiana.
=== Kônsily ===
Noho ny tokony hisian' ny filaminan' ny raharaha fehezin' ny [[Papa]] sy ny [[eveka]] hafa rehetra sy ny tokony hananan' ny Fiangonana fampianaram-pinoana mitovy dia nisy matetika ny atao hoe [[konsily|kônsily]] na sinôda (na sinaoda) izay fivoriana anasana ny eveka rehetra sy andraisany anjara. Ny emperora matetika no mamory. Maro ny fehin-kevitra nivoaka avy tamin' ireo kônsily ireo ka isan' izany ny [[fanekem-pinoana]] sasany iraisan' ny fiangonana. Tamin' ny fotoana nampisy ireo kônsily ireo koa no nisian' ny fanenjehana mafy an' ireo atao hoe heretika na mpanao [[fampianaran-diso]].
=== Ny kroazada ===
Ny [[kroazada]] dia fanafihana mitam-piadiana mifangaro amin' ny [[fivahiniana masina]] nataon’ ny Kristiana avy tany Andrefana nanomboka tamin’ ny taona 1095, mba hamonjena ireo Kristiana any Atsinanana, hanafahana ny [[Tany Masina]], izay matetika tanterahina araka ny fangatahan’ ny [[papa]], mba nandroahana ny [[Silamo|Miozolmana]] izay nanjakazaka tao amin’ ny toerana masina maro tao amin’ ny faritra misy an’ i [[Palestina]] sy [[Israely]] ankehitriny, ary indrindra mba handroahana azy ireo hiala ny tanànan’ i [[Jerosalema]] izay misy ny fasan’ i [[Jesoa]]. Miisa valo ny kroazada ka ny farany indrindra dia vita tamin’ ny taona 1270. Isan’ ny tanjon’ ny kroazada koa ny famonjena ny fanjakana latina maro any Atsinanana<ref><small>Ny fanjakana latina any Atsinanana dia fanjakana kristiana maromaro naorin’ ny mpanao kroazada tany [[Siria (faritra)|Siria]] sy tany [[Palestina (faritra)]] teo anelanelan’ ny taona 1095 sy 1109, ka isan’ izany ny Kômtean’ i Edesse, ny Prinsipaotean’ i Antiôkia, ny Fanjakan’ i Jerosalema ary ny Kômtean’ i Tripoli; azon’ ny Miozolmana ihany ireo fanjakana ireo teo anelanelan’ ny taona 1144 sy 1291.</small></ref>.
=== Fisarahan' ny Andrefana sy ny Atsinanana ===
Noho ny tsy fifanarahana amin' ny lafiny ara-[[teôlôjia]] sy ara-[[pôlitika]] ary antony maro hafa koa, na dia teo aza ny fanaovana kônsily sy ny fomba hafa hisian' ny fitovian-kevitra na ny marimaritra iraisana, dia nivaky roa ny fivavahana kristiana ka i [[Rôma]] sy i [[Kônstantinôpôly]] (na Kônstantinôpla) no lasa renivohitry ny fiangonana roa (dia ny [[Kristianisma Tandrefana|Fiangonana tandrefana]] na [[Katôlisisma|Katôlika rômana]] sy ny [[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]] na [[Kristianisma ôrtôdôksa|Ôrtôdôksa]]).
=== Refôrmasiona prôtestanta ===
[[Sary:Martin Luther by Cranach-restoration.jpg|vignette|157x157px|Martin Lotera]]
Taorian' ny fanavaozam-piangonana ([[Fanavaozam-piangonana|refôrmasiôna]] na refôrma) nataon-dry [[Martin Lotera|Lotera]] sy i [[Jean Calvin|Calvin]] sy i [[Zwingli]] izay te hanitsy ny fanao sasantsasany tao amin' ny Fiangonana katôlika (indrindra ny fivarotana [[indolzansa]] sy ny fitondran-tena ratsin' ny mpitondra fivavahana) dia niforona ny [[prôtestantisma|prôtestantisma]] (ny [[loteranisma]], ny [[fiangonana nohavaozina]], ny [[anglikanisma]] sns) izay tsy niankina intsony tamin' ny Fiangonana katôlika.
=== Ny fifohazam-panahy lehibe ===
Ny [[fifohazam-panahy lehibe]] dia [[Fifohazam-panahy|fifohazana]] ara-pivavahana niseho tao amin' ny Fanjakan' i Britaina Lehibe sy tao amin' ireo zanataniny tany [[Amerika]] teo antenatenan' ny taonjato faha-18. Maro ny andiam-pifohazam-panahy nanaraka niseho, dia ny [[fifohazam-panahy lehibe voalohany]] (taompolo 1730-1740), ny [[fifohazam-panahy lehibe faharoa]] (taompolo1790-1840) sy ny [[fifohazam-panahy lehibe fahatelo]] teo anelanelan' ny taona 1855 sy ireo taompolo voalohandohany amin' ny taonjato faha-20. Ireo fifohazam-panahy ireo, tao amin' ny [[prôtestantisma]], indrindra fa tany Amerika, dia vanim-potoana nanomezana hery vaovao indray ny fiainanana ara-pivavahana. Ny fifohazam-panahy lehibe dia nahatratra koa ny fiangonana prôtestanta sy [[Evanjelisma|fiangonana ara-piazantsara]] sady nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiagonana vaovao.
=== Ny restaorasiônisma ===
Ny [[restaorasiônisma]] dia finoana ny tokony hamerenana ny fivavahana kristiana amin' ny finoany sy ny fanaony tany amin' ny taonjato voalohany. Ny antokon' ny restaorasiônisma dia nino fa ny kristianisma ankehitriny, amin' ny endriny rehetra, dia nivily lalana avy amin' ny kristianisma marina tany am-boalohany.
Ny teny hoe ''restaorasiônisma'' dia ampiasaina indrindra hanondroana ireo antokom-pivavahana niforona tao [[Etazonia]], sahala amin' ny ny [[Hetsika Famerenana amin' ny laoniny nataon' i Stone-Campbell]] na ireo [[Kristadelfiana]], ny [[Pentekotista|Pentekôtista]] ary ny [[Adventisma|Adventista]] (sy ny sampany rehetra).
Io teny io koa dia ampiasaina mba hilazana ny hetsiky ny [[Vavolombelon' i Jehovah]], naorin' i [[Charles Taze Russell]] tamin' ny faramparan' ny taompolo 1870. Azo ampiasaina koa io teny io mba hanondroana ny hetsiky ny [[Olomasin' ny Andro Farany]], anisan' izany Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]], ny Fikambanan' i Kristy, ary ireo sampana mpisara-bazana Olomasin' ny Andro Farany maro hafa, izay mino fa i [[Joseph Smith]] dia nofidina hamerina amin' ny laoniny ny fandaminana tany am-boalohany naorin' i Jesoa.
== Sampan' ny kristianisma ==
Izao ireo sampana lehiben' ny fivavahana kristiana: ireo [[Katolisisma|fiangonana katôlika]] (izay ahitana ny [[Fiangonana latina]] sy ireo [[Fiangonana katolika tatsinanana|fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 toy ny [[Fiangonana katôlika marônita]]), ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] ([[fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]], [[fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], ny [[Fiangonan'ny Atsinanana|Fiangonan' ny Atsinanana]]), ny [[prôtestantisma]] (ahitana ny [[anglikanisma]], ny [[kalvinisma]], ny [[loteranisma]] ary ny [[evanjelisma]]. Ao koa ireo fiangonana hafa toy ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin' ny Andro Farany]] sy ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon' i Jehovah]].
=== Ny katôlisisma ===
Ny [[katôlisisma]] dia fivavahan' ny Kristiana mankato ny fahefan' ny [[papa]], indrindra momba ny famolavolana ny [[Foto-pampianarana|foto-pampianarany]], ny fampitana sy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahany. Ny ankamaroan' ny Katôlika dia ao amin' ny [[Eglizy latina]], nefa ny Eglizy katôlika dia mahafaoka koa ireo [[fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 izay manan-jo hanao [[ôrdinasiôna|ôrdinasiôna]] pretra lehilahy manam-bady.
==== Ny fiangonana latina ====
Ny [[Fiangonana latina]] dia ny ampahany manaraka fomba tandrefana ao amin' ny Fiangonana katôlika ka ny [[Fiangonana katôlika tatsinanana]] no ampahany mifameno aminy. Amin' ny Fiangonana katôlika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin' ny [[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]. Nampiasa ny [[fiteny latina]] izy tamin' ny [[Andro Antenatenany]] ka hatra taty aoriana fa tsy ny [[fiteny grika]] na hafa. Indraindray koa ny Fiangonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana katôlika rômana" na "Eglizy katôlika rômana". Manana ny fehezan-dalàny manokana ny Fiangonana latina, dia ny [[Lalàna kanônika]] izay tsy ampiharina amin' ny Fiangonana katôlika tatsinanana maro, na dia manaiky ny fahefan' ny [[papa]] ihany koa.
==== Ny fiangonana katôlika tatsinanana ====
Ny [[Fiangonana katôlika tatsinanana]] dia fitambaran' ny fiangonana maro any Atsinanana izay miombona amin' ny [[Papa]] ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Fiangonana ôrtôdôksa]] izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny kristianisma ôrtôdôksa ny an' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo. Anisan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny [[Fiangonana katôlika marônita]], kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinanana sy ao [[Eorôpa Atsinanana]] ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka any am-pielezana ka misy any [[Amerika]] sy any [[Ôseania]] ary any [[Eorôpa Andrefana]] koa.
=== Ny fiangonana ôrtôdôksa ===
Ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] dia mahafaoka ireo Kristiana monina any [[Atsinanana Akaiky]] sy [[Atsinanana Afovoany]] indrindraindrindra.
==== Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa, dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "[[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Fiangonan' ny kônsily fito]]" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao [[Eoropa Andrefana|Eorôpa Andrefana]] sy ao [[Grisy|Grisia]] (na Gresy) ary ao [[Kaokazy]].
==== Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo ====
Ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana]] na [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana]] dia [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|fiangonana antekalkedôniana]] niforona tao [[Etiopia|Etiôpia]], mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny kônsily telo]]. Isan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4.
Ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana]] dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny konsily telo]] izy. Teo ambany fahefan' ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa]] io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.
==== Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana]] dia sady tsy isan' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] no tsy isan' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]].
==== Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsilin' i Nikea]] (taona 325) sy ny [[Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôlisy|Kônsily voalohan' i Kônstantinôpôly]] (taona 381) ka indraindray atao hoe [[Fiangonan' ny kônsily roa]] na [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny kônsily telo]]. Tsy anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]].
=== Ny prôtestantisma ===
Ny prôtestantisma dia mahafaoka ireo fiangonana nipoitra mivantana na tsia amin' ny [[Fanavaozana pôtestanta|Refôrmasiôna]] (na Refôrma) ka mizara ho sampany maro (toy ny [[adventisma]], ny [[anabatisma]], ny [[anglikanisma]], ny [[fiangonana batista]], ny [[fiangonana nohavaozina]], ny [[loteranisma]], ny [[metôdisma]], ny [[pentekôtisma]] sns). Ireo [[Evanjelisma|fiangonana ara-pilazantsara]] (ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara|hetsika karismatika ara-pilazantsara]], ny [[fihetsiketsehana karismatika vaovao|hetsika karismatika vaovao]], sns) dia indraindray heverina ho anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.
==== Ny anglikanisma ====
Ny [[anglikanisma]] dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao [[Angletera]] vokatry ny fialany avy amin' ny Fiangonana katôlika tamin' ny taona 1534. Any amin' ny firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha. Miisa eo amin’ ny 85 tapitrisa eo ny mpino ao aminy. Raha any ivelan' ny [[Fanjakana Mitambatra]] dia "[[Fiangonana episkôpaliana|episkôpaliana]]" no ahafantarana io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny [[katôlisisma]] sy ny [[prôtestantisma]] ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika no nohavaozina.
==== Ny kalvinisma ====
Ny [[kalvinisma]] dia foto-pampianarana [[Teôlôjia|teôlôjika]] [[Prôtestantisma|prôtestanta]] sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin' ny fiandrianan' Andriamanitra amin' ny zavatra rehetra. Ankehitriny dia ilazana ny foto-pampianarana sy ny fanaon' ny [[fiangonana nohavaozina]] sy [[Presbiterianisma|presbiteriana]] ary [[Fiangonana kongregasionalista|kôngregasiônalista]] izany.
==== Ny loteranisma ====
Ny [[loteranisma]] dia fiangonana manaraka ny [[teôlôjia]] nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Betsaha fiangonana loterana maro ny any [[Alemaina]] sy any [[Skandinavia]] ([[Danmarka|Danemarka]], [[Nôrvezy]], sns.), ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' i [[Alsace]], i [[Lorraine]], i [[Madagasikara]], i [[Namibia]], i [[Polonia]] ary ireo [[Firenena Balta|firenena balta]] (i [[Estônia]] sy i [[Letônia]] ary i [[Litoania]]).
==== Ny adventisma ====
Ny [[adventisma]] dia hetsika ara-pinoana kristiana [[Milenarisma|milenarista]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny [[fifohazam-panahy lehibe faharoa]] tao [[Etazonia]] izay mampianatra momba ny [[Fiavian' i Kristy fanindroany|Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany]] izay hiseho tsy ho ela amin' ny [[andro farany]]. Ny tena be mpanaraka indrindra dia ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]].
==== Ny anabatisma ====
Ny [[anabatisma]] dia firehana prôtestanta manandratra avo ny [[batisa]] an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Anisan' ny fiangonana batista ny [[Amisy]] (alemàna: ''Amische''; anglisy: ''Amish''), ny [[Hoterisma|Hoterita]] ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''Hutterites''; [[Fiteny alemàna|alemàna]]: ''Hutterer''), ny [[Mpirahalahy ao amin' i Kristy]] (alemàna: ''Brüder in Christo''; anglisy: ''Brethren in Christ''), ny [[Mpirahalahy Batista Jermanika]] (anglisy: ''German Baptist Brethren''; alemàna: ''Schwarzenauer Brüder'') ary ny [[Menônisma|fiangonana menônita]] maro izay maro anisa indrindra.
=== Ny evanjelisma ===
Ny [[evanjelisma]] dia hetsika kristiana milaza fa ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny [[metôdisma]] britanika sy ny [[pietisma]] loterana izy. Anisan' ny matanjaka ao amin' ny fiangonana evanjelika maro ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[hetsika karismatika evanjelika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro.
==== Ny batisma ====
Ny [[batisma]] dia finoana kristiana nipoitra tamin' ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ilay [[pastora]] anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609. Io hetsika io dia nanomezany lanja ny Baiboly, ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]], ny [[Batisan' ny mino|batisan' ny olon-dehibe]], ny fizakan-tena anisan-toeran' ny fiangonana, ny [[fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana]] ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana ([[kôngregasiônalisma]]). Mizara ho antokom-piangonana 27 ny fiangonana batista. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 tapitrisa ny mpino batista. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao [[Etazonia]] ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny fiangonana prôtestanta hafa rehetra.
==== Ny pentekôtisma ====
Ny pentekôtisma dia fireham-pinoana vokatry ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906. Io hetsika io dia manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan' ny mino|batisan' ny olon-dehibe]]. Manao fiteny tsy fantatra ny Pentekôtista sady mazoto mifady hanina. Araka ny tarehimarika omen' ny [[Pew Research Center|''Pew Research Center'']] dia miisa any amin' ny 279 tapitrisa any ho any ny mpino pentekôtista maneran-tany izay hita indrindra any amin' ny firenena any [[Amerika]] ([[Etazonia]], [[Kanada]], [[Brezily]], [[Silia|Sily]], [[Nikaragoa]], [[Kôlômbia]], [[Arjentina|Arzantina]]), any [[Afrika]] ([[Ginea Bisao]], [[Kôtidivoara]], [[Borkina Faso]], [[Benîno]], [[Ganà]], [[Kamerona]], [[Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]], [[Repoblikan' i Kôngô]], [[Angôla]], [[Madagasikara]], [[Môzambika]]) ary any [[Azia]] ([[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], [[Kôrea]], [[Japàna|Japana]], [[India]], [[Tany Masina]]).
==== Ny hetsika karismatika ara-pilazantsara ====
Ny [[hetsika karismatika evanjelika]] dia manandratra avo ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny [[Batisan' ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] izy nefa manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny [[Fanahy Masina]]. Araka ny tarehimarika nomen' ny ''[[Pew Research Center]]'' dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io tamin' ny taona 2011.
==== Ny hetsika karismatika vaovao ====
Ny [[hetsika karismatika vaovao]], toy ny [[hetsika karismatika evanjelika]], dia manandratra avo koa ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny fanombohan' ny taompolo 1980 izany hetsika izany. Maro ny fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io hetsika io. Ny [[Batisan' ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Araka ny tarehimariky ny ''Pew Research Center'' tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io fihetsiketsehana io.
==== Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana ====
=== Kristianisma hafa ===
==== Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ====
Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] dia fiangonana kristiana [[Restaorasiônisma|restaorasiônista]] teraka tany [[Etazonia]] tamin' ny taona 1830. I [[Joseph Smith]] no mpanorina azy. Ao [[Salt Lake City, Utah|Salt Lake City]] any [[Utah]] no misy ny foiben-toerany. Amin' ny teôlôjia môrmôna, ny ampahany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny [[Fanahin'ny vatana|fanahiny]], dia naterak' Andriamanitra Ray. [[Zanak' Andriamanitra]] ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana. Tsy isan' ny fiangonana [[Trinite|trinitariana]] ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra. Ankoatry ny Baiboly dia manana ny boky masiny manokana izy, dia ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'' sy ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] ary ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']]. Manana mpikambana miisa 16 tapitrisa any ho any io fiangonana io maneran-tany.
==== Ny Vavolombelon' i Jehovah ====
Ny [[Vavolombelon' i Jehovah]] dia mino ny fitondran’ ny [[Mesia]] mandritra ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] ([[milenarisma]]) sy mihevi-tena ho mamerina amin’ ny endriny tany amboalohany ny fivavahana kristiana ([[Restaorasiônisma|restaorasiônista]]). Nipoitra avy amin' ny fikambanana ''Bible Students'' ("[[Mpianatra Baiboly]]") notarihin' i [[Charles Taze Russell]] izay nandray ampahany betsaka tamin' ny fampianaran' ny [[adventisma]]. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, i Jesoa dia noforonin' Andriamanitra mivantana sady voalohany fa tsy Andriamanitra, ny [[Fanahy Masina|fanahy masina]] dia herin' Andriamanitra. Tsy mitambatra ho [[Trinite]] ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tamin' ny taona 2020 dia niisa manodidina ny 8 430 000 ny mpino Vavolombelon' i Jehovah.
== Jereo koa ==
* [[Trano fiangonana]]
*[[Kristianisma Tatsinanana|Kristianisma tatsinanana]]
*[[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]
*[[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]]
*[[Katôlisisma]]
*[[Kristianisma ôrtôdôksa]]
* [[Protestantisma|Prôtestantisma]]
* [[Evanjelisma]]
* [[Tantaran' ny kristianisma]]
*[[Kristianisma ao Madagasikara]]
*[[Finoana abrahamika]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Kristianisma]]
2kwyzewpu7mdnvmp6v9vdi4ne7mbk80
1092643
1092629
2024-12-08T13:01:51Z
Thelezifor
15140
/* Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany */

Io teny io koa dia ampiasaina mba hilazana ny hetsiky ny [[Vavolombelon' i Jehovah]], naorin' i [[Charles Taze Russell]] tamin' ny faramparan' ny taompolo 1870. Azo ampiasaina koa io teny io mba hanondroana ny hetsiky ny [[Olomasin' ny Andro Farany]], anisan' izany Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]], ny Fikambanan' i Kristy, ary ny sampana mpisara-bazana Olomasin' ny Andro Farany maro hafa, izay mino fa i [[Joseph Smith]] dia nofidina hamerina amin' ny laoniny ny fandaminana tany am-boalohany naorin' i Jesoa.

feus0bqbliq7s0q0d6yfz1lnokww1no
1092654
1092643
2024-12-08T13:31:52Z

Io teny io koa dia ampiasaina mba hilazana ny hetsiky ny [[Vavolombelon' i Jehovah]], naorin' i [[Charles Taze Russell]] tamin' ny faramparan' ny taompolo 1870. Azo ampiasaina koa io teny io mba hanondroana ny hetsiky ny [[Olomasin' ny Andro Farany]], anisan' izany ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]], ny Fikambanan' i Kristy, ary ny sampana mpisara-bazana Olomasin' ny Andro Farany maro hafa, izay mino fa i [[Joseph Smith]] dia nofidina hamerina amin' ny laoniny ny fandaminana tany am-boalohany naorin' i Jesoa.

Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] dia fiangonana kristiana [[Restaorasiônisma|restaorasiônista]] teraka tany [[Etazonia]] tamin' ny taona 1830. I [[Joseph Smith]] no mpanorina azy. Ao [[Salt Lake City, Utah|Salt Lake City]] any [[Utah]] no misy ny foiben-toerany. Amin' ny [[Môrmônisma|teôlôjia môrmôna]], ny ampahany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny [[Fanahin'ny vatana|fanahiny]], dia naterak' Andriamanitra Ray. [[Zanak' Andriamanitra]] ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana. Tsy anisan' ny fiangonana [[Trinite|trinitariana]] ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra. Ankoatry ny Baiboly dia manana ny boky masiny manokana izy, dia ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'' sy ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] ary ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']]. Manana mpikambana miisa 16 tapitrisa any ho any io fiangonana io maneran-tany.

g9to70bznjsx1ep1jf6oaldcviwmvhn
1092655
1092654
2024-12-08T13:38:22Z
Thelezifor
15140
/* Sampan' ny kristianisma */ Nanitsy tsipelina

Izao ireo sampana lehiben' ny fivavahana kristiana: ny [[Katôlisisma|fiangonana katôlika]] (izay ahitana ny [[Eglizy latina|Fiangonana latina]] sy ireo [[fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 toy ny [[Fiangonana katôlika marônita]]), ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] ([[fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]], [[fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], ny [[Fiangonan' ny Atsinanana]]), ny [[prôtestantisma]] (ahitana ny [[anglikanisma]], ny [[kalvinisma]], ny [[loteranisma]] ary ny [[evanjelisma]]. Ao koa nyfiangonana hafa toy ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany|Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin' ny Andro Farany]] sy ny [[Vavolombelon' i Jehovah]].
=== Ny katôlisisma ===
Ny [[katôlisisma]] dia fivavahan' ny Kristiana mankato ny fahefan' ny [[papa]], indrindra momba ny famolavolana ny [[Foto-pampianarana|foto-pampianarany]], ny fampitana sy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahany. Ny ankamaroan' ny Katôlika dia ao amin' ny [[Eglizy latina]], nefa ny Eglizy katôlika dia mahafaoka koa ireo [[fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 izay manan-jo hanao [[ôrdinasiôna|ôrdinasiôna]] pretra lehilahy manam-bady.
==== Ny fiangonana latina ====
Ny [[Fiangonana latina]] dia ny ampahany manaraka fomba tandrefana ao amin' ny Fiangonana katôlika ka ny [[Fiangonana katôlika tatsinanana]] no ampahany mifameno aminy. Amin' ny Fiangonana katôlika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin' ny [[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]. Nampiasa ny [[fiteny latina]] izy tamin' ny [[Andro Antenatenany]] ka hatra taty aoriana fa tsy ny [[fiteny grika]] na hafa. Indraindray koa ny Fiangonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana katôlika rômana" na "Eglizy katôlika rômana". Manana ny fehezan-dalàny manokana ny Fiangonana latina, dia ny [[Lalàna Kanônika]] izay tsy ampiharina amin' ny Fiangonana katôlika tatsinanana maro, na dia manaiky ny fahefan' ny [[papa]] ihany koa.
==== Ny fiangonana katôlika tatsinanana ====
Ny [[Fiangonana katôlika tatsinanana]] dia fitambaran' ny fiangonana maro any Atsinanana izay miombona amin' ny [[Papa]] ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Fiangonana ôrtôdôksa]] izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny kristianisma ôrtôdôksa ny an' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo. Anisan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny [[Fiangonana katôlika marônita]], kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinanana sy ao [[Eorôpa Atsinanana]] ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka any am-pielezana ka misy any [[Amerika]] sy any [[Ôseania]] ary any [[Eorôpa Andrefana]] koa.
=== Ny fiangonana ôrtôdôksa ===
Ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] dia mahafaoka ireo Kristiana monina any [[Atsinanana Akaiky]] sy [[Atsinanana Afovoany]] indrindraindrindra.
==== Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa, dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "[[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Fiangonan' ny kônsily fito]]" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao [[Eoropa Andrefana|Eorôpa Andrefana]] sy ao [[Grisy|Grisia]] (na Gresy) ary ao [[Kaokazy]].
==== Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo ====
Ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana]] na [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana]] dia [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|fiangonana antekalkedôniana]] niforona tao [[Etiopia|Etiôpia]], mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny kônsily telo]]. Anisan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4.
Ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana]] dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny kônsily telo]] izy. Teo ambany fahefan' ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa]] io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.
==== Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana]] dia sady tsy isan' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] no tsy isan' ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]].
==== Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana ====
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsilin' i Nikea]] (taona 325) sy ny [[Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôlisy|Kônsily voalohany tao Kônstantinôpôly]] (taona 381) ka indraindray atao hoe [[Fiangonan' ny kônsily roa]] na [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana|Fiangonan' ny kônsily telo]]. Tsy anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]].
=== Ny prôtestantisma ===
Ny prôtestantisma dia mahafaoka ireo fiangonana nipoitra mivantana na tsia amin' ny [[Fanavaozana pôtestanta|Refôrmasiôna]] (na Refôrma) ka mizara ho sampany maro (toy ny [[adventisma]], ny [[anabatisma]], ny [[anglikanisma]], ny [[fiangonana batista]], ny [[fiangonana nohavaozina]], ny [[loteranisma]], ny [[metôdisma]], ny [[pentekôtisma]] sns). Ireo [[Evanjelisma|fiangonana ara-pilazantsara]] (ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara|hetsika karismatika ara-pilazantsara]], ny [[fihetsiketsehana karismatika vaovao|hetsika karismatika vaovao]], sns) dia indraindray heverina ho anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.
==== Ny anglikanisma ====
Ny [[anglikanisma]] dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao [[Angletera]] vokatry ny fialany avy amin' ny Fiangonana katôlika tamin' ny taona 1534. Any amin' ny firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha. Miisa eo amin’ ny 85 tapitrisa eo ny mpino ao aminy. Raha any ivelan' ny [[Fanjakana Mitambatra]] dia "[[Fiangonana episkôpaliana|episkôpaliana]]" no ahafantarana io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny [[katôlisisma]] sy ny [[prôtestantisma]] ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika no nohavaozina.
==== Ny kalvinisma ====
Ny [[kalvinisma]] dia foto-pampianarana [[Teôlôjia|teôlôjika]] [[Prôtestantisma|prôtestanta]] sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin' ny fiandrianan' Andriamanitra amin' ny zavatra rehetra. Ankehitriny dia ilazana ny foto-pampianarana sy ny fanaon' ny [[fiangonana nohavaozina]] sy [[Presbiterianisma|presbiteriana]] ary [[Fiangonana kongregasionalista|kôngregasiônalista]] izany.
==== Ny loteranisma ====
Ny [[loteranisma]] dia fiangonana manaraka ny [[teôlôjia]] nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Betsaha fiangonana loterana maro ny any [[Alemaina]] sy any [[Skandinavia]] ([[Danmarka|Danemarka]], [[Nôrvezy]], sns.), ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' i [[Alsace]], i [[Lorraine]], i [[Madagasikara]], i [[Namibia]], i [[Polonia]] ary ireo [[Firenena Balta|firenena balta]] (i [[Estônia]] sy i [[Letônia]] ary i [[Litoania]]).
==== Ny adventisma ====
Ny [[adventisma]] dia hetsika ara-pinoana kristiana [[Milenarisma|milenarista]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny [[fifohazam-panahy lehibe faharoa]] tao [[Etazonia]] izay mampianatra momba ny [[Fiavian' i Kristy fanindroany|Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany]] izay hiseho tsy ho ela amin' ny [[andro farany]]. Ny tena be mpanaraka indrindra dia ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]].
==== Ny anabatisma ====
Ny [[anabatisma]] dia firehana prôtestanta manandratra avo ny [[batisa]] an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Anisan' ny fiangonana batista ny [[Amisy]] (alemàna: ''Amische''; anglisy: ''Amish''), ny [[Hoterisma|Hoterita]] ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''Hutterites''; [[Fiteny alemàna|alemàna]]: ''Hutterer''), ny [[Mpirahalahy ao amin' i Kristy]] (alemàna: ''Brüder in Christo''; anglisy: ''Brethren in Christ''), ny [[Mpirahalahy Batista Jermanika]] (anglisy: ''German Baptist Brethren''; alemàna: ''Schwarzenauer Brüder'') ary ny [[Menônisma|fiangonana menônita]] maro izay maro anisa indrindra.
=== Ny evanjelisma ===
Ny [[evanjelisma]] dia hetsika kristiana milaza fa ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny [[metôdisma]] britanika sy ny [[pietisma]] loterana izy. Anisan' ny matanjaka ao amin' ny fiangonana evanjelika maro ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[hetsika karismatika evanjelika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro.
==== Ny batisma ====
Ny [[batisma]] dia finoana kristiana nipoitra tamin' ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ilay [[pastora]] anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609. Io hetsika io dia nanomezany lanja ny Baiboly, ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]], ny [[Batisan' ny mino|batisan' ny olon-dehibe]], ny fizakan-tena anisan-toeran' ny fiangonana, ny [[fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana]] ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana ([[kôngregasiônalisma]]). Mizara ho antokom-piangonana 27 ny fiangonana batista. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 tapitrisa ny mpino batista. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao [[Etazonia]] ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny fiangonana prôtestanta hafa rehetra.
==== Ny pentekôtisma ====
Ny pentekôtisma dia fireham-pinoana vokatry ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906. Io hetsika io dia manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan' ny mino|batisan' ny olon-dehibe]]. Manao fiteny tsy fantatra ny Pentekôtista sady mazoto mifady hanina. Araka ny tarehimarika omen' ny [[Pew Research Center|''Pew Research Center'']] dia miisa any amin' ny 279 tapitrisa any ho any ny mpino pentekôtista maneran-tany izay hita indrindra any amin' ny firenena any [[Amerika]] ([[Etazonia]], [[Kanada]], [[Brezily]], [[Silia|Sily]], [[Nikaragoa]], [[Kôlômbia]], [[Arjentina|Arzantina]]), any [[Afrika]] ([[Ginea Bisao]], [[Kôtidivoara]], [[Borkina Faso]], [[Benîno]], [[Ganà]], [[Kamerona]], [[Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]], [[Repoblikan' i Kôngô]], [[Angôla]], [[Madagasikara]], [[Môzambika]]) ary any [[Azia]] ([[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], [[Kôrea]], [[Japàna|Japana]], [[India]], [[Tany Masina]]).
==== Ny hetsika karismatika ara-pilazantsara ====
Ny [[hetsika karismatika evanjelika]] dia manandratra avo ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny [[Batisan' ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] izy nefa manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny [[Fanahy Masina]]. Araka ny tarehimarika nomen' ny ''[[Pew Research Center]]'' dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io tamin' ny taona 2011.
==== Ny hetsika karismatika vaovao ====
Ny [[hetsika karismatika vaovao]], toy ny [[hetsika karismatika evanjelika]], dia manandratra avo koa ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny fanombohan' ny taompolo 1980 izany hetsika izany. Maro ny fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io hetsika io. Ny [[Batisan' ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Araka ny tarehimariky ny ''Pew Research Center'' tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io.
==== Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana ====
=== Kristianisma hafa ===
==== Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ====
Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] dia fiangonana kristiana [[Restaorasiônisma|restaorasiônista]] teraka tany [[Etazonia]] tamin' ny taona 1830. I [[Joseph Smith]] no mpanorina azy. Ao [[Salt Lake City, Utah|Salt Lake City]] any [[Utah]] no misy ny foiben-toerany. Amin' ny [[Môrmônisma|teôlôjia môrmôna]], ny ampahany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny [[Fanahin'ny vatana|fanahiny]], dia naterak' Andriamanitra Ray. [[Zanak' Andriamanitra]] ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana. Tsy anisan' ny fiangonana [[Trinite|trinitariana]] ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra. Ankoatry ny Baiboly dia manana ny boky masiny manokana izy, dia ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'' sy ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] ary ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']]. Manana mpikambana miisa 16 tapitrisa any ho any io fiangonana io maneran-tany.
==== Ny Vavolombelon' i Jehovah ====
Ny [[Vavolombelon' i Jehovah]] dia mino ny fitondran’ ny [[Mesia]] mandritra ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] ([[milenarisma]]) sy mihevi-tena ho mamerina amin’ ny endriny tany amboalohany ny fivavahana kristiana ([[Restaorasiônisma|restaorasiônista]]). Nipoitra avy amin' ny fikambanana ''Bible Students'' ("[[Mpianatra Baiboly]]") notarihin' i [[Charles Taze Russell]] izay nandray ampahany betsaka tamin' ny fampianaran' ny [[adventisma]]. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, i Jesoa dia noforonin' Andriamanitra mivantana sady voalohany fa tsy Andriamanitra, ny [[Fanahy Masina|fanahy masina]] dia herin' Andriamanitra. Tsy mitambatra ho [[Trinite]] ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tamin' ny taona 2020 dia niisa manodidina ny 8 430 000 ny mpino Vavolombelon' i Jehovah.
== Jereo koa ==
* [[Trano fiangonana]]
*[[Kristianisma Tatsinanana|Kristianisma tatsinanana]]
*[[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]
*[[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]]
*[[Katôlisisma]]
*[[Kristianisma ôrtôdôksa]]
* [[Protestantisma|Prôtestantisma]]
* [[Evanjelisma]]
* [[Tantaran' ny kristianisma]]
*[[Kristianisma ao Madagasikara]]
*[[Finoana abrahamika]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Kristianisma]]
mtd96twje191z0bzs4bqa1y5zno8r6v
Salman Rushdie
0
189267
1092636
1050929
2024-12-08T12:40:57Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092636
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=Salman Rushdie 2012 Shankbone-2.jpg
|anarana=Salman Rushdie
|teraka=19 Jiona 1947
|maty=
|firenena=India
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpanao asa soratra]]
* [[mpanoratra]]
* [[mpanoratra tantara lava]]
* [[mpanoratra fanoharana]]
|taona niasàna=
}}I '''Salman Rushdie''' dia mpanoratra tantara britanika manam-piaviana indiana. Teraka tao teraka ny 19 Jiona 1947 tao [[Mumbai]] na Bombay i Salman Rushdie, nianatra tao amin' ny Oniversiten' i Cambridge. Anisan’ ny tantara nosoratany voalohany ny ''Grimus'' (1974) sy ny ''Midnight's Children'' (1981) ary ''Shame'' (1983). Ny ''Children of Midnight'' dia nahazoany ny loka "Booker Prize" tamin' ny taona 1981 ary nahazoany fahombiazana tsy nampoizina teo amin’ ny besinimaro.
Nanoratra ny tantarany nirenireny tany [[Nikaragoa|Nikaragoà]] ihany koa i Rushdie, ''The Jaguar'' ''Smile'' (1987). Tamin' ny taona 1988 dia niseho ny [[The Satanic Verses|''The'' ''Satanic Verses'']], tantara iray manambatra ny firenireny an-tsary an-tsaina sy ny fisaintsainana filôzôfika ary ny sombiny mampihomehy. Nahazo fandraisana tsara any amin' ny [[Tandrefana]] ilay boky, nefa nampahatezitra ny fianakaviambe mozilmana any amin' ny firenena sasany, izay mahita ao anatin' izany ny famelezana feno fanevatevana an' Andriamanitra manohitra ny [[Kor'any|Kor’any]], an’ i [[Mohamady]] ary ny [[finoana silamo]].
Taorian' ny fihetsiketsehana, voarara ny boky tany amin' ny firenena maro ary, tamin' ny taona 1989 dia namoaka ''fatwa'' (fanamelohana ho faty) ny ayatollah [[Ruhollah Khomeini]] ho an’ ny mpanoratra sy izay rehetra nandray anjara tamin' ny famoahana ilay boky. Na dia niala tsiny aza i Salman Rushdie ary nanamafy tamin' ny fomba ôfisialy ny fanekeny ny finoana silamo, dia tsy nesorina ny ''fatwa'' raha tsy tamin' ny Septambra 1998, ka nahatonga ilay mpanoratra talohan’ izany fotoana izany hiafina.
Raha ny zava-misy dia tsy azo ivalozana ny didy navoakan' ny imam Khomeini, saingy ny fanambaran' ny governemanta iraniana tamin' ny fomba ôfisialy fa tsy miombona amin' izany dia nanafoana ny sazy. Na izany aza, nanohy ny asany i Rushdie: ny ''Haroun and the Sea of Stories'' (1991) dia boky ho an' ny ankizy; ny ''The Moor's Last Sigh'' (1995) dia mitantara ny mpandova farany tamin' ny tarana-mpivarotra zava-manitra ao [[Mumbai|Bombay]] manam-piaviana pôrtogey sy jiosy.
Manodidina ny enimpolo amin' ny lahatsoratra navoakany tao amin' ny gazety britanika teo anelanelan' ny taona 1980 sy 1990 no voangona tao anaty fanangonana mitondra ny lohateny hoe ''Patries imaginaires''. Voatendry ho filohan' ny Antenimiera Iraisam-pirenena ho an' ny Mpanoratra i Rushdie, izay nametraka ho tanjona ny fiarovana ny zo hanoratra sy ny fahalalahana maneho hevitra na aiza na aiza atahorana azy eto amin' izao tontolo izao.
==Ny fiainany manokana==
Ny vadiny dia i Marianne Wiggins, Padma Lakshmi.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin' i Freebase: [https://www.freebase.com/m/04cbtrw] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/m/04cbtrw |date=20151007071219 }}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpanao asa soratra]]
[[sokajy:mpanoratra]]
[[sokajy:mpanoratra tantara lava]]
[[sokajy:mpanoratra fanoharana]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1947]]
825buyzgzs79edcfc8hjcn83kbf63hc
Jan Hus
0
198259
1092624
1010444
2024-12-08T12:06:53Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092624
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary= Jan Hus 2.jpg
|anarana=Jan Hus
|teraka=1 Janoary 1369
|maty=15 Jolay 1415
|firenena=
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpanoratra]]
|taona niasàna=
}}
I '''Jan Hus''' dia mpitoriteny hatramin' ny taona 1402 tao amin' ny lasapelin' i Bethléem ao Praga sady nitoriteny niaraka tamin' ny olona hafa koa momba ny fiverenana amin' ny Fiangonana apôstôlika sy ara-panahy ary mahantra. Teraka tamin' ny 1 Janoary 1369 ary maty tamin' ny 15 Jolay 1415 izy. Nihevitra i Jan Hus fa ny fanavaozam-piangonana dia tokony handalo amin' ny fahefan' ny olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana. Izany filazana izany dia nisy akony teo amin' ireo andriana ambony izay nahatsapa ny fahafahany haka ny fananan' ny fiangonana.
Nisy koa ny hetsika [[Milenarisma|milenarista]] niseho, izay niresaka ny alin' ny [[mpaminany sandoka]] sy ny [[antikristy]], dia ny Tabôrita izany. Nihamafy hatrany ny firesahana ny amin' ny fotoana farany, ka maro ireo te hahita indray ny Fiangonana voalohany. I Jan Hus dia nampangain' ny mpampianatra alemàna tao Praga. Ny mpanjaka Venceslas I dia nanohana an' i Jan Hus tamin' ny voalohany, avy eo rehefa niteraka ny fitroarana tamin' ny taona 1412 hanoherana ny fivarotana [[indolzansa]] (izay nandraisan' i Venceslas anjara) dia tsy nanohana azy intsony. Voantso tao amin' ny Kônsilin' i Kônstansa tamin' ny taona 1414 mba hanamarina ny zavatra ataony i Jan Hus ka nankao tokoa; naiditra am-ponja izy satria niaiky fa nanao [[fampianaran-diso]], ka nodorana velona tamin' ny taona 1415. Ny mpianany atao hoe Hierônimô avy any Praga izay noheverina fa namerim-pahadisoana dia nodorana koa tamin' ny taona manaraka.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
*[[Hositisma]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com/m/042x_]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpanoratra]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1369]]
[[sokajy:Maty tamin'ny taona 1415]]
j7e4nzp60x6lccawl2x1kbeg6zge8j5
Milenarisma
0
240283
1092649
1062464
2024-12-08T13:14:24Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092649
wikitext
text/x-wiki
Ny '''milenarisma''' na '''kiliasma''' na '''milenialisma''' dia fampianarana na fanantenana ny fahatongavan' ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] izay mitondra fiadanana sy manafoana ny [[ratsy]] rehetra eto an-tany.
Ny eo amin' ny tontolon' ny [[Fivavahana amin' ny razana|fivavahana]] no tena misy an' izany nefa ahitana azy koa na ny ivelan' ny fivavahana. Matetika ny milenarisma dia miara-dalana amin' ny atao hoe [[mesianisma]] (finoana ny fahatongavan' ny olona iray hanatanteraka ny [[famonjena]]) ka amin' ny ankapobeny dia any amin' ny atao hoe [[andro farany]] no itrangan' ilay fiovana antenaina. Araka io finoana io dia hisy [[Andro Volamena]] na hisy [[paradisa]] haorina eto an-tany alohan' ny [[fitsarana farany]] sy ny toetra mandrakizain' ny "tontolo hoavy" izay ho avy.
Manamarina ny finoany amin' ny soratra ao amin' ny [[Tanakh]] na ny [[Baiboly]] na ny [[Korana|Kor'any]] na ny boky masina hafa ny milenarista arakaraka ny fivavahana misy azy. Ny [[kristianisma]] sy ny [[jodaisma]] dia samy namokatra [[Mesianisma|hetsika mesianika]] izay nampiseho fampianarana milenarista (momba ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]]) — toy ny fiheverana fa efa akaiky ny [[fanjakan' Andriamanitra]] eto an-tany. Matetika niteraka korontana ara-piarahamonina be dia be ireny hetsika milenarista ireny. Ireo milenarista kristiana dia mampiasa indrindraindrindra ny [[Bokin' ny mpaminany (Baiboly)|bokin' ny mpaminany]] sy ny bokin' ny [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]]. Efa hatramin' ny andro tany aloha ka hatramin' izao no ahitana antokom-pivavahana milenarista; amin' ny ankapobeny dia voasokajy ao amin' ireo atao hoe [[Herezia|heretika]] (tamin' ny [[Andro Taloha]]) na [[sekta]] (amin' izao fotoana izao) izy ireo.
Misy fitoviana amin' ny milenialisma ihany koa ny ao amin' ny [[zôrôastrisma]], izay namaritra vanim-potoana arivo taona nifandimby, izay samy hiafara amin' ny loza ateraky ny [[fampianaran-diso]] sy fandravana, mandra-pahatongan' ny fandringanana farany ny [[ratsy]] sy ny fandringanana farany ny fanahin' ny ratsy hataon' ny mpanjakan' ny fiadanana izay handresy amin' ny faran' ny arivo taona farany. "Ary ny Saoshyant dia hanadio ny zavaboary indray, ary ny fitsanganana amin' ny maty sy ny fisiana hoavy" ''(Zand-i Vohuman Yasht'' 3:62).
Nampifandraisin' ny manam-pahaizana ihany koa ny hetsika ara-piarahamonina sy ara-pôlitika samihafa, na ara-pivavahana na tsy ara-pivavahana, amin' ny fanoharana milenarista.
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''milenarisma'' dia avy amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''millenarius'' izay midika hoe "misy arivo". Avy amin' ny teny latina hoe ''millennium'' izay midika hoe "arivo taona" kosa ny teny hoe ''milenialisma''. Ny teny hoe ''kiliasma'' indray dia avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe χιλιασμός / ''khiliasmos'', nisampana avy amin' ny teny hoe χίλιοι / ''khilioi'' izay midika hoe "arivo".
== Ny milenarisma jiosy ==
Efa nisy firehana milenarista tamin' ny [[jodaisma]] taloha sy ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] araka ny hita ao amin' ny [[Bokin'ny Salamo|Bokin' ny Salamo]] (Sal. 90.4: "Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon' ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin' ny alina.")<ref name=":0"><small>"Millénarisme" ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'' 1996.</small></ref>.
Nipoitra voalohany tao amin' ny [[Apôkrifa jiosy|literatiora apôkrifa jiosy]] tamin' ny [[Vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa|vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa]] ny fiheverana milenarista, i Gerschom Scholem, nanoratra ny fampianarana milenarista jiosy tamin' ny [[Andro Antenatenany]] sy tany amin' ny fiandohan' ny [[Andro Vaovao]] ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe ''Sabbatai Sevi'', ''ilay Mesia mistika'', izay mifantoka amin' ny hetsika tamin' ny taonjato faha-17 niompana amin' ny filazan' i [[Sabbatai Zevi]] (1626–1676) ny tenany ho [[Mesia]] (1648).
Indreto ny soratra jiosy miresaka ny arivo taona:
* ny [[Salamon' i Salômôna|Salamon' i Sôlômôna]];
* ny [[Bokin' i Henôka]];
* ny [[Bokin' i Daniela]];
* ny [[Apôkalipsan' i Baroka]] (ny [[Boky faharoan' i Baroka]], izay atao hoe Apôkalipsy siriakan' i Baroka koa, sy ny [[Boky faharoan' i Baroka]], izay atao hoe Apôkalipsy grikan' i Baroka);
* ny [[Bokin' ny Jobily]].
== Ny milenarisma kristiana ==
Ny milenarisma ao amin' ny kristianisma dia fampianarana na finoana ny fanjakan' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]] mandritra ny arivo taona ara-bakiteny eto an-tany. Mifanohitra amin' izany ny fampianarana atao hoe [[amilenarisma]] izay tsy mandray ara-bakiteny fa am-panoharana ny hevitry ny isa "arivo" sy ny hoe "fanjakana ety an-tany".
=== Loharano kristiana ===
Ny ankamaroan' ny fomba fisainana milenialista kristiana dia mifototra amin' ny [[Apôkalipsin' i Joany|Bokin' ny Apôkalipsy]], indrindra ny [[Apôkalipsy toko faha-20|Apôkalipsy 20]], izay mitantara ny fahitana [[anjely]] iray izay nidina avy any an-danitra niaraka amin' ny rojo vy lehibe sy ny fanalahidin' ny [[lavaka tsy hita noanoa]], ary nisambotra an' i [[Satana]], nanagadra azy nandritra ny arivo taona:
"<sup>1</sup> ''Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin' ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;'' <sup>2</sup> ''dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny [[devoly]] sy [[Satana]] izany) ka namatotra ary arivo taona,'' <sup>3</sup> ''dia nanipy ary ho amin' ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy''." (Apôkalipsy 20:1–3, ''[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly]]'')
Ny Bokin' ny Apôkalipsy avy eo dia milazalaza an' ireo mpitsara maromaro nipetraka eo amin' ny seza fiandrianana, ary koa ny [[Fahitana (finoana)|fahitan]]' i [[Joany mpanoratra evanjely sy epistily ary apôkalipsy|Joany]] ny [[Fanahin' ny vatana|fanahi]]<nowiki/>n' ireo izay notapahin-doha noho ny fijoroany ho vavolombelon' i Jesoa sy ny fandavany ny mariky ny bibidia:
"<sup>4</sup> ''Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin' izay notapahin-doha noho ny filazana an' i Jesosy sy ny tenin' Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan' ny bibi-dia na teo anoloan' ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin' ny handriny na ho eo amin' ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin' i Kristy arivo taona.'' <sup>5</sup> ''Fa ny sisa amin' ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.'' <sup>6</sup> ''Sambatra sy masina izay manana anjara amin' ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan' ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron' Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona''." (Apôkalipsy 20:4–6, ''Ny Baiboly'')
=== Tantaran' ny milenarisma kristiana ===
Ny milenarisma kristiana tamin' ny [[Andro Antenatenany]] dia nanankina ny fampianarany tamin' ny soratra sasany ao amin' ny [[Baiboly]] ([[Bokin' i Daniela|Daniela]], [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]], sns) ka nanao kajikajy momba ny andro farany, indrindra fa momba ny hahatongavan' ny arivo taona hanjakan' ny fiadanana. Ireto ny ohatra amin' izany<ref name=":0" />:
* ny amin' ireo 2 300 hariva – 7 herinandro – 62 herinandro – iray herinandro – antsasa-kerinandro izay hialoha ny fahavetavetan' ny faharavana (Dan. 9.24-27)<ref><small>Dan. 9.24-27:</small> <small>"24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra. 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory. 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry. 27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava".</small></ref>
* ireo 1 290 andron' ny fisedrana sy ny 1 335 andron' ny fiaretana (Dan. 12.11-12)<ref><small>Dan. 12.11-12: "11 Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. 12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo."</small></ref>;
* ireo "144 000" (Apôk. 7.1-4)<ref><small>Apok. 7.1-4: "1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza. 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: 3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. 4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra."</small></ref>;
* ireo "666 – isan' ny Bibidia – fanisan' olombelona" (Apôk. 13.18)<ref><small>Apok. 13.18: "Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany."</small></ref>
=== Ny karazana milenarisma kristiana ===
Mizara roa lehibe ny milenarisma kristiana dia ny [[premilenarisma]] sy ny [[pôstmilenarisma]].
==== Ny premilenarisma ====
Ny [[premilenarisma]] no be mpanaraka amin' izy roa ireo ka ahitana indrindra ny [[Evanjelisma|Fiangonana evanjelijka]], ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito|Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]], ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon' i Jehovah]] ary ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Olomasin' ny Andro Farany]]. Ny premileranista dia mampianatra sady mino fa ny fiavian' i [[Jesosy|Jesoa Kristy]] fanindroany eto an-tany dia hitranga alohan' izany arivo taona izany.
==== Ny pôstmilenarisma ====
Ny [[pôstmilenarisma]] dia fampianarana sy finoana ny fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany eto an-tany aorian' ny arivo taona.
== Ny milenarisma ao amin' ny finoana silamo ==
Ao amin' ny [[finoana silamo]] koa dia miresaka momba ny arivo taona, izay nolovany tamin' ny fivavahana jiosy sy kristiana, araka ny hita ao amin' ny [[Kor'any]] (Kor'any 22.46-47)<ref><small>Kor'any 22.46-47: "Ny iray andro ao amin'i Allah dia sahala amin'ny arivo taona amin'ny fanisanareo"</small></ref><ref name=":0" />.
Ireo fivavahana heverin' ny sasany fa manao [[fampianaran-diso]] ao amin' ny finoana silamo, indrindra ireo [[Siisma|Siita]], dia mihevitra fa ny imama faha-12, atao hoe Mohammad Abul-al-Kazin, izay nanjavona tamin' ny fahafito taonany, dia tsy maty fa hiverina indray hamerina amin' ny laoniny ny fivavahana silamo marina. Izany no niteraka ny hetsika silamo atao hoe [[mahdisma]] izay miorina amin' ny karazana [[mesia]] atao hoe ''Mahdi'', hamerina eto an-tany ny fanjakan' ny fandriampahalemana alohan' ny [[fitsarana farany]].<ref name=":0" />.
== Ny milenarisma amin' ny fivavahana hafa ==
=== Ny milenarisma zôrôastriana ===
Ny fifandimbiasan' ny ny fotoana maharitra arivo taona dia voaresaka ao amin' ny [[Zôrôastrisma|fivavahana zôrôastriana]] ka ny fe-potoana arivo taona tsirairay dia miafara amin' ny loza ateraky ny fampianaran-diso sy ny fandravana. Ireo fotoana ireo dia mipaka amin' ny fara tampony amin' ny fandravana farany ny [[ratsy]] amin' ny alalan' ny fandresen' ny karazana mesia, atao hoe ''Saoshyant'', any amin' ny fiafaran' ny fe-potoana arivo taona farany. Io ''Saoshyant'' io dia hanatanteraka ny fanadiovana ity tontolo ity izay efa simban' ny saina ratsy sy ny fitondran-tena ratsy, araka ny voalaza ao amin' ny ''Zand-i Vohuman Yasht'' hoe: "Ny Saoshyant dia hanadio indray ny zavaboary, sady ny [[fitsanganan-ko velona]] sy ny fisiana amin' ny hoavy dia ho tanteraka". Izany trangan-javatra izany dia atao hoe ''Frashokereti''.
=== Ny mileranisma ao amin' ny fivavahana bahay ===
Ao amin' ny [[fivavahana bahay]] dia nilaza i [[Baháʼu'lláh|Baha'u'llah]] ao amin' ny Kitab-i-Iqan fa hanavao ny "Tanànan' Andriamanitra" isan' arivo taona Andriamanitra, sady nilaza koa izy fa tsy hisy Fisehoan' Andriamanitra ao amin' ireo arivo taona (taona 1893-2893) nanambaràn' i Baha'u'llah ny hafany, nefa haharitra hatramin' ny 500 000 taona ny fahefan' ny hafatr' i Baha'u'llah.
== Jereo koa ==
* [[Eskatôlôjia]]
* [[Mesianisma]]
* [[Restaorasiônisma]]
*[[Arivo taona (kristianisma)]]
'''Fomba fiasa sy foto-pampianarana momba ny faminaniana'''
* [[Histôrisisma (kristianisma)|Histôrisisma]]
* [[Preterisma]]
* [[Amilenarisma]]
* [[Pôstmilenarisma]]
* [[Fotorisma (kristianisma)|Fotorisma]]
* [[Milenarisma]]
* [[Idealisma (eskatôlôjia kristiana)|Idealisma]]
== Loharano sy fanamarihana ==
2e5xxi4thiqd0y3pwip17w0m8o4to4x
Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany
0
244601
1092663
1071945
2024-12-08T14:19:34Z
Thelezifor
15140
Nanampy rohy anatiny
1092663
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Christus statue temple square salt lake city.jpg|vignette|295x295px|Sarivongana maneho an' i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona nataon' i Bertel Thorvaldsen eo amin' ny Temple Square any amin' i Salt Lake City]]Ny '''Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany''' izay antsoina hoe koa '''Fiangonana môrmôna''', dia fiangonana kristiana [[Restaorasionisma|restaorasionista]] teraka tao amin' ny [[New York|Fanjakan' i New York]] any [[Etazonia]] tamin' ny taona 1830. I [[Joseph Smith]] no mpanorina azy. Ny mpino ao aminy dia mihevitra azy ho fiangonana vokatry ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]]. Izy ireo no atao hoe Olomasin' ny Andro Farany. Ao [[Salt Lake City, Utah|Salt Lake City]] any [[Utah]] no misy ny foiben-toerany. Manana mpikambana miisa 16 000 000 any ho any io fiangonana io maneran-tany<ref><small>« [https://www.lds.org/church/news/2017-statistical-report-for-2018-april-general-conference?lang=fra&_r=1&cid=HP_SA-31-3-2018_dPFD_fGC_xLIDyM-6_ Rapport statistique 2017 pour la conférence générale d’avril 2018 - Nouvelles de l’Église] » [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.lds.org%2Fchurch%2Fnews%2F2017-statistical-report-for-2018-april-general-conference%3Flang%3Dfra%26_r%3D1%26cid%3DHP_SA-31-3-2018_dPFD_fGC_xLIDyM-6_ tahiry]], sur www.lds.org (notsidihina tamin’ny 6 Avrily 2018)</small></ref>. Laharana fahefatra izy ao [[Etazonia]] amin' ny habetsahan' ny mpino izay miisa any ho any amin' ny 6 160 000<ref name=":0"><small>''Yearbook of American and Canadian Churches'', 2012</small></ref>. Amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] izy dia atao hoe ''The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints''.
== Ny teôlôjiany ==
[[Sary:Mormon plan of Salvation diagram (French).jpg|vignette|329x329px|Teti-pamonjena]]
Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany dia milaza fa i [[Jesoa|Jesoa Kristy]] no mitondra azy, amin' ny alalana [[mpaminany]] mbola velona sy ireo [[Apôstôly roa ambin' ny folo]] ary mino fa izy no famerenana ny fiangonan' i Jesoa Kristy tany am-boalohany amin' ny laoniny ([[restaorasiônisma]]) taorian' ny fotoana lava nampisy ny [[fivadiham-pinoana]] sady eo am-panomanana ny [[Fiavian' i Kristy fanindroany|fiavian' i Jesoa fanindroany]]. I [[Russell M. Nelson]], izay filoha faha-18n' io fiangonana io maneran-tany, izany mpaminany izany amin' izao fotoana izao.
Araka ny fampianaran' ilay fiangonana dia manome ny fandaminana sy ny hoenti-manana amin' ny fampianarana ny Filazantsaran' i Jesoa Kristy amin' ny olona rehetra ny Fiangonana amin' ny alalan' ny fanomezany fahefana ho amin' ny fanosorana amin' ny [[asam-pisoronana]] izay ahafaha-manatanteraka ny [[sakramenta]] na [[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|ôrdônansy]] sy manome ny [[famonjena]] ho an' ny olona rehetra mendrika sy vonona ny handray izany.
Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino ny fisian' ny [[teti-pamonjena]] izay ahafahan' ny olona mendrika hiverina eo anatrehan' Andriamanitra. Zava-dehibe aminy ny fianakaviana ka heverin' ny Olomasin' ny Andro Farany ho afaka mitohy mandrakizay izany noho ny sakramenta (fanambadiana) izay tanterahina ao amin' ny [[Tempoly (môrmônisma)|Tempolin' ny Fiangonana]].
Atao hoe "Filazantsaran' i Jesoa Kristy" ny [[teôlôjia]]<nowiki/>n' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Miorina amin' ny [[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany|Soratra Masina]] sy ny [[Fanambaràna mitohy|Fanambaràna]] amin' izao andron-tsika izao izany amin' ny alalan' ireo mpaminany. Fampianarana avy amin' ny fanambaràn' i Jesoa Kristy izay miendrika firafetan-dalàna sy didy mandrakizay izany ka ny olona izay manaraka an-tsakany sy an-davany an' izany dia mahazo antoka fa hiditra eo amin' ny fanatrehan' Andriamanitra. Ireo lalàna sy didy ireo no lamim-pitondrana ao amin' ny [[fanjakan' Andriamanitra]]. Araka ny boky [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] dia ho voavonjy avokoa ao amin' ny Fanjakam-boninahitra ny olona rehetra fa tsy voatery ho ao amin' ny [[Fanjakan' Andriamanitra|Fanjakan' ny Lanitra]].
=== Ny olombelona ===
==== Ny fiainana miaraka amin' Andriamanitra talohan' ny feteza-maty ====
Ny olombelona rehetra dia voafidy avy ao amin' ny fiainana talohan' ny feteza-maty mba hotonga ety an-tany sy mba hanandrana ny fiainan' ny vatana ara-nofo sy taolana ary mba hahazo ny hatsaran-toetra kristiana alohan' ny hiverenany eo anatrehan' Andriamanitra.
Ny tapany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny fanahiny, dia naterak' [[Andriamanitra Ray]]. [[Zanak' Andriamanitra]] ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana.
Ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|Famoronana]] dia nahafahan' ny fahalavoan' ny olombelona hitranga, dia ny [[Fahalavoan' ny Olombelona|Fahalavoana]] izay ilaina amin' ny fanatanterahana ny [[fanavotana]] nataon' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]].
==== Mandao ny fanatrehan' Andriamanitra ====
Ny [[Fahalavoan' ny Olombelona|Fahalavoan]]' i [[Adama]] sy i [[Eva]] dia dingana tsy maintsy nilaina amin' ny fahaterahan' ny zanaky ny fanahin' ny Ray. Raha tsy teo io dingana io dia tsy ho nanan-taranaka i Adama sy i Eva ary tsy ho nahalala ny [[tsara]] sy ny [[ratsy]] na koa ny atao hoe [[fiainana mandrakizay]] any aoriana, araka ny voasoratra ao amin' ny [[Bokin' i Nefia]] (2Nefia 2.22-25). Tsy zava-dratsy ny fahalavoan' i Adama sy i Eva.
==== Mifandray amin' Andriamanitra ====
Ny [[vavaka]] sy ny fampianaran' ny [[mpaminany]] ary ny fandinihana ny [[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany|Soratra Masina]] no hahafahana mifandray amin' Andriamanitra.
==== Fiezahan' ny Olomasina ho amin' ny tonga lafatra hatrany ====
Izany dia tanterahina amin' ny alalan' ny fanajana ny andron' ny [[Sabata]], ny lalàn' ny fahadiovana (tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan' ny fanambadiana sy fanajana ny vady), ny fandoavana ny [[ampahafolon-karena]], ny [[fifadian-kanina]], ny asa sy andraikitra manokana, ny Tenin' ny Fahendrena (tsy fifohana [[sigara]] na fikisohana [[paraky]], tsy fisotroana zavatra misy [[Alkôla|alikôla]] sy [[Kafe (fisotro)|kafe]] ary [[Dite (zavamaniry)|dite]] na [[zava-mahadomelina]] hafa), ny fanatanterahana asa fanirahana (misiôna), ny fanajana ny didy hahafahana mihatongalafatra hatrany ao amin' ny fahendrena kristiana.
==== Ny fianakaviana mandrakizay ====
Manatratra ny fanandratana ny voninahitra, izany hoe ny fitohizan' ny fiainana, ny Olomasin' ny Andro Farany, ka izany dia mila ny hahazoana ny sakramentan' ny fanambadiana mandrakizay ao amin' ny [[Tempoly (môrmônisma)|Tempoly]]. Noho izany ny mpivady dia tsy maintsy voatombo-kase mandrakizay sady ny zanaka koa voatombo-kase amin' ireo ray aman-dreniny.
==== Ny asa ao amin' ny Tempoly sy ny tantaran' ny fianakaviana ====
Ampianarina ny [[Filazantsara]] indray ireo izay efa maty any amin' ny [[Tontolon' ny fanahy (Olomasin' ny Andro Farany)|tontolon' ny fanahy]], ka ao izy ireo dia manan-tsafidy malalaka hanaiky na handà ny sakramenta tanterahina ho azy ireo eto amin' izao fiainana izao<ref><small>«[http://www.lds.org/portal/site/LDSOrg/menuitem.b12f9d18fae655bb69095bd3e44916a0/?vgnextoid=2354fccf2b7db010VgnVCM1000004d82620aRCRD&locale=0&sourceId=53bb74536cf0c010VgnVCM1000004d82620a____&hideNav=1 Condie, Spencer J (2003), «Le Sauveur visite les esprits en prison», Ensign (Église de Jésus-Christ des saints des derniers jours): 32–36,] » [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lds.org%2Fportal%2Fsite%2FLDSOrg%2Fmenuitem.b12f9d18fae655bb69095bd3e44916a0%2F%3Fvgnextoid%3D2354fccf2b7db010VgnVCM1000004d82620aRCRD%26locale%3D0%26sourceId%3D53bb74536cf0c010VgnVCM1000004d82620a___ tahiry]], tamin'ny www.lds.org. Notsidihina tamin'ny 6 Marsa 2007: "No one will be coerced into accepting ordinances performed on his or her behalf by another. Baptism for the dead offers an opportunity, but it does not override a person’s agency. But if this ordinance is not performed for them, deceased persons are robbed of the choice to accept or reject baptism. »</small></ref>. Ireo sakramenta ireo, izay asam-[[Batisa ho an' ny maty|pamonjena hoan' ny maty]], dia tanterahin' ny mpivavaka mendrika ao an-tempoly amin' ny alalan' ny fisoloan-tena. Ny Olomasin' ny Andro Farany dia manao fikarohana ny tetiarany (ireo nitaranaka azy) mba hahalala ny anarana sy ny andro nahaterahan' ireo razambeny amin' izay ireo [[sakramenta]] na [[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|ôrdônansy]] ([[batisa]], [[Kônfirmasiôna|fanamafisana ny finoana]], ny fanokana amin' ny asa, ny fanomezana, ny fanambadiana, ny fanombohan-kase eo amin' ny ray aman-dreny sy ny zanaka) dia hotanterahina ho azy ireo.
==== Ny fiainanana aorian' ny fahafatesana ====
Ny [[Tontolon' ny fanahy (Olomasin' ny Andro Farany)|tontolon' ny fanahy]] aorian' ny fiainana eto ambonin' ny tany dia toeram-piandrasan' ny [[Fanahin' ny vatana|fanahin' ny olona]] eo anelanelan' ny [[fahafatesana]] sy ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]]. Misy fizaràna miavaka tsara izany: ny [[paradisa]] izay andraisana ireo nanaiky ny [[Filazantsara]]; ary ny fonjan' ny fanahy izay andraisana ireo izay tsy nanoa ny Filazantsara na izay tsy nanaiky azy nandritra ny fiainany tety an-tany na izay tsy mba nandre izany akory. Ny Filazantsara dia ampianarina ao amin' io fonjan' ny fanahy io ary [[Batisa ho an' ny maty|ireo izay manaiky ny sakramentan' ny batisa]] tanterahina ho azy ireo ao amin' ny [[Tempoly (môrmônisma)|Tempoly]] dia hankany am-paradisa. Ireo sakramenta ireo, izay asam-panavotana ho an' ny maty, dia tanterahina amin' ny alalan' ny fisoloan-tena ataon' ny velona.
Ny fitsanganan-ko velona ho an' ny rehetra dia fitsanganan' ny olona tsirairay amin' ny maty alohan' ny hitondrana azy eo anatrehan' Andriamanitra hotsaraina. Ny [[fitsarana farany]] dia iheverana an' ilay olona manontolo (fahalalana, asa natao, teny, hevitra, faniriana, fieken-keloka).
Misy ny fanomezana dingam-pisondrotam-boninahitra: amin' ny fitsarana ny olona tsirairay dia omena ny iray amin' ireo dingam-boninahitra telo ireo, arakaraka ny safidiny tao amin' ny fotoana nahamety maty azy (eto an-tany) sy any an-koatra. Ireto ireo dingana na ambaratongam-boninahitra ireo: telestialy, terestrialy na selestialy. Teny am-panoharana ireo.
=== Ny amin' Andriamanitra ===
Tsy manaiky ny [[Fanekem-pinoana nikeana|tenim-pinoan' ny Kônsily tao Nikea]] sy [[Kônsily tao Kalkedôna|Kalkedôna]] ary [[Kônsily tao Kônstantinôpôly|Kônstantinôpôly]] ny [[Môrmônisma|teôlôjia môrmôna]]. Hafa tsy tahaka ny an' ny [[Katôlisisma|fiangonana katôlika]] sy [[Kristianisma ôrtôdôksa|ôrtôdôksa]] ary [[Prôtestantisma|prôtestanta]] ny fiheverany an' [[Andriamanitra Ray]] sy [[Zanak' Andriamanitra|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]]<ref><small>Odon Vallet, ''La Marche de l'Histoire'', 9 Janoary 2012.</small></ref>. Tsy anisan' ny fiangonana [[Trinite|trinitariana]] ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy [[Andriamanitra ao amin' ny môrmônisma|Andriamanitra]].
==== Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ====
Ao amin' ny [[Môrmônisma|teôlôjia môrmôna]], Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny Fanahy Masina dia zavatra telo miavaka tsara sady misaraka ara-batana tsara nefa miray tanteraka raha ny amin' ny tanjona [[Famonjena|hamonjena]] ny olombelona no heverina. [[Fahefana ny zava-drehetra|Mahefa ny zava-drehetra]] Andriamanitra, [[Fahalalana ny zava-drehetra|mahalala ny zava-drehetra]], [[mandrakizay]] ary [[Andriamanitra mpamorona|mpamorona]] izao rehetra izao.
Ao amin' ny Olomasin' ny Andro Farany dia ny Ray no matetika atao hoe Andriamanitra. Mifanahaka ny Ray sy ny Zanaka ([[Filazantsara araka an' i Joany|Jaona]] 14.6-7). Andriamanitra no mpanapaka izao rehetra izao. Mitoetra any an-danitra Andriamanitra ([[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] 20.17).
==== I Jesoa Kristy ====
Tamin' ny dinidinika tao an-danitra dia i [[Jehovah]], izay tsy iza fa i [[Jesoa Kristy]], ilay voalohan-teraka tao amin' ireo zanaka fanahy, dia vonona ka nidina tety an-tany hanolotra ny ainy hanaisotra ny [[Fahotana|fahotan]]' izao tontolo izao. Hoy izy ao amin' ny [[Bokin' i Mosesy]]: "Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary anao mandrakizay ny voninahitra" (''Mosesy'' 4.2). I [[Losifera]] kosa dia te-hanery ireo zanaky ny Ray hanao ny sitrapon' izy Losifera. Rehefa nohenoin' Andriamanitra Ray ny zanany roalahy dia hoy izy: "Halefako ilay voalohany" (''Abrahama'' 3.27). Noho izany dia i Jesoa Kristy no voafidy ho Mpanavotra.
I Jesoa Kristy no ivon' ny [[Môrmônisma|teôlôjia môrmôna]]: ny [[Fahaterahan' i Jesoa|fahaterahany]], ny fiainany, ny sorom-panavotana nataony ary ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany amin' ny maty]]. Ny sorom-panavotana nataon' i Jesoa Kristy dia trangan-javatra lehibe indrindra amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona. Noho i Kristy nanana fiainana tonga lafatra no nahatonga azy ho mendrika ny hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana amin' ny [[Fahotana|fahotan]]' ny olombelona rehetra. Ny sorom-panafahana no nahatanteraka ny finoana an' i Kristy sy ny [[famonjena]] nataony.
Ny Olomasin' ny Andro Farany dia manambara fa i Jesoa no Voalohan-teraky ny Ray ao amin' ny fanahy fa Zanany lahitokana kosa ao amin' ny nofo. Izy no [[Kristy]] na [[Mesia]], izany hoe ilay "Voahosotra"<ref><small>John Cunningham Geikie, ''Life and Words of Christ'', 1877, vol. 1, chap. 6</small></ref>. Izy ilay Andriamanitry ny [[Testamenta Taloha]], dia i [[Jehovah]] izany (''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'' 110.3-4) izay voalahatra mialoha ho amin' izany antso lehibe izany talohan' ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|Famoronana izao tontolo izao]]. Izy no namorona ny Tany sy izay rehetra eo aminy, araka ny fitarihan' ny Ray. Naterak' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] tao [[Betlehema]] izy ary niaina tsy nisy fahotana sady nanatanteraka ny fanesorana amin' ny fomba tongalafatra ny fahotan' ny olombelona rehetra tamin' ny fandatsahany ny rany sy tamin' ny nanolorany ny ainy teo amin' ny [[hazo fijaliana]].
[[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|Nitsangan-ko velona]] i Jesoa mba hahaazo antoka ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan' ny olombelona rehetra amin' ny maty]] amin' ny farany. Tamin' ny alalan' ny vidim-panavotana nataony sy ny fitsanganany ho velona no hahafahan' izay [[Fibebahana|mibebaka]] amin' ny fahotany sy mankato ny didin' Andriamanitra [[Fiainana mandrakizay|hiaina mandrakizay]] miaraka amin' i Jesoa sy amin' ny Ray. Ny fiaviany eto amin' izao tontolo izao dia ilaina mba handovan' ny olombelona ny [[Famonjena]], ary ny fiainany dia ohatra tongalafatra ho an' ny fomba fiainan' ny olombelona. Ny [[vavaka]] sy ny tsodrano ary ny sakramentan' ny asam-pisoronana dia atao amin' ny anarany.
I Jesoa Kristy no mpahary, mpamonjy ary Andriamanitry ny tany manontolo. Ho [[Fiavian' i Kristy fanindroany|avy]] amin-kery sy voninahitra izy hanjaka eto an-tany mandritra ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]], ary amin' ny [[andro farany]] dia izy no ho mpisolovava rehefa [[Fitsarana farany|hitsara]] ny olombelona rehetra Andriamanitra Ray (''Guide des écritures'', <abbr>p.</abbr> 107.).
== Ny tantaran' ny fiangonana ==
=== Tantaran' ireo fitsidihana ===
[[Sary:Joseph Smith, Jr. portrait owned by Joseph Smith III.jpg|vignette|230x230px|''Sarin' i Joseph Smith'', taona 1842.]]
Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino fa naverin' i Jesoa avy any Nazareta amin' ny laoniny ny Fiangonana, tamin' ny alalan' ny mpaminany [[Joseph Smith]], ary nalamina sahala amin' ny Fiangonana kristiana voalohany indrindra io Fiangonana io, araka ny voalaza ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], taorian' ny fe-potoana naharitra taonjato 18 nisian' ny fiovana sy fahaverezana, atao hoe [[Fivadiham-pinoana Lehibe|Fivadiham-pinoana lehibe]].
==== Fisehoan' Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanaka ====
[[Sary:Joseph Smith first vision stained glass.jpg|vignette|Fahitan' i Joseph Smith voalohany|279x279px]]
I [[Joseph Smith]], 14 taona tamin' izay, dia nivavaka tao amin' ny ala kely iray eo akaikin' ny fonenany tamin' ny taona 1820, mba hahafantatra hoe fiangonana iza no tokony hikambanany. Nisy olona roa niseho taminy, dia Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Nanambara tamin' i Joseph Smith i Jesoa Kristy fa ny Fiangonana marina dia niova ka tsy eo amin' ny olombelona intsony, ka raha mitoetra ho mahatoky izy dia izy no hamerina indray ny Fianangonana voalohany.
'''Fisehoan' i Môrônia'''
Nanambara i Joseph Smith fa telo taona taorian' izany, tamin' ny volana Septambra 1823, dia nitsidika azy ny mpaminany fahiny atao hoe [[Môrônia (mpaminany)|Môrônia]] izay nanambara taminy ny toerana misy ny [[Soratra Masina]] (izay any amin' ny havoan' i Cumorah voasoratra amin' ny fiteny ejipsiana nohavaozina sy voasoratra tamin' ny takelaka metaly nampitondraina ny anarana hoe ''[[Bokin' i Môrmôna]]''. Araka ny fitantaran' i Joseph Smith, ireo soratra ireo dia nosoratan' ny mpaminany maro [[Jiosy]] nonina tao amin' ny [[Amerika|Kôntinenta Amerikana]] teo anelanelan' ny taona 600 tal. J.K. sy 420 taor. J.K.
==== Fisehoan' i Jaona mpanao Batisa sy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ====
Nitantara koa i Joseph Smith fa i Oliver Cowdery mpitan-tsorany sy izy tenany, izay nanatanteraka ny fandikan-teny ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'' tamin' ny taona 1829, dia namaky ny tantaran' ny fitsidihan' ny [[Mesia]] ireo mponin' i Amerika taloha sy namaky ny fampianarany ny amin' ny [[batisa]]. Araka ny fitantaran' izy ireo dia nandeha hivavaka eny amoron' ny renirano Susquehanna, akaikin' ny tranon' i Jeseph Smith tao Harmony, izy ireo tamin' ny 15 Mey 1829. Nisy olona avy any an-danitra niseho ka nilaza ny tenany ho i [[Joany Mpanao Batisa|Jaona mpanao Batisa]], ka namindra amin' izy ireo ny asam-pisoronan' i [[Aarôna|Arona]] sy nandidy azy ireo hanao [[batisa]] ny tenan' izy ireo ary hifanosotra izy samy izy. Taty aoriana, tamin' io volana io ihany, dia niseho tamin' izy ireo i [[Petera]] sy i [[Jakoba zanak'i Alfeo|Jakoba]] ary i [[Jaona apostoly|Jaona]] izay namindra tamin' izy ireo ny [[Asam-pisoronana|asam-pisoronan]]' i [[Melkizedeka]] sy nanokana azy ireo ho apôstôly.
==== Fisehoan' i Mosesy sy i Elià ary i Elia ====
Tamin' ny 27 Marsa 1836 dia nitokana ny Tempolin' i Kirtland i Joseph Smith. Nitantara izy fa herinandro taorian' io, tamin' ny 03 Avrily 1836, dia niseho taminy sy tamin' i Oliver Cowdery i Jesoa Kristy izay niteny hoe: "Nanaiky ity trano ity aho, ary ho eto ny anarako; ary hiseho amim-pamindram-po aho amin' ny vahoakako ato amin' ity trano ity" (''[[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|Fotopampianarana sy Fanekampihavanana]]'' 110.7). Nilaza koa izy fa nisy iraka telo avy tamin' ny andron' ny [[Testamenta Taloha]], dia i [[Mosesy]] sy i Elià ary i [[Elia]], izay niseho sady namerina tamin' ny laoniny ireo fanalahidy sy ny fahefan' ny asam-pisoronana very hatramin' ny ela teto an-tany. Araka ny fitantaran' i Joseph Smith ihany, ny fahefana hamory an' i Israely avy amin' ny faran' ny tany sy hampitambatra amin' ny tombo-kase ny fianakaviana haharitra mandrakizay dia naverina amin' ny laoniny koa (''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'' 110.11-16).
=== Vanim-potoan' ny mpisava lalana ===
==== Ny fifindrà-monin' ny mpisava lalana ====
Hatramin' ny fotoana nanorenana ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany tamin' ny taona 1830 dia maro amin' ny mpikambana ao aminy no niharan' ny fanenjehan' ny mpiray na mpifanila tanàna aminy<ref><small>[http://www.crf-usa.org/bill-of-rights-in-action/bria-17-1-b-the-persecution-of-the-mormons/ The persecution of the mormons, Constitutional Rights Foundation] {{Wayback|url=http://www.crf-usa.org/bill-of-rights-in-action/bria-17-1-b-the-persecution-of-the-mormons/ |date=20180828021817 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.crf-usa.org%2Fbill-of-rights-in-action%2Fbria-17-1-b-the-persecution-of-the-mormons%2F tahiry]]</small></ref>, indrindra noho ny firaisan-kinany ara-piaraha-monina sy ara-pôlitika sy noho ny fivavahany. Nisy ny herisetra izay natao tamin' ny Fianagonana sy ny mpivavaka ao ary tamin' i [[Joseph Smith]] mpitarika azy, ka anisan' ny nahatonga azy ireo hifindrafindra toeram-ponenana: tany [[Ohio]] avy eo tany [[Missouri]] ary tany [[Illinois]] izay nanorenany ny tanànan' i [[Nauvoo (Illinois)|Nauvoo]] sy ny tempoliny.
Tamin' ny taona 1838 dia nandefa didy hampandringanana<ref><small>[[wikisource:Extermination_Order_(Mormonism)|Extermination order (mormonism), wikisource]] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fen.wikisource.org%2Fwiki%2FExtermination_Order_%2528Mormonism%2529 tahiry]]</small></ref> ny Môrmôna rehetra i Lilburn Boggs governoran' i Missouri, dia ireo Môrmôna nonina tao amin' ny Fanjakana nontantanany, ka izany no niteraka ny fandripahana tao Haun's Mill. Tamin' ny taona 1844 no nahafatesan' i Joseph Smith izay novonoin' ny vahoaka tao amin' ny tanànan' i Carthage ao Illinois. Tamin' ny taona 1846 dia nahatratra ny faratampony izany fifanolanana izany ka tamin' ny taona 1848 dia nisy tangoron' olona nandoro ny tempoly tao Nauvoo.
Ny mpisava lalana voalohany voaroaka avy tao Nauvoo nadritra ny ririnin' ny taona 1845-1846 dia voatery nifindra monina an-tongotra na an-kelesy ka i [[Brigham Young]], ilay mpandimby an' i Joseph Smith, no nitarika izany tao amin' ny lalana mirefy 2 000 km eo ho eo hatrany amin' ny lohasahan' ny Farihy Masira Lehibe (anglisy: ''Great Salt Lake''), tany efitra tanteraka ao amin' ny Tangorom-bohitra Bevato (anglisy: ''Rocky Mountains'' na ''Rockies'') any amin' ny Fanjakan' i [[Utah]] ankehitriny. Tsy niala ao intsony izy ireo nanomboka tamin' ny taona 1847.
Tanelanelan' ny taona 1847 sy 1860 (taona nahavitan' ny lalam-by mampitohy ny kôntinenta roa) dia miisa 86 000 eo ireo mpisava lalana izay nankany amin' ny Farihy Masira Lehibe. Maty an-dalana ny 6 000 tamin' izy ireo. Amerikana ireo mpisava lalalana voalohany ireo, avy eo nisy Eorôpeana an' aliny (Britanika, Alemàna, Skandinaviana, Frantsay, Soisa sns.) izay namakivany ny [[Ranomasimbe Atlantika]] mba ho any amin' i [[Salt Lake City]] ka tao izy ireo dia niroborobo teo ambany fitarihan' i Brigham Young.
Nisy Frantsay atao hoe Louis Auguste Bertrand mpanoratra tao amin' ny gazety ''Le Populaire'' sady komonista ikariana nitantara ny fiovam-pinoany ho Môrmôna tamin' ny taona 1850 sy ny zavatra niainany tamin' ny fiampitana ireo tany lemaka ka nosoratany tao amin' ny ''Memoire d'un Mormon'' izany<ref><small>''Mémoires d'un mormon'', Paris, Collection Hetzel, E. Dentu, libraire, Palais Royal, 1862</small></ref>.
==== Ny fampirafesan' ny lahy sy ny vavy ====
[[Sary:BrighamYoung1.jpg|vignette|I Brigham Young, mpitarika ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany nanomboka tamin'ny 1844 ka hatramin'ny taona 1877. |216x216px]]
Ny fampirafesana (anglisy: ''plural marriage'') dia nataon' ny Môrmôna sasany ka tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny taona 1890: azo atao ny mampirafy raha omen' ny filohan' ny Fiangonana alalana sady ankalazaina ao amin' ny [[Tempoly (môrmônisma)|tempoly]] izany. Araka ny fampianarana môrmôna tamin' izay dia ny vehivavy ao amin' ny Fiangonana sy ny lehilahy manana fahefana amin' ny [[Asam-pisoronana|asam-pisoronan]]' i [[Melkizedeka]] no afaka mampirafy sy ampirafesina. Araka io fampianarana io ihany dia famerenana ny fanao voalaza ao amin' ny [[Baiboly]] ny fampirafesana vehivavy maro, ary neken' Andriamanitra izany, tamin' ny fotoana sasany, mba hahamaro ny vahoakany. Izany fanao izany dia voatantara ao amin' ny Baiboly toa an' i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] sy i [[Jakôba (patriarka hebreo)|Jakoba]] sy i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] sy ny hafa koa. Izany fampirafesana izany anefa dia voafehim-pitsipika ary ny fandikana izany fitsipika izany dia faizina (sahala amin' ny nataon' i Davida sy ilay vadin' i Oria).
Niovaova arakaraka ny toerana sy ny fotoana ny isan-jaton' ny môrmôna nampirafy. Taorian' ny nandraiketana io fanao io tamin' ny andron' i Brigham Young mandra-pampiatoana azy dia teo amin' ny 20 % hatramin' ny 40 %n' ny lehilahy no nampirafy fa ny isan-jaton' ny vehivavy nampirafy dia 10 % hatramin' ny 15 % ka mety nihoatra ny isan-jaton' ny vehivavy tokam-bady izany tao [[Utah]]<ref><small>D. Michael Quinn, ''The Mormon Hierarchy – Extensions of Power'', <abbr>p.</abbr> 329</small></ref>. Tamin' ny 7 Avrily 1889 dia noraràn' i [[Wilford Woodruff]], filoha fahefatra, ny fampirafesana<ref><small>Conference Report, october 1890</small></ref>.
Amin' izao andro ankehitriny izao, ny fehezan-dalàna ara-pitondran-tena nofarintan' ny Fiangonana môrmôna no mifehy ny fahadiovam-pitondran-tena izay tsy inona fa ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan' ny fanambadiana sy ny fanajana tanteraka ny vady tokana ara-dalàna mandritra ny fotoana anambadiana.
Ireo vitsy anisa izay monina ao [[Etazonia]], izay mbola manao fampirafesana na dia raràn' ny lalàn' io firenena io (toa ny [[Fiangonana Fondamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany|Fiangonana Fôndamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]], izay nipoitra tao Etazonia tamin' ny taona 1951), dia tsy heverin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ho anisan' ny Môrmôna<ref><small>[http://www.eglisedejesuschrist.fr/actualites/vue-d-un-article/archive/2008/april/article/un-dirigeant-de-leglise-de-jesus-christ-des-saints-des-derniers-jours-a-lance-un-appel-aux-media.html L'Église de Jésus-Christ des saints des derniers jours déclare que les sectes polygames ne sont pas des 'mormons'] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.eglisedejesuschrist.fr%2Factualites%2Fvue-d-un-article%2Farchive%2F2008%2Fapril%2Farticle%2Fun-dirigeant-de-leglise-de-jesus-christ-des-saints-des-derniers-jours-a-lance-un-appel-aux-media.html tahiry]]</small></ref>. Amin' izao androtsika izao ny Olomasin' ny Andro Farany dia tsy mampirafy.
=== Amin' izao andro vaovao izao ===
Nandritra ny taonjato faha-20, ny Fiangona dia nandroso fatratra ary nanjary lasa fikambanana naneran-tany, anisan' ny niteraka izany ny fitomboan' ny isan' ny mpamita iraka (misiônera) izay niparitaka eran' izao tontolo izao. Tamin' ny taona 2000 dia niisa 60 784 ny misiônera niasa manontolo andro (izay havaozina isaky ny roa taona) <ref name=":1"><small>“Statistical Report, 2000,” ''Ensign'', May 2001, 22</small></ref> ary ny isan' ny mpivavaka eran-tany dia niakatra nihoatra kelin' ny 11 000 000<ref name=":1" />. Tamin' ny taona 2007, dia nihoatra ny 13 000 000 izany isa izany<ref><small>Deseret Morning News ''2008 Church Almanac'' pg. 655</small></ref> ka nahatratra 14 000 000 tamin' ny volana Jolay 2010 ary ny 6 000 000 amin' izany dia mponin' i [[Etazonia]]: izany dia eo amin' ny 1 %n' ny Amerikana ka mahatonga io Fiangonana io ho anisan' ny fikambanana ara-pivavahana vitsy anisa<ref><small>Peggy Fletcher Stack, "[http://www.sltrib.com/sltrib/home/50253113-76/church-lds-says-news.html.csp LDS Church ramps up on global stage]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.sltrib.com%2Fsltrib%2Fhome%2F50253113-76%2Fchurch-lds-says-news.html.csp tahiry]], ''The Salt Lake Tribune'', 14/09/2010.</small></ref> nefa laharana fahefatra amin' ireo fivavahan-dehibe ao Amerika<ref name=":0" />.
Nisy fanovana sasany izay natao nandritra izao andro vaovao izao. Anisan' ireo lehibe ny fanosorana ny mainty hoditra amin' ny asam-pisoronana nanomboka tamin' ny taona 1978, izay nahatonga ny fanao natombok' i Brigham Young tamin' ny taona 1852 ho lany andro<ref><small>[http://www.signaturebookslibrary.org/neither/neither3.htm#Chapter3 Bush & Mauss 1984] {{Wayback|url=http://www.signaturebookslibrary.org/neither/neither3.htm#Chapter3 |date=20090707035016 }}: 70 [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.signaturebookslibrary.org%2Fneither%2Fneither3.htm%23Chapter3 tahiry]]</small></ref>.
== Ny boky masin' ny Olomasin' ny Andro Farany ==
[[Sary:Latter-day Saint Scripture Quadruple Combination.jpg|vignette|239x239px|Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
Ankoatry ny [[Baiboly]] dia ireto avy ny boky ampiasaina ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany sady inoan' ny mpikambana ao fa vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] avy amin' Andriamanitra:
* ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'';
* ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']];
* ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']].
=== Boky itambarany amin' ny Kristiana hafa===
==== Ny Baiboly====
Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino fa ny Baiboly dia mirakitra ny boky momba ny tenin' Andriamanitra raha marina ny fandikan-teny natao. Ny Baiboly, izany hoe ny [[Testamenta Taloha]] sy ny [[Testamenta Vaovao]], dia iray amin'ireo fototra iorenan' ny finoana môrmôna. Ny [[Tononkira Fanaperana|Tononkiran' i Solomona]] (na Tononkira Fanaperana) anefa dia tsy heveriny ho vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] avy amin' Andriamanitra.
Ny dikan-teny anglisin' ny Baiboly ampiasain' ny Môrmôna dia ilay dikan-tenin' ny mpanjaka James ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''King James Version''). Ny Baiboly dikan-teny frantsay Louis Segond 1910 no ampiasain' ireo izay miteny frantsay. Ny [[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Baiboly prôtestanta malagasy]] kosa no ampiasain' ireo miteny malagasy.
=== Boky manokana an' ny Olomasin' ny Andro Farany ===
==== Ny ''Bokin' i'' ''Môrmôna''====
Araka ny fitantaràn' i Joseph Smith, ny ''[[Bokin' i Môrmôna]]'' dia voasoratra tamin' ny fiteny ejiptiana tamin' ny takela-bolamena hitan' i Joseph Smith teny amin' ny havoan' i Cumorah, ao amin' ny Fanjakan' i [[New York]] any [[Etazonia]], araka ny taridalana nomen' ny anjely Môrônia tamin' ny 21 Septambra 1823. Avy amin' ny anaran' i Môrmôna, mpaminany niaina tamin' ny taonjato fahefatra, teo amin' ny kôntinenta amerikana, ny anaran' io boky io.
==== Ny ''Fotopampianarana'' ''sy'' ''Fanekempihavanana''====
Ny ''[[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana]]'' dia fanangonana fanambaràna vokatry ny tsindrimandry avy amin' Andriamanitra izay natao hametrahana sy hitantanana ny [[Fanjakan' Andriamanitra]] ety an-tany amin' ny [[Andro farany|Andro Farany]]. Araka ny fampianarana dia azo tamin' ny alalan' i Joseph Smith ny ankabeazan' ireo fanambaràna ireo. Misy ny fanampin' ireo fanambaràna ireo izay nampidirin' ny mpadimby toerana an' i Joseph Smith teo amin' ny fitondrana ny fiangonana taty aoriana.
==== Ny ''Voahangy'' ''Lafo'' ''Vidy''====
Ny ''[[Voahangy Lafo Vidy]]'' dia natonta voalohany tamin' ny taona 1851 sady ahitana lahatsoratra voarakitra ankehitriny ao amin' ny ''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.'' Ny anaran' io boky io dia nalaina avy ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] izay mampitaha ny [[Fanjakan' Andriamanitra|Fanjakan' ny Lanitra]] amin' ny "voahangy lafo vidy" araka ny [[Filazantsara araka an' i Matio|Filazantsaran' i Matio]] (Mat. 13.45-46).
== Rohy ivelany ==
==== Tranokalan' ny Olomasin' ny Andro Farany: ====
* https://www.lds.org/study?lang=mlg
==== Tranon-kala hafa: ====
* http://mit.irr.org
== Jereo koa ==
'''Momba ny kristianisma ankapobeny'''
* [[Kristianisma]]
'''Momba ny Olomasin' ny Andro Farany'''
*[[Restaorasiônisma]]
*[[Mônôteisma]]
*[[Henôteisma]]
* [[Hetsika Olomasin' ny Andro Farany|Hetsika ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Fiangonan' i Jesoa Kristy (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* [[Tantaran' ny hetsiky ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Restaoratiôna (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* [[Fivadiham-pinoana Lehibe|Fivadiham-pinoana lehibe]]
* [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany eto Madagasikara]]
*[[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|Ôrdônansy]]
*[[Tempoly (môrmônisma)]]
*[[Batisa ho an' ny maty]]
*[[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
*[[Môrmônisma|Teôlôjia môrmôna]]
*[[Tantaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
*[[Amboarampeon' ny Tabernakely]]
== Loharano ==
gwu6bihya75m8c2bdvchfe9rwogg1rs
1092665
1092663
2024-12-08T15:45:39Z

Ny [[Fahalavoan' ny Olombelona|Fahalavoan]]' i [[Adama]] sy i [[Eva]] dia dingana tsy maintsy nilaina amin' ny fahaterahan' ny zanaky ny fanahin' ny Ray. Raha tsy teo io dingana io dia tsy ho nanan-taranaka i Adama sy i Eva ary tsy ho nahalala ny [[tsara]] sy ny [[ratsy]] na koa ny atao hoe [[fiainana mandrakizay]] any aoriana, araka ny voasoratra ao amin' ny [[Boky faharoan' i Nefia]] (2Nefia 2.22-25). Tsy zava-dratsy ny fahalavoan' i Adama sy i Eva.

344oy2bk0um52s5yxja1ajd12g5lkn4
1092668
1092665
2024-12-08T16:29:44Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */ Nandamina

i6rcr8u0rej42wso5dy0i7mhominy8c
1092669
1092668
2024-12-08T16:30:37Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */ Nanitsy tsipelina

* [[Tantaran' ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Restaoratiôna (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* [[Fivadiham-pinoana Lehibe|Fivadiham-pinoana lehibe]]
* [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany eto Madagasikara]]
*[[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|Ôrdônansy]]
*[[Tempoly (môrmônisma)]]
*[[Batisa ho an' ny maty]]
*[[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
*[[Môrmônisma|Teôlôjia môrmôna]]
*[[Tantaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
*[[Amboarampeon' ny Tabernakely]]
== Loharano ==
7vf8fa6j1i29rcrlrtxwf50h026idqi
Prôtestantisma
0
244619
1092628
1086907
2024-12-08T12:16:42Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092628
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Lutherstadt Wittenberg 09-2016 photo06.jpg|vignette|299x299px|Ny Tsangan-kevitr' i Lotera 95 eo amin' ny varavaram-piangonan' i [[Wittenberg]]]]
Ny '''prôtestantisma''' dia iray amin' ny sampana lehibe ao amin' ny [[kristianisma]] ankoatry ny [[katolisisma|katôlisisma]] sy ny [[Fiangonana ôrtôdôksa|Ôrtôdôksia]]. Ny prôtestantisma dia mahafaoka ny fiangonana nipoitra rehetra mivantana na tsia amin' ny [[Fanavaozana prôtestanta|Refôrmasiona]] (na Refôrma) ka mizara ho sampany lehibe (toy ny [[adventisma]], ny [[anabatisma]], ny [[anglikanisma]], ny [[fiangonana batista]], ny [[fiangonana nohavaozina]], ny [[loteranisma]], ny [[metôdisma]], ny [[pentekôtisma]]) sy sampany madinika (toy ny [[hositisma]], [[valdisma]], ny [[Fiangonan'ny Mpirahalahy|fiangonan' ny mpirahalahy]], ny [[Hetsiky ny Fanamasinana|hetsiky ny fanamasinana]], ny [[koakerisma]]) ary ny maro hafa koa. Ireo [[Evanjelisma|fiangonana ara-pilazantsara]] (na Evanjelika) dia indraindray atao hoe anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.
Laharana faharoa ny prôtestantisma, manaraka ny [[katôlisisma]], raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina izay mahatratra ny 40%n' ny Kristiana maneran-tany<ref><small>[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf ''"Pewforum: Christianity (2010)"'' (PDF)] {{Wayback|url=http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf |date=20130805020311 }}. Notsidihina tamin'ny 14/05/2014''.''</small></ref>.
== Ny niandohany ==
=== Ny tsangan-kevitra 95 ===
[[Sary:95Thesen.jpg|vignette|Ireo tsangan-kevitra 95 an' i Lotera]]
Tamin' ny 31 Ôktôbra 1517 no nanombohan' ny zava-niseho niteraka ny prôtestantisma tamin' ny nametahan' ilay [[monka]] (na [[Monka|moanina]]) alemàna sy dokotera an-teôlôjia, dia i [[Martin Lotera]] (alemàna: ''Martin Luther''), ny [[Tsangan-kevitra 95n' i Lotera|tsangan-kevitra miisa 95]] niampangany izay ataony ho fahadisoan' ny [[Katôlisisma|Fiangonana katôlika rômana]] tamin' ny fotoan' androny. Nanambara i Lotera fa ny [[Baiboly]] irery ihany no manana fahefana azo anankinana ny finoana, izany no atao amn' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe [[Sola Scriptura|''Sola'' ''Scriptura'']]. Narovan' i Joany I any Saksônia ([[Fiteny alemàna|alemàna]]: ''Johann Friedrich der Grossmütige''; [[Fiteny frantsay|frantsay]]: ''Jean Frédéric I<sup>er</sup> de Saxe'') (1503-1554) i Lotera izay nandoro ny taratasin' ny [[papa]], taratasy nitondra ny lohateny latina hoe ''Exsurge Domine'' ("Mitsangàna Tompo ô" [fa misy amboadia manimba ny tanim-boalobokao]) izay nandrahona fanonganana an' i Lotera tamin' ny taona 1520. Izany dia "taratasy manameloka ny fahadisoan' i Martin Lotera sy ny mpanaraka azy" (latina: "''Bulla contra errores Martini Lutheri et sequacium''").
=== Fanonganana an' i Lotera ===
Ny taona 1521 dia heverina koa ho taona manan-danja: tamin' ny volana Janoary dia nanda ny hiala amin' ny heviny i Lotera teo anatrehan' ny fivoriamben' ny Fanjakana mivondrona ao amin' ny [[Empira Masina Rômana Jermanika]] notanterahina tao [[Worms (Alemaina)|Worms]], satria aminy dia ny Baiboly sy ny [[Fieritreretana|fieritreretany]] ihany no manam-pahefana aminy fa tsy ny antanantohatra misy eo amin' ny mpitondra fiangonana<ref><small>(« ''[Da] … mein Gewissen in den Worten Gottes gefangen ist, ich kann und will nichts widerrufen, weil es gefährlich und unmöglich ist, etwas gegen das Gewissen zu tun. Gott helfe mir. Amen.'' »)</small></ref> ka noroahina tsy ho anisan' ny fiangonana izy. Sambany no nisy firesahana ny amin' ny fiantsoana an' Andriamanitra mivantana sy ny fieritreretana ka anisan' ny mampiavaka ny prôtestantisma izany.
=== Ny "adin' ny Tantsaha" ===
Anisan' ny hevitr' i Lotera ny tokony hahafahan' ny olon-drehetra mamaky [[Baiboly]] izay tsy anavahana saranga, ka izany fitovian' ny olombelona rehetra izany dia nisy akony tao amin' ireo vahoaka izay betsaka tantsaha, hany ka niteraka ilay atao hoe "[[Adin' ny Tantsaha alemàna|Adin' ny Tantsaha]]" (alemàna: ''Deutscher Bauernkrieg'') izany tamin' ny lohataonan' ny 1525 tao amin' ny [[Empira Masina Rômana Jermanika]].
Mba hampitsaharana haingana izany firongatan' ny herisetra nataon' ny olona tamin' ny sarangan' ny mpitondra fivavahana izany dia nivory voalohany tao [[Speyer|Spire]] tamin' ny taona 1526 ny andriandahy. Nifanarahana ny didim-panjakana ampiharina amin' ny tany misy hotakotaka, dia tapaka fa misafidy ny fanompoam-pivavahana tiany hatao ao amin' ny fanjakany ny andriana tsirairay. Noho izany dia tsy maintsy nandositra tany amin' ny fanjakana mankasitraka ny finoany ny mpanohitra. Izany fanomezana lanja ny fivavahana tiana harahina izany dia efa natombok' i [[Joany I any Saksônia]] tamin' ny faramparan' ny taona 1525 nampanjary fivavavahana ekem-panjakana ny [[loteranisma]].
=== Fampitsaharana ny "adin' ny Tantsaha" ===
Tsy tao amin' izany fivoriana izany, izay natrehin' ny andriana mpandatsa-bato, i Karl V (frantsay: ''Charles Quint''; alemàna: ''Karl V''; latina: ''Carolus V'') ka tsy nankasitraka izany fanapahan-kevitra izany. Nampangain' ny tao amin' ny papa ho nanohana an' i Lotera izy ka nanapa-kevitra ny hisakana ny fiparitahan' ireo [[Tsangan-kevitra 95n' i Lotera|petra-kevitr' i Lotera]] ireo. Nampiantso fivorian' andriana tao Spira i Karl V sy i Ferdinando I rahalahiny, izay nanafoanany ny marimaritra iraisana nataon' ny andriana tamin' ny tantsaha. Noho izany dia tafapetraka amin' ny toerany indray ny fanaovana [[lamesa]] amin' ny [[fiteny latina]]. Namaly izany ny andriana maro notarihin' i Joany avy any Saksônia tamin' ny alalan' ny famoahana fanohanan-kevitra (latina: ''protestatio''). Ireo andriana nanao sonia ireo dia natao amin' ny teny latina hoe "''protestantes''", izay niavian' ny teny hoe ''prôtestanta''.
== Ny foto-kevitra iorenan' ny finoana prôtestanta ==
=== Ny fahasoavana irery ihany ===
Mino ny Prôtestanta fa sy mendrika ny [[famonjena]] azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen' Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Noho izany, ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan' Andriamanitra dia tsy miankina amin' ny fitiavany an' Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin' ny fiarahamonina. Izany no itenenan' ny Prôtestanta hoe "ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] irery ihany" (latina: ''[[Sola gratia]]'').
=== Ny finoana irery ihany ===
Amin' ny Prôtestanta, ny finoana dia fanomezan' Andriamanitra tamin' ny fihaonan' ny isam-batan' olona amin' Andriamanitra, amin' ny alalan' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]]. Ny finoana irery ihany (latina: [[Sola fide|S''ola fide'']]) fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana (latina: ''doctrina'') na ny asan' olombelona no [[Famonjena|mahavonjy]]. Tsy mitovy ny fomba mahatonga io finoana io ao amin' ny olona tsirairay ka mety miseho tampoka izany na miandalana. Samy miaina izany finoana izany amin' ny fombany manokana ny olona tsirairay satria valin' ny fanehoan' Andriamanitra fitiavana ny finoana.
=== Ny Soratra Masina irery ihany ===
Amin' ny Prôtestanta dia ny [[Baiboly]] no mirakitra ny tenin' Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana ara-teôlôjia sady mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin' ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany" (latina: ''[[Sola scriptura|Sola Scriptura]]''). Ny toriteny ataon' ny mpanao raharaham-piangonana voaofana tamin' izany, indrindra voaofan' ny [[Fanahy Masina]], no manazava azy. Amin' ny alalan' ny fijoroana vavolombelona ampitainy no amaritany fitsipi-piainana izay ahatakarana sy iasan' ny andraikitry ny tsirairay.
=== I Kristy irery ihany ===
I Kristy irery ihany (latina: ''[[Solus Christus]]'') no mpanalalana eo amin' Andriamanitra sy ny ombelona, fa tsy ny olo-masina na i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] na ny [[anjely]].
=== An' Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ===
Andriamanitra irery ihany no masina, manana ny fomba maha Andriamanitra azy fara tampony. Noho izany, tsy misy ezaka na asan' olombelona afaka hihambo hanana toetra fara tampony sy tsy azo ovana na sahaza ho an' ny olona sy ny zavatra rehetra, anisan' izany ny [[teôlôjia]]. An' Andriamanitra irery ny voninahitra (latina: ''[[Soli Deo gloria]]''). Ankoatra izany, ny fanomezan' Andriamanitra fahalalahana ny olombelona dia mahatonga ny Prôtestanta hankasitraka ny rafi-piarahamonina mandala ny fahasamihafana sy ny fahalalahana.
=== Tokony hihavao mandrakariva ny Fiangonana ===
Ny andrim-pitondran' ny Fiangonana (latina: ''institutio'') dia zavatra mifamatotra amin' ny maha olombelona ka tsy atao lohalaharana satria mety ho diso izy ireo, hoy i [[Martin Lotera|Lotera]]. Noho izany ny Fiangonana dia tokony handinika amin-tsaina mitsikera ny fiainany sy ny fampianarana ataony, amin' ny alalan' ny famakiana ny Baiboly [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsilovin]]' ny [[Fanahy Masina]]. Ny Katôlika anefa mihevitra fa ny Fiangonana no mitarika azy mazava. Ny fiheveran-tena hahita ny marina dia mety hitondra mankany amin' ny fianteherana amin' ny [[tenim-pinoana]] (latina: ''dogma'' "fahamarinana tsy azo lavina"), izay tapahin' ny fivorian' ny [[eveka]] ([[kônsily]]) na omen' ny [[Papa]] noho ny Papa lazaina fa "[[Tsy fetezan-dison' ny Papa|tsy mety diso]]". Noho izany dia tokony hihavao mandrakariva ny Fiangonana (latina: ''Ecclesia semper reformanda'').
=== Mpisorona ny mpino rehetra ===
Ainga fototry ny [[Fanavaozana prôtestanta|Refôrmasiona prôtestanta]] ny fiekena fa "[[Asam-pisoronan' ny mino rehetra|mpisorona ny mpino rehetra]]"<ref><small>L. Siegele-Wenschkewitz, "Priesthood of All Believers", ao amin'ny ''The encyclopedia of Christianity'', Eerdmans Publishing, 2005. <abbr>p.</abbr> 350-351.</small></ref>, izay heverin' i Lotera ho foiben-kevitra satria ny olona vita [[batisa]] dia "mpaminany sy mpisorona sady mpanjaka" eo ambany fifehezan' i Kristy. Manafoana ny fisian' ny antanantohatra (ambaratonga) ao amin' ny Fiangonana (fahambonian' ny sarangan' ny mpitondra sy fahambanianan' ny sarangan' ny entina, ohatra) izany fiheverana izany. Ny olona vita [[batisa]] tsirairay dia mitovy lanja, anisan' izany ny manao asa fanompoana masina toy ny mpitondra fiangonana. Satria nianatra teôlôjia sady eken' ny Fiangonana izy ireo, dia miasa ho an' ny mpiray finoana aminy amin' ny alalan' ny fanambaràna ny Tenin' Andriamanitra (amin' ny alalan' ny [[toriteny]] sy fanomezana ny [[sakramenta]]) sy ny fanatanterahana iraka manokana vokatr' izany. Afaka mananana anjara asa fanompoana masina ao amin' ny Fiangonana prôtestanta sasany ny vehivavy, ka mitombo miandalana izany arakaraka ny firenena sy ny vanim-potoana.
== Ny finoana sy ny fanaon' ny Prôtestanta ==
=== Ny Baiboly ===
Ny fampianarana prôtestanta dia miorina amin' ny [[Soratra Masina]], dia ny Baiboly izay fitambaran' ny [[Testamenta Taloha]] sy [[Testamenta Vaovao|Vaovao]]. Ny soratra "apôkrifa" (na [[Boky deoterôkanônika|deôterôkanônika]]) dia heverin' ny mpanavao fiangonana ho tsara ho fantatra ihany nefa tsy anorenam-pinoana ka tsy natonta intsony ao amin' ny [[Baiboly protestanta|Baiboly prôtestanta]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Misy Baiboly loterana sasany izay ahitana ny boky apôkrifa.
=== Ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty ===
Sahala amin' ireo Kristiana hafa dia mino ny [[Fitsanganan'i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty]] sy ny [[famonjena]] azo avy amin' izany ny Prôtestanta ka zava-dehibe indrindra amin' ny finoany izany<ref><small>Jereo ny <abbr>1Kor.</abbr> 15.14: "ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo".</small></ref>.
=== Ny fanompoam-pivavahana ===
Maro ireo fanao iraisany amin' ny Katôlika toy ny vavaka, ny famakiana ny [[Baiboly]] ao am-piangonana, ny fivavahana isan' Alahady, ary ny fandraisana ny [[Fanasan' ny Tompo]].
=== Ny fiarovana ny zavaboary ===
Sahala amin' ny Kristiana hafa koa dia mino ny Prôtestanta fa misy Andriamanitra [[Famoronana (finoana sy fedrà)|mpamorona]] izao rehetra izao ka mandray anjara izy ireo amin' ny fiarovana ny Zavaboarin' Andriamanitra izy samy izy na koa miaraka ao amin' ny fiombonam-piagonana samihafa ([[ekiomenisma]])<ref><small>[http://www.protestants.org/index.php?id=31945 Le programme "Justice, Paix et Sauvegarde de la Création" du Conseil Œcuménique des Églises: un déclic pour les chrétiens] {{Wayback|url=http://www.protestants.org/index.php?id=31945 |date=20180929160011 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.protestants.org%2Findex.php%3Fid%3D31945 tahiry]].</small></ref>.
=== Ny sakramenta ===
Ny [[batisa]] sy ny [[fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]] ihany no [[sakramenta]] ao amin' ny Prôtestanta, izay ilazany, araka ny fahazoany ny soratra ao amin' ny Baiboly, fa ireo roa ireo ihany no naorin' i [[Jesoa Kristy]]. Ao amin' ny Fiangonana prôtestanta sasany, indrindra ireo [[Fiangonana ara-pilazantsara|Fiangonaba ara-pilazantsara]] (Evanjelika), dia tsy atao [[batisa]] afa-tsy ny olon-dehibe nefa ny fiangonana prôtestanta hafa dia afaka manao batisa zazakely.
Ny [[konfirmasiona|kônfirmasiona]] (fanamafisana ny fanoloran-tena tao amin' ny batisa) dia mamarana ny fanabeazana ara-pinoana, izay tanterahin' ireo feno 14 na 15 taona. Tsy [[sakramenta]] ny kônfirmasiona fa dingana atao hahafahana mandray ny Fanasan' ny Tompo sy hidirana amin' ny fiainam-pinoan' ny olon-dehibe<ref><small>Pascale Marson, ''Le guide des religions et de leurs fêtes'', Paris, Presses de la Renaissance, 1999, <abbr>p.</abbr> 152-153.</small></ref>.
=== Ny fanamasinam-panambadiana ===
Ny [[fanamasinam-panambadiana]] dia fitahian' Andriamanitra ny fitiavan' olombelona ary aleon' ny Fiangonana prôtestanta maro ny [[fisaraham-panambadiana]] toy izay ny tonkantrano tsy azo iainana na dia tsy tena amporisihina aza izany. Azo atao ny manambady fanindroany ho an' izay efa nisara-panambadiana.
=== Ny fandevenana ===
Atao hampaherezana ny fianakavian' ny maty sy ny namany ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny fandevenana ka aompana amin' ny fanambaràna ny [[Vaovao Mahafaly]] sy ny fampanantenana ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan' ny tena amin' ny maty]]. Alevina amin' ny fomba tsotra amim-panjana ny maty: vakina ny andalana iray ao amin' ny [[Baiboly]] ary misy vavaka atao ho an' ny fianakaviana. Tsy misy ny fanaovana lamesa fahatsiarovana ny maty. Amin' ny ankapobeny dia azo atao ny fikirakirana ny vatan' ny maty hitadiavana ny marina amin' ny alalan' ny aotopsý.
== Fahasamihafan' ny Prôtestanta amin' ny Katôlika ==
Na dia eo aza ireo zavatra maro itovian' ny prôtestantisma amin' ny [[katôlisisma]], satria samy avy amin' ny [[Kristianisma Tandrefana|sampana tandrefan' ny kristianisma]], ary na dia misy aza ireo fampifanakekezana ny fampianarany vokatry ny fifampiresahana eo amin' ny samy Fiangonana ([[ekiomenisma]]) dia maro ny zavatra tsy itovian' ny fanompoam-pivavahana prôtestanta amin' ny fanompoam-pivavahana katôlika.
=== Ny loharanon' ny fampianarany ===
Ny Prôtestanta dia tsy manana afa-tsy ny [[Baiboly]] ho loharanon' ny fampianarany. Laviny ny "[[Lovam-pampianarana|Lovam-pampianarana masina]]" izay anisan' ny loharanon' ny [[tenim-pinoana]] (na dôgma) eken' ny Katôlika. Mino izy fa ny [[Fanahy Masina]] dia manampy azy amin' ny fahazoana ny tian' ny Baiboly hambara. Manafintohina azy ireo ny mandre tenim-pinoana vaovao avoakan' ny Fiangonana katôlika rômana ka ohatra amin' izany ny finoan' ny Katôlika ny tsy fahazoan' ny fahotana lovàna (tamin' i [[Adama]] sy i [[Eva]]) an' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] hatrany an-kibon-dreniny (1854) sy ny [[tsy fetezan-dison'ny Papa|tsy fetezan-dison' ny Papa]] (1870) ary ny [[Fampiakarana an'i Maria|fampakaram-belona an' i Maria]] any an-danitra (1950), izay heveriny fa mitovy amin' ny [[fanambaràna mitohy]] tsy dia misy fifanarahana firy amin' ny Filazantsara.
=== Ny mpitondra fiangonana ===
Tsy misahana ny andraikitra manokan' ny mpisorona ([[pretra]]) ny mpitondra fiangonana prôtestanta. Mpanolo-tsaina sy manam-pahaizana ny mpitandrina (na [[pastora]]) ka mampianatra ny mpivavaka sy manoro lalana azy. Izy ireo no mitarika ny fanompoam-pivavahana sy mampandray ny Fanasan' ny Tompo. Noho ny fandaminana ihany no tsy anaovan' ny mpivavaka tsotra an' izany, izay azony atao koa, ka isan' izany ny fitorian-teny ho an' izay nahazo fiofanana ara-teôlôjia. Satria ny mpino rehetra dia mpisorona avokoa (araka ny [[Epistily ho an' ny Hebreo]]). Ao amin' ny Fiangonana katôlika kosa, mandritra ny fanononany ny famelan-keloka ao am-piangonana, dia manome tokoa ny famelan-kelon' Andriamanitra ny pretra, fa ny pastora kosa dia mampahatsiahy fotsiny mandritra ny [[litorjia]] ny fampanantenana ny famelan-keloka azon' izay mibebaka sy mino; ny sisa rehetra dia raharaha mivantana eo amin' ny mpino tsirairay sy Andriamanitra (ny [[Anglikanisma|Anglikana]] ihany no mampiasa ny teny hoe ''pretra'' "mpisorona", nefa tsy amin' ny heviny katôlika).
Ny pastora prôtestanta dia manan-jo hanambady ary ny vehivavy dia afaka manao raharaham-pastora. Nampiditra ny [[fitovoan' ny mpisorona]] (pretra) ny Fiangonana katôlika tamin' ny taonjato faha-11 noho ny antony ara-pratika<ref><small>Joseph Coppens, ''Sacerdoce et célibat: études historiques et théologiques'', Duculot, 1971, <abbr>p.</abbr> 524</small></ref> fa ireo mpitondra fanavaozam-pinoana prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 kosa dia nanizingizina ny lanja ara-teôlôjian' ny fanambadian' ny mpitondra fiangonana.
=== Ny fitondram-piangonana ===
Ny Prôtestanta dia tsy ananan' ny [[Papa]] na ny [[Kardinaly]] fahefana. Noho ny antony ara-tantara dia misy Fiangonana prôtestanta maro dia maro izay tsy misy ifandraisany fa samy mahaleo tena. Ny Fiangonana prôtestanta entina [[eveka]], izay atao hoe indraindray mpanaramasom-piangonana (avy amin' ny dikan' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''episkopos''), ka [[rafitra episkôpaly]] no misy arak' izany (toy izany ny [[Loteranisma|Loterana]] maro sy ny [[Anglikanisma|Anglikana]] ary ny [[Metodisma|Metôdista]]), na entina filan-kevitry ny loholona mahefa, ka ny paroasy dia mitambatra amina fitambaram-piangonana fehezin' ny fivoriam-be atao hoe ''sinôda'', ka atao hoe [[rafitra presbiterô-sinôdaly]]. Ireo fiombonana ao amin' ny isam-pirenena ireo dia mamondrona fiangonana iray firehana (loterana, nohavaozina, anglikana, batista, metôdista, sns.) ao amin' ny fiombonana iraisam-pirenena izay amin' ny ankapobeny mikambana amin' ny Fiombonana Ekiomenikan' ny Fiangonana (frantsay: ''Conseil œcuménique des Églises'').
=== Ny sakramenta ===
Roa ihany ny [[sakramenta]] ao amin' ny Prôtestanta, dia ny [[batisa]] sy ny [[fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]], nefa fito ny an' ny Katôlika, dia ny [[batemy]], ny [[eokaristia]], ny [[kônfirmasiôna]], ny [[Sakramentan'ny fampihavanana|fampihavanana]], ny [[Sakramentan'ny fanambadiana|fanambadiana]], ny fanokanana pretra atao hoe [[Sakramentan' ny filaharana]], ary ny [[fanosorana ny marary]]). Misy ao amin' ny Prôtestanta ihany ireo fomba ireo nefa tsy isaina ho sakramenta (ohatra, ny kônfirmasiona sy ny famboraham-pahotana). Azon' ny Prôtestanta atao ny misara-panambadiana sady azony atao ny manambady fanindroany rehefa nisara-panambadiana.
Tsy mitovy amin' ny an' ny Katôlika ny fiheveran' ny Prôtestanta ny fanasan' ny Tompo na eokaristia. Tsy mino ny fiovan' ny mofo ho tenan' i Jesoa, na ny divay ho ran' i Jesoa (latina: ''transsubstantiatio''; grika: ''μετουσίωσις / metousiosis'') ny Prôtestanta. Inoan' ny ankamaroan' ny Prôtestanta ny maha ao amin' ny fanasan' ny Tompo an' i Jesoa fa ara-panahy ka tsy tandindona (grika: σύμβολον / ''sumbolon'') izany. Niezaka nanakambana zavatra mifanohitra i [[Martin Lotera|Lotera]] ka aminy dia fiombonan' ny mofo amin' ny tenan' i Jesoa sy ny diavay amin' ny ran' i Jesoa (latina: ''consubstantiatio'') no tena izy, izay noraisiny avy amin' ny hevitr' i [[William of Ockham|William any Ockam]] (frantsay: ''Guillaume d'Occam'') sy i John Duns Scot<ref><small>''Une seule eucharistie'', de Frère Max, de Taizé, édité par Les Presses de Taizé, 1973.</small></ref>. Ny fiangonan' i Taizé dia mampiasa ny teny hoe "fahatsiarovana ny sorona" izay noheveriny fa mety hiraisan' ny Prôtestanta.
=== Ny amin' ny olona maty ===
Tsy misy amin' ny Prôtestanta ny [[afo fandiovana]] sy ny fanandratana ho olomasina ny olona iray efa maty. Amin' ny Prôtestanta dia tsy misy olona ho masina mihoatra noho ny mpiara-mivavaka aminy.<ref><small>"Sainteté et martyre selon la tradition protestante" par Gottfried Hammann, dans ''Saints, sainteté et martyre: la fabrique de l'exemplarité: actes du colloque tenu à l'université de Neuchatel les 27 et 28 novembre 1997'', éditions de la Maison des sciences de l'Homme, Paris.</small></ref> Amin' ny Katôlika ny afo fandiovana dia toeram-pijalian' ny olombelona aorian' ny fahafatesany mba hanonerany ny [[Fahotana|fahotany]] sy hidiovany amin' izany ka hahafahany miditra any am-[[paradisa]].
=== Ny fanonganana tsy ho anisan' ny fiangonana ===
Misy ihany ny fanapotrahana na fanonganana (fanesorana ny mpivavaka iray tsy handray ny sakramenta) izay ampiharin' ny eveka (na pastora) na ny filankevitry ny loholona, nefa tsy dia misy manao firy intsony izany (afa-tsy ao amin' ireo [[Fiangonana ara-pilazantsara]] sasany izay mampiasa izany mba hanamafy ny firaisan' ny mpiara-mivavaka ka mandroaka eo no ho eo ilay naongana tsy ho isan' izy ireo).
=== Ny amin' i Maria ===
Ny Prôtestanta dia manaiky fa [[Fiteraham-birijiny|natera-birijiny]] i Jesoa ka apetrany ho vavolombelona azo itokisana sahala amin' ireo mpianatr' i Kristy i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Tsy mino anefa izy ireo fa tsy nandova ota avy any am-bohoka i Maria, satria filazàna tsy mifototra amin' ny [[Baiboly]] izany.
=== Tsy mila mpanelanelana ===
Ny Prôtestanta dia tsy mila [[Fanelanelanana (finoana)|mpanelanelana]] (na i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] na ny olomasina na ny [[anjely]]) rehefa mivavaka. Ny mpino tsirairay dia tompon' andraikitra eo anatrehan' Andriamanitra ka ny resaka ifanaovany amin' Andriamanitra dia tsy tokony handalo amina mpanelanelana. Tsy ilaina noho izany ny [[Konfesy|mikonfesy]] (manambara ny fahotan' ny tena amin' ny mpitondra fivavahana).
== Ny sampan' ny prôtestantisma ==
Vao nanomboka fotsiny ny Refôrmasiona dia efa tsy nitovy hevitra ny samy mpanavao fiangonana fa samy nanana ny fampianarany sy nanorina ny fiangonany, ary izany fizarazarana izany dia mitohy hatramin' izao andro ankehitriny izao.
=== Ny sampana lehiben' ny prôtestantisma ===
Ireto ny sampana lehiben' ny prôtestantisma:
* ny [[loteranisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[Fiangonana nohavaozina|nohavaozina]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[anabatisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[anglikanisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[batisma]] (taonjato faha-17 hatramin' izao)
*ny [[metodisma|metôdisma]] (taonjato faha-18 hatramin' izao)
*ny [[adventisma]] (taonjato faha-19 hatramin' izao)
* ny [[pentekôtisma]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
==== Ny loteranisma ====
Ny [[loteranisma]] dia fiangonana manaraka ny [[teôlôjia]] nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Tamin' ny taona 1597 dia namaritra ny hoe ''loterana'' ny teôlôjiana tao [[Wittenberg]] hanodroana ny fiangonana marina<ref name=":1"><small>Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William, ''The Encyclopedia of Christianity, Volume 3''. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.</small></ref>.
Amin' ny Loterana dia tsy voavonjy amin' ny alalan' ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin' ny fitiavam-bavaka ny olombelona; tsy mandray anjara amin' ny fanavotana azy ny asa tsara ataon' ny olona na ny foto-pampianaram-pinoana, fa ny finoana ny fahafatesan' i [[Jesoa Kristy]] mitondra fanavotana teo amin' ny hazo fijaliana; ny [[Baiboly]] , izay mirakitra ny tenin' Andriamanitra sy hany mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana, no fahefana fara tampony sady tokana tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana; ny famonjena ny [[Fanahin'olombelona|fanahin' ny olombelona]] dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana na ny sisan-javatra navelan' ny maty na ny mpitondra fivavahana na ny olomasina na ny [[anjely]], fa amin' ny alalan' i Kristy mivantana.
==== Ny fiangonana nohavaozina ====
Ny [[Fiangonana nohavaozina]] dia fiangonana nandray ny fampianaram-pinoan' ireo mpanavao fiangonana toa an' i [[Ulrich Zwingli]] sy i [[Jean Calvin]]. Ampahany amin' ny fampianaran' i [[Martin Luther|Lotera]] ihany no noraisiny.
Tsipahiny ny [[tenim-pinoana]] momba ny fiovan' ny mofo ho tenan' i Jesoa sy ny divay ho ran' i Jesoa ([[fiovam-pisia-maha-izy]]) izay ampianarin' ny [[Katolisisma|Fiangonana katôlika rômana]], sy ny amin' ny fikambanan' ny mofo amin' ny tenan' i Jesoa sy ny divay amin' ny ran' i Jesoa na [[konsobstansiasiona]] izay ampianarin' ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]]. Amin' ny Fiangonana nohavaozina dia fahatsiarovana miendrika tandindona ny [[Fanasan'ny Tompo|sakramentan' ny Fanasan' ny Tompo]].
Manantitra ny maha tsitoha (mahery indrindra) an' Andriamanitra ny fampianaran' ny Fiangonana nohavaozina, nefa tsy mifanohitra amin’ ny fahalalahan' ny Kristiana sy ny maha tompon' andraikitra azy izany. Ny toetra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] ananan' Andriamanitra anefa mametra ny fahefana rehetra mety hananan' ny olombelona, na amin' ny lafiny fivavahana izany na amin' ny lafiny pôlitika.
==== Ny anabatisma ====
Ny [[anabatisma]] dia manandratra avo ny [[batisa]] an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Mihevi-tena ho nipoitra avy hatrany amin' ny Fiangonana voalohany fa tsy nikambana tamin' ny [[Katôlisisma|Fingonana katôlika]] ny Anabatista. Ankehitriny ny Anabatista dia mitambatra ao amin' ny vondrom-pivavahana mandala ny tsy fampiasana herisetra, ary koa ny tsy fanoherana amin' ny anaran' ny fitiavan' Andriamanitra sy noho ny [[Fanjakan'Andriamanitra|Fanjakan' Andriamanitra]] tsy eto amin' izao tontolo izao.
==== Ny anglikanisma ====
Ny [[anglikanisma]] dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao [[Angletera]] vokatry ny fialany avy amin' ny [[Eglizy katôlika rômanina|Fiangonana katôlika]] tamin' ny taona 1534. Any amin'ireo firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha, nefa koa miely any amin'ny tany andehanan'ny Britanika manerana an'izao tontolo izao io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny [[katôlisisma]] sy ny prôtestantisma ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika (nefa tsy rômana noho izy nanohy ny [[fifandimbiasana apôstôlika]]) no nohavaozina (noho ny nandraisany ny [[Fanekem-pinoan'i Westminster|Fanekem-pinoan' i Westminster]] tamin’ ny taona 1646). Izany no atao amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''via media'' ("lalana anelanelany").
==== Ny batisma ====
Ny [[batisma]] dia firehana ao amin' ny [[Evanjelisma|fiangoanana ara-pilazantsara]] izay notarihina pastora roa tamin' ny taonjato faha-17, dia ilay anglisy atao hoe John Smyth tao Hôlandy tamin' ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao Angletera tamin' ny taona 1612. Omeny lanja ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]] sy ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny olon-dehibe]]. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana. Ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana".
==== Ny metôdisma ====
Ny [[metôdisma]] dia fiangonana niforona vokatry ny fivakisana avy amin' ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], izay ivondronan' ny Fiangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin' ny toritenin' i John Wesley tamin' ny taonjato faha-18. Ny fahamatorana nananan' ireo mpikambana tao amin' ny ''Holy Club'' ("Fikambanan' ny Olomasina") tamin' ny fanatanterahany ny adidiny amin' ny maha Kristiana azy no nanomezan' ireo namany azy ny anaram-bosotra hoe ''Methodists'' ("mpanaraka fomba fiasa maty paika"). Ara-tantara dia ny metôdisma no nampiely indrindra ny [[Fifohazam-panahy lehibe]].
==== Ny adventisma ====
Ny [[adventisma]] dia hetsika ara-pinoana kristiana [[Milenarisma|milenarista]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny [[Fifohazam-panahy lehibe faharoa]] tao [[Etazonia]] izay mampianatra momba ny [[Fiaviana fanindroany|Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany]] izay hiseho tsy ho ela amin' ny [[andro farany]]. Ny adventisma ka ny tena be mpanaraka indrindra dia ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]].
Ny finoana sy ny fandaminana ao amin' ny adventisma dia sahalahala amin' ny an' ny [[Batisma|Batista]] ihany. Nefa misy zavatra vitsivitsy natovony ary nisy hafa koa izay nanteriny bebe kokoa, indrindra ny momba ny fiafaran' izao tontolo izao ([[eskatôlôjia]]). Inoan'ny Adventista ny fiverenan' i Kristy eny amin' ny rahon' ny lanitra alohan' ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] (''millenium''). Tamin' ny tapany farany amin' ny taona 1846, ny Sabatan' ny andro fahafito (ankalazaina isaky ny Asabotsy) sy ny asa fanompoana indroa miantoana nataon' i Kristy ao amin' ny fitoerana masina ao an-danitra dia eken' izy ireo. Fampianarana lehibe koa ny fivoasana ara-paminaniana ny hafatr' ireo [[anjely]] telo ao amin' ny [[Apokalipsin'i Joany|Apôkalipsy]] (Apo. 14) sy ny fifandraisany amin' ny asa fanompoan' i Kristy ao amin' ny Masina Indrindra ao an-danitra ho fanombohan' ny fitsarana izay tsy maintsy hialoha ny fiverenan' i Jesoa sy ny fiafaran' izao tontolo izao.
==== Ny pentekôtisma ====
Ny [[pentekôtisma]] dia firehana [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]] vokatry ny [[Fifohazam-panahy]] notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906.
Manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny olon-dehibe]] ny pentekôtisma. Ny ankamaroan' ny Pentekôtista dia miombon-kevitra amin' ny fampianaram-pinoana momba ny [[Tsy fisian-diso ao amin'ny Baiboly|tsy fisian-diso ao amin' ny Baiboly]]. Ny Pentekôtista koa dia manantitra ny amin’ ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana avy amin' ny Fanahy Masina]] izay heveriny ho fisehoan' Andriamanitra ara-panahy amin' ny fomba mitohy eo amin' ny tantaran' ny olombelona sy amin' ny tantaram-piainany<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 19</small></ref>.
Tsy mitovy hevitra ny samy Pentekôtista ny amin' Andriamanitra ka ny ankamaroany, izay atao hoe "trinitariana" na "ôrtôdôksa", dia mino ny [[Trinite]]; fa ny ankavitsiany izay atao hoe "[[Oneness Pentecostalism]]" dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra<ref><small>Talmadge French, ''Our God is One'', Voice and Vision Publishers, 1999, <nowiki>ISBN 978-1-888251-20-3</nowiki>.</small></ref> <ref><small>David S. Norris, PhD,"I Am: A Oneness Pentecostal Perspective.", Word Aflame Publishers, 2009, <nowiki>ISBN 978-1-56722-730-7</nowiki>.</small></ref> amin' ny fandavany ny Trinite.
=== Ny sampana madiniky ny prôtestantisma ===
* ny [[Valdisma|valdeisma]] na valdisma (taonjato faha-12 hatramin' izao)
*ny [[hositisma]] (taonjato faha-15 hatramin' izao)
*ny [[koakerisma]] (taonjato faha-17 hatramin' izao)
* ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|Fiangonan' ny mpirahalahy]] na Mpirahalahy ao Plymouth (taonjato faha-19 hatramin' izao)
* ny [[Hetsiky ny Fanamasinana|Hetsiky ny fanamasinana]] (taonjato faha-19 hatramin' izao)
==== Ny valdisma ====
Ny [[valdisma]] dia fiangonana nipoitra avy tamin' ny toriteny nataon' i Pierre Valdo. Io no fiangonana prôtestanta italiana voalohany izay hita indrindra ao [[Italia]] sy any [[Amerika Atsimo]].
==== Ny hositisma ====
Ny [[hositisma]] dia hetsika ara-pivavahana teraka avy amin' ny fampianaran' i [[Jan Hus]]. Nisy akony eo amin' ny [[Fiangonana môraviana]] sy ny [[Fiangonana hosita tsekôslôvaka]] izany firehana izany. Amin' ny Hosita dia tokony hiverenana ny Fiangonana apôstôlika sy ara-panahy ary mahantra, ary ny fanavaozam-piangonana dia tokony handalo amin' ny fahefan' ny olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana.
==== Ny koakerisma ====
Ny [[koakerisma]] na Fikambanan' ny Sakaiza dia fikambanana ara-pinoana niorina tao [[Angletera]] tamin' ny taonjato faha-17 vokatry ny fialan' ireo heverina ho mpivily lalana avy amin' ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]]. I George Fox (1624-1691) no heverin' ny mpahay tantara ho nanangana ilay fikambanana na ny tena nanan-danja indrindra tamin' ireo mpitarika azy.
Ny Fikambanan' ny Sakaiza tsy manana [[fiekem-pinoana]] ary tsy misy ambaratongam-pitondrana eo amin' ny fandaminana ny fiangonany. Amin' izy ireo dia raharahan' ny tsirairay ny finoana ka malalaka amin' ny fanarahana ny zavatra mandresy lahatra azy ny isam-batan' olona. Amin' izy ireo dia tsy ilaina ny [[sakramenta]], na ny [[batisa]] na ny [[Fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]]. Ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy]] dia zavatra iainana sy fiovana anaty, ary ny firaisana amin' i [[Kristy]] dia miseho ao amin' ny fihaonan' ny mpivavaka. Amin' ny Koakera dia misy ny atao hoe "[[Fanambaràna mitohy]]": tsy vita indray mandeha ny fanambaràn' Andriamanitra fa mitohy ka mampitombo hatranihatrany ny fahalalantsika ny marina.
==== Ny Fiangonan' ny mpirahalahy ====
Ny [[Fiangonan'ny Mpirahalahy|Fiangonan' ny Mpirahalahy]] (na ''Plymouth Brethren'' amin' ny teny anglisy) dia fikambanana [[Evanjelisma|kristiana evanjelika]] teraka tao Dublin any [[Britaina Lehibe]] manodidina ny taona 1830. Nivaky ilay fikambanana ka tamin' ny taona 1848 no fivakisana lehibe indrindra izay niteraka ny ''Open Brethren'' (nanaraka an' i George Müller sy i Henry Craik ) sy ny ''Exclusive Brethren'' (fikambanana nanaraka an' i [[John Nelson Darby]]).
==== Ny Hetsiky ny Fanamasinana ====
Ny [[Hetsiky ny Fanamasinana]] dia firehan' ny [[kristianisma evanjelika]] avy amin' ny [[metôdisma]]. Tamin' ny taona 1894 no nisarahan' io fihetsiketsehana io tamin' ny metôdisma. Manome lanja ny foto-papianarana ny amin' ny "fahatongalafatra kristiana" ny mpikambana ao amin' io fihetsiketsehana io. Izany foto-pampianarana izany dia nivoatra avy amin' ny fampianaran' i [[John Wesley]], izay milaza fa azo atao ny miaina malalaka nefa tsy mahatanteraka [[fahotana]] an-tsitrapo, ary azo tanterahirahina eo no ho eo amin' ny alalan' ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] izany. Niteraka ny fandrosoan'ny [[Pentekôtisma|pentekôtista]] sy ny fanavaozana karismatika io fihetsiketsehana io teo amin'ny tantara.
== Ny firehana nivoatra avy amin' ny prôtestantisma ==
=== Ny hetsika iraisam-pinoana ===
* ny [[evanjelisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
* ny [[Hetsika karismatika evanjelika|hetsika karismatika]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[Fiangonana karismatika vaovao]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
=== Ny firehana hafa ===
* ny [[arminianisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[poritanisma]] (taonjato faha-16 sy faha-17)
* ny [[pietisma]] (taonjato faha-17 hatramin' izao)
* ny [[Teôlôjia liberaly|liberalisma]] (taonjato faha-19 hatramin' izao)
* ny [[neô-ôrtôdôksia]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[paleô-ôrtôdôksia]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[fondamentalisma kristiana]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[Môdernisma (kristianisma)|môdernisma]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
== Jereo koa ==
*[[Kristianisma]]
*[[Kristianisma eto Madagasikara|Fiangonana eto Madagasikara]]
*[[Fahasoavana (finoana)]]
*[[Fahasoavana (kristianisma)]]
*[[Prôtestantisma eto Madagasikara]]
*[[Baiboly prôtestanta]]
== Loharano sy tsiahy ary fanamarihana ==
[[Sokajy:Kristianisma]]
kg5nmff1c619zlls1n21ckop78hvrbh
1092642
1092628
2024-12-08T12:54:44Z
Thelezifor
15140
/* Ny metôdisma */ Nanitsy tsipelina

Ny [[anglikanisma]] dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao [[Angletera]] vokatry ny fialany avy amin' ny [[Eglizy katôlika rômanina|Fiangonana katôlika]] tamin' ny taona 1534. Any amin' ny firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha, nefa koa miely any amin' ny tany andehanan'ny Britanika manerana an' izao tontolo izao io fiangonana io. Eo anelanelan’ ny [[katôlisisma]] sy ny prôtestantisma ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika (nefa tsy rômana noho izy nanohy ny [[fifandimbiasana apôstôlika]]) no nohavaozina (noho ny nandraisany ny [[Fanekem-pinoan'i Westminster|Fanekem-pinoan' i Westminster]] tamin’ ny taona 1646). Izany no atao amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''via media'' ("lalana anelanelany").
==== Ny batisma ====
Ny [[batisma]] dia firehana ao amin' ny [[Evanjelisma|fiangoanana ara-pilazantsara]] izay notarihina pastora roa tamin' ny taonjato faha-17, dia ilay anglisy atao hoe John Smyth tao Hôlandy tamin' ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao Angletera tamin' ny taona 1612. Omeny lanja ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]] sy ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny olon-dehibe]]. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana. Ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana".
==== Ny metôdisma ====
Ny [[metôdisma]] dia fiangonana niforona vokatry ny fivakisana avy amin' ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], izay ivondronan' ny Fiangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin' ny toritenin' i John Wesley tamin' ny taonjato faha-18. Ny fahamatorana nananan' ny mpikambana tao amin' ny ''Holy Club'' ("Fikambanan' ny Olomasina") tamin' ny fanatanterahany ny adidiny amin' ny maha Kristiana azy no nanomezan' ny namany azy ny anaram-bosotra hoe ''Methodists'' ("mpanaraka fomba fiasa maty paika"). Ara-tantara dia ny metôdisma no nampiely indrindra ny [[Fifohazam-panahy lehibe]].

ossouw6xnb378g11ee5tp6o3qgrdgw6
1092653
1092642
2024-12-08T13:27:09Z

Ny Prôtestanta dia manaiky fa [[Fiteraham-birijiny|natera-birijiny]] i Jesoa ka apetrany ho vavolombelona azo itokisana sahala amin' ny mpianatr' i Kristy i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Tsy mino anefa izy ireo fa tsy nandova ota avy any am-bohoka i Maria, satria filazàna tsy mifototra amin' ny [[Baiboly]] izany.

Ny finoana sy ny fandaminana ao amin' ny adventisma dia sahalahala amin' ny an' ny [[Batisma|Batista]] ihany. Nefa misy zavatra vitsivitsy natovony ary nisy hafa koa izay nanteriny bebe kokoa, indrindra ny momba ny fiafaran' izao tontolo izao ([[eskatôlôjia]]). Inoan' ny Adventista ny fiverenan' i Kristy eny amin' ny rahon' ny lanitra alohan' ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] (''millenium''). Tamin' ny tapany farany amin' ny taona 1846, ny Sabatan' ny andro fahafito (ankalazaina isaky ny Asabotsy) sy ny asa fanompoana indroa miantoana nataon' i Kristy ao amin' ny fitoerana masina ao an-danitra dia eken' izy ireo. Fampianarana lehibe koa ny fivoasana ara-paminaniana ny hafatr' ireo [[anjely]] telo ao amin' ny [[Apokalipsin'i Joany|Apôkalipsy]] (Apo. 14) sy ny fifandraisany amin' ny asa fanompoan' i Kristy ao amin' ny Masina Indrindra ao an-danitra ho fanombohan' ny fitsarana izay tsy maintsy hialoha ny fiverenan' i Jesoa sy ny fiafaran' izao tontolo izao.
==== Ny pentekôtisma ====
Ny [[pentekôtisma]] dia firehana [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]] vokatry ny [[Fifohazam-panahy]] notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906.
Manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny olon-dehibe]] ny pentekôtisma. Ny ankamaroan' ny Pentekôtista dia miombon-kevitra amin' ny fampianaram-pinoana momba ny [[Tsy fisian-diso ao amin'ny Baiboly|tsy fisian-diso ao amin' ny Baiboly]]. Ny Pentekôtista koa dia manantitra ny amin’ ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana avy amin' ny Fanahy Masina]] izay heveriny ho fisehoan' Andriamanitra ara-panahy amin' ny fomba mitohy eo amin' ny tantaran' ny olombelona sy amin' ny tantaram-piainany<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 19</small></ref>.
Tsy mitovy hevitra ny samy Pentekôtista ny amin' Andriamanitra ka ny ankamaroany, izay atao hoe "trinitariana" na "ôrtôdôksa", dia mino ny [[Trinite]]; fa ny ankavitsiany izay atao hoe "[[Oneness Pentecostalism]]" dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra<ref><small>Talmadge French, ''Our God is One'', Voice and Vision Publishers, 1999, <nowiki>ISBN 978-1-888251-20-3</nowiki>.</small></ref> <ref><small>David S. Norris, PhD,"I Am: A Oneness Pentecostal Perspective.", Word Aflame Publishers, 2009, <nowiki>ISBN 978-1-56722-730-7</nowiki>.</small></ref> amin' ny fandavany ny Trinite.
=== Ny sampana madiniky ny prôtestantisma ===
* ny [[Valdisma|valdeisma]] na valdisma (taonjato faha-12 hatramin' izao)
*ny [[hositisma]] (taonjato faha-15 hatramin' izao)
*ny [[koakerisma]] (taonjato faha-17 hatramin' izao)
* ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|Fiangonan' ny mpirahalahy]] na Mpirahalahy ao Plymouth (taonjato faha-19 hatramin' izao)
* ny [[Hetsiky ny Fanamasinana|Hetsiky ny fanamasinana]] (taonjato faha-19 hatramin' izao)
==== Ny valdisma ====
Ny [[valdisma]] dia fiangonana nipoitra avy tamin' ny toriteny nataon' i Pierre Valdo. Io no fiangonana prôtestanta italiana voalohany izay hita indrindra ao [[Italia]] sy any [[Amerika Atsimo]].
==== Ny hositisma ====
Ny [[hositisma]] dia hetsika ara-pivavahana teraka avy amin' ny fampianaran' i [[Jan Hus]]. Nisy akony eo amin' ny [[Fiangonana môraviana]] sy ny [[Fiangonana hosita tsekôslôvaka]] izany firehana izany. Amin' ny Hosita dia tokony hiverenana ny Fiangonana apôstôlika sy ara-panahy ary mahantra, ary ny fanavaozam-piangonana dia tokony handalo amin' ny fahefan' ny olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana.
==== Ny koakerisma ====
Ny [[koakerisma]] na Fikambanan' ny Sakaiza dia fikambanana ara-pinoana niorina tao [[Angletera]] tamin' ny taonjato faha-17 vokatry ny fialan' ireo heverina ho mpivily lalana avy amin' ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]]. I George Fox (1624-1691) no heverin' ny mpahay tantara ho nanangana ilay fikambanana na ny tena nanan-danja indrindra tamin' ireo mpitarika azy.
Ny Fikambanan' ny Sakaiza tsy manana [[fiekem-pinoana]] ary tsy misy ambaratongam-pitondrana eo amin' ny fandaminana ny fiangonany. Amin' izy ireo dia raharahan' ny tsirairay ny finoana ka malalaka amin' ny fanarahana ny zavatra mandresy lahatra azy ny isam-batan' olona. Amin' izy ireo dia tsy ilaina ny [[sakramenta]], na ny [[batisa]] na ny [[Fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]]. Ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy]] dia zavatra iainana sy fiovana anaty, ary ny firaisana amin' i [[Kristy]] dia miseho ao amin' ny fihaonan' ny mpivavaka. Amin' ny Koakera dia misy ny atao hoe "[[Fanambaràna mitohy]]": tsy vita indray mandeha ny fanambaràn' Andriamanitra fa mitohy ka mampitombo hatranihatrany ny fahalalantsika ny marina.
==== Ny Fiangonan' ny mpirahalahy ====
Ny [[Fiangonan'ny Mpirahalahy|Fiangonan' ny Mpirahalahy]] (na ''Plymouth Brethren'' amin' ny teny anglisy) dia fikambanana [[Evanjelisma|kristiana evanjelika]] teraka tao Dublin any [[Britaina Lehibe]] manodidina ny taona 1830. Nivaky ilay fikambanana ka tamin' ny taona 1848 no fivakisana lehibe indrindra izay niteraka ny ''Open Brethren'' (nanaraka an' i George Müller sy i Henry Craik ) sy ny ''Exclusive Brethren'' (fikambanana nanaraka an' i [[John Nelson Darby]]).
==== Ny Hetsiky ny Fanamasinana ====
Ny [[Hetsiky ny Fanamasinana]] dia firehan' ny [[kristianisma evanjelika]] avy amin' ny [[metôdisma]]. Tamin' ny taona 1894 no nisarahan' io hetsika io tamin' ny metôdisma. Manome lanja ny foto-papianarana ny amin' ny "fahatongalafatra kristiana" ny mpikambana ao amin' io fihetsiketsehana io. Izany foto-pampianarana izany dia nivoatra avy amin' ny fampianaran' i [[John Wesley]], izay milaza fa azo atao ny miaina malalaka nefa tsy mahatanteraka [[fahotana]] an-tsitrapo, ary azo tanterahirahina eo no ho eo amin' ny alalan' ny [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] izany. Niteraka ny fandrosoan'ny [[Pentekôtisma|pentekôtista]] sy ny fanavaozana karismatika io fihetsiketsehana io teo amin'ny tantara.
== Ny firehana nivoatra avy amin' ny prôtestantisma ==
=== Ny hetsika iraisam-pinoana ===
* ny [[evanjelisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
* ny [[Hetsika karismatika evanjelika|hetsika karismatika]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[Fiangonana karismatika vaovao]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
=== Ny firehana hafa ===
* ny [[arminianisma]] (taonjato faha-16 hatramin' izao)
*ny [[poritanisma]] (taonjato faha-16 sy faha-17)
* ny [[pietisma]] (taonjato faha-17 hatramin' izao)
* ny [[Teôlôjia liberaly|liberalisma]] (taonjato faha-19 hatramin' izao)
* ny [[neô-ôrtôdôksia]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[paleô-ôrtôdôksia]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[fondamentalisma kristiana]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
* ny [[Môdernisma (kristianisma)|môdernisma]] (taonjato faha-20 hatramin' izao)
== Jereo koa ==
*[[Kristianisma]]
*[[Kristianisma eto Madagasikara|Fiangonana eto Madagasikara]]
*[[Fahasoavana (finoana)]]
*[[Fahasoavana (kristianisma)]]
*[[Prôtestantisma eto Madagasikara]]
*[[Baiboly prôtestanta]]
== Loharano sy tsiahy ary fanamarihana ==
[[Sokajy:Kristianisma]]
flskxe2qwdgsrhgxo5qtr2ytucfw8xx
Batisma
0
244642
1092644
1092620
2024-12-08T13:02:45Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092644
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Baptism at Northolt Park Baptist Church (cropped).jpg|vignette|335x335px|Batisan' ny mino natao tao Northolt Park Baptist Church, tany Greater London, Baptist Union of Great Britain, 2015. ]]
Ny '''batisma''' dia firehana iray ao amin' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] anisan' ny sampana [[Fiangonana ara-pilazantsara|ara-pilazantsara]] izay notarihina pastora roa tamin' ny taonjato faha-17, dia ilay Anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao [[Angletera]] tamin' ny taona 1612. Sampan' ny [[prôtestantisma]] ny batisma.
Manome anjara toerana lehibe ny [[Baiboly]] ny Fingonana batista. Omeny lanja koa ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]], ny [[batisan' ny olon-dehibe]], ny famitana iraka amin' ny fitoriana ny Filazantsara, ny fanoloran-tena ara-pitondrantena amin' ny fiainana. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana, misaraka ny fahefan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana, ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana". Izany no atao hoe "[[kôngregasiônalisma]]". [[Sary:Auto de Páscoa - IgrejaDaCidade (crop).jpg |vignette|322x322px]]
== Tantarany ==
Ny batisma dia natomboky ny pastora anglisy John Smyth, izay [[pretra]] [[Anglikanisma|anglikana]] taloha nefa naniry ny hiverina amin' ny finoana araka ny [[Baiboly]]<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 298</small></ref> <ref><small>Conseil Œcuménique des Églises, [https://www.oikoumene.org/fr/familles-d-eglises/baptist-churches Églises baptistes] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.oikoumene.org%2Ffr%2Ffamilles-d-eglises%2Fbaptist-churches tahiry]], Tranonkala ofisialy, Soisa, notsidihina 21/08/2016</small></ref>. I Smyth dia natokana ho pretra anglikana tamin' ny taona 1594 tao [[Angletera]]. Fotoana fohy taty aorian' izany dia naniry ny hiverenan' ny finoan' ny Fiangonana tany am-piandohan' ny kristianisma izy.
Noho ny faharesen-dahany, izay itoviany amin' ny [[Poritanisma|Poritana]] sy [[Kôngregasiônalisma|Kôngregasiônalista]], dia nisaraka tamin' ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] izy ka nifindra tany [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1607 niaraka tamina mpino sasany nitovy fiheverana ny [[Baiboly]] taminy<ref><small>Jean Séguy, ''Encyclopædia Universalis'', [http://www.universalis.fr/encyclopedie/baptisme/ BAPTISME] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fbaptisme%2F tahiry]], notsidihina 21/08/2016.</small></ref>. Tamin' ny taona 1609, taona heverina fa niorenan' ilay hetsika batista,dia mpino 36 no natao [[batisa]]<ref><small>Winthrop S. Hudson, ''Encyclopédie Britannica'', [https://www.britannica.com/topic/Baptist Baptist] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.britannica.com%2Ftopic%2FBaptist tahiry]], notsidihina 21/08/2016</small></ref>.
I Thomas Helwys dia nanorina ny fiangonana batista voalohany tany Angletera tao Spitalfields, ao atsinanan' i Lôndôna tamin' ny taona 1612<ref><small>Bernard ROUSSEL, ''Encyclopædia Universalis'', "[http://www.universalis.fr/encyclopedie/thomas-helwys/ HELWYS THOMAS]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fthomas-helwys%2F tahiry]], notsidihina 21/08/2016</small></ref>. Tamin' io taona io no nanontana ny boky nosoratany atao hoe ''A Short Declaration of the Mistery of Iniquity'' ("Fanambaràna fohy ny amin' ny Zavamiafin' ny Fitanilana") izay nentiny nitsikera ny Brownisma sy ny [[Poritanisma]] ary ny fitondran' ny [[Papa]]<ref><small>Stephen R. Holmes, ''Baptist Theology'', Éditions A&C Black, Englandt, 2012, pp. 112-120</small></ref>. Io boky io dia iray amin' ny lahateny maro fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana tao Angletera sy tao Kambria ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''Wales''; frantsay: ''Pays'' ''de'' ''Galles''). Nandefasan' i Helwys amin' ilay boky ny mpanjaka James I ([[Fiteny frantsay|frantsay]]: ''Jacques I d'Angleterre''; [[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''James I'') izay nampahatsiahiviny fa olona mety maty koa, "vovoka sy lavenona" sahala amin' ny olona rehetra, ka tsy manana fahefana amin' ny samy fanahy tsy mety maty an' ireo mpanompony. Tezitra noho izany ny mpanjaka ka nampiditra azy an-tranomaizina, ka tao i Helwys no maty tamin' ny taona 1616<ref><small>''Encyclopédie Britannica'', [http://www.britannica.com/biography/Thomas-Helwys THOMAS HELWYS] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fthomas-helwys%2F tahiry]], notsidihina 21/08/2016</small></ref>.
== Ny fielezan' ny finoana batista ==
Mizara ho antokom-pinoana 27 ireo Fiangonana batista ireo. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 000 000 ny mpino batista<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao [[Etazonia]] ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny Fiangonana prôtestanta hafa rehetra (miisa 30 000 000 izy ireo tao tamin' ny fiantombohan' ny taona 1980). Ahitana fiagonana batista maro ihany koa i [[Birmania]], i [[Britaina Lehibe]], i [[Brezila]], i [[India]], i [[Kanada]], i [[Nizeria]], ny [[Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]], ary i [[Romania]].
== Jereo koa ==
* [[Prôtestantisma]]
* [[Kristianisma]]
*[[Evanjelisma]]: [[batisma]] - [[pentekôtisma]] - [[kristianisma karismatika]] - [[hetsika karismatika vaovao]] -
*[[Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara]]
== Loharano ==
hgr9vxy8tpmtjl0d9x55anuuuyk4d8v
Evanjelisma
0
244646
1092621
1091399
2024-12-08T12:01:53Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092621
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Lakewood worship.jpg|vignette|352x352px]]
Ny '''evanjelisma''' na '''evanjelikalisma''' na '''fiangonana''' '''ara'''-'''pilazantsara''' dia hetsika kristiana milaza fa ny [[Filazantsara]] (na [[Filazantsara|Evanjely]]) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Niforona nanomboka tamin' ny [[Fanavaozana prôtestanta|Fanavaozam-piangonana prôtestanta]] (taonjato faha-16) io hetsika io ka nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny [[metôdisma]] britanika sy ny [[pietisma]] loterana. Ahita azy ny antokom-pinoana maro amin' ny prôtestantisma<ref><small>''[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity report] {{Wayback|url=http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf |date=20130805020311 }}'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]].</small></ref>. Isan' ny matanjaka ao amin' ireo fiangonana evanjelika ireo ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[hetsika karismatika evanjelika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro. Fiangonana evanjelika na Fiangonana ara-pilazantsara no iantsoana ireo fiangonana ireo<ref>''<small>[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity: A Report on the Size and Distribution of the World's Christian Population] {{Wayback|url=http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf |date=20130805020311 }}</small>'' <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]], Pew Forum, 19 décembre 2011, p. 17.</small></ref>. Ny evanjelisma dia atao hoe koa '''kristianisma evanjelika''' na '''prôtestantisma evanjelika''' na '''evanjelikalisma'''. Ny teny hoe ''evanjelika'' dia azo soloana amin' ny hoe ''ara-pilazantsara'' amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]].
== Ny mampiavaka azy ==
Itovian' ny Kristiana evanjelika rehetra ny fanomezany lanja ny fiovam-po isam-batan' olona izay vokatry ny safidy manokan' ny tsirairay, avy eo ny fiainana mivantana ny "fihaonana amin' i Kristy". Izany dia midika fa misy fiovam-piainana sy fihaonan' ny tsirairay amin' Andriamanitra izay mifanohy amin' ny famakiana ny [[Baiboly]] sy ny fiombonana vokatry ny vavaka isam-batan' olona na itambaran' ny besinimaro. Mampiavaka azy koa amin' ny [[prôtestantisma]] sy ny [[katôlisisma]] ary ny [[Ôrtôdôksa|ôrtôdôksia]] ny [[batisan'ny mino|batisan' ny mino]] (batisan' olon-dehibe). Ny evanjelisma ankehitriny dia ahitana mpivavaka 285 000 000 maneran-tany (tsy voaisa ao ny [[Pentekôtisma|pentekôtista]] izay miisa any amin' ny 279 000 000), ka mahefeno ny 13 %n' ny Kristiana eran-tany izany.
== Fifandraisana amin' ny samy Kristiana ==
Na dia vokatry ny [[Fanavaozam-piangonana|Refôrmasiona prôtestanta]] aza ireo Fiangonana ara-pilazantsara ireo dia matetika lavin' ny Prôtestanta sasany. Izany no nahazo ny [[pentekôtisma]] nanomboka tamin' ny taona 1906 sy ny [[batisma]] nanomboka tamin' ny taona 1609. Amin' ireo mpanohitra azy dia fiangonana mitandrina firehana teôlôjika tranainy loatra izy ireo.
Ny tena [[Fôndamentalisma kristiana|fôndamentalista]], izany hoe mpanao fivoasana ara-bakiteny ny [[Baiboly]], dia ireo ao amin' ny ''International Council of Christian Churchs'' ("Fiombonan' ny fiangonana kristiana iraisam-pirenena") izay niorina tamin' ny taona 1948 ary ahitana ireo fiangonana tsy mivelatra loatra amin' ny hafa sady milaza ny tenany ho tsy miditra amin' ny raharaha misy resaka pôlitika. Io fiombonana io anefa dia nanohitra mafy ny [[kômonisma]] tamin' ny fotoana nifanoheran' ny vondron-tany [[Kapitalisma|kapitalista]] sy kômonista. Mandà tanteraka ny fifanatonanan' ny fiangonana tsy mitovy firehana aminy izy ireo.
Maro ny Fiangonana ara-pilazantsara izay tsy nanapaka ny fifandraisany amin' ny ''Conseil Œcuménique des Eglises'' ("Fiombonana Ekiomenikan' ny Fiangonana"), na dia tsikerainy ho goragora loatra ny fiangonana mikambana ao amin' io fiombonana io sady ataony hoe manorina ny fiombonany amin' ny resaka fitondram-piangonana fotsiny. Mihevitra izy ireo fa ny asa iaraha-manao dia tokony hifandanja amin' ny fifanarahan' ny fampianaram-pinoana niaraha-nanatontosa. Afaka miditra amina raharaha ara-pôlitika mahakasika ny ara-tsôsialy izy ireo raha toa ka tsy hampifangaroharo zavatra izany.
Anisan' ny manam-pifandraisana ara-[[teôlôjia]] amin' ny evanjelisma koa ireo [[Fiangonan' ny fifohazam-panahy]], ny [[jodaisma mesianika]], ny [[adventisma]] ary ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|fiangonan' ny mpirahalahy]].
== Famaritana ny atao hoe "evanjelisma" ==
Ny famaritana mahazatra dia ny an' i David Bebbington, mpahay tantara britanika, izay mamintina ny toetran' ny finoana evanjelika amin' ny teboka efatra.
# Ny [[biblisisma]]: ny [[Baiboly]] no filamatry ny finoana ara-pilazantsara;
# Ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]: miaiky ny asam-panavotan' i Kristy amin' ny alalan' ny fieken-keloka na [[fibebahana]] sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin' i [[Jesoa]] mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan' ny [[famonjena]] izay mifandray amin' ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]. Ny [[Fanekem-pinoana|fiekem-pinoana]] sy ny [[batisan' ny mino]] [[Batisa alentika anaty rano|alentika anaty rano]] no manambara izany fanapahan-kevitra izany;
# Fanoloran-tena: ny fanoloran-tena, ao amin' ny fiangonana ara-pilazantsara, dia midika ho fandraisana anjara amin' ny asa an-tsitrapo ao amin' ny Fiangonana sy fizarana ny [[Filazantsara]] amin' ny olona rehetra<ref><small>Ny [[Filazantsara]] no vaovao mahafaly tokony ho zarain' ny Kristiana ara-pilazantsara amin' ny fianakaviany, amin' ny namany, amin' ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin' ny mpiara-miasa aminy ary amin' ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin' ny fiainanany andavanandro izany na amin' ny maha mpamita iraka (misiônera) azy.</small></ref>.
# Ny fanomboana an' i Kristy: amin' ny [[Fanomboana an' i Jesoa|fanomboana an' i Jesoa Kristy]] tamin' ny [[hazo fijaliana]] sy ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany tamin' ny maty]], izay lohahevitra miseho matetika ao amin' ny [[toriteny]] sady heverin' ny Kristiana evanjelikaa ho kihon-dalana teo amin' ny tantaran' ny Zanak' olombelona.
Ireo zavatra efatra natolotr' i Bebbington ireo dia iadian-kevitra eo amin' ny mpahay tantara sy ny mpahay fiarahamonina. Ireo toetra ireo, izay mifototra amin' ny olona tsirairay, dia zara raha ahafahana maneho ny fahasamihafana ara-teôlôjia na ara-pandaminana, misy eo amin' ny endri-pianfonana prôtestanta voafaoka amin' ny anarana hoe "evanjelika" na "ara-pilazantsara", indrindraindrindra ny [[Menônisma|Menônita]] sy ny [[Batisma|Batista]] ary ny [[Pentekôtisma|Pentekôtista]], nefa indraindray ampiasaina hanondroana ny sasany amin' ny firehana ao amin' ny [[Fiangonana nohavaozina|Prôtestanta nohavaozina]] na ao amin' ny [[Anglikanisma|Anglikana]]. Misy vondrom-piangonana hafa izay azo ampifanakekezina ara-teôlôjia na ara-tsôsiôlôjia amin' io firehana io (ohatra amin' izany izay miseho ao amin' ny [[Fiangonana katôlika]]) nefa tsy azo lazaina hoe "ara-pilazantsara", amin' ny hevitra hentitr' ilay teny izany.
Araka ny fomba fijery ara-piarahamonina sy ara-tantara miaraka dia tsapa fa azo faritana amina mason-tsivana roa ny evanjelisma, dia:
* ny fanadratana ambony ny [[fifohazam-panahy]] ([[revivalisma]]), izay mahafaoka ny fiheverana ho zava-dehibe ny fibebahan' ny tena manokana amin' ny maha an' ny tena manokana ny [[famonjena]];
* ny fanarahana ny lala-marina (ôrtôdôksia araka ny heviny prôtestanta): ny fahefan' ny [[Baiboly]] sy ny maha vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandr]]<nowiki/>[[Tsindrimandry (fivavahana)|i]]<nowiki/>n' Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin' ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.
Ny ankamaroan' ny fiangonana evanjelika dia manaraka ny foto-kevitry ny "Fiangonana malalaka", izany hoe ny [[fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana]].
== Ny firehana misy ao amin' ny evanjelisma ==
Ireto avy ny sampana lehiben' ny evanjelima<ref><small>Brian Stiller, ''Evangelicals Around the World: A Global Handbook for the 21st Century'', Thomas Nelson, USA, 2015, p. 28, 90</small></ref>: ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] ary ny kristianisma tsy manavaka fiangonana.
=== Ny batisma ===
Ny [[batisma]] dia finoana kristiana evanjelika nipoitra tamin' ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ilay pastora anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 298</small></ref>. Io hetsika io dia miavaka noho ny fanomezany lanja ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny olon-dehibe, ny toe-tsaina tia mamita iraka, ny fizakan-tena isan-toeran' ny fiangonana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana ([[kôngregasiônalisma]]). Niisa 100 000 000 ny mpino batista tamin' ny taona 2010<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>.
=== Ny pentekôtisma ===
Ny [[pentekôtisma]] dia finoana kristiana vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906. Indraindray izy dia tsy heverina ho isan' ny fiangonana evanjelika. Io hetsika io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahateraham-baovao, ny [[batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny batisan' ny olon-dehibe ([[batisan'ny mino|batisan' ny mino]]), ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin' ny fiainana, ny fahaleovan-tenan' ny fiangonana isan-toerana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism: Revised and expanded edition'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 533</small></ref>. Niisa any amin' ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekôtista tamin' ny taona 2011 araka ny tarehimarika omen' ny [[Pew Research Center]]<ref name=":0"><small>[http://www.pewforum.org/2011/12/19/global-christianity-traditions/#protestant Pew Research Center, Global Christianity – A Report on the Size and Distribution of the World’s Christian Population] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2011%2F12%2F19%2Fglobal-christianity-traditions%2F%23protestant tahiry]], 19 December 2011, USA</small></ref>.
=== Ny hetsika karismatika ara-pilazantsara ===
Tamin' ireo taona 1960, taorian' ny fiantombohan' ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]] dia nisy fiangonana ara-pilazantsara nanapa-kevitra ny hanaraka ny zotran' ity fihetsiketsehana ity sy nihataka tamin' ny fifanarahana pentekôtista<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 149</small></ref>. Manakaiky ny pentekôtisma ny [[hetsika karismatika evanjelika]] nefa tsy mihevitra ny [[fiteny tsy fantatra]] ho porofon' ny [[batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]]. Omeny lanja indray ireo [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana]] isankarazany<ref name=":1"><small>William H. Swatos, Jr.,[http://hirr.hartsem.edu/ency/cmovement.htm Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fhirr.hartsem.edu%2Fency%2Fcmovement.htm tahiry]], ''Encyclopedia of Religion and Society'', USA</small></ref> <ref><small>[http://www.biblestudying.net/charismatic2.html Basic Introduction to the Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.biblestudying.net%2Fcharismatic2.html tahiry]], Biblestudying.net, USA</small></ref> <ref><small>Sébastien Fath, ''Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005'', Édition Labor et Fides, France, 2005, pp. 219-220</small></ref>. Tamin' ny taona 2011 dia niisa 305 000 000 ny mpanaraka io fihetsiketsehana io izay ahitana koa ireo ao amin' ny [[hetsika karismatika vaovao]]<ref name=":0" />.
=== Ny hetsika karismatika vaovao ===
Tany [[Etazonia]] no niforonan' ny [[hetsika karismatika vaovao]] tamin' ny fiantombohan' ireo taona 1980. Ivon' ny finoany ny [[batisan' ny Fanahy Masina]] araka ny fanambaràn' i [[Jesoa Kristy]] sy ireo fanomezam-pahasoavana sivy avy amin' ny Fanahy Masina<ref name=":1" />. Mampiasa ny fitaovan-tserasera vaovao ireo fiangonana karismatika vaovao<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref>. Noraisiny ny teôlôjian' ny hetsika karismatika evanjelika nefa nohamafisiny sy notovanany amin' ny atao hoe "ady ara-panahy" sy "tenim-pinoana" ary "fanavaozana ara-drafitra"<ref><small>Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, ''La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle'', Édition Labor et Fides, France, 2011, p. 142-143</small></ref>.
=== Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana ===
Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana dia hetsika teôlôjika kristiana avanjelika izay ahitana fiangonana na fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin' ny fihetsiketsehan' ny [[batisma]] na ny an' ny [[pentekôtisma]]<ref><small>Gabriel Monet, ''L'Église émergente: être et faire Église en postchrétienté'', LIT Verlag Münster, Suisse, 2013, pp. 135-136</small></ref> <ref><small>Frédéric Dejean, [http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ ''Sur la Troisième vague évangélique''…] {{Wayback|url=http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ |date=20181006035215 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fgeographie-religions.com%2F2008%2F10%2F03%2Fsur-la-troisieme-vague-evangelique%2F tahiry]], Géographie des religions, France, 3 octobre 2008</small></ref>. Tsy manana anarana raikitra iantsoana azy izy ireo <ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref> <ref><small>http://yannickfer.hautetfort.com/archive/2007/12/25/des-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html</small> <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fyannickfer.hautetfort.com%2Farchive%2F2007%2F12%2F25%2Fdes-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html tahiry]]</small></ref> na dia manana ny fahaleovan-tenany aza. Ao amin' ireo atao hoe "''megachurch''" ("trano fiangonana goavambe") no ahitana azy ireo indrindra<ref><small>Sébastien Fath, ''Dieu XXL, la révolution des mégachurches'', Édition Autrement, France, 2008, pp. 25, 42</small></ref> <ref><small>http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches {{Wayback|url=http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches |date=20160311153207 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Freforme.net%2Fune%2Fmonde%2Frevolution-culturelle-mega-churches tahiry]]</small></ref>.
Ny Calvary Chapel ("Lasapelin' i Kalvary") dia fikambanana nivoaka avy amin' ny Fihetsiketsehana karismatika sady manana fiangonana miisa 1 700 tamin' ny taona 2014<ref><small>Timothy C. Morgan, christianitytoday.com, [http://www.christianitytoday.com/ct/2014/february-web-only/change-calvary-chapel-chuck-smith.html The Case for Big Change at Calvary Chapel] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.christianitytoday.com%2Fct%2F2014%2Ffebruary-web-only%2Fchange-calvary-chapel-chuck-smith.html tahiry]], USA, 26/02/2014</small></ref>. Ny Association of Vineyard Churches ("Fikambanan' ny fiangonan' ny tanim-boaloboka") dia fikambanam-piangonana evanjelika niala avy ao amin' ny Calvary Chapel sady manana fiangonana mihoatra ny 1 500 eran-tany. Ny Association chrétienne pour la Francophonie dia fikambanam-piangonana mpanao asa soa miisa 26 (taona 2015) any [[Kanada]] sy [[Frantsa]] ary [[Haitỳ|Haitý]]. Ahitana ny atao hoe Fiangonana evanjelika afaka (frantsay: ''Églises évangéliques libres'') miisa 50 sady misy mpikambana 4 000 koa izay nivoaka avy amin' ny [[Fiangonana nohavaozina]] ny ao Frantsa ka mitovitovy fomba amin' ny [[Batisma|batista]] izy ireo nefa tsy manao ny [[batisa]] asitrika anaty rano ho fepetra ahafaha-mandray ny [[fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]] na maha mpikambana. Ahitana io karazana fiangonana afaka io koa ny any [[Soisa]] sy [[Etazonia]].
== Jereo koa ==
* [[Prôtestantisma]]
* [[Kristianisma]]
* [[Evanjelisma eto Madagasikara]]
== Loharano ==
d5kvq6j803usq2yj0rnoxls585rpvcx
1092639
1092621
2024-12-08T12:47:34Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092639
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Lakewood worship.jpg|vignette|352x352px]]
Ny '''evanjelisma''' na '''evanjelikalisma''' na '''fiangonana''' '''ara'''-'''pilazantsara''' dia hetsika kristiana milaza fa ny [[Filazantsara]] (na [[Filazantsara|Evanjely]]) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Niforona nanomboka tamin' ny [[Fanavaozana prôtestanta|Fanavaozam-piangonana prôtestanta]] (taonjato faha-16) io hetsika io ka nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny [[metôdisma]] britanika sy ny [[pietisma]] loterana. Ahita azy ny antokom-pinoana maro amin' ny prôtestantisma<ref><small>''[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity report] {{Wayback|url=http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf |date=20130805020311 }}'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]].</small></ref>. Isan' ny matanjaka ao amin' ireo fiangonana evanjelika ireo ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[hetsika karismatika evanjelika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] (na pentekôtisma vaovao) ary ny kristianisma avanjelika tsy miankina maro. Fiangonana evanjelika na Fiangonana ara-pilazantsara no iantsoana ireo fiangonana ireo<ref>''<small>[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity: A Report on the Size and Distribution of the World's Christian Population] {{Wayback|url=http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf |date=20130805020311 }}</small>'' <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]], Pew Forum, 19 décembre 2011, p. 17.</small></ref>. Ny evanjelisma dia atao hoe koa '''kristianisma evanjelika''' na '''prôtestantisma evanjelika''' na '''evanjelikalisma'''. Ny teny hoe ''evanjelika'' dia azo soloana amin' ny hoe ''ara-pilazantsara'' amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]].
== Ny mampiavaka azy ==
Itovian' ny Kristiana evanjelika rehetra ny fanomezany lanja ny fiovam-po isam-batan' olona izay vokatry ny safidy manokan' ny tsirairay, avy eo ny fiainana mivantana ny "fihaonana amin' i Kristy". Izany dia midika fa misy fiovam-piainana sy fihaonan' ny tsirairay amin' Andriamanitra izay mifanohy amin' ny famakiana ny [[Baiboly]] sy ny fiombonana vokatry ny vavaka isam-batan' olona na itambaran' ny besinimaro. Mampiavaka azy koa amin' ny [[prôtestantisma]] sy ny [[katôlisisma]] ary ny [[Ôrtôdôksa|ôrtôdôksia]] ny [[batisan'ny mino|batisan' ny mino]] (batisan' olon-dehibe). Ny evanjelisma ankehitriny dia ahitana mpivavaka 285 000 000 maneran-tany (tsy voaisa ao ny [[Pentekôtisma|pentekôtista]] izay miisa any amin' ny 279 000 000), ka mahefeno ny 13 %n' ny Kristiana eran-tany izany.
== Fifandraisana amin' ny samy Kristiana ==
Na dia vokatry ny [[Fanavaozam-piangonana|Refôrmasiona prôtestanta]] aza ireo Fiangonana ara-pilazantsara ireo dia matetika lavin' ny Prôtestanta sasany. Izany no nahazo ny [[pentekôtisma]] nanomboka tamin' ny taona 1906 sy ny [[batisma]] nanomboka tamin' ny taona 1609. Amin' ireo mpanohitra azy dia fiangonana mitandrina firehana teôlôjika tranainy loatra izy ireo.
Ny tena [[Fôndamentalisma kristiana|fôndamentalista]], izany hoe mpanao fivoasana ara-bakiteny ny [[Baiboly]], dia ireo ao amin' ny ''International Council of Christian Churchs'' ("Fiombonan' ny fiangonana kristiana iraisam-pirenena") izay niorina tamin' ny taona 1948 ary ahitana fiangonana tsy mivelatra loatra amin' ny hafa sady milaza ny tenany ho tsy miditra amin' ny raharaha misy resaka [[pôlitika]]. Io fiombonana io anefa dia nanohitra mafy ny [[kômonisma]] tamin' ny fotoana nifanoheran' ny vondron-tany [[Kapitalisma|kapitalista]] sy kômonista. Mandà tanteraka ny fifanatonanan' ny fiangonana tsy mitovy firehana aminy izy ireo.
Maro ny Fiangonana ara-pilazantsara izay tsy nanapaka ny fifandraisany amin' ny ''Conseil Œcuménique des Eglises'' ("Fiombonana Ekiomenikan' ny Fiangonana"), na dia tsikerainy ho goragora loatra ny fiangonana mikambana ao amin' io fiombonana io sady ataony hoe manorina ny fiombonany amin' ny resaka fitondram-piangonana fotsiny. Mihevitra izy ireo fa ny asa iaraha-manao dia tokony hifandanja amin' ny fifanarahan' ny fampianaram-pinoana niaraha-nanatontosa. Afaka miditra amina raharaha ara-pôlitika mahakasika ny ara-tsôsialy izy ireo raha toa ka tsy hampifangaroharo zavatra izany.
Anisan' ny manam-pifandraisana ara-[[teôlôjia]] amin' ny evanjelisma koa ireo [[Fiangonan' ny fifohazam-panahy]], ny [[jodaisma mesianika]], ny [[adventisma]] ary ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|fiangonan' ny mpirahalahy]].
== Famaritana ny atao hoe "evanjelisma" ==
Ny famaritana mahazatra dia ny an' i David Bebbington, mpahay tantara britanika, izay mamintina ny toetran' ny finoana evanjelika amin' ny teboka efatra.
# Ny [[biblisisma]]: ny [[Baiboly]] no filamatry ny finoana ara-pilazantsara;
# Ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]: miaiky ny asam-panavotan' i Kristy amin' ny alalan' ny fieken-keloka na [[fibebahana]] sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin' i [[Jesoa]] mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan' ny [[famonjena]] izay mifandray amin' ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]. Ny [[Fanekem-pinoana|fiekem-pinoana]] sy ny [[batisan' ny mino]] [[Batisa alentika anaty rano|alentika anaty rano]] no manambara izany fanapahan-kevitra izany;
# Fanoloran-tena: ny fanoloran-tena, ao amin' ny fiangonana ara-pilazantsara, dia midika ho fandraisana anjara amin' ny asa an-tsitrapo ao amin' ny Fiangonana sy fizarana ny [[Filazantsara]] amin' ny olona rehetra<ref><small>Ny [[Filazantsara]] no vaovao mahafaly tokony ho zarain' ny Kristiana ara-pilazantsara amin' ny fianakaviany, amin' ny namany, amin' ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin' ny mpiara-miasa aminy ary amin' ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin' ny fiainanany andavanandro izany na amin' ny maha mpamita iraka (misiônera) azy.</small></ref>.
# Ny fanomboana an' i Kristy: amin' ny [[Fanomboana an' i Jesoa|fanomboana an' i Jesoa Kristy]] tamin' ny [[hazo fijaliana]] sy ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany tamin' ny maty]], izay lohahevitra miseho matetika ao amin' ny [[toriteny]] sady heverin' ny Kristiana evanjelikaa ho kihon-dalana teo amin' ny tantaran' ny Zanak' olombelona.
Ireo zavatra efatra natolotr' i Bebbington ireo dia iadian-kevitra eo amin' ny mpahay tantara sy ny mpahay fiarahamonina. Ireo toetra ireo, izay mifototra amin' ny olona tsirairay, dia zara raha ahafahana maneho ny fahasamihafana ara-teôlôjia na ara-pandaminana, misy eo amin' ny endri-pianfonana prôtestanta voafaoka amin' ny anarana hoe "evanjelika" na "ara-pilazantsara", indrindraindrindra ny [[Menônisma|Menônita]] sy ny [[Batisma|Batista]] ary ny [[Pentekôtisma|Pentekôtista]], nefa indraindray ampiasaina hanondroana ny sasany amin' ny firehana ao amin' ny [[Fiangonana nohavaozina|Prôtestanta nohavaozina]] na ao amin' ny [[Anglikanisma|Anglikana]]. Misy vondrom-piangonana hafa izay azo ampifanakekezina ara-teôlôjia na ara-tsôsiôlôjia amin' io firehana io (ohatra amin' izany izay miseho ao amin' ny [[Fiangonana katôlika]]) nefa tsy azo lazaina hoe "ara-pilazantsara", amin' ny hevitra hentitr' ilay teny izany.
Araka ny fomba fijery ara-piarahamonina sy ara-tantara miaraka dia tsapa fa azo faritana amina mason-tsivana roa ny evanjelisma, dia:
* ny fanadratana ambony ny [[fifohazam-panahy]] ([[revivalisma]]), izay mahafaoka ny fiheverana ho zava-dehibe ny fibebahan' ny tena manokana amin' ny maha an' ny tena manokana ny [[famonjena]];
* ny fanarahana ny lala-marina (ôrtôdôksia araka ny heviny prôtestanta): ny fahefan' ny [[Baiboly]] sy ny maha vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandr]]<nowiki/>[[Tsindrimandry (fivavahana)|i]]<nowiki/>n' Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin' ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.
Ny ankamaroan' ny fiangonana evanjelika dia manaraka ny foto-kevitry ny "Fiangonana malalaka", izany hoe ny [[fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana]].
== Ny firehana misy ao amin' ny evanjelisma ==
Ireto avy ny sampana lehiben' ny evanjelima<ref><small>Brian Stiller, ''Evangelicals Around the World: A Global Handbook for the 21st Century'', Thomas Nelson, USA, 2015, p. 28, 90</small></ref>: ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]], ny [[hetsika karismatika vaovao]] ary ny kristianisma tsy manavaka fiangonana.
=== Ny batisma ===
Ny [[batisma]] dia finoana kristiana evanjelika nipoitra tamin' ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ilay pastora anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 298</small></ref>. Io hetsika io dia miavaka noho ny fanomezany lanja ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny olon-dehibe, ny toe-tsaina tia mamita iraka, ny fizakan-tena isan-toeran' ny fiangonana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana ([[kôngregasiônalisma]]). Niisa 100 000 000 ny mpino batista tamin' ny taona 2010<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>.
=== Ny pentekôtisma ===
Ny [[pentekôtisma]] dia finoana kristiana vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906. Indraindray izy dia tsy heverina ho isan' ny fiangonana evanjelika. Io hetsika io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahateraham-baovao, ny [[batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny batisan' ny olon-dehibe ([[batisan'ny mino|batisan' ny mino]]), ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin' ny fiainana, ny fahaleovan-tenan' ny fiangonana isan-toerana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism: Revised and expanded edition'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 533</small></ref>. Niisa any amin' ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekôtista tamin' ny taona 2011 araka ny tarehimarika omen' ny [[Pew Research Center]]<ref name=":0"><small>[http://www.pewforum.org/2011/12/19/global-christianity-traditions/#protestant Pew Research Center, Global Christianity – A Report on the Size and Distribution of the World’s Christian Population] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2011%2F12%2F19%2Fglobal-christianity-traditions%2F%23protestant tahiry]], 19 December 2011, USA</small></ref>.
=== Ny hetsika karismatika ara-pilazantsara ===
Tamin' ny taompolo 1960, taorian' ny fiantombohan' ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]] dia nisy fiangonana ara-pilazantsara nanapa-kevitra ny hanaraka ny zotran' ity hetsika ity sy nihataka tamin' ny fifanarahana pentekôtista<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 149</small></ref>. Manakaiky ny pentekôtisma ny [[hetsika karismatika evanjelika]] nefa tsy mihevitra ny [[fiteny tsy fantatra]] ho porofon' ny [[batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]]. Omeny lanja indray ireo [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana]] isankarazany<ref name=":1"><small>William H. Swatos, Jr.,[http://hirr.hartsem.edu/ency/cmovement.htm Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fhirr.hartsem.edu%2Fency%2Fcmovement.htm tahiry]], ''Encyclopedia of Religion and Society'', USA</small></ref> <ref><small>[http://www.biblestudying.net/charismatic2.html Basic Introduction to the Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.biblestudying.net%2Fcharismatic2.html tahiry]], Biblestudying.net, USA</small></ref> <ref><small>Sébastien Fath, ''Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005'', Édition Labor et Fides, France, 2005, pp. 219-220</small></ref>. Tamin' ny taona 2011 dia niisa 305 000 000 ny mpanaraka io hetsika io izay ahitana koa ireo ao amin' ny [[hetsika karismatika vaovao]]<ref name=":0" />.
=== Ny hetsika karismatika vaovao ===
Tany [[Etazonia]] no niforonan' ny [[hetsika karismatika vaovao]] tamin' ny fiantombohan' ireo taona 1980. Ivon' ny finoany ny [[batisan' ny Fanahy Masina]] araka ny fanambaràn' i [[Jesoa Kristy]] sy ireo fanomezam-pahasoavana sivy avy amin' ny Fanahy Masina<ref name=":1" />. Mampiasa ny fitaovan-tserasera vaovao ireo fiangonana karismatika vaovao<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref>. Noraisiny ny teôlôjian' ny hetsika karismatika evanjelika nefa nohamafisiny sy notovanany amin' ny atao hoe "ady ara-panahy" sy "tenim-pinoana" ary "fanavaozana ara-drafitra"<ref><small>Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, ''La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle'', Édition Labor et Fides, France, 2011, p. 142-143</small></ref>.
=== Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana ===
Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana dia hetsika teôlôjika kristiana avanjelika izay ahitana fiangonana na fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin' ny hetsiky ny [[batisma]] na ny an' ny [[pentekôtisma]]<ref><small>Gabriel Monet, ''L'Église émergente: être et faire Église en postchrétienté'', LIT Verlag Münster, Suisse, 2013, pp. 135-136</small></ref> <ref><small>Frédéric Dejean, [http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ ''Sur la Troisième vague évangélique''…] {{Wayback|url=http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ |date=20181006035215 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fgeographie-religions.com%2F2008%2F10%2F03%2Fsur-la-troisieme-vague-evangelique%2F tahiry]], Géographie des religions, France, 3 octobre 2008</small></ref>. Tsy manana anarana raikitra iantsoana azy izy ireo <ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref> <ref><small>http://yannickfer.hautetfort.com/archive/2007/12/25/des-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html</small> <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fyannickfer.hautetfort.com%2Farchive%2F2007%2F12%2F25%2Fdes-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html tahiry]]</small></ref> na dia manana ny fahaleovan-tenany aza. Ao amin' ireo atao hoe "''megachurch''" ("trano fiangonana goavambe") no ahitana azy ireo indrindra<ref><small>Sébastien Fath, ''Dieu XXL, la révolution des mégachurches'', Édition Autrement, France, 2008, pp. 25, 42</small></ref> <ref><small>http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches {{Wayback|url=http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches |date=20160311153207 }} [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Freforme.net%2Fune%2Fmonde%2Frevolution-culturelle-mega-churches tahiry]]</small></ref>.
Ny Calvary Chapel ("Lasapelin' i Kalvary") dia fikambanana nivoaka avy amin' ny Hetsika karismatika sady manana fiangonana miisa 1 700 tamin' ny taona 2014<ref><small>Timothy C. Morgan, christianitytoday.com, [http://www.christianitytoday.com/ct/2014/february-web-only/change-calvary-chapel-chuck-smith.html The Case for Big Change at Calvary Chapel] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.christianitytoday.com%2Fct%2F2014%2Ffebruary-web-only%2Fchange-calvary-chapel-chuck-smith.html tahiry]], USA, 26/02/2014</small></ref>. Ny Association of Vineyard Churches ("Fikambanan' ny fiangonan' ny tanim-boaloboka") dia fikambanam-piangonana evanjelika niala avy ao amin' ny Calvary Chapel sady manana fiangonana mihoatra ny 1 500 eran-tany. Ny Association chrétienne pour la Francophonie dia fikambanam-piangonana mpanao asa soa miisa 26 (taona 2015) any [[Kanada]] sy [[Frantsa]] ary [[Haitỳ|Haitý]]. Ahitana ny atao hoe Fiangonana evanjelika afaka (frantsay: ''Églises évangéliques libres'') miisa 50 sady misy mpikambana 4 000 koa izay nivoaka avy amin' ny [[Fiangonana nohavaozina]] ny ao Frantsa ka mitovitovy fomba amin' ny [[Batisma|batista]] izy ireo nefa tsy manao ny [[batisa]] asitrika anaty rano ho fepetra ahafaha-mandray ny [[fanasan'ny Tompo|fanasan' ny Tompo]] na maha mpikambana. Ahitana io karazana fiangonana afaka io koa ny any [[Soisa]] sy [[Etazonia]].
== Jereo koa ==
* [[Prôtestantisma]]
* [[Kristianisma]]
* [[Evanjelisma eto Madagasikara]]
== Loharano ==
0d25tnpegt08535jwm2baaklesqvepa
Fanjakan' Andriamanitra
0
253624
1092658
1078089
2024-12-08T13:48:14Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092658
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Fanjakan' Andriamanitra''' na '''Fanjakan' ny Lanitra''' dia hita ao amin' ny [[fivavahana abrahamika]], indrindra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]], izay mahakasika ny [[andro farany]]. Ao amin' ny fivavahana kristiana, araka ny hita ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], dia ivon' ny toritenin' i [[Jesoa]] ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra sy ny fanambaràna ny hiaviany.
== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma ==
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny Testamenta Taloha ===
Ny andian-teny izay adika hoe "Fanjakan' ny Tompo" na "Fanjakan' i Iahveh" na "Fanjakan' i Jehovah" dia miseho indroa ao amin' ny [[Baiboly hebreo]], dia ao amin' ny ''[[Boky voalohan' ny Tantara]]'' (1Tant. 28.5)<ref><small>"''Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely''." (1Tant. 28.5, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ao amin' ny ''[[Boky faharoan' ny Tantara]]'' <blockquote>"Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan' i Jehovah, izay eo an-tànan' ny taranak' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]]; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon' i [[Jerôbôama I|Jerôbôama]] ho andriamanitrareo." 2Tant. 13.8)<ref><small>"''Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo''." (2Tant. 13.8, ''Ny Baiboly'')</small></ref>. </blockquote>Fanampin' izany, indraindray dia ampiasaina ny hoe "ity fanjakana ity" na "ny fanjakanao" rehefa miresaka an' Andriamanitra<ref><small>France, R. T. (2005). [https://books.google.com/books?id=I8UWJohMGUIC&pg=PA420 "Kingdom of God"]. In Vanhoozer, Kevin J.; Bartholomew, Craig G.; Treier, Daniel J.; Wright, Nicholas Thomas (eds.). ''Dictionary for Theological Interpretation of the Bible''. Grand Rapids: Baker Book House. pp. 420–422. <nowiki>ISBN 978-0-8010-2694-2</nowiki>.</small></ref>. Ohatra, ao amin' ny ''Tantara voalohany'' ihany (1Tant. 29.10-12)<ref><small>"10 ''Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra''. 11 ''Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.'' 12 ''Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa''" (1Tant. 29.10-12, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ao amin' ny [[Bokin' i Daniela|''Bokin' i Daniela'']] (Dan. 3.33)<ref><small>"''Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby''." (Dan. 3.33, Ny Baiboly)</small></ref><ref><small>James Mays'', Psalms: Interpretation,'' 2011, <nowiki>ISBN 0664234399</nowiki>, pp. 438–439</small></ref>.
Voalohany indrindra manondro voalohany indrindra ny fanapahana ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''malkuth'' [...], ary faharoa manondro ny faritra tapahina [...]. Rehefa ampiasaina hanondroana an' Andriamaitra ny teny hoe ''malkuth'' dia matetika ilazana ny fahefany na ny fanapahany amin' ny maha mpanjaka any an-danitra an' Andriamanitra<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 46–47.</small></ref>. Manome lahatsoratra ahitana izany fomba fijery izany ny [[Bokin' ny Salamo|Salamo]]<nowiki/>m-panosorana mpanjaka (Salamo 45, 93, 96, ary 97-99), izay miaraka amin' ny teny mafy hoe "Ny Tompo no Mpanjaka" (na "Iahveh no mpanjaka" na "Jehovah no mpanjaka")<ref><small>Leland Ryken, James C. Wilhoit and Tremper Longman III'', Dictionary of Biblical Imagery,'' Nov 11 1998, <nowiki>ISBN 0830814515</nowiki>, pp. 478–479.</small></ref>.
Samy miresaka ny amin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra ny ''[[Boky voalohan' ny Mpanjaka]]'' ("''Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin' i Jehovah: Nahita an' i Jehovah nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin' ny ankavanany sy teo amin' ny ankaviany.''" (1Mpaj. 22.19)<ref><small>"''Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.''" (1Mpaj. 22.19, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ny [[Bokin' i Isaia|''Bokin' i Isaia'']] (Isa. 6) ary ny ''[[Bokin' i Daniela]]'' (Dan. 7.9)<ref><small>"''Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra''." (Dan. 7.9, ''Ny Baiboly'')</small></ref>, na dia misy [[Filôzôfia|filôzôfa]] jiosy sasany toa an' i Saadia Gaon sy [[Mosesy Maimônida|Maimônida]] izay milaza fa mananana hevitra am-panoharana ny teny hoe "seza fiandrianana"<ref><small>[[:en:Kingship_and_kingdom_of_God#CITEREFBowker2005|Bowker 2005]], pp. ''Throne of God''</small></ref>.
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma taloha ===
Ao amin' ny [[jodaisma]] taloha, ny famolavolana ny lohahevitry ny Fanjakan' Andriamanitra dia efa hita ao amin' ny ''[[Bokin' ny Salamo]]'' izay isehoan' ny hevitra momba ny fanjakana maharitra sy mandrakizain' ny Andriamanitr' i Israely. Mifandray amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] izay "Lapan' Andriamanitra" sy endrika ety an-tanin' ny [[fitoerana masina]] any an-danitra izany fanjakan' Andriamanitra izany, sady toerana onenan' Andriamanitra Mpanjaka sy misy ny fanompoam-pivavahana atao ety an-tany.
Tamin' ny [[fahababoana tany Babilôna]] dia nitombo izany fiheverana voalohany izany tamin' ny soratry ny mpaminany [[Isaia (mpaminany)|Isaia]], ka niseho koa ny firesahana ny hakàn' Andriamanitra ny fahefana<ref name=":0"><small>Daniel Marguerat, ''L'aube du christianisme'', éd. Labor et Fides/Bayard, 2008, p. 48.</small></ref> ary ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia lasa nanana heviny izay midika fiaviana antomotry ny maha masi-mandidy sy manerana izao rehetra izao an' Andriamanitra eo amin' i Israely sy ny firenena rehetra<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 62.</small></ref>.
Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia sady manondro ny maha mpanjaka an' Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra<ref name=":0" />. Indraindray ny Fanjakan' Andriamanitra dia heverina ho zavatra [[ato amin' izao tontolo izao]], fa indraindray koa dia heverina ho zavatra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] (ambony dia ambony ka tsy takatr' eritreritra), sady miovaova ny fiheverana izany ka mety hidika fiovana ara-panahy na ara-pôlitika. Amin' ny fiheverana fa ny Fanjakan' Andriamanitra dia hiseho eto amin' izao tontolo izao, ny maha mpanjaka an' Andriamanitra dia matetika aseho ho mihatra mivantana, ka zavatra mbola ''haorina'' izany, na tsy mivantana ka zavatra ''haverina amin' ny laoniny'' indray izany<ref><small>Christian Grappe, ''Le Royaume de Dieu : avant, avec et après Jésus'', éd. Labor et Fides/Le Monde de la Bible, 2001, p. 50.</small></ref>. Amin' ity fiheverana faharoa ity, izay somary voalanjalanja kokoa raha mitaha amin' ny voalohany, dia filazana hevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka izany ka midika fanantenana ny fahatongavan' ny mpanjaka, "[[Zanak' Andriamanitra]]".
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny soratra apôkrifa jiosy ===
Ny andian-teny hoe "ny Fanjakan' Andriamanitra" dia tsy mahazatra tao amin' ny literatioran' ny vanimpotoana teo anelanelan' ny nanoratana ny Testamenta roa. Amin' ny andalana izay ahitana azy, tahaka ny ao amin' ny [[Salamon' i Salômôna|Salamon' i Sôlômôna]] sy ny [[Bokin' ny Fahendrena|Fahendren' i Sôlômôna]], dia matetika izy nanondro ny fanapahan' Andriamanitra, fa tsy ny toerana anjakany, ary tsy ny andro vavao na ny lamina [[Mesia|mesianika]] izay haorin' ilay Voahosotry ny Tompo<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 130.</small></ref>.
Io andian-teny io dia indraindray manondro "zava-kitranga eskatôlôjika" (miseho amin' ny andro farany), toy izay hita ao amin' ny [[Fiakaran' i Mosesy|''Fiakaran' i Mosesy'']] sy ny [[Faminaniana sibilina|''Faminaniana Sibilîna'']]. Amin' ireo tranga ireo, ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy ny andro vaovao fa fisehoana mihariharin' ny fanapahana izao tontolo izao manotolo mba hametrahana ny lamina eskatôlôjika<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 131.</small></ref>. Miara-dalana amin' ireo koa ny fomba fijery ahitana kokoa fanindrahindran-tanindrazana izay iandrasana ny [[Mesia]] mpanafaka sy mpanorina ny fanjakana vaovaon' i Israely ety an-tany<ref><small>Karl Rahner (2004)'', Encyclopedia of Theology: A Concise Sacramentum Mundi,'' <nowiki>ISBN 0860120066</nowiki>, p. 1351.</small></ref>.
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma tamin' ny taonjato voalohany ===
Amin' ny [[jodaisma]] tamin' ny taonjato voalohany, ny maha mpanjaka dia an' Andriamanitra ka ny andriamanjaka eto an-tany dia solontenany ihany<ref name=":2"><small>Simon Claude Mimouni, ''Le christianisme des origines à Constantin'', éd. PUF/Nouvelle Clio, 2006, p. 106.</small></ref>. Ny fifehezan' ny [[Empira Rômana|Rômana]] an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]] dia vokatry ny fahotan' i Israely izay tsy nanatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra raha tokony honanambara taminy ny Fanjakana. Amin' ny [[raby]] jiosy tamin' izany fotoana izany dia misy roa ny fotoan' ny Fanjakana, dia ankehitriny sy hoavy: ny Fanjakana ankehitriny izay anjakan' Andriamanitra araka ny tokony ho izy, sy ny Fanjakana amin' ny [[andro farany]] izay hanafahana an' i Israely amin' ny fangejana azy sy hanjakan' Andriamanitra tokoa, izay hampibaribary ny Fanjakana amin' ny olona rehetra<ref name=":3" />.
Amin' izany hevitra manodidina ny Fanjakana izany dia maro ny fihetsiketsehana ara-pivavahana izay mametra-panontaniana ny amin' ny fototry ny fahefana ara-pôlitika maro nisy tamin' izany, dia ny fahefan' ny [[Hasmôneana]] sy ny fahefan' ny [[Herôdiana (fianakavia-mpitondra fanjakana)|Herôdiana]] ary ny fahefan' ny [[Empira Rômana|Rômana]]. Maro ny firehana mahery vaika, izay nanantena fanafahana amin' ny andro farany an' i Israely, sahala amin' ny [[Zelôta]], izay niady mitam-piadiana tamin' ny Rômana sy ny tamin' ny emperora rômana nifandimby izay nanambara ny tenany ho mpanapaka, ka nanatanteraka ady mitam-piadiana izay heveriny fa mifanaraka amin' izay andidian' Andrimanitra mba hametraka ny [[Teôkrasia|fanjakana tokan' Andriamanitra]]. Ny fahefana samihafa rehetra dia tsy nankasitraka an' io resaka Fanjakan' Andriamanitra io sy ny olona na ny vondron' olona mijoro hiaro an' io hevitra io<ref name=":2" />.
Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia mifandray amin' ny sarin' ny [[mpaminany]] amin' ny maha mpitondra tenin' Andriamanitra azy. Tamin' izany vanim-potoana izany, araka ny lazain' i [[Flavio Jôsefa]], dia maro ny olona milaza tena fa itoeran' ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan]]' Andriamanitra (karismatika), izay miseho sady miezaka manao izay hanaovan' ny olona azy hoe "mpaminany vaovao", sahala amin' i [[Mosesy]] na Môizy izay filamatry ny "Mpampianatra", na i [[Elia]] izay filamatry ny "Mpitsara". Ny sasany dia nanaraka fotokevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka ka nanohitra ny mpitondra tamin' izay, toa an' i Teôdasy (na Tadeo)<ref><small>I Teodasy na Tadeo dia mpaminany jiosy izay nanatanteraka fahagagana maro sady nahavory olona maro ka mety nitonon-tena ho [[mesia]]. Noravan'ny prokotatora romana Kospio Fado ny vahoaka nanaraka azy ary notapahina ny lohany ka nentina tany Jerosalema tamin'ny taona 44 na 45 na 46.</small></ref> izay nitarika fikomiana ka nanohitra ny fahefana rômana tamin' ny taona 45 taor. J.K. ary notapahin-doha. Ny hafa koa, toa an' i [[Joany Mpanao Batisa|Joany Batista]] dia anisan' ny mpitoriteny madehandeha izay mitory ny famelana ny [[fahotana]]<ref name=":2" />.
== Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny kristianisma ==
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra ao amin' ny Testamenta Vaovao ===
Amin' ny ankamaroan' ny [[Jiosy]] niara-belona tamin' i [[Jesoa]], ny fivian' ny Fanjakan' Andriamanitra dia tokony hifanandrify amin' ny fanafahana ny Jiosy amin' ny fanjakazakan' ny Rômana<ref name=":3"><small>David Flüsser, R. Steven Notley, Gabriel Raphaël Veyret, ''Jésus'', éd. de l’éclat, 2005, pp. 96-103, [https://books.google.be/books?id=OQECGIWI1KMC&pg=PA96 vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.be%2Fbooks%3Fid%3DOQECGIWI1KMC%26pg%3DPA96 tahiry]].</small></ref>. I [[Joany Mpanao Batisa|Joany Batista]], izay heverin' ny mpikaroka maro fa mpampianatra an' i Jesoa<ref><small>Albert I. Baumgarten, "Jésus de Nazareth", in Jean-Robert Armogathe, Pascal Montaubin et Michel-Yves Perrin (dirs.), ''Histoire générale du christianisme des origines au <abbr>xve</abbr> siècle'', éd. P.U.F., 2010, p. 24.</small></ref> talohan' ny hahaleovany tena<ref><small>Claude Tassin, « Jean-Baptiste et les baptistes », dans ''Aux origines du christianisme'', éd. Gallimard/Le Monde de la Bible, 2000, pp. 181-182.</small></ref>, dia efa nitory ny fahatongavan' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ny vahoaka jiosy ary mety tany ivelany koa angamba. Nanao [[batisa]] (na [[Batisa|batemy]]) ho amin' ny famelana ny [[fahotana]] amin' ny anaran' ny fahantomotry ny fiavian' ilay Fanjakana<ref name=":4"><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 73.</small></ref>.
I Jesoa, izay nitory teny atao amin' ny [[jodaisma]] tamin' ny androny, dia nanolo fanompoam-pivavahana ao an-[[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] amin' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ny hafatra nataony ho an' ny olona rehetra. Tsy nofaritany ny amin' io Fanjakana io fa efa fantatry ny Jiosy tamin' izany fotoana izany. Noraisiny ny hevitry ny hoe Fanjakana nampianarin' ny [[raby]], nefa niavaka ny azy noho ny fampianarany ahitana lafiny ara-paminaniana manazava ny fahantomotry ny [[andro farany]], ary koa ny andro vaovaom-panavotana efa nanomboka<ref name=":4" />. Noho izany dia i Jesoa no nanao fanokafana ara-bakiteny<ref name=":5"><small>Paul Mattéi, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin, éd. Armand Colin'', 2008, p. 62.</small></ref> ny Fanjakana izay aseho ho antomotra ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] 12. 18), araka ny fampifanarahana ny "efa" sy ny "tsy mbola"<ref name=":5" /> izay hevitra efa nisy tao amin' ny jodaisma<ref><small>Christian Grappe, ''Le Royaume de Dieu : avant, avec et après Jésus'', éd. Labor et Fides/Le Monde de la Bible, 2001, pp. 49-50.</small></ref>.
Ny hoe "Fanjakana" dia niteraka fanaovana [[Fanoharana ao amin' ny Evanjely|fanoharana]] ao amin' ny toriteny, ary ny [[Fahagagana nataon' i Jesoa|fahagagana]] izay nataon' i Jesoa dia fijoroana vavolombelona momba ny Fanjakana izay efa eo ( Mat. 12. 18)<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 69.</small></ref>. Azo heverina koa fa nanao ny [[Fijalian' i Jesoa|fahafatesany]] ho fepetra ilaina amin' ny fiavian' ny Fanjakana i Jesoa<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 76.</small></ref>.
Araka ny [[Filazantsara sinôptika|evanjely sinôptika]] ([[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]], [[Filazantsara araka an' i Marka|Marka]], [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]]), ny fanambaràna mialoha ny fahantomotry ny Fanjakan' Andriamanitra (na "Fanjakan' ny Lanitra", araka an' i Matio), dia mitana anjara toerana voalohany ao amin' ny toritenin' i Jesoa. Misy filazana mamintina ao amin' ny Evanjelin' i Marka (Mar. 1.15) manao hoe "''Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara''."<ref name=":1"><small>Nalaina avy ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy.</small></ref>. Tsy fanjakan' Andriamanitra maharitra eto amin' izao tontolo izao amin' ny maha zavaboary noforonina azy izany, fa fanjakana izay natombok' i Jesoa sady hahatratra ny fahafenoany amin' ny andro farany, amin' ny maha [[famonjena]] farany indrindra izany.
Izany Fanjakan' Andriamanitra izany dia mandalo amin' ny fiovam-pon' ny olona, ka tsy mitovy amin' ny [[mesianisma]] ao amin' ny [[Testamenta Taloha]]. Ny zava-kitranga ho famonjena ny mpanota: izany no vaovao mahafaly na filazantsara.
Na dia mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny amin' ny fisafidianana an' Andriamanitra ny fidirana ao amin' ilay Fanjakana, tsy vokatry ny ezaka ataon' ny olombelona izany: tsy ny olombelona no hanangana izany. Fanomezana maimaimpoana ataon' Andriamanitra izany, izay angatahina ao amin' ny [[Rainay any an-danitra|vavaka]] ("''ho tonga anie ny Fanjakanao''"), izay raisina amin' ny fanahy malahelo ("''Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan' ny lanitra''." Mat. 5.3)<ref name=":1" />, sahala amin' ny an' ny zaza madinika ("''Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an' ny toa azy ny fanjakan' Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan' Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory''." Lio. 18.16-17)<ref name=":1" />, nefa eo am-piambenana (fanoharana ny amin' ny mpanompo miandry ny tompony, sy ny virjiny dimy hendry sy virjiny dimy adala), satria tsy ampy ny maha isan' ny vahoaka voafidy mba hidirana ao amin' ny Fanjakana: misy ny sivana hanavahana ny [[tsimparifary]] sy ny [[vary]] (Mat. 13. 24-30)<ref><small>24 ''Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny''; 25 ''fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha''. 26 ''Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.'' 27 ''Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy'': 28 ''Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?'' 29 ''Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.'' 30 ''Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.'' (Mat. 13.24-30, ''Ny Baiboly'')</small></ref> ary hisy ankamoaka hotakina (Mat. 25. 1-13)<ref><small>1 ''Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.'' 2 ''Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.'' 3 ''Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;'' 4 ''ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.'' 5 ''Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.'' 6 ''Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.'' 7 ''Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.'' 8 ''Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.'' 9 ''Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo''. 10 ''Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.'' 11 ''Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay''. 12 ''Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.'' 13 ''Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora''. (Mat. 23.1-13, ''Ny Baiboly'')</small></ref>.
Ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy zavatra ao an-tsaina fa fanapahan-kevitr' Andriamanitra ao amin' ny tantara izay ambaran' i Jesoa mialoha, ary indrindra izay tanterahin' ny tenany. Ny fiekena fa i [[Kristy]] no mpanjakan' ny Fanjakan' Andriamanitra, amin' ny alalan' ny [[Fijalian' i Jesoa|fahafatesany]] sy ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany]] tamin' ny maty, dia misy vokany roa fara-fahakeliny ho an' ny Kristiana: voalohany, ny mpino dia hotonga afaka tanteraka amin' ny fanjakana na fahefana ety an-tany, faharoa, tsy tokony hampitovina ny Fiangonana sy ny Fanjakana izay hoavy, na dia ny Fiangonana no mitory azy sy manompo azy ary miombona aminy<ref><small>Hervé Legrand, "Royaume de Dieu", in ''Encyclopaedia universalis'', 2011, DVD.</small></ref>.
=== Ny Fanjakan' Andriamanitra ao amin' ny boky apôkrifa ===
Ao amin' ny boky tsy voaray ho anisan' ny [[kanônan' ny Baiboly]] kristiana, dia ny evanjely gnôstika atao hoe [[Filazantsaran' i Tômasy|''Evanjelin' i Tômasy'']], dia taterina ao i Jesoa fa niteny hoe <blockquote>"Raha ireo mitarika anareo no milaza aminareo hoe: "Indro ny Fanjakana dia eny amin' ny lanitra!", dia hialoha anareo ny vorona eny amin' ny habakabaka. Raha miteny aminareo izy ireo hoe: "Ao anaty rano izany", dia hialoha lalana anareo ny trondro. Ny Fanjakana dia ao anatinareo sy ao ivelanareo. Rehefa mahalala ny tenanareo ianareo, dia ho fantatra, ary hahatsapa ho zanaky ny Ray velona ianareo"<ref name=":6"><small>''[https://www.biblicalarchaeology.org/daily/biblical-topics/bible-versions-and-translations/the-gospel-of-thomas-114-sayings-of-jesus/ Gospel of Thomas’s 114 Sayings of Jesus],'' Biblical Archaeological Society. June 4, 2017.</small></ref>. </blockquote>Ity ''[[Evanjelin' i Tômasy]]'' ity ihany koa no manao an' i Jesoa ho nanambara ny maha eto sahady ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' izy niteny hoe: "''Ny Fanjakan' Andriamanitra dia manenika ny tany, ary ny olona tsy hahita azy''."<ref name=":6" />.
=== Fivoasan' ny Kristiana ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" ===
Ny [[Testamenta Taloha]] dia miresaka ny amin' ny "[[Fitsarana farany|fitsaran' Andriamanitra ny olona rehetra]]" ary ny filazana fa ny olona rehetra dia ho tsaraina dia zava-dehibe amin' ny fampianara kristiana<ref name=":7"><small>Millard J. Erickson (2001)'', Introducing Christian Doctrine'' (2nd Edition), <nowiki>ISBN 0801022509</nowiki>, pp. 391–392.</small></ref>. Ny [[fanekem-pinoana nikeana]] (na fiekem-pinoana niseana) izay naorina tamin' ny andalana maromaro ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], dia milaza fa i Jesoa no hisahana ny anjara asa fitsarana<ref name=":7" /> <ref><small>Wolfhart Pannenberg (2004)'', Systematic Theology'' Vol 2, <nowiki>ISBN 0567084663</nowiki>, pp. 390–391.</small></ref>.
Tsy miaraha-manaiky ny manampahaizana ny amin' ny fahazoana ny hevitra teôlôjikan' ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra". Raha misy fivoasana teôlôjika vitsivitsy momba ny Fanjakan' Andriamanitra izay niseho manodidina ny lohahevitra [[Eskatôlôjia|eskatôlôjika]] (ohatra: ny eskatôlôjia apôkaliptika sy ny eskatôlôjia efa tanteraka na ny eskatôlôjia efa niantomboka), dia tsy misy fifanaraha-kevitra ny eo amin' ny samy manam-pahaizana<ref><small>Michael James McClymond (2004)'', Familiar Stranger: An Introduction to Jesus of Nazareth,'' <nowiki>ISBN 0802826806</nowiki>, pp. 77–79</small></ref><ref><small>Bruce Chilton and Craig A. Evans (1998)'', Studying the Historical Jesus: Evaluations of the State of Current Research,'' <nowiki>ISBN 9004111425</nowiki>, pp. 255–257.</small></ref>.
I R. T. France dia manamarika fa raha ny amin' ny "Fanjakan' Andriamanitra" dia manana heviny hoazy ao amin' ny Kristiana tsotra (na [[laîka]]), saika tsy misy ny fifanarahan-kevitra eo amin' ny samy mpikaroka momba ny hevitr' io andrian-teny io ao amin' ny Testamenta Vaovao<ref name=":8"><small>R.T. France (2003)'', Divine Government: God's Kingship in the Gospel of Mark,'' <nowiki>ISBN 1573832448</nowiki>, pp. 1–3</small></ref>. Ny mpikaroka sasany dia mihevitra fa fomba fiaina kristiana izany, ny sasany indray milaza fa fomba fiasa amin' ny fitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao izany, ny sasany koa dia milaza fa fahitana indray ny [[Fanomezana fiton' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana]] izany, ny hafa koa dia mampifandray izany amin' ny zavatra iainana efa lasa na mbola ho avy fa amin' ny tontolo hoavy<ref name=":8" />. I France dia manamarika fa ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia matetika adika amin' ny fomba maro mba hifanaraka amin' ny fandaharam-potoana teôlôjikan' ny mpanao heviteny ny amin' izany<ref name=":8" />.
Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], ny Sezafiandrianan' Andriamanitra dia oharina amin-javatra maro<ref name=":9"><small>Kittel, Gerhard (1966). ''Theological Dictionary of the New Testament'', Volumes 3-4 (1966 ed.). Wm. B. Eerdmans Publishing. <nowiki>ISBN 0-8028-2245-2</nowiki>. pp. 164–166.</small></ref>. Anisan' izany ny [[Lanitra (finoana)|Lanitra]] izay atao hoe Sezafiandrianan' Andriamanitra, ny Sezafiandrianan' i Davida, ny Sezafiandrianan' ny Voninahitra, ny Sezafiandrianan' ny Fahasoavana sy ny maro hafa koa<ref name=":9" />. Ny Testamenta Vaovao dia manohy ny fiheveran' ny [[Jiosy]] (na Jody) ny lanitra ho "sezafiandrianan' Andriamanitra", nefa koa manao ny toerana misy ny sezafiandrianan' Andriamanitra ho "any an-danitra", sady manao ny fipetrahan' i [[Kristy]] ho eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra<ref><small>Philip Edgecumbe Hughes ''A Commentary on the Epistle to the Hebrews,'' p. 401, 1988 "The theme of Christ's heavenly session, announced here by the statement he sat down at the right hand of God, .. Hebrews 8:1 "we have such a high priest, one who is seated at the right hand of the throne of the Majesty in heaven"</small></ref>.
== Jereo koa ==
* [[Eskatôlôjia]]
* [[Paradisa]]
* [[Andro farany]]
== Loharano sy fanamarihana ==
90wfxthzk5k6mhxpp8q1mihoq4zo8f7
Fivavahana abrahamika
0
253625
1092657
1090420
2024-12-08T13:42:22Z
Thelezifor
15140
/* Ny rastafarisma */ Nanitsy tsipelina
1092657
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:ReligionSymbolAbr.PNG|vignette|328x328px|''Famantaran'ny finoana abrahamika'': ny kintan'i Dvida ho an'ny Jodaisma[[Monoteisma|,]] ny vokovoko ho an'ny Kristianisma[[Monoteisma|,]] ny Anaran'Andriamanitra (Allah) ho an'ny Silamo.]]
Ny '''fivavahana abrahamika''' na '''finoana abrahamika''' dia ireo [[fivavahana]] heverina fa nandova tamin' i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] ny [[Mônôteisma|finoana Andriamanitra tokana,]] ka ny tena fantatra amin' izany dia ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[silamo]], izay manorina izany finoany izany amin' ny boky heveriny ho [[Soratra Masina]], dia ny [[Tanakh]] sy ny [[Baiboly]] ary ny [[Kor'any]].
Anisan' ny fivavahana abrahamika koa ny [[iazdanisma]], ny [[samaritanisma]], ny [[Droza|fivavahan' ny Droza]], ny [[babisma]], ny [[Bahaisma|finoana bahay]], ny [[Rastafarisma|rastafarisma,]] ny [[mandeisma]], ny [[sabakisma]], ny [[iazdanisma]] ary ny [[iazidisma]].
== Ny sampana ao amin' ny fivavahana abrahamika ==
=== Ny fivavahana abrahamika lehibe ===
==== Ny jodaisma ====
[[Sary:Menorah_0307.jpg|vignette|124x124px]]
Ny [[jodaisma]] dia endriky ny fivavahan' ny [[Israelita]] taorian' ny faharavan' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] (taona 587 tal. J.K.) sy taorian' ny [[Fahababoana tany Babilôna|fahababoan' ny Jiosy avy tany Babilôina]] (587 - 538 tal. J.K.). Jiosy no fiantsoana ny mpino ao amin' io fivavahana io. Dimy ambin' ny folo tapitrisa no isan' ny [[Jiosy]] manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin' ireo no mipetraka any Israely. Ny [[Tanakh]] no [[Soratra Masina|Soratra Masin]]' ny jodaisma izay mirakitra ny Lalàna voasoratra ([[Torah]]) nambaran' Andriamanitra tamin' i [[Mosesy]] amin' ny ankamaroany teo amin' ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]] (na Sinaia). Araka ny [[Baiboly]] dia i [[Abrahama]] razamben' ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] no rain' ny fivavahana jiosy. Ny [[fahababoana tany Babilôna]] izay nanomboka tamin' ny taona 586 tal. J.K. dia nitondra fiovana lehibe teo amin' ny fivavahan' ny jiosy. Tany [[Babilôna]] no namitana ny fanoratana ny ankamaroan' ny bokim-pivavanan' ny jiosy izay nanao fivoasana ny tantaran' ny [[Zanak' i Israely]] tamin' ny fampifandraisana izany amin' ny faharavan' i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]].
==== Ny kristianisma ====
[[Sary:Gold_Christian_cross.svg|vignette|111x111px]]
Ny [[kristianisma]] dia mino Andriamanitra tokana, izay mifototra amin' ny soratra navelan' ny [[Apôstôly roa ambin'ny folo|apôstôly]] ([[Filazantsara|evanjely]] na [[filazantsara]]) mikasika ny fiainan' i [[Jesosy|Jesoa]] avy any [[Nazareta]], na [[Jesosy|Jesoa Kristy]]. Miisa eo amin' ny 2 000 000 000 eo ho eo ny mpino, miparitaka anaty antokom-pangonana 33 000. Ny [[Testamenta Taloha]] – ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] – miaraka amin' ny [[Testamenta Vaovao]] no soratra ifotoran' ny finoana kristianina. Amin' ny Kristiana dia i [[Jesosy|Jesoa]] no [[Mesia]] na Kristy. Inoan' ny [[Kristianina|Kristiana]] ho voahosotr' Andriamanitra sy nirahina ho ety ambonin' ny tany hanavotra ny olombelona amin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganany ho velona]] i Jesoa.
==== Ny finoana silamo ====
[[Sary:IslamSymbol1.svg|vignette|90x90px]]
Ny [[finoana silamo]] dia mifototra amin' ny finoana an' [[Andriamanitra]] tokana (''Allah'') sy amin' ny [[Kor'any]] izay heverin' ny mpino silamo fa boky nandraiketana ny tenin' Andriamanitra ara-bakiteny. Ny Kor'any dia nambara tamin' i [[Mohamady]] izay fantatry ny silamo ho [[Mpaminany|mpaminanin]]' Andriamanitra tany [[Arabia Saodita|Arabia]] tamin' ny taonjato fahafito. Tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra.
=== Ny fivavahana abrahamika madinika ===
==== Ny samaritanisma ====
[[Sary:Shma_yisrael.png|vignette|135x135px]]
Fivavahana mifanakaiky amin' ny fivavahana jiosy ny [[samaritanisma]], nefa ny boky dimy voalohany ao amin' ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]) no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Amin' izao fotoana izao dia misy ny [[Samaritana]] israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin' ny taona 2007 dia 796 no isany. Ny Torah samaritana no soratra masin' ny fivavahana samaritana izay tsy ahitana boky hafa afa-tsy ny Lalàna ([[Torah]]). Misy fahasamihafana ny votoatin' ny Torah hebreo amin' ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin’ ireo dia ny fiheverany fa tsy i [[Jerosalema]] fa ny tendrombohitra [[Garizima]] no toerana masina. Ny [[Didy Folo|Didy folo]] ao amin’ ny [[Torah samaritana]] dia ahitana ao amin’ ny didy faha-10 ny fanajana an’ i Garizima ho ivon-toeran’ ny fanompoam-pivavahana.
==== Ny finoana bahay ====
[[Sary:Bahaistar.jpg|vignette|86x86px]]
Ny [[bahaisma]] na finoana bahay dia finoana nentin' i Baha'u'llah. Fivavahana mitory ny maha iray ara-panahy ny olombelona rehetra ny finoana bahay. Tamin' ny taona 2011 dia niisa 7 000 000 any ho any ny mpino bahay. Ny ivotoerana dia ao [[Haifa]] sy ao [[Acra]] any [[Israely]]. Ilay atao hoe fanambaràna (''wahī'') ara-pivavahana miandalana, amin' ny Bahay, dia mahatonga azy ireo hanaiky ny maha tena izy ny ankamaroan' ny fivavahana manerana izao tontolo izao, ka ny mpanorina azy na ny olona manan-danja indrindra tao amin' ireo fivavahana ireo dia heveriny ho "fisehoan' Andriamanitra". Isan' ireo "fisehoana" ireo ohatra i [[Mosesy]] (na Môizy), i [[Jesoa]], i [[Mohamady]], i [[Krishna]], i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra) ary i [[Bodà|Boda]]. Ny [[paradisa]] sy ny [[fiainan-tsy hita]] dia toetra ara-panahy izay manakaiky na manalavitra an' Andriamanitra ka anambaràna ny fifandraisana eto amin' ity tontolo ity sy ilay tontolo hafa, fa tsy toeram-pamalian-tsoa na fanasaziana aorian' ny fahafatesana.
==== Ny babisma ====
[[Sary:Haykal2.gif|vignette|113x113px]]
Ny [[babisma]] dia fihetseketsehana ara-pivavahana mpitondra fanitsiana sy [[Milenarisma|milenarista]] naorin' ny mpivarotra iray atao hoe Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī (1819-1850), izay nomena ny anaram-petaka hoe ''Bāb'' ([[Fiteny arabo|teny arabo]] باب midika hoe "varavarana"). Firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' ny sampana [[Shiisma|shiita]]<nowiki/>n' ny finoana silamo ny babisma. Amin' ny fanambaran' ny Bāb dia fisehoan' Andriamanitra avokoa ny [[mpaminany]] rehetra. Tsy misy afa-tsy mpianatra vitsivitsy ankehitriny sisa amin' ny mpianatr' i Bāb. Ao [[Iràna]] sy ao [[Ozbekistàna]] no tena ahitana azy ireo nefa sarotra ny mahalala ny tena isany.
==== Ny iazdanisma ====
Ny [[iazdanisma]] dia fivavahana mônôteista taloha izay mivavaka amin' ny [[anjely]] (''iazdâny''), izay nataon' ny [[Korda (vahoaka)|Korda]] talohan' ny niitaran' ny tany fehezin' ny [[Arabo (olona)|Arabo]] tamin' ny taonjato faha-7 sy ny fanovana azy ireo ho amin' ny [[finoana silamo]]. Ny iazdanisma dia mino ny fahaterahan' ny zavamananaina indray miaraka amin' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahin]]' ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin' ny [[hindoisma]], ary misy anjely fito izay inoany fa miaro an' izao tontolo izao amin' ny [[devoly]] na [[demony]] fito.
==== Ny fivavahan' ny Droza ====
[[Sary:Druze_star.svg|vignette|81x81px]]
Ny fivavahan' ny [[Droza]] dia fivavahana miozolmàna tsy manaraka izay arahin' ny maro. Ao amin' ny tapany atsimon' i [[Libàna]] sy ao amin' ny faritra afovoan' ny Tendrombohitra Libàna, ao amin' ny tapany atsimon' i [[Siria]], ao amin' ny faritra avaratry ny [[Israely|Fanjakan' i Israely]] ao [[Galilea (faritra)|Galilea]], ary eo amin' ny havoan' i Golàna no fonenan' izy reo. Miafina ny fivoasany ny boky [[Kor'any]] sady tsy ambarany ny mpino izany raha tsy aorian' ny dingam-pisedrana maro. Mino ny fifindran' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahi]]<nowiki/>n' ny maty amin' ny zavamananaina hafa ny Droza. Ireo mpino te hanokana ny fiainany amin' io fivavahana io ihany no manan-jo hamaky ny boky masin' izy ireo atao hoe ''Kitab al hekma'' ("bokin' ny fahalalana").
==== Ny rastafarisma ====
[[Sary:Flag_of_Ethiopia_(Blank).svg|vignette|89x89px|Saina rasta]]
Ny [[rastafarisma]] dia hetsika [[Mesianisma|mesianika]] nandroso ao [[Jamaika]] tamin' ny taona 1930, izay miseho amin' ny lafiny mozika amin' ny alalan' ny ngadona [[reggae]]. Tamin' ny taonjato faha-20 dia fanta-bahoaka maneran-tany io hetsika io tamin' ny alalan' ny fahombiazan' i [[Bob Marley]].
==== Ny mandeisma ====
[[Sary:Darfash_-_Mandaean_cross.png|vignette|124x124px]]
Ny [[mandeisma]] dia fivavahana manao batisa sy [[Gnôstisisma|gnôstika]]. Fototry ny fampianaran' ny mandeisma ny fifanoheram-poto-javatra roa ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]) izay ahitana ny "toeran' ny fahazavana" sy ny "toeran' ny haizina", izay tsy misakana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] hiditra an-tsehatra amin' ny famoronana. Izany famoronana izany dia tohizan' ny asa maharitra ataon' Andriamanitra sy ny fanambaràna amin' ny alalan' ny "Iraky ny lanitra". Araka ny lovantsofina mandeana dia i [[Joany mpanao batisa]] izany iraka izany sady mpaminany lehibe ho an' izy ireo. Talohan' ny taona 2003 sy talohan' ny fipoahan' ny ady tao [[Iràka]] dia nonina tao Iràka ny ankamaroan' ny Mandeana izay niisa 65 000 any ho any, Ny ankamaroan' izy ireo hatramin' izay dia niparitaka, indrindra mankany [[Iràna]], ary koa any [[Siria]], any [[Jordania]] ary any amin' ireo firenena tandrefana.
==== Ny iazidisma ====
[[Sary:Yezidi_Flag.svg|vignette|95x95px|Saina iezidy]]
Ny [[iazidisma]] dia fivavahan' ny fianakaviambe ara-pivavahana iezidy, izay lazain' ireo mpino ao aminy ho nipoitra avy ao [[Iràna Lehibe|Iràna]] taloha. Ny mpino iazidy dia fianakaviambe ara-pivavahana ao amin' ireo [[Korda (vahoaka)|Korda]]. Maro ny fifanahafana hita eo amin' ny iazidisma ankehitriny sy ireo [[fivavahana iraniana]] taloha. Ny fikarohana eorôpeana sy miozolmana dia mihevitra ny iazidisma ho fihetsihetsehana tsy nanaraka ny fampianarana ôfisialin' ny [[Sonisma|silamo sonita]].
==== Ny sabakisma ====
Ny [[sabakisma]] dia ny finoana sy ny fanao ara-pivavahan' ny Sabaky ao amin' ny tany iadiana ao avaratr' i [[Iràka]]. Ny ankamaroan' ny Sabaky dia mihevitra ny tenany ho [[Siisma|Miozolmana siita]]. Na dia izany aza dia tsy sahala amin' ny [[silamo]] ny finoany sy ny fombafombany. Na eo aza izany dia manao [[fivahiniana masina]] any amin' ny tanàna masina siita toa an' i Najaf sy i Karbala izy ireo sady manaraka fampianarana maro avy amin' ny silamo siita. Araka ny Sabaky, ny fisian' Andriamanitra tokoa dia misolo ny fivoasana ara-bakitenin' ny [[Kor'any]], dia ny Sar'ia izany. Mino ny fisian' ny mpanelanelana sahala amin' ny [[iarsanisma]] ny sabakisma.
== Ny singa ifanahafan' ny fivavahana abrahamika ==
=== Ny mônôteisma ===
Ny fivavahana abrahamika dia nandova tamin'i [[Abrahama]] ny finoana [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra tokana]], Andriamanitra dia ilay fisiana ambony indrindra, tokana, [[Famoronana (finoana sy fedrà)|mpamorona]] ny zavatra rehetra ary loharanon' ny zavatra misy rehetra. Tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, mandrakizay, tsara indrindra, mahalala ny zava-drehetra ary mahefa ny zava-drehetra ary andriamanitra misahana izao rehetra izao. Mpamonjy ny olombelona sy ny [[zavaboary]] rehetra, ary nanambara tena nandritra ny Tantara izy. Vokatry ny sitrapon' Andriamanitra no nampisy an' izao tontolo izao tamin' ny namoronany azy, ka noho izany dia Andrimanitra no tompon' izao rehetra izao. Tsy mifangaro amin' ny [[zavaboary]] Andriamanitra fa ivelany sady amboniny ary tsy takatry ny saina, izany hoe [[Fihoa-draha|mihoa-draha]].
=== Ny fananana soratra masina ===
Ny fivavahana abrahamika tsirairay dia samy miorina amin' ny [[Soratra Masina|soratra masina]] izay inoan' ny mpino fa vokatry ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràn]]' Andriamainitra sady mitana anjara toerana lehibe. Ny fanambaràna dia fahalalana azo mivantana amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ka mety ho amin' ny alalan' ny fisehoan' Andriamanitra izany na ny fahenoana ny teny mivoaka avy ao aminy na ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] azon' ny [[mpaminany]] na ny fanomezany lahateny efa voasoratra rahateo avy any aminy na fisehoan-javatra tsy fahita eo amin' ny zavaboary.
=== Ny fitsipi-pitodran-tena ===
Manana fitsipi-pitondran-tena ny fivavahana abrahamika rehetra, ka ny lehibe amin'izany dia ny fisafidianana ny tsara fa tsy ny ratsy, ny fanajana an' Andriamanitra tokana sy ny lalàny.
=== Ny fomba fijery ny hiafaran' ny zavatra rehetra ===
Manana ny fomba fijeriny ny [[tantara]] sy ny hiafaran' ny zava-drehetra ([[Eskatolojia|eskatôlôjia]]) ny fivavahana abrahamika: nanomboka tamin' ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] an' izao tontolo izao izany, ny fiasàn' Andriamanitra ao anatin' ny tantara, ny fiafarana izay hahitana ny [[fitsanganana amin'ny maty]], ny [[fitsarana farany]]. ary ny hahatongavan'ny tontolo vaovao. Ny ankamaroan' ireo [[Monoteisma|fivavahana monoteista]] dia misy foto-pampianarana milaza fa ny mpivavaka voafidy na mendrika ny finoana marina dia hovonjena na hafahana amin'ny fitsaran' Andriamanitra sy ny fahatezerany amin'ny ho avy. Ho any am-[[paradisa]] izy ireo aloha na mandritra na aorian'io fitsarana io arakaraka ny fampianarana.
=== Ny maha zava-dehibe an' i Jerosalema ===
Tanàna masina i [[Jerosalema]] amin'ny Jiosy sy ny Kristiana sy ny Silamo ary ny fivavahana abrahamika maro hafa.
Azon'i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] i Jerosalema tamin'ny taona 1000 tal. J.K. ka nataony renivohitry ny fanjakany sy ny fivavahan'ny Israelita. Vitan'i [[Solomona]] ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] teo anelanelan'ny taona 969 sy 962 tal. J.K. Tamin'ny taona 587 tal. J.K dia noravan'i [[Nebokadnezara]] mpanjakan'i [[Babilona]] i Jerosalema mbamin'ny Tempoly sady natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] ny mponina tao. Taty aoriana dia nahazo alalana hiverina any Jerosalema ny Jiosy babo. Rehefa notafihin'i [[Aleksandra Lehibe]] i [[Palestina]] ka azony dia ny [[Lagida]] sy ny [[Seleokida]] no nifandimby nanapaka. Nikomy ny [[Fikomian'ny Makabeo|Makabeo]] tamin'ny taona 143 tal. J.K. ka nahazo fahaleovan-tena indray ny Jiosy ary lasa renivohitry ny fanjakana jiosy indray i Jerosalema. Tamin'ny andron'ny Empira kristiana dia lasa ivontoeran'ny [[fivahiniana masina]] i Israely, indrindra fa i Jerosalema. Ankehitriny dia misy môske miorina ny toerana nisy ny Tempoly jiosy taloha.
=== Ny lanjan' i Abrahama ===
I [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] dia ilay lehilahy heverina fa nipoiran' ireo fivavahana telo mino [[Monoteisma|Andriamanitra tokana]]. Araka ny [[Baiboly]], noho ny haben'ny finoany no nilazan' Andriamanitra aminy fa izy dia hanan-taranaka maro sady nampanantenainy tany mahavokatra ho an'ireo taranany ireo. Samy miresaka ny momba azy na ny [[Baiboly]] na ny [[Kor'any]] na ny boky masina hafan' ireo fivavahana abrahamika.
== Isan' ny mpino ==
* Ny [[kristianisma]] no fivavahana lehibe indrindra amin' ireo fivavahana abrahamika, izay misy mpino misa 2,3 lavitrisa eo ho eo, izany hoe 31,1 % eo ho eo amin' ny mponina eran-tany.
* Ny [[finoana silamo]] no fivavahana abrahamika faharoa lehibe indrindra, ary koa ny fivavahana abrahamika mitombo haingana indrindra. Manana mpanaraka miisa 1,9 lavitrisa eo ho eo izy io, antsoina hoe Silamo na Miozolmana, izay mahaforona eo amin' ny 24,1 %n' ny mponina eran-tany.
* Ny fivavahana abrahamika fahatelo lehibe indrindra dia ny [[jodaisma]] izay misy mpanaraka miisa 14,1 tapitrisa eo ho eo, antsoina hoe Jiosy.
* Manana mpanaraka miisa 7 tapitrisa eo ho eo ny [[finoana bahay]], ka izy no fivavahana abrahamika fahefatra lehibe indrindra.
* Ny fivavahan' ny Droza dia manana mpanaraka eo anelanelan' ny iray tapitrisa sy roa tapitrisa.
== Jereo koa ==
* [[Fivavahana any Azia Atsinanana|Fivavahana taôika]]
* [[Fivavahan-drazana afrikana]]
* [[Fivavahana iraniana]]
* [[Fivavahana darmika]]
* [[Fivavahan-drazana afrikana]]
de3piyvrejz1sl7rx7aktrz3g305jw8
Pneomatôlôjia
0
253633
1092634
1059093
2024-12-08T12:33:35Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092634
wikitext
text/x-wiki
Ny '''pneomatôlôjia''' dia taranja [[Teôlôjia kristiana|teôlôjika]] ao amin' ny fivavahana kristiana izay iresahana sy ianarana ary ampianarana ny amin' ny [[Fanahy Masina]]. Iresahana ny amin' ny personan'ny [[Fanahy Masina]] ao amin' ny [[Trinite]] sy ny asan'ny Fanahy Masina ny pneomatôlôjia. Taty aoriana dia tafiditra ao amin' io taranja io koa ny hoe [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]], ny [[Fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy]] (karismata), ny [[Batisan' ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy]], ny [[fanamasinana]], ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandri]]<nowiki/>n' ny mpaminany, ary ny filatsahan' ny Fanahy Masina. Ny antokom-pinoana kristiana samihafa dia samy manana ny fomba anaovany pneomatôlôjia.
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''pneomatolojia'' dia avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''πνεῦμα'' / ''pneuma'' "fanahy" sy ''λόγος'' / ''logos'' "fampianarana" na "fianarana".
== Ny Fanahy Masina ==
Ny [[Fanahy Masina]], araka ny finoana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]], dia ny herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin' ny [[Famoronana]] izao tontolo izao ka hatramin' izao.
=== Herin' Andriamanitra ny Fanahy Masina ===
Misy ny fiangonana milaza fa hery entin' Andriamanitra manatateraka ny sitrapony ny Fanahy Masina fa tsy persônan' Andriamanira. Amin' ny [[Vavolombelon' i Jehovah]] sy ny [[Fiangonana Kristadelfiana|Kristadelfiana]] dia hery miasa an' Andriamanitra ny fanahy masina, tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
=== Persôna fahatelon' Andriamantra ny Fanahy Masina ===
Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran' ny fiangonana samihafa. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin' ny fanekem-pinoana. Ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana]] dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin' ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "''sy tamin' ny Zanaka''" (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kai tou Uiou''; latina: ''Filioque'') izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan' ny Fanahy Masina sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] ka lasa mivoaka avy amin' ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Tsy eken' ny Fiangonana Tatsinanana (isan' izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan' ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "''nivoaka tamin' ny Zanaka koa ny Fanahy Masina''" izay nomena ny anarana latina hoe ''[[Filioque]]'' (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kaὶ toū Uioū''). Amin' ny Fiangonana Tatsinanana dia nivoaka avy amin' ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy tamin' ny Zanaka koa.
=== Andriamanitra mahaleo tena ny Fanahy Masina ===
Ankehitriny dia misy ny fiangonana izay manaiky fa Andriamanitra mahaleo tena fa tsy persônan' Andriamanitra tokana ny Fanahy Masina, tsy iza izany fa ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny persônany sy ny natiorany avy nefa mifameno.
== Ny asan' ny Fanahy Masina ==
=== Ny fidinan' ny Fanahy Masina ===
Nidina tamin' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] ny [[Fanahy Masina]] 50 andro taorian' ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|nitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty]], araka ny efa nolazain' i Kristy fony izy tety an-tany (jereo: [[parakleto]])
=== Ny fanilovan' ny Fanahy Masina ===
Ny [[tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] na fanilovana na [[teôpneostia]] dia fomba entin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] na ny [[fanahy]] iray mampanao zavatra, indrindra mampita ny hafany amin' ny alalan' ny fampitenenana na ny fampanoratana ny olona izay manatanteraka izany tsy araka ny sitrapony. Ao amin' ny [[fivavahana kristiana]] dia lazaina fa dia vokatry ny tsindrimandry na fanilovana avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] tamin' ny alalan' ny asan' ny [[Fanahy Masina]] ny [[Soratra Masina]]. Tsy mitovy anefa ny fandraisan' ny fiangonana tsirairay izany teny izany fa ao ireo mihevitra azy ho toy ny sora-tononina mivantana avy amin' Andriamanitra nefa ao koa ireo izay manaiky ny fandraisana anjaran' ny mpampandry an-tsoratra ny [[Soratra Masina]] ka manavaka ny zavatra nentin' ny maha olombelona ilay olona voatsindimandry na voatsilo sy ny hafatr' Andriamanitra ao anatin' izany Soratra Masina izany.
=== Ny fahateraham-baovao ===
Amin' ny [[kristianisma evanjelika]], ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]] dia zavatra tsapan' ny olona iray izay milaza fa niaina fiterahana ara-panahy noho ny asan' ny [[Fanahy Masina]] taorian' ny fibebahany amin' ny fahotany ka nahatonga azy hihavana indray amin' Andriamanitra. Aorian' ny fahateraham-baovaon' ny fanahiny dia atsoina hoe "[[Zanak'Andriamanitra|zanak' Andriamanitra]]" io olona io.
=== Ny fanomezan' ny Fanahy Masina ===
Ny [[Fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy]] dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny [[Fanahy Masina]]. Izany dia [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] avy amin' Andriamanitra izay ilain' ny Kristiana tsirairay sady nilain' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] koa tamin' ny andron' izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana. Ireo fanomezana ireo dia avy amin'ny Fanahy Masina ka atolony ny isam-batan' olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny [[Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana]] (1Kôr. 12. 8-10; 12.28), ao amin' ny [[Epistily ho an' ny Rômana]] (Rôm. 12. 6-8) ary ao amin' ny [[Epistily ho an' ny Efesiana]] (Efes. 4. 11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny [[Epistily voalohany nosoratan' i Petera]] (1Pet. 4).
Maro ny fikambanana sy ny hetsika nandray anjara tamin' ny fanomezan-danja ny fanomezan' ny Fanahy Masina ka ny andiany voalohany dia ny [[pentekôtisma]] tamin' ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]] tamin' ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny [[hetsika karismatika vaovao]] tamin' ny taona 1980.
=== Ny batisan' ny Fanahy Masina ===
Ny [[batisan' ny Fanahy Masina]] dia ny fiainana ny fanavaozam-panahy izay anaovan' ny [[Fanahy Masina]] [[batisa]] na batemy ny olona iray. Ny hoe "batisan' ny Fanahy Masina" dia mampahatsiahy ny voalaza ao amin' ny [[Baiboly]], araka ny ambaran' i [[Joany mpanao batisa]] sy i Jesoa ary ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] izay milaza fa ny fiainana izany fahatsapana izany dia fanavaozana avy amin' ny [[Fanahy Masina]] ka mampanakaiky bebe kokoa ilay olona miaina izany an' Andriamanitra. Ao amin' ny [[Filazantsara araka an' i Matio]] dia voasoratra fa nanao [[batisa]] tamin' ny rano i Joany nefa nanambara io evanjely io fa ho avy ny fotoana izay hisian' ny batisan' ny Fanahy Masina, izay hotanterahin' ny olona lehibe noho izy. Ny [[Asan' ny Apôstôly]] dia nanambara ny fahantomotr' izany batisa izany ho an' ireo Apôstôly. Azon' izy ireo tokoa tamin' ny andro [[Pentekôsta]] izany batisan' ny Fanahy Masina izany, araka io boky io ihany. Noho io zava-nitranga io dia nidera an' Andriamanitra tamin' ny fiteny maro azon' ny [[Jentilisa]] na Jentily ny Apôstôly.
== Jereo koa ==
* [[Kristôlôjia]]
* [[Sôteriôlôjia]]
* [[Teôlôjia]]
* [[Eskatôlôjia]]
* [[Ekleziôlôjia]]
* [[Antrôpôlôjia kristiana]]
[[Sokajy:Kristianisma]]
psn8ihfhhnvtrs7mbwurgfio28lbmq0
Dispensasiônalisma
0
262033
1092647
1053881
2024-12-08T13:08:34Z
Thelezifor
15140
Tsipelina
1092647
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:JohnNelsonDarby.jpg|vignette|I John Nelson Darby]]
Ny '''dispensasiônalisma''' dia [[foto-pampianarana]] kristiana [[Evanjelisma|evanjelika]] miorina amin' ny fanakarana ny hevitry ny [[Tantara]] araka ny [[Baiboly]] ka andinihana ny fomba ampiasan' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] amim-pahefana ny fanjakàny eto amin' izao tontolo izao mba hanatrarany ny tanjony. I [[John Nelson Darby]]<ref><small>John Nelson Darby (1800-1882) dia mpitoriteny ao amin’ny firehana kristiana ara-pilazantsara (evanjelika) tao amin’ny fikambanana atao hoe ''Plymouth Brethren'' tany Irlandy sy Britaina Lehibe ary mpanorina ny atao hoe ''Exclusive Brethren'' sady mpandika tenin’ny Baiboly amin’ny fiteny maro.</small></ref> no nandrafitra izany ho fampianarana tao amin' ny asasorany sady namelatra azy tao amin' ny hetsika ara-pilazantsara sy mpitazona ny rakitry ny ela, dia ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|Fiangonan' ny Mpirahalahy]] (anglisy: ''Plymouth Brethren''; frantsay: ''Assemblées des Frères'') izany, izay lasa nalaza noho ny fivoasana nataon' i Cyrus Scolfield<ref><small>I Cyrus Ingerson Scofield (1843-1921) dia teolojiana amerikana, pastora, kongregasionalista ary mpanorartra.</small></ref> <ref><small>Blaising, Craig A. et Darrell L. Bock, 1993, ''Progressive Dispensationalism''. Wheaton, IL: BridgePoint (<nowiki>ISBN 1-56476-138-X</nowiki>)</small></ref>.
Ny dispensasiônalisma dia manolotra fivoasana ny [[Apokalipsin'i Joany|Bokin' ny Apôkalipsy]], tsy toy ny fitantarana zavatra efa lasa ([[preterisma]]), fa amin' ny maha firesahana zavatra mbola ho avy azy<ref><small>Hasel, Gerhard, 1990, ''Crossroads in Prophetic Interpretation: Historicism versus Futurism'' (paper), Indianapolis, IN: World Ministers Council (July 3, 1990).</small></ref>. Hita ao amin' ireo [[Evanjelisma|fiangonana evanjelika]], indrindra ny ao [[Etazonia]], ny dispensasiônalisma, ka isan' izany ireo fikambanam-pinoana kristiana tsy miankina amin' ny fiangonana, ny [[Batisma|Fiangonana baptista]] sy ny [[Pentekôtisma|Fiangonana pentekôtista]] ary ireo fikambanam-panavaozana karismatika. Isan' ny manaiky ny fisian' ny atao hoe '''dispensasiôna''' na '''fotoam-pitantanana''' ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Olomasin' ny Andro Farany]]. Ny isan' ny Kristiana manaraka ny dispensasiônalisma ao Etazonia fotsiny dia 5 000 000<ref><small>Stephen Spector [http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.co.uk%2Fbooks%3Fid%3DFi8sJ6iOX_cC%26pg%3DPA188 "Evangelicals and Israel: The Story of American Christian Zionism"], [tahiry], p. 188.</small></ref> na 18 000 000-25 000 000<ref><small>[https://books.google.co.uk/books?id=huMlsCYyI5YC&pg=PT29#v=onepage&q&f=false "A Case for Historic Premillennialism"], edité par Craig L. Blomberg, Sung Wook Chung [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.co.uk%2Fbooks%3Fid%3DhuMlsCYyI5YC%26pg%3DPT29 tahiry]], p. 28</small></ref> na 40 000 000<ref name=":0"><small>[https://www.bibliquest.net/Auteurs_divers/Ryrie-Dispensationalisme.htm#TM3 «Le dispensationalisme - Hier et Aujourd'hui»] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.bibliquest.org%2FAuteurs_divers%2FRyrie-Dispensationalisme.htm%23TM3 tahiry]], Charles C. Ryrie, 1997.</small></ref>, arakaraka ireo mpanao tombana. Amin' ny ankapobeny dia mitsipaka ny dispensiônalisma ny fiangonana [[Prôtestantisma|prôtestanta]] maro hafa.
[[Sary:ScofieldCI.jpg|vignette|240x240px|I Cyrus Ingerson Scofield]]
== Foto-kevitra ==
=== Fanambaràna miseho miandalana ===
Miseho [[Fanambaràna miandalana|miandalana]] ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràn]]-tenan' Andriamanitra hatramin' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] ka hatramin' i [[Jesoa Kristy]]. Ny dispensasiôna (na fotoam-pitantanana) dia ahafahana mamaritra dingana miavaka tsara ao amin' ny fanambaràn-tenan' Andriamanitra. Ireo dingana ireo anefa tsy vanimpotoana fotsiny ao amin' ny fanambaràna ny fifanekem-pahasoavana, fa fitondrana miavaka tsara eo amin' ny fitarihan' Andriamanitra ny raharaha eto amin' izao tontolo izao.
Zavatra telo indrindra no iorenan' ny dispensasiônalisma:
* avahana tsara i Israely sy ny Fiangonana;
* tokony fivoasana ara-bakiteny no atao amin' ny [[Baiboly]];
* ny tanjona lehiben' Andriamanitra dia mikasika ny voninahiny irery ([[dôksôlôjia]]) sy ny [[famonjena]] ny olombelona ([[Sôteriôlôjia|sôteriolôjia]]).
=== Ireo dispensasiôna fito ===
Ny dispensasiôna dia fotoana isedrana ny olombelona arakaraka ny fankatoavany ny fomba iray miavaka isehoan' ny fanambaràna ny sitrapon' Andriamanitra<ref name=":0" />. Ny dispensasiônalisma dia mamaritra dingana (dispensasiôna) fito ao amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona ka ny dingana tsirairay dia miavaka noho ny karazam-pifandraisana misy eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona. Ireto avy izy ireo:
# Ny tsy fananan-tsinin' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] sy i [[Eva]] talohan' ny nahalavoany. Izany no atao hoe "Vanimpotoana adamika" na "Fanekem-pihavanana adamika" na "Lalàna adamika".
# Ny Feon' ny fieritreretan' ny olombelona: nanjary mpanota ny olombelona ka tokony hilaza ny zava-bitany amin' Andriamanitra: hatramin' ny fahalavoana ka hatramin' ny [[safodrano]].
# Ny Fitondram-panjakàn' olombelona: nanomboka tamin' ny safodrano dia nanome fandaminana ara-pôlitika ny olombelona Andriamanitra. Nifarana tamin' ny fiparitahan' ny olona avy tao amin' ny [[Tilikambon'i Babela|Tilikambon' i Babela]] izany. Atao hoe "Lalàna noahida" na "[[Lalàna fiton'i Noa|Lalàn' i Noa]]" koa izany.
# Ny Fanjakan' ny patriarka (na fampanantenana): Hatramin' i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] ka hatramin' i [[Mosesy]] (na Môizy), mampanantena fitahiana ho an' izay mino azy Andriamanitra. Atao hoe "Lalàna abrahamika" na "Fanekem-pihavanana abrahamika" koa izany.
# Ny Lalàna: hatramin' i Mosesy ka hatramin' ny fanomboana an' i Jesoa Kristy. Nanao fanekem-pihavanana tamin' i Israely Andriamanitra mba hahasoa azy sy hitahiana ny firenena rehetra. Nifarana tamin' ny fielezan' i Israely tamin' ny taona 70 taor. J.K. izany. Atao hoe "[[Lalàn'i Mosesy|Lalàn' i Mosesy]]" na "Lalàna môsaika" koa izany.
# Ny [[Fahasoavana (finoana)|Fahasoavana]]: mamela heloka tanteraka izay mino an' i [[Jesoa]] Andriamanitra. Hatramin' ny [[Fanomboana an'i Jesoa|fanomboana an' i Jesoa]] ka hatramin' ny [[Fampakarana ny fiangonana|hampakarana ny fiangonana]] any an-danitra izany. Hitranga aorian' izany ny "[[fahatezeran' Andriamanitra]]" izay hiseho koa amin' ny alalan' ny "[[fahoriana lehibe]]" (Apôk. 7.14). Atao hoe "Andron' ny fahasoavana" na "Andron' ny Fiangonana" izany vanimpotoana izany.
# Ny [[Premilenarisma|Fanjakana arivo taona]]: ho avy ka hanjaka mandritra ny [[Arivo taona (kristianisma)|1]] [[Arivo taona (kristianisma)|000 taona]] amim-piadanana eto an-tany ao [[Jerosalema]] i Jesoa. Hifarana amin' ny fitsaran' Andriamanitra izany.
Ny fiantombohan' ny dispensasiôna iray dia tsy voatery midika fiafaran' ny dispensasiôna eo alohany. Noho izany ny dispensasiônalisma dia mandray ny andalana tsirairay ao amin' ny Baiboly araka ny zava-nitranga ara-tantara manodidina azy sady tsy tokony ho raisina ara-bakiteny amin' ny vanimpotoana ankehitriny (vanimpotoan' ny fahasoavana) izany raha tsy hamarinin' ny [[foto-pampianarana]] kristiana voarakitra ao amin' ny [[Asan'ny Apôstôly|Asan' ny Apôstôly]] sy ao amin' ny [[Epistily]].
Araka izany fampianarana izany dia ho avy amin' ny [[andro farany]] i Kristy hiaraka amin' ny fambara maro mifanesy (fampakarana ny Fiangonana any an-danitra, adim-pirenena, fisehoan' ny fandaminana ara-pôlitika sy ara-toekarena vaovao, fahatongavan' ny [[Antikristy]], ady ao [[Hara-magedona|Haramagedona]]), ka hametraka ny fanjakam-piadanana mandritra ny 1 000 taona, alohan' ny hiavian' ny [[fitsarana farany]].
== Jereo koa ==
* [[Milenarisma]]
*[[Eskatôlôjia]]
*[[Restaorasionisma]]
* [[Teôlôjia kristiana]]
'''Teôlôjia isam-piangonana'''
* [[Teôlôjia katôlika]]
* [[Teôlôjia prôtestanta]]
* '''Teôlôjia dispensasiônalista'''
* [[Teôlôjian' ny anabatisma]]
* [[Teôlôjia ôrtôdôksa]]
* [[Teôlôjia evanjelika]]
* [[Teôlôjian' ny môrmônisma]]
== Loharano sy fanamarihana ==
p5f3u2richodjwpjbwt51uixv195dom
Fanomezan' ny Fanahy Masina
0
263411
1092626
1067251
2024-12-08T12:11:51Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092626
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina''' na '''fanomezan' ny Fanahy Masina''' dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny [[Fanahy Masina]]. Izany dia [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] avy amin' Andriamanitra izay ilain' ny Kristiana tsirairay sady nilain' ireo [[Apôstôly roa ambin'ny folo|Apôstôly]] koa tamin' ny andron' izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana. Raha amin' ny heviny mifintina, ny hoe "fanomezam-pahasoavana" dia voambolana teôlôjika ampiasaina hanondroana ny fahasoavana omena manokana ho an' ny Kristiana isam-batan' olona mba hahasoa ny hafa, ka tsy afangaro amin' ny fahasoavana izay manamasina ny Kristiana tsirairay izany, ka anisan' izany ny [[Fanomezam-pahasoavana fiton'ny Fanahy Masina|Fanomezam-pahasoavana fito avy amin' ny Fanahy Masina]] sy ny [[Vokatry ny Fanahy Masina]].
Ny fanomezan' ny Fanahy Masina mahazatra, izay atao hoe koa "Fanomezana karismatika sivy" dia ireto:
* ny tenin' ny fahendrena;
* ny tenin' ny fahalalana;
* ny fitomboan' ny finoana;
* ny fanomezana hanasitrana;
* ny fanomezana hanao fahagagana;
* ny faminaniana;
* ny fanavahana ny fanahy samihafa;
* ny fitenenana amin' ny fiteny maro;
* ny fandikan-teny.
Manampy azy ireo ny maha [[Apôstôly roa ambin' ny folo|apôstôly]], ny maha [[mpaminany]], ny maha mpampianatra, ny fanampiana ny mahantra sy ny marary ary ny fahaiza-mitondra sy mitantana (ity dia miaraka amin' ny raharaha sasany tanterahina ao am-piangonana).
Ireo fanomezana ireo dia avy amin' ny Fanahy Masina ka atolony ny isam-batan' olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana|Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana]] (1Kôr. 12:8-10; 12:28), ao amin' ny [[Epistily ho an'ny Romana|Epistily ho an' ny Rômana]] (Rôm. 12:6-8) ary ao amin' ny [[Epistily ho an'ny Efesiana|Epistily ho an' ny Efesiana]] (Efes. 4:11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny [[Epistily voalohany nosoratan'i Petera|Epistily voalohany nosoratan' i Petera]] (1Pet. 4).
Ireo fanomezana ireo dia mifandray amin' ny fahaizana voajanahary sy ny fahaizana mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina.
Misy roa lehibe ny fiheverana ny amin' ny fanomezan' ny Fanahy Masina: ao ireo milaza fa efa tapitra ka tsy misy intsony izany ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''cessationism'') ary ao koa ireo manambara fa mbola mitohy ny fisian' izany (anglisy: ''continuationism'').
Maro ny fikambanana sy ny fihetsiketsehana nandray anjara tamin' ny fanomezan-danja ny fanomezan' ny Fanahy Masina ka ny andiany voalohany dia ny [[pentekôtisma]] tamin' ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]] tamin' ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny [[hetsika karismatika vaovao]] tamin' ny taona 1980.
== Jereo koa ==
* [[Pentekôsta]]
* [[Fanahy Masina]]
*[[Fanomezana fiton' ny Fanahy Masina]]
*[[Vokatry ny Fanahy Masina]]
qt46pih85u1jvfqpq4xg5rvkym2kgqc
1092641
1092626
2024-12-08T12:50:00Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092641
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina''' na '''fanomezan' ny Fanahy Masina''' dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny [[Fanahy Masina]]. Izany dia [[Fahasoavana (kristianisma)|fahasoavana]] avy amin' Andriamanitra izay ilain' ny Kristiana tsirairay sady nilain' ireo [[Apôstôly roa ambin'ny folo|Apôstôly]] koa tamin' ny andron' izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana. Raha amin' ny heviny mifintina, ny hoe "fanomezam-pahasoavana" dia voambolana teôlôjika ampiasaina hanondroana ny fahasoavana omena manokana ho an' ny Kristiana isam-batan' olona mba hahasoa ny hafa, ka tsy afangaro amin' ny fahasoavana izay manamasina ny Kristiana tsirairay izany, ka anisan' izany ny [[Fanomezam-pahasoavana fiton'ny Fanahy Masina|Fanomezam-pahasoavana fito avy amin' ny Fanahy Masina]] sy ny [[Vokatry ny Fanahy Masina]].
Ny fanomezan' ny Fanahy Masina mahazatra, izay atao hoe koa "Fanomezana karismatika sivy" dia ireto:
* ny tenin' ny fahendrena;
* ny tenin' ny fahalalana;
* ny fitomboan' ny finoana;
* ny fanomezana hanasitrana;
* ny fanomezana hanao fahagagana;
* ny faminaniana;
* ny fanavahana ny fanahy samihafa;
* ny fitenenana amin' ny fiteny maro;
* ny fandikan-teny.
Manampy azy ireo ny maha [[Apôstôly roa ambin' ny folo|apôstôly]], ny maha [[mpaminany]], ny maha mpampianatra, ny fanampiana ny mahantra sy ny marary ary ny fahaiza-mitondra sy mitantana (ity dia miaraka amin' ny raharaha sasany tanterahina ao am-piangonana).
Ireo fanomezana ireo dia avy amin' ny Fanahy Masina ka atolony ny isam-batan' olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana|Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana]] (1Kôr. 12:8-10; 12:28), ao amin' ny [[Epistily ho an'ny Romana|Epistily ho an' ny Rômana]] (Rôm. 12:6-8) ary ao amin' ny [[Epistily ho an'ny Efesiana|Epistily ho an' ny Efesiana]] (Efes. 4:11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny [[Epistily voalohany nosoratan'i Petera|Epistily voalohany nosoratan' i Petera]] (1Pet. 4).
Ireo fanomezana ireo dia mifandray amin' ny fahaizana voajanahary sy ny fahaizana mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina.
Misy roa lehibe ny fiheverana ny amin' ny fanomezan' ny Fanahy Masina: ao ireo milaza fa efa tapitra ka tsy misy intsony izany ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''cessationism'') ary ao koa ireo manambara fa mbola mitohy ny fisian' izany (anglisy: ''continuationism'').
Maro ny fikambanana sy ny hetsika nandray anjara tamin' ny fanomezan-danja ny fanomezan' ny Fanahy Masina ka ny andiany voalohany dia ny [[pentekôtisma]] tamin' ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny [[Kristianisma karismatika|hetsika karismatika]] tamin' ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny [[hetsika karismatika vaovao]] tamin' ny taona 1980.
== Jereo koa ==
* [[Pentekôsta]]
* [[Fanahy Masina]]
*[[Fanomezana fiton' ny Fanahy Masina]]
*[[Vokatry ny Fanahy Masina]]
8hq5c69ycsvmub8rkp5yst77xpxbpvw
Bôgômilisma
0
265849
1092630
1092616
2024-12-08T12:20:32Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092630
wikitext
text/x-wiki
Ny '''bôgômilisma''' dia hetsika kristiana tsy nanaraka ny fampianaran' ny Fiangonana ofisialy, niforona tamin' ny taonjato faha-10, izay efa tsy misy intsony ankehitriny, nanorina ny fampianarany amin' ny lamin-kevitra [[Manikeisma|manikeana]] izay mampifanohitra ny Fahazavana (na ny [[Tsara]]) amin'ny Haizina (na ny [[Ratsy]]), sady naka ampaham-pampianarana tao amin' ny [[Filazantsara|Evanjeli]]<nowiki/>n'ny [[Testamenta Vaovao]] ka tsy manaiky ny [[Testamenta Taloha]] afa-tsy ny [[Bokin'ny Salamo]] sy ny [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|bokin' ny mpaminany]]. Ny Bôgômila dia nihevitra fa ny [[Famoronana (araka ny Baiboly)|famoronana]], izay heveriny fa ratsy, dia asan' ilay Andriamanitra maizina, ka tsy nandray anjara tamin' izany ilay Andriamanitra tsara. Nifanohitra tamin' ny Fiangonana ôfisialy ny bôgômilisma, manao fifehezan-tena hentitra izy ireo, mitsipaka ny fampiasana sary (toy ny fivavahana amin' ny lakroa indrindraindrindra) ary tsy mila [[tempoly]], mandà ny [[sakramenta]] telo (ny [[batisa]] sy ny [[eokaristia]] ary ny [[Sakramentan'ny fanambadiana|fanambadiana]]).
Avy amin' ny anaran' ny [[pretra]] bolgara atao hoe ''Bogomil'' (izay midika hoe "sakaizan' Andriamanitra") io anarana io.
Nandroso tao [[Bolgaria]] sy tao [[Serbia]] ary tao [[Bôsnia]] ny bôgômilisma sady nisy vokany koa tao amin' ny kolontsain' ny olona tao amin' ireo [[Balkana]]. Tsy mazava tsara ny fandraisan' ny emperora bizantina ny bôgômilisma satria indraindray manameloka azy indraindray mampiasa azy amin' ny tombontsoany. Ny fiheverana [[Gnôstisisma|gnôstika]] kristiana sy ny [[manikeisma]] no niantraika tamin' io hetsika io, ka izany no niheveran' ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa azy ho [[fampianaran-diso]] na finoan-diso (herezia) nezahin' izy ireo nofoanana amin-kerisetra. Ny bôgômilisma no heverin' ny mpikaroka sasany fa mety nakan' ny [[katarisma]] ny ampahany amin' ny fampianarany. Ankoatra izany, mety ny [[Paolisianisma|Paolisiana]] izay niova firenena na noroahina avy any [[Armenia]] (Torkia Atsinanana ankehitriny) mankany Balkana tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-9 no nampita ny fampianarana bôgômila.
== Jereo koa ==
* [[Doalisma (finoana)|Doalisma]]
*[[Katarisma]]
*[[Gnôstisisma]]
*[[Markiônisma]]
*[[Paolisianisma]].
mqyjuxtpav0ao87l5q89tu1cic9jozo
Fivavahana iraniana
0
278159
1092645
1056279
2024-12-08T13:04:14Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092645
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fivavahana iraniana''' dia [[fivavahana]] efa nisy hatramin' ny ela talohan' ny nidiran' ny [[Finoana silamo|fivavahana silamo]] tany [[Iràna Lehibe]] sy ireo fivavahana nipoitra avy amin' izy ireo na avy amin' ny fampifangaroana azy amin' ny fivavahana vahiny. Ankehitriny dia olom-bitsy no manaraka ireo fivavahana ireo raha mitaha amin' ny fivavahana hafa toy ny [[kristianisma]] sy ny [[silamo]]. Ireto ny malaza amin' ireo fivavahana ireo: ny [[zôrôastrisma]], ny [[zervanisma]], ny [[mandeisma]], ny [[Mitraisma|fivavahana amin' i Mitra]] ary ny [[manikeisma]].
Ny finoana sy ny asa ary ny zava-mitranga ara-kolontsaina teo amin' ireo Iraniana tao Iràna tamin' ny [[Andro Taloha]] dia lohahevitra sarotra tsorina. Ny Ntaolo iraniana dia vondrom-poko ariana sy tsy ariana. Ny [[Ariana (vahoaka)|Ariana]], izay atao hoe Ntaolo iraniana, dia nivavaka tamin' ny zava-misy eo amin' ny zavaboary toy ny masoandro sy ny hazavan' ny masoandro ary ny varatra, nefa afaka niova ho amin' ny fivavahana amin' andriamanitra tokana izy ireo nefa tsy manao ny andriamanitra hafa ho tsy andriamanitra na dia tsy nivavahany aza ([[henôteisma]] / [[mônôlatria]]). I [[Zaratostra]] (na Zôrôastra), ilay mpaminany iraniana fahiny, dia nanavao ny finoana ara-pivavahana iraniana ho henôteisma (misy koa ny milaza hoe [[mônôteisma]]).
== Fivavahana iraniana niforona tamin' ny Andro Taloha ==
=== Ny fivavahan' ny vahoaka prôtô-indô-iraniana ===
Ny fivavahan' ny vahoaka nipoiran' ny [[Indô-iraniana (vahoaka)|Indô-iraniana]] no nivoatra ho amin' ny fivavahan' ny [[Iranianina (vahoaka)|vahoaka iraniana]] taty aoriana. Io fivavahana io ihany koa no nanako teo amin' ny fivoaran' ireo [[fivavahana indiana]].
=== Ny fivavahan' ny Skitiana ===
Ny [[Skitiana]] na Skita na Sita dia vondrom-poko indô-eorôpeana tao [[Eorazia]] izay mpifindrafindra monina sady miteny amin' ny [[fiteny iraniana]] (dia ny [[fiteny skitiana]] na firteny sita). Any [[Azia Afovoany]] no fiavian' ny Skitiana. Nahatratra ny fara tampon' ny heriny izy ireo teo anelanelan' ny taonjato faha-7 tal. J.K. sy ny fotoana niafaran' ny [[Andro Taloha]], indrindra tao amin' ny faritra anjakan' ny zavamaniry fohy ao Eorazia afovoany, izay faritra midadasika hatrany [[Okraina]] ka hatrany [[Altai]], mamakivaky an' i [[Rosia]] sy an' i [[Kazakstàna|Kazaksatàna]] ankehitriny.
Ny [[Fivavahana skitiana|fivavahan' ny Skitiana]] no nialoha sady fiavian' ny fivavahana atao hoe [[Oatsdina (fivavahana)|oatsdina]] ankehitriny. Fitambarana fombafomba sy finoana izay nanjaka tao [[Azia Afovoany]] sy tao [[Eorôpa Atsinanana]] nandritra ny [[Andro Taloha]] izany. Nifandray tamin' ny fivavahan' ny Prôtô-indô-iraniana ny fivavahan' ny Skitiana. Taty aoriana dia nisy akony teo amin' ny fivavahana sy ny [[fedrà]] [[Slava (vahoaka)|slava]] sy [[Hôngria|hongariana]] ary [[torka]] izany fivavahana izany. Nisy akony teo amin' ny fomba amam-panaon' ny Iraniana tatsinana sy ny an' ny [[Ôsetiana (vahoaka)|Ôsetiana]] koa io fivavahana io.
=== Ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana [[Monoteisma|mônôteista]] naorin' i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra na Zôrôastera) tany [[Persia]] tany amin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. ka i [[Ahora Mazda]] (''Ahura Mazda'') no anaran' ny andriamaniny. Manindry mafy ny fifanoheran' ny herin' ny [[tsara]] amin' ny herin' ny [[ratsy]] ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]) i Zaratostra nefa tsy mitory fisian' andriamanitra roa mifanohitra. Fivavahana efa nisy talohan' ny [[kristianisma]] sy ny [[Finoana silamo|silamo]] sady niara-nisy tamin' ny [[jodaisma]] tamin' ny fotoan' ny [[Fahababoana tany Babilona|fahababoan' ny Jiosy]] tany Babilôna ny zôrôastrisma.
=== Ny zervanisma ===
Tany [[Persia]] tamin' ny andron' ny [[Akemenida]] no nipoiran' ny [[zervanisma]] (na zorvanisma), avy amin' ny anaran' ny zavatra inoany atao hoe Zorvana na Zervana, ary heverina fa nisy talohan' ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin' ny fampianarany, indrindra ny [[doalisma]]. Ny zervanisma tamin' ny vanimpotoan' ny [[Akemenida|Empira Akemenida]], izay manana firehana doalista [[Mônisma|mônista]], izay nitohy tamin' ny andron' ny [[Empira Sasanida]]. I Zorvàna dia hevitra fa tsy andriamanitra, foto-javatra tsy voafaritra.
=== Ny mandeisma ===
Ny [[mandeisma]] dia [[fivavahana abrahamika]], batista (manao batisa), mônôteista ary [[Gnostisisma|gnôstika]]. Fototry ny fampianaran' ny mandeisma ny fifanoheram-poto-javatra roa (doalisma) izay ahitana ny "tontolo ambony" sy ny "tontolo ambany", ny "toeran' ny fahazavana" sy ny "toeran' ny haizina", izay tsy misakana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] hiditra an-tsehatra amin' ny famoronana. Izany famoronana izany dia notohizan' ny asa maharitra ataon' Andriamanitra sy ny fanambaràna amin' ny alalan' ny "Iraky ny lanitra". Araka ny lovantsofina mandeana dia i [[Joany mpanao batisa]] izany iraka izany sady mpaminany lehibe ho an' izy ireo. Ny Mandeana dia mitsaoka an' i [[Adama (Baiboly)|Adama]], an' i [[Abela]], an' i [[Seta]], an' i [[Henôka]], an' i [[Nôa]], an' i [[Sema]], an' i [[Arama (olona)|Arama]] ary indrindra an' i Joany mpanao batisa. Niadian-kevitra ny mety ho fifandraisan' ny mandeisma sy ny kristianisma tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.
=== Ny fivavahana amin' i Mitra ===
Ny fivavahana amin' i [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] (''Mithra'') antsoina hoe [[mitraisma]] dia fivavahana misy zava-miafina. Ny mitraisma dia fivavahana tokony niseho tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia. Nivavahana tao amin' ny [[Empira Rômana]] izy io tamin' ny taonjato voalohany hatramin' ny faha-4 taor. J.K. Na dia izany aza dia mampiady hevitra ny mpikaroka ny fifandraisan' ny fivavahana amin' i Mitra tao Persia sy ny tao amin' ny Empira Rômana.
=== Ny manikeisma ===
Ny [[manikeisma]], izay fivavahana naorin' ilay Persiana atao hoe Manỳ (na Manika) tamin' ny taonjato faha-3, dia fivavahana mino ny fifamenoan' ny andriamanitra roa mifanohitra, izay mety nisy akony teo amin' ny [[mandeisma]]. Fifangaroan' ny [[Zoroastrisma|zôrôastrisma]] sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]] ny manikeisma ([[sinkretisma]]). Nandray zavatra be dia be tamin' ny [[gnôstisisma]] ny manikeisma. Ny ivon' ny fampianarany dia ny fizaràny izao rehetra izao ho roa ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]), ahitana ny fanjakan' ny [[Tsara]] (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan' ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i [[Satana]]. Mampianatra ny fisian' ny atao amin' ny teny persiana hoe ''Pīd ī Wuzurgīh'' ("Rain' ny Fahalehibeazana") ([[Fiteny arameana|arameana]]: ''Abbā dəRabbūṯā'') sady manaja azy amin' ny maha andriamanitry ny fahazavana ambony indrindra azy ny manikeisma.
=== Ny mazdakisma ===
Ny [[mazdakisma]] dia fivavahana [[Gnôstisisma|gnôstika]] izay niavaka tamin' ny fanafoanany ny fananan-tsamirery fa nanandratra ny fananana iombonana (mpialoha lalana ny [[kômonisma]]), izay niseho tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-5 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-6. Nipoitra avy tamin' ny zôrôastrisma ny mazdakisma. Avy amin' ny anaran' ilay mpiaro azy io anarana io, dia i Mazdaka (''Mazdak'').
=== Ny iazdanisma ===
Ny [[iazdanisma]] dia fivavahana mônôteista efa nisy taloha, manao fanompoam-pivavahana amin' ny [[anjely]] (''iazdâny''), izay narahin' ny [[Korda (vahoaka)|Korda]] talohan' ny niitaran' ny tany fehezin' ny [[Arabo (olona)|Arabo]] tamin' ny taonjato faha-7 sy talohan' ny nanovana azy ireo ho [[Miozolmana]]. Ny iazdanisma dia mampianatra ny fahaterahan' ny zavamananaina indray miaraka amin' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahin]]' ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin' ny finoan' ny [[hindoisma]], ary mino ny anjely fito izay miaro an' izao tontolo izao amin' ny [[devoly]] na [[demony]] fito.
=== Ny iazidisma ===
Ny [[iazidisma]], na iezidisma na fivavahana amin' ny anjely fito, dia fivavahana amin' andriamanitra tokana, ao amin' ny fianakaviambe ara-pivavahana iezidy, izay lazain' ireo mpino ao aminy ho nipoitra avy ao [[Iràna Lehibe|Iràna]] taloha. Heverina ho isan' ny [[fivavahana abrahamika]] ny iazidisma.
== Fivavahana iraniana niforona tamin' ny Andro Antenatenany ==
Ny sasany amin' ny mpitondra fivavahana dia nanao fampianarana mifangarogaro ([[sinkretisma]]) ny [[finoana silamo]] sy ny fivavahana teo an-toerana toy ny paganisma iraniana, ny [[zorvanisma]], ny [[manikeisma]] ary ny [[Zôrôastrisma|zôrôastrianisma]].
=== Ny mistika persiana ===
Ny vanim-potoana silamo tany am-boalohany dia nahita ny fivoaran' ny [[mistika persiana]], izay fandikana nentim-paharazana ny fisiana sy ny fiainana ary ny fitiavana miaraka amin' ny [[mônôteisma]] [[Sofisma (silamo)|sofy]] persiana ho lafiny azo ampiharina. Ity fivoarana ity dia nino ny fahitana mivantana ny fahamarinana ara-panahy (Andriamanitra), amin' ny alàlan' ny fanao mistika mifototra amin' ny fitiavana avy amin' Andriamanitra.
=== Ny koramita ===
Ny [[koramita]], izay hetsika ara-pivavahana sy ara-pôlitika tamin' ny taonjato faha-9 niorina tamin' ny fampianaran' i Sunpadh tamin' ny taonjato faha-8, izay nitory fampianaram-pinoana maka singa avy amin' ny [[silamo siita]] sy ny [[zôrôastrisma]]. Rehefa teo ambany fitarihan' i Babak Khorramdin ilay fihetsiketsehana dia nikatsaka ny hizarana indray ny harem-pirenena sy hanafoana ny fivavahana silamo.
=== Ny behafaridiana ===
Ny [[behafaridiana]] dia hetsika ara-pivavahana tamin' ny taonjato faha-8 nanodidina ny mpaminany Behafarid. Na dia heverina ho niorim-paka tao amin' ny zôrôastrisma aza ilay hetsika, dia novonoina ho faty noho ny fiampangana (nataon' ny Zôrôastriana) i Behafarid sy ny mpanara-dia azy fa manimba ny zôrôastrisma sy ny silamo.
=== Ny iarsanisma ===
Ny [[iarsanisma]] dia fivavahana naorin' ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-14 tao [[Iràna]] Andrefana. Heverina ho sampan' ny [[iazdanisma]] ny iarsanisma. Hatramin' izay nisiany ka hatramin' ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin' ny fianakaviambe [[Korda (vahoaka)|korda]] ihany sy amin' ireo olona teraka ao amin' io fianakaviambe io ny finona iarsany. Ao Iràna Andrefana sy ao [[Iràka]] no tena ahitana azy ireo.
== Fivavahana iraniana vao niforona ankehitriny ==
=== Ny asianisma ===
Ny [[asianisma]] na oatsdina dia [[paganisma]] môderina mifototra amin' ny fivavahana ara-poko nentin-drazana an' ny [[Ôsetiana (vahoaka)|Ôsetiana]], taranaky ny [[Skitiana]] (na Sita), izay heverina ho fitohizan' ny [[fivavahana skitiana]] fahiny. Nanomboka novelomina tamin' ny fomba voasaina sy voalamina izy io tamin' ny taona 1980. Ny "Tantaran' ireo Nart" no ivon' ny fivavahana, ary ny mpomba ny hetsika dia naka mpanadihady lahatsoratra ara-teôlôjia avy amin' izy ireo.
=== Ny rôsania ===
Ny [[hetsika rôsania]] dia fampianarana mônôteista, [[Milenarisma|milenarista]], tao amin' ny [[Sofisma (silamo)|sofisma]] nataon' i Bayazid Ansari na Pir Roshan, tamin' ny tapaky ny taonjato faha-16 ary nipoitra teo anivon' ireo [[Afghàna (vahoaka)|foko afghàna]]. Niaro ny fiitsipi-pitondran-tena sy foto-kevitra mampitovy zo izy. Nanakoako teo amin' ireo foko afridy, ôrakzay, kalily, môhmandy ary bangasy any [[Afganistàna]] ny fampianarany.
=== Ny babisma ===
Ny [[babisma]] dia fihetseketsehana ara-pivavahana mpitondra fanitsiana sy [[Milenarisma|milenarista]] naorin' ny mpivarotra iray atao hoe Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī (1819-1850) tao amin' ny tanànan' i [[Shiraz]] ao [[Iràna]] tamin' ny 23 Mey 1844. Firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' ny sampana [[Siisma|siita]], izay manao fampianarana mifanohitra amin' ny [[Silamo|fivavahana silamo]] be mpanaraka ny babisma. Amin' ny fanambaràn' ny Bāb dia fisehoan' Andriamanitra avokoa ny [[mpaminany]] rehetra ary izy tenany dia mitovy amin' i [[Mohamady]]. Faniratsirana ny fivavahana silamo izany amin' ny Miozolmana. Ny mpitondra fivavahana siita niaraka amin' ny governemanta persana dia nanenjika amin-kabibiana ny mpanaraka ny finoana baby an' arivony maro. Tsy misy afa-tsy vitsivitsy ankehitriny sisa amin' ny mpianatr' i Bāb. Ao [[Iràna]] sy ao [[Ozbekistàna]] no tena ahitana azy ireo nefa sarotra ny mahalala ny tena isany, satria manafina ny tena fivavahany izy ireo.
=== Ny bahaisma ===
Ny [[bahaisma]] dia finoana [[Finoana abrahamika|abrahamika]] naorin' i [[Baháʼu'lláh|Baha'u'llah]] (teraka tao amin' ny faritanin' i Mazanderan any Iràna tamin' ny taona 1817) tamin' ny taona 1863. Fivavahana [[Mônôteisma|mônôteista]] ny finoana bahay. Mandala ny maha tokana an' Andriamanitra ny Bahay. Any [[Haifa]] any [[Isiraely|Israely]] no foibe fara tampony. Manaiky ny maha tena izy ny ankamaroan' ny fivavahana manerana izao tontolo izao ny Bahay, ka ny mpanorina ireo fivavahana ireo na ny olona manan-danja indrindra tao amin' ireo fivavahana ireo dia heveriny ho "fisehoan' Andriamanitra": i [[Mosesy]] (na Môizy), i [[Jesoa]] (na Jesosy), i [[Mohamady]], i [[Krishna]], i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra) ary i [[Bodà]] (Buddha).
== Jereo koa ==
'''Vahoaka sy faritra ary fiteny'''
* [[Vahoaka iraniana]]
* [[Fiteny iraniana]]
* [[Iràna Lehibe]]
* [[Persia]]
'''Fivavahana'''
* [[Finoana abrahamika|Fivavahana abrahamika]]
* [[Fivavahan-drazana afrikana]]
* [[Fivavahana darmika]]
*[[Fivavahana any Azia Atsinanana|Fivavahana taôika]]
nr2ec6plel93z5i9ssa8amx9yh1ckiz
1092651
1092645
2024-12-08T13:19:44Z
Thelezifor
15140
/* Ny koramita */ Nanitsy tsipelina

Ny [[koramita]], izay hetsika ara-pivavahana sy ara-pôlitika tamin' ny taonjato faha-9 niorina tamin' ny fampianaran' i Sunpadh tamin' ny taonjato faha-8, izay nitory fampianaram-pinoana maka singa avy amin' ny [[silamo siita]] sy ny [[zôrôastrisma]]. Rehefa teo ambany fitarihan' i Babak Khorramdin ilay hetsika dia nikatsaka ny hizarana indray ny harem-pirenena sy hanafoana ny fivavahana silamo.
=== Ny behafaridiana ===
Ny [[behafaridiana]] dia hetsika ara-pivavahana tamin' ny taonjato faha-8 nanodidina ny mpaminany Behafarid. Na dia heverina ho niorim-paka tao amin' ny zôrôastrisma aza ilay hetsika, dia novonoina ho faty noho ny fiampangana (nataon' ny Zôrôastriana) i Behafarid sy ny mpanara-dia azy fa manimba ny zôrôastrisma sy ny silamo.
=== Ny iarsanisma ===
Ny [[iarsanisma]] dia fivavahana naorin' ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-14 tao [[Iràna]] Andrefana. Heverina ho sampan' ny [[iazdanisma]] ny iarsanisma. Hatramin' izay nisiany ka hatramin' ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin' ny fianakaviambe [[Korda (vahoaka)|korda]] ihany sy amin' ireo olona teraka ao amin' io fianakaviambe io ny finona iarsany. Ao Iràna Andrefana sy ao [[Iràka]] no tena ahitana azy ireo.
== Fivavahana iraniana vao niforona ankehitriny ==
=== Ny asianisma ===
Ny [[asianisma]] na oatsdina dia [[paganisma]] môderina mifototra amin' ny fivavahana ara-poko nentin-drazana an' ny [[Ôsetiana (vahoaka)|Ôsetiana]], taranaky ny [[Skitiana]] (na Sita), izay heverina ho fitohizan' ny [[fivavahana skitiana]] fahiny. Nanomboka novelomina tamin' ny fomba voasaina sy voalamina izy io tamin' ny taona 1980. Ny "Tantaran' ireo Nart" no ivon' ny fivavahana, ary ny mpomba ny hetsika dia naka mpanadihady lahatsoratra ara-teôlôjia avy amin' izy ireo.
=== Ny rôsania ===
Ny [[hetsika rôsania]] dia fampianarana mônôteista, [[Milenarisma|milenarista]], tao amin' ny [[Sofisma (silamo)|sofisma]] nataon' i Bayazid Ansari na Pir Roshan, tamin' ny tapaky ny taonjato faha-16 ary nipoitra teo anivon' ireo [[Afghàna (vahoaka)|foko afghàna]]. Niaro ny fiitsipi-pitondran-tena sy foto-kevitra mampitovy zo izy. Nanakoako teo amin' ireo foko afridy, ôrakzay, kalily, môhmandy ary bangasy any [[Afganistàna]] ny fampianarany.
=== Ny babisma ===
Ny [[babisma]] dia fihetseketsehana ara-pivavahana mpitondra fanitsiana sy [[Milenarisma|milenarista]] naorin' ny mpivarotra iray atao hoe Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī (1819-1850) tao amin' ny tanànan' i [[Shiraz]] ao [[Iràna]] tamin' ny 23 Mey 1844. Firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' ny sampana [[Siisma|siita]], izay manao fampianarana mifanohitra amin' ny [[Silamo|fivavahana silamo]] be mpanaraka ny babisma. Amin' ny fanambaràn' ny Bāb dia fisehoan' Andriamanitra avokoa ny [[mpaminany]] rehetra ary izy tenany dia mitovy amin' i [[Mohamady]]. Faniratsirana ny fivavahana silamo izany amin' ny Miozolmana. Ny mpitondra fivavahana siita niaraka amin' ny governemanta persana dia nanenjika amin-kabibiana ny mpanaraka ny finoana baby an' arivony maro. Tsy misy afa-tsy vitsivitsy ankehitriny sisa amin' ny mpianatr' i Bāb. Ao [[Iràna]] sy ao [[Ozbekistàna]] no tena ahitana azy ireo nefa sarotra ny mahalala ny tena isany, satria manafina ny tena fivavahany izy ireo.
=== Ny bahaisma ===
Ny [[bahaisma]] dia finoana [[Finoana abrahamika|abrahamika]] naorin' i [[Baháʼu'lláh|Baha'u'llah]] (teraka tao amin' ny faritanin' i Mazanderan any Iràna tamin' ny taona 1817) tamin' ny taona 1863. Fivavahana [[Mônôteisma|mônôteista]] ny finoana bahay. Mandala ny maha tokana an' Andriamanitra ny Bahay. Any [[Haifa]] any [[Isiraely|Israely]] no foibe fara tampony. Manaiky ny maha tena izy ny ankamaroan' ny fivavahana manerana izao tontolo izao ny Bahay, ka ny mpanorina ireo fivavahana ireo na ny olona manan-danja indrindra tao amin' ireo fivavahana ireo dia heveriny ho "fisehoan' Andriamanitra": i [[Mosesy]] (na Môizy), i [[Jesoa]] (na Jesosy), i [[Mohamady]], i [[Krishna]], i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra) ary i [[Bodà]] (Buddha).
== Jereo koa ==
'''Vahoaka sy faritra ary fiteny'''
* [[Vahoaka iraniana]]
* [[Fiteny iraniana]]
* [[Iràna Lehibe]]
* [[Persia]]
'''Fivavahana'''
* [[Finoana abrahamika|Fivavahana abrahamika]]
* [[Fivavahan-drazana afrikana]]
* [[Fivavahana darmika]]
*[[Fivavahana any Azia Atsinanana|Fivavahana taôika]]
gvn66vvtzthyi4qvmanl3bwwqs5f9ln
Sinkretisma
0
278284
1092633
1039029
2024-12-08T12:29:31Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092633
wikitext
text/x-wiki
Ny '''sinkretisma''' na '''senkretisma''' dia fifangaroan' ny fomban-javatra roa na maro, indrindra ny fifangaron' ny [[fivavahana]] roa na maro, izay heverina fa tokony tsy hifangaro.
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''sinkretisma'' na ''senkretisma'' dia avy amin' ny [[teny grika]] hoe συγκρητισμός / ''sunkrêtismós'' izay midika tany am-boalohany hoe "firaisan' i Kreta" na "firaisan' ny Kretôsy" (i [[Kreta]] na [[Kretôsy]] dia nosy ao amin' ny [[Ranomasina Mediteranea]]): fanakambanana ny tafika amin' ny ady izany. Niitatra ivelan' ny resaka adin' ny tafika izany ka nahazo koa ny ny [[foto-pampianarana]] sy ny [[fivavahana]] izay tena ampiasana io teny io.
== Ny sinkretisma eo amin' ny fivavahana ==
Ny teny hoe ''sinkretisma'' na ''senkretisma'' izay matetika adika amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] hoe "fampirafesam-pinoana" na "fampiharoharoana fivavahana" dia ilazana ny fivavahana mahaleo tena izay niforona vokatry ny fampifangaroana singa maro avy amin' ny fivavahana samihafa. Ny [[foto-pampianarana]] na ny fanaon' izany fivavahana izany dia fifangaroan-tsinga avy amin' ny finoana samihafa.
=== Ny sinkretisma teo amin' ny tantaran' ny fivavahana ===
Ny sinkretisma dia efa hita tamin' ny [[Andro Taloha]]. Ao amin' ny [[Baiboly]] dia ahitana firesahana ny amin' ny fampiharoharoana fivavahana teo amin' ny vahoakan' i [[Israelita|Israely]] tamin' ny andron' i [[Hôsea (mpanjakan'i Israely)|Hôsea]] mpanjakan' i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]] (jereo: [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|2Mpanj]]. 17) izay nahitana ny fampifangaroana ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàn' i Mosesy]] (na Lalàn' i Môizy) amin' ny an' ny vahoaka hafa izay nanaovana sesitany azy ireo (2Mpanj. 17.33).
Ny Rômana tamin' ny Andro Taloha dia nampiditra ireo [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] ivavahan' ny vahoakan' ny firenena voababony tao amin' ny fianakaviamben' ny andriamanitra rômana, mba tsy hisian' ny fanoherana ara-pivavahana tao amin' ireo vahoaka [[Pôliteisma|mivavaka amin' andriamanitra maro]].
Sahala amin' izany koa ny zava-niseho tamin' ny nampidiran' ny misionera ny fivavahana kristiana tany [[Amerika Atsimo]]. Nanova ny finoan' ny ankamaroan' ny mponina tany ireo misiônera ireo nefa nanao toy nataon' ny [[Samaritana]] tamin' ny Andro Taloha izay tsy namela ny fivavahan-drazany. Tao [[Brezily]] dia maro ny Kristiana izay manohy manatanteraka ny [[fivavahana vôdo]] sady mankalaza fety ho an' ny andriamanitra maro nivavahan' ny razany taloha toa ilay andriamanibavy Iemanja.
Amin' izao andro ankehitriny izao dia heverin' ny mpitondra fivavahana katôlika tao [[Vatikana]] sasany fa sinkretisma ny fihaonana izay atao hoe "fihaonana tao Assise" tamin' ny taona 1986 na dia tsy izany no fikendren' ny mpikarakara izany fihaonana izany.
Ny fivavahana tamin' ny Andro Taloha dia nanjakan' ny fampifangaroana finoana ka sarotra ny hahafantarana hoe ny an' iza no nandray ny an' iza. Ny fivavahana amin' i [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] izay nafangaro tamin' i [[Apôlôna (andriamanitra)|Apôlôna]] tao amin' ny fiakaviamben' ny andriamanitra tao [[Rôma Taloha|Rôma]].
=== Ny sinkretisma amin' izao fotoana izao ===
Maro ny fivavahana izay lazaina fa sinktretista ankehitriny. Anisan' izany ny [[sikisma]] izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny [[hindoisma]] sy ny [[fivavahana silamo]].
Ny fiarahan' ny [[bodisma]] sy [[sintoisma]] ao [[Japàna]] hatramin' ny taonjato faha-8 dia ohatra mazava momba ny sikretisma izay mbola hita ankehitriny, izay atao hoe ''shinbutsu shūgō''. Tamin' ny taona 2005 dia niisa 107 tapitrisa ny Sintoista (84 %n' ny vahoaka japôney) ary 91 tapitrisa ny Bodista (71 %n' ny vahoaka japôney). Ny ankamaroan' ny Japôney dia mankalaza raharaham-panambadiana sy fahaterahana araka ny fomba sintoista fa ny fandevenana kosa araka ny fomba bodista. Ankoatra izay dia matetika ahitana fitoerana masina sinto ny tempoly bodista ary ahitana alitara (ôtely) bodista ny ao amin' ny fitoerana masina sinto ao Japàna
Ahitana toe-javatra sahala amin' izany ny ao [[Indônezia]] izay ahitana olona mpanaraka ny fivavahan-dehibe, toy ny bodisma sy ny kristianisma sy ny hindoisma ary ny silamo, izay manaraka ny fomba sy ny finoan' ny [[Fivavahan-drazana|fivavahan-drazany]].
Ny [[kaôdaisma]] any [[Vietnamy]] dia fivavahana mifangaro koa, sahala amin' ny fifangaroan' ny [[vôdo]] amin' ny kristianisma ao amin' ny firenena maro ao [[Afrika]] sy any [[Haitỳ|Haity]]. Ny [[antoanisma]] any [[Belzika]] dia maneho endrika sinkretika ara-pivavahana na hetsika sinkretika izay mampiditra ny singa maro avy amin' ny fivavahana rehetra.
1gb4j7imck43yx30yt6no888ze7qgrr
Iarsanisma
0
278867
1092623
1010906
2024-12-08T12:04:19Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092623
wikitext
text/x-wiki
Ny '''iarsanisma''' na '''iaresanisma''' dia [[fivavahana]] naorin' ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-14 tao [[Iràna]] andrefana ([[Kordistàna]] iraniana). Amin' ny [[fiteny korda]] dia atao hoe ''yâresân'' io fivavahana io. Amin' ny [[Fiteny persana|teny persàna]] kosa dia atao hoe اهل حق / ''Ahl-e Haqq'', andian-teny avy amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] midika hoe "Vahoakan' ny fahamarinana" na "Olon' Andriamanitra". Heverina ho sampan' ny [[iazdanisma]] ny iarsanisma (toy ny [[alevisma]], ny [[iezidisma]] koa).
Iharan' ny fanenjehana ireo Iarsàna (''yârsân'') ao Iràna ka atahorana ho fongana. Manoloana ny fikasana hangeja ny Iarsàna dia manomboka mivondrona ho hetsika ara-pôlitika izy ireo (ny lehibe indrindra amin' izany dia ny ''Mouvement démocratique yarsan'', MDY, izay natsangana tany Oslo tamin' ny taona 2007).
Hatramin' izay nisiany ka hatramin' ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin' ny fianakaviambe korda ihany sy amin' ireo olona teraka ao amin' io fianakaviambe io (izay atao hoe ''chekédés'') ny finona iarsany, ka tsy isany izany ireo tafiditra tao amin' io fianakaviambe io noho ny fanambadiana (atao hoe ''chasbédés''). Miisa 1 000 000 any ho any ny Iarsàna ka ao [[Iràna]] Andrefana sy ao [[Iràka]] no tena ahitana azy ireo. Ny ankabetsahan' ny Iarsàna dia [[Korda (vahoaka)|Korda]] na dia ahitana foko hafa toy ny Lôra, ny Laka, ny Azery ary ny Persiana. Misy koa ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]].
== Jereo koa ==
=== Fivavahana iraniana ===
* [[Fivavahana iraniana]]
* [[Zôrôastrisma]]
* [[Zervanisma]]
* [[Mandeisma]]
* [[Mitraisma]]
* [[Manikeisma]]
* [[Mazdakisma]]
* [[Iazdanisma]]
* [[Iarsanisma]]
* [[Babisma]]
* [[Bahaisma]]
k7uj0njgzbjbgn70xpzr7mbue0gzx1s
Batisa alentika anaty rano
0
279175
1092625
998539
2024-12-08T12:09:14Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092625
wikitext
text/x-wiki
Ny '''batisa alentika anaty rano''' dia fampianarana sy fombam-pivavahana kristiana momba ny [[batisa]] na [[Batisa|batemy]]. Mampahatsiahy ny zavatra niainana amin' ny fanavaozana ara-panahy izany, izay anapahan' ny mino, aorian' ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahaterahana indray]], manapa-kevitra hatao batisa amin' ny fandentehana azy manontolo anaty rano, araka ny fanambaràm-pinoana nataony. Ity fanaovam-batisa ity no endrika isehoan' ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny mino]], ka ireo [[fiangonana ara-pilazantsara]] no tena manao azy.
Araka ny [[Teôlôjia|teôlôjiana]] ara-pilazantsara sasany dia notanterahina tamin' ny alalan' ny fandentehana anaty rano ny batisan' i [[Joany mpanao batisa]] sy ny batisa nataon' ireo [[Apôstôly roa ambin'ny folo|Apôstôli]]<nowiki/>n' i [[Jesoa Kristy]] ary ny batisa tao amin' ny [[Fiangonana voalohany]], araka izay voalaza ao amin' ny [[Baiboly]] ny amin' ny fitadiavana toerana misy rano mba hanatanterahana ny batisa. Raha tsy nilaina ny fandentehana anaty rano dia tokony ho nitondra rano ny Apôstôly mba hanaovany batisa. Ny teôlôjiana sasany koa dia manantitra ny voasoratra ao amin' ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Fiazantsara araka an' i Marka]] izay milaza fa nivoaka avy tao anaty rano i Jesoa Kristy taorian' ny fanaovam-batisa azy. Ankoatra izany dia midika hoe "mandentika" ny [[matoanteny]] grika hoe ''baptzo'' izay hita ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] amin' ny [[teny grika]].
Izany batisa izany dia tanterahina amin' ny fandentehana manontolo ao anaty rano ny tenan' ny olona atao batisa, aorian' ny fahaterahana indray sy ny fanambaràm-pinoana nataony. Alentika ao anaty rano ny mino mba ho famantarana ny fahafatesany ara-panahy, ary ny [[Fitsanganan-ko velona|fitsanganany amin' ny maty]] dia tandindomin' ny fivoahany avy ao anaty rano.
Tamin' ny taonjato faha-16 dia nantanteraka batisa andentehana anaty rano ny vondrona [[Anabatisma|anabatista]] izay niandohan' ny fiverenana amin' ny batisan' ny mino. Tamin' ny taona maromaro nanaraka ny fanombohan' ny [[batisma]] tamin' ny taona 1609 dia izany endriky ny batisa izany no hany endrika tokana azo kena tao amin' ireo fiangonan' io hetsika io. Ny [[Pentekôtisma|hetsika pentekôtista]] tamin' ny taona 1906 koa dia nandray izany fomba fanaovam-batisa izany koa.
Ny mpomba ny batisa amin' ny alalan' ny famafazana na fanatetezana rano dia mitantara fa araka ny soratra ara-tantara maro dia notanterahina tamin' ny alalan' ny famafazana na fanatetezana rano koa ny batisa natao tao amin' ny Fiangonana voalohany, ka tsy ny batisa andentehana anaty rano ihany no endriky ny fanaovam-batisa azo ekena.
2ok0vagek19f4dqrcs49ny6hlkr6cgy
Fivavahana ao Gabôna
0
279702
1092650
1039052
2024-12-08T13:18:36Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092650
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Mission Catholique de Donguila à Ntoum.jpg|vignette|288x288px|Fiangonana katôlikan' i Donguila any Ntoum]]
Ny '''fivavahana ao Gabôna''' dia anjakan' ny [[kristianisma]], indrindra ny [[katôlisisma]]. Ny 75 %n' ny Gabôney dia Kristiana fa ny 11 % kosa manaraka ny [[fivavahan-drazana]] [[Animisma|animista]] ary ny 10 % [[Finoana silamo|Miozolmana]]. Miantraika amin' ny fivavahana kristiana sy silamo ao [[Gabôna]] anefa ny [[Fivavahan-drazana afrikana|fivavahan-drazana]]. Maro ny Gabôney izay [[Sinkretisma|mampifangaro]] ny kristianisma sy ny fivavahan-drazana. Miaro ny fahalalahan' ny fivavahana ny [[Lalampanorenana|Lalàm-panorenana]] gabôney ary amin' ny ankapobeny dia manaja izany zo izany ny fitondram-panjakana.
== Ny fivavahan-drazana ==
=== Ny fivavahana boity ===
Ny fivavahan' ny vahoaka Babôngô no miely indrindra amin' ny [[Fivavahan-drazana afrikana|fivavahan-drazana]] ao Gabôna. Vahoaka monina anaty ala ao Gabôna ny Babôngô, ao amin' ny morontsiraka andrefana amin' ny faritra andalovan' ny [[Fehibe|fehiben-tany]]. Izy ireo no nipoiran' ny fivavahana boity (''bwiti''). Misy vahoaka hafa ao Gabôna izay manafangaro ny fivavahana boity amin' ny [[animisma]] sy ny fampianarana kristianisma ka manome manome endrika vaovao ny fivavahana boity amin' izao fotoana izao. Ny fombam-pivavahana boity dia ampahany amin' ny fitaizana ny vahoaka babôngô. Amin' ny alalan' ny dihy sy mozika ary lanonana ampikambanina amin' ny herin' ny zavaboary sy ny bibidia anaty ala.
=== Ny fivavahan-drazana hafa ===
Ny fivavaham-poko hafa iza manam-pifandraisana amin' ny tonto ara-panoharan' ny saron-tava sy ny mozika ary ny dihy dia hita ao Gabôna. Ireto avy izy ireo: ny Ndjembé, ny Ndjobi, ny Mouiri na Mwiri, ny Mvett, ny Byeri ary ny Ikokhou.
== Ny kristianisma ==
Manakaiky ny 79 %n' ny mponina ao Gabôna no kristiana ka ny 53 % amin' izany dia [[Katôlisisma|Katôlika]].
=== Tantaran' ny kristianisma ao Gabôna ===
Tonga tao Gabôna tamin' ny taonjato faha-16 tamin' ny alalan' ny Pôrtogey ny fivavahana kristiana. Ny frera italiana, atao amin' ny [[Fiteny italiana|teny italiana]] hoe ''Frati Minori Cappuccini'' ([[Fiteny frantsay|frantsay]]: ''Frères mineurs capucins''), no nametraka ny misiona kristiana tamin' ny taonjato faha-17. Nitsahatra tamin' ny taonjato faha-18, ary nandroaka ny frera italiana ny fanjakana pôrtogey tamin' ny taona 1777. Tonga tao Gabôna tamin' ny tenantenan' ny taonjato faha-19 ny misiona vavao toy ny ''Missionnaires du Sacré-Coeur'' sy ny ''Congrégation du Saint-Esprit'' (na ''Spiritains'') sy ny misiona prôtestanta avy any Eorôpa. Ny katôlisisma dia niorina tao Gabôna niaraka tamin' ny fanjanahan-tany pôrtogey tamin' ny taonjato faha-18, sady nitombo ka lasa maro anisa indrindra ao Gabôna tamin' ireo taona 1900. Tamin' ny fanombojahan' ny fanjanahan-tany frantsay dia tonga ny misiona avy any [[Parisy|Paris]] teo anelanelan' ny taompolo 1890 sy 1960. Tamin' ny fiantombohan' ny tenantenan' ny taonjato faha-20 no nitomboan' ny [[Evanjelisma|fivavahana ara-pilazantsara]]. Tamin' ny taona 2016 dia tafatsangana ara-panjakana ny [[Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo|Fangonana ôrtôdôksa]] sady niorina ny trano fiangonana ôrtôdôksa tao Libreville.
== Ny silamo ==
Vitsy ny [[Silamo|Mozilmana]] ao Gabôna, izay eo amin' ny 10 %n' ny mponina, izay manaraka ny [[Sonisma|firehana sonita]]. Niova finoana ho amin' ny fiavavahana silamo ny filoham-pirenena [[Omar Bongo|Bongo]] tamin' ny taona 1973 sady nanampy anarana mozilmana (''Omar'') ny anarany ka nahatonga azy hatao hoe Omar Bongo, sady nanova ny lamina ahitana antoko pôlitika maro ho rafitra tsy ahitana afa-tsy antoko tokana. Na dia ny Kristiana aza no maro anisa dia nampidirin' i Omar Bongo ao amin' ny Fikambanam-piaraha-miasan' ny firenena silamo ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''Organisation of Islamic Cooperation'') tamin' i Gabôna ny taona 1974.
== Ny fivavahana sy fikambanana hafa ==
Ankoatry ny fivavahana kristiana sy silamo ary ny [[fivavahan-drazana afrikana]] maro dia ao koa ny [[framasônery]] izay ahitana mpikambana maro ao amin' ireo mpitondra ara-pôlitika. Misy ny ''Grande Loge du Gabon'' izay iray sampana amin' ny ''Grande Loge nationale française'', sy ny ''Grand rite équatorial gabonais''. Hita ao koa ny hetsika Rose-Croix.
== Jereo koa ==
* [[Toekaren' i Gabôna]]
* [[Mponina ao Gabôna]]
* [[Jeôgrafian' i Gabôna]]
* [[Fiteny ao Gabôna]]
* [[Fivavahana eto Madagasikara]]
* [[Fivavahana ao Roanda]]
* [[Fivavahana ao Borondy]]
* [[Fivavahana ao Gabôna]]
* [[Fivavahana ao Oganda]]
* [[Fivavahana ao amin' ny Repoblikan' i Kôngô]]
* [[Fivavahana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]]
jfqdkzgzkxiaon9sljgu2k1gcjq1qmk
Kimpa Vita
0
279762
1092631
1039101
2024-12-08T12:23:02Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092631
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Kimpa Vita drawing.jpg|vignette|Kimpa Vita]]
I '''Kimpa Vita''' dia [[mpaminanivavy]] kôngô, mpanorina sady nitarika ny hetsika ara-pivavahana [[Antônianisma|antônianista]], izay [[Sinkretisma|fifangaroan]]' ny [[katôlisisma]] sy ny [[Fivavahan-drazana afrikana|fivavahan-drazana]] tao Kôngô. Atao hoe '''Kimpa Mvita''', '''Tchimpa Vita''', '''Dona Beatriz''' na '''Beatriz Kimpa Vita''' koa izy. Teraka tao Mbanza Kongo (ao [[Angôla]] ankehitriny) izy tamin' ny taona 1684 ary maty tao Evolulu (ao Angôla ankehitriny) tamin' ny 2 Jolay 1706. Nitolona ho an' ny fampitambarana ny fanjakan' i Kôngô izay tsy nisy fitondrana tafaorina fa tsy nilamina izy. Voaheloka ho faty izy ary maty tamin' ny fandorana azy velona. Isan' ireo olona niaina tamin' ny morontsiraka [[Ranomasimbe Atlantika|atlantika]]<nowiki/>n' i [[Afrika]] tamin' izany fotoana izany izay betsaka nanoratra izy: gazety, tatitra ary taratasin' ny misiônera kapotsinô italiana niasa tamin' izany faritra izany (Luca da Caltanisetta, Marcellino d'Atri, Bernardo da Gallo ary Lorenzo da Lucca).
== Zotram-piainany ==
=== Fahazazany sy fahatanorany ===
Teraka teo anelanelan' ny taona 1684 sy 1686 tao amin' ny fianakaviana maro anaka tao amin' ny andriana kôngô i Kimpa Vita. Natao [[batemy]] tamin' ny fotoana tsy fantatra izy (mety [[pretra]] safiotra avy ao [[Angôla]] no nanatanteraka izany, i Luis de Mendonça). Tamin' ny fotoanandrony dia Katôlika ny ankamaroan' ny vahoaka tao amin' ny fanjakan' i Kôngô, tamin' ny taonjato faha-15 mantsy dia efa nanomboka ny fampielezana ny [[Vaovao Mahafaly|vaovao mahafaly]] tao amin' io faritra io, ka efa natao batemy i Nzinga Nkuwu (na i Nzinga a Nkuvu: mpanjaka kôngô niova ho kristiana voalohany) izay novana anarana hoe ''João I do Congo''<ref><small>Nanohitra ny fivavahana katôlika ity mpanjaka ity taty aoariana.</small></ref>. I Kimpa Vita dia nitombo tamin' ny vanimpotoan' ny ady an-trano nandravarava tao amin' ny fanjakan' i Kôngô, izay reraka noho ny fifanandrinana tsy nanam-pitsaharana tamin' i [[Pôrtogaly]] (ady tao Ambuila na Mbwila) sy tamin' ny foko mpifanolo-bodiridrina sasany.
=== Ninoan' ny mponina ho ''Nganga marinda'' ===
Hatramin' ny fahatanorany dia ninoan' ny mponina ho ''nganga marinda'' (mpanelanelana ny olombelona amin' ny [[tontolon' ny fanahy]]) izy; nofanina tao amin' ny fikambanana miafina ata hoe ''kimpasi'' izy. Ny ''kimpasi'' dia nanana andraikitra famitana iraka ny hanafaka ny olona amin' ny herin' ny [[ratsy]] amin' ny alalan' ny [[Fandroahana fanahy ratsy|famoahana fanahy ratsy]] atao hoe ''mbumba kindonga''.
[[Sary:Dom Antonio I Kongo.jpg|vignette|202x202px|Pedro IV Nusamu a Mvemba]]
Nisy akony tamin' i Kimpa Vita ny fanambaràn' i Appolonia Mafuta "Fumaria" mpaminany teo alohany, izay nanambara mialoha ny famaizan' [[Andriamanitra]] ka nandehandeha niaraka tamin' ny vato izay ambarany fa ny lohan' i [[Kristy]] nosimbain' ny haratsiam-panahin' ny olombelona. Nonomboka tamin' ny taona 1703 na 1704 dia nilaza ho nandray fanambaràna i Kimpa Vita ka nilaza fa hosazian' Andriamanitra ny mponina ao amin' ny fanjakan' i Kôngô raha tsy mitambatra indray, ka i São Salvador no tokony hatao renivohitra. Naheno izany hafatra izany ny mpanjaka Pedro IV (na ''Pedro IV Nusamu a Mvemba'') nefa tsy nikasika azy.
Etsy an-daniny dia maro ireo andriana kôngô nanohana azy ka isan' izany i Hipolita vadin' i Pedro IV sy i Pedro Constantinho da Silva<ref><small>I Pedro Constantinho da Silva dia andrianahy tao amin' ny fanjakan' i Kôngô.</small></ref>, iray amin' ireo jeneraly tao amin' ny tafiky ny mpanjaka, ary maro ireo izay tonga niorim-ponenana niaraka amin' i Kimpa Vita tao São Salvador, teo amin' ny toerana nisy ny sisam-paharavan' ny katedraly taloha<ref><small>Nalain' i Pedro IV indray ho fananany i São Salvador tamin' ny taona 1696, nefa nilaozany izany taty aoriana noho ny fatahorany ny mety hisian' ny fanfihan' ny mpanjaka tao akaikiny.</small></ref>.
=== Ny fampianaran' i Kimpa Vita ===
Nampianatra i Kimpa Vita fa i [[Jesoa]] sy ireo mpianany ary olona maro resahina ao amin' ny [[Baiboly]] dia mainty hoditra ary ny ankamaroany dia Bisy Kôngô (''Bisi Kongo''). Ny mpanjaka António I (na ''Nvita Nkanga'', amin' ny [[Fiteny kikôngô|teny kikôngô]]) dia tokony ho heverina ho "[[mesia]]", ary i Kimpa Vita tenany dia nilaza tena ho itoeran' ny fanahiny. Nisy nilaza fa maty isaky ny Zoma izy ary [[Fitsanganan-ko velona|mitsangan-ko velona]] isaky ny Alahady rehefa avy nihaona amin' Andriamanitra mandritra ny roa andro. Novan' i Kimpa Vita ny vavaka katôlika sasany, indrindra ny "''Ave Maria''" sy ny "''Salve Regina''", izay novany hoe "''Salve Antoniana''".
=== Fandoroana velona azy ===
[[Sary:Kimpa Vita ´s statue in Angola.jpg|vignette|Sarivongan' i Kimpa Vita]]
Nantsona hoe ''antônianisma'' (''antonianismo'' amin' ny [[Fiteny pôrtogey|teny pôrtogey]]) izany fihetsiketsehana izany ary ''Antôniana'' ireo mpanaraka azy; nanana misionera izay nampiely ny [[Foto-pampianarana|foto-pampianarany]] tao amin' ny faritra hafa ao amin' ny fanjakan' i Kôngô izy. Ekeny ny fahefan' ny [[papa]] nefa halany ny misiônera eorôpeana, izay niasa indrindra tamin' ny morontsiraka [[Ranomasimbe Atlantika|atlantika]]. Nanahy ny amin' ny fahombiazana azon' io fihetsiketsehana antônianista io i Pedro IV ka nampisambotra azy sy nanameloka azy hodorana velona miaraka amin' ny zanany tamin' ny taona 1706, taorian' ny fitsarana azy ho mpampanao [[fampianaran-diso]] (herezia), teo anatrehan' ny fitsarana sivily izay nahitana an' ireo misionera kapotsinô mpanolotsaina, dia i Bernardo da Gallo sy i Lorenzo da Lucca.
Rehefa avy nanambara ny fahotany izy dia nodorana velona tamin' ny 2 Jolay 1706, tao amin' ny tanànan' i Evolulu (any [[Angôla]]), ao akaikin' i Mbanza Kongo, niaraka tamin' ny vadiny sady "anjely mpiambina" azy João Barro. Ny zanak' izy ireo dia voavonjy noho ny fanelanelanana nataon' ny mompera Lorenzo da Lucca (izay nampanao [[kônfesy]] farany azy ireo) teo amin' ny mpanjaka. Nomen' i Lorenzo anarana hoe Jerónimo ity zaza ity fa tsy nampanarahina ny fanirian-dreniny hanome azy ny anarana hoe António.
== Ny akon' ny asan' i Kimpa Vita taty aoriana ==
Na dia resy aza ireo mpianayr' i Kimpa Vita tamin' ireo taona manaraka (resin' i Pedro IV tamin' ny taona 1709 i Pedro Constantinho da Silva), ny antônianisma dia nitohy ihany taorian' ny fahafatesan' ilay mpanorina azy. Niady tamin' ny [[antônianisma]] ny misiônera katôlika tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19.
Ny [[mesianisma]] kôngôley sy angôley tamin' ny taonjato faha-20 (dia ny [[matsoanisma]] sy ny [[kimbangisma]] ary ny [[tôkôisma]]), izay mbola velona ankehitriny dia mampahatsiaro hatrany ny amin' i Kimpa Vita izay antsoina indraindray hoe "Jeanne d'Arc kôngôley" (frantsay: "''Jeanne d'Arc congolaise''") noho ny fifanahafan' ny zontram-piainany sy ny an' i Jeanne d'Arc izay nodorana velona tao Rouen<ref><small>I Rouen ankehitriny dia kaominina ao amin' ny tapany avaratra-adrefan' i Frantsa izay andalovan' ny renirano Seine.</small></ref> tamin' ny taona 1431. Ny oniversiten' i Uíge ao [[Angôla]] dia nomena ny anarana hoe "Universidade Kimpa Vita" (UNIKIVI) nanomboka tamin' ny taona 2009.
== Jereo koa ==
* [[Mesianisma]]
* [[Teôlôjian'ny fanafahana]]
*[[William Wade Harris]]
*[[Simon Kimbangu]]
== Loharano sy fanamarihana ==
svwrj1fpn60zm8gz5c8ylpwgg9kkx6n
1092646
1092631
2024-12-08T13:07:51Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092646
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Kimpa Vita drawing.jpg|vignette|Kimpa Vita]]
I '''Kimpa Vita''' dia [[mpaminanivavy]] kôngô, mpanorina sady nitarika ny hetsika ara-pivavahana [[Antônianisma|antônianista]], izay [[Sinkretisma|fifangaroan]]' ny [[katôlisisma]] sy ny [[Fivavahan-drazana afrikana|fivavahan-drazana]] tao Kôngô. Atao hoe '''Kimpa Mvita''', '''Tchimpa Vita''', '''Dona Beatriz''' na '''Beatriz Kimpa Vita''' koa izy. Teraka tao Mbanza Kongo (ao [[Angôla]] ankehitriny) izy tamin' ny taona 1684 ary maty tao Evolulu (ao Angôla ankehitriny) tamin' ny 2 Jolay 1706. Nitolona ho an' ny fampitambarana ny fanjakan' i Kôngô izay tsy nisy fitondrana tafaorina fa tsy nilamina izy. Voaheloka ho faty izy ary maty tamin' ny fandorana azy velona. Isan' ireo olona niaina tamin' ny morontsiraka [[Ranomasimbe Atlantika|atlantika]]<nowiki/>n' i [[Afrika]] tamin' izany fotoana izany izay betsaka nanoratra izy: gazety, tatitra ary taratasin' ny misiônera kapotsinô italiana niasa tamin' izany faritra izany (Luca da Caltanisetta, Marcellino d'Atri, Bernardo da Gallo ary Lorenzo da Lucca).
== Zotram-piainany ==
=== Fahazazany sy fahatanorany ===
Teraka teo anelanelan' ny taona 1684 sy 1686 tao amin' ny fianakaviana maro anaka tao amin' ny andriana kôngô i Kimpa Vita. Natao [[batemy]] tamin' ny fotoana tsy fantatra izy (mety [[pretra]] safiotra avy ao [[Angôla]] no nanatanteraka izany, i Luis de Mendonça). Tamin' ny fotoanandrony dia Katôlika ny ankamaroan' ny vahoaka tao amin' ny fanjakan' i Kôngô, tamin' ny taonjato faha-15 mantsy dia efa nanomboka ny fampielezana ny [[Vaovao Mahafaly|vaovao mahafaly]] tao amin' io faritra io, ka efa natao batemy i Nzinga Nkuwu (na i Nzinga a Nkuvu: mpanjaka kôngô niova ho kristiana voalohany) izay novana anarana hoe ''João I do Congo''<ref><small>Nanohitra ny fivavahana katôlika ity mpanjaka ity taty aoariana.</small></ref>. I Kimpa Vita dia nitombo tamin' ny vanimpotoan' ny ady an-trano nandravarava tao amin' ny fanjakan' i Kôngô, izay reraka noho ny fifanandrinana tsy nanam-pitsaharana tamin' i [[Pôrtogaly]] (ady tao Ambuila na Mbwila) sy tamin' ny foko mpifanolo-bodiridrina sasany.
=== Ninoan' ny mponina ho ''Nganga marinda'' ===
Hatramin' ny fahatanorany dia ninoan' ny mponina ho ''nganga marinda'' (mpanelanelana ny olombelona amin' ny [[tontolon' ny fanahy]]) izy; nofanina tao amin' ny fikambanana miafina ata hoe ''kimpasi'' izy. Ny ''kimpasi'' dia nanana andraikitra famitana iraka ny hanafaka ny olona amin' ny herin' ny [[ratsy]] amin' ny alalan' ny [[Fandroahana fanahy ratsy|famoahana fanahy ratsy]] atao hoe ''mbumba kindonga''.
[[Sary:Dom Antonio I Kongo.jpg|vignette|202x202px|Pedro IV Nusamu a Mvemba]]
Nisy akony tamin' i Kimpa Vita ny fanambaràn' i Appolonia Mafuta "Fumaria" mpaminany teo alohany, izay nanambara mialoha ny famaizan' [[Andriamanitra]] ka nandehandeha niaraka tamin' ny vato izay ambarany fa ny lohan' i [[Kristy]] nosimbain' ny haratsiam-panahin' ny olombelona. Nonomboka tamin' ny taona 1703 na 1704 dia nilaza ho nandray fanambaràna i Kimpa Vita ka nilaza fa hosazian' Andriamanitra ny mponina ao amin' ny fanjakan' i Kôngô raha tsy mitambatra indray, ka i São Salvador no tokony hatao renivohitra. Naheno izany hafatra izany ny mpanjaka Pedro IV (na ''Pedro IV Nusamu a Mvemba'') nefa tsy nikasika azy.
Etsy an-daniny dia maro ny andriana kôngô nanohana azy ka anisan' izany i Hipolita vadin' i Pedro IV sy i Pedro Constantinho da Silva<ref><small>I Pedro Constantinho da Silva dia andrianahy tao amin' ny fanjakan' i Kôngô.</small></ref>, iray amin' ny jeneraly tao amin' ny tafiky ny mpanjaka, ary maro ireo izay tonga niorim-ponenana niaraka amin' i Kimpa Vita tao São Salvador, teo amin' ny toerana nisy ny sisam-paharavan' ny katedraly taloha<ref><small>Nalain' i Pedro IV indray ho fananany i São Salvador tamin' ny taona 1696, nefa nilaozany izany taty aoriana noho ny fatahorany ny mety hisian' ny fanfihan' ny mpanjaka tao akaikiny.</small></ref>.
=== Ny fampianaran' i Kimpa Vita ===
Nampianatra i Kimpa Vita fa i [[Jesoa]] sy ny mpianany ary olona maro resahina ao amin' ny [[Baiboly]] dia mainty hoditra ary ny ankamaroany dia Bisy Kôngô (''Bisi Kongo''). Ny mpanjaka António I (na ''Nvita Nkanga'', amin' ny [[Fiteny kikôngô|teny kikôngô]]) dia tokony ho heverina ho "[[mesia]]", ary i Kimpa Vita tenany dia nilaza tena ho itoeran' ny fanahiny. Nisy nilaza fa maty isaky ny Zoma izy ary [[Fitsanganan-ko velona|mitsangan-ko velona]] isaky ny Alahady rehefa avy nihaona amin' Andriamanitra mandritra ny roa andro. Novan' i Kimpa Vita ny vavaka katôlika sasany, indrindra ny "''Ave Maria''" sy ny "''Salve Regina''", izay novany hoe "''Salve Antoniana''".
=== Fandoroana velona azy ===
[[Sary:Kimpa Vita ´s statue in Angola.jpg|vignette|Sarivongan' i Kimpa Vita]]
Nantsona hoe ''[[antônianisma]]'' (''antonianismo'' amin' ny [[Fiteny pôrtogey|teny pôrtogey]]) izany hetsika izany ary ''Antôniana'' ireo mpanaraka azy; nanana misionera izay nampiely ny [[Foto-pampianarana|foto-pampianarany]] tao amin' ny faritra hafa ao amin' ny fanjakan' i Kôngô izy. Ekeny ny fahefan' ny [[papa]] nefa halany ny misiônera eorôpeana, izay niasa indrindra tamin' ny morontsiraka [[Ranomasimbe Atlantika|atlantika]]. Nanahy ny amin' ny fahombiazana azon' io fihetsiketsehana antônianista io i Pedro IV ka nampisambotra azy sy nanameloka azy hodorana velona miaraka amin' ny zanany tamin' ny taona 1706, taorian' ny fitsarana azy ho mpampanao [[fampianaran-diso]] (herezia), teo anatrehan' ny fitsarana sivily izay nahitana an' ireo misionera kapotsinô mpanolotsaina, dia i Bernardo da Gallo sy i Lorenzo da Lucca.
Rehefa avy nanambara ny fahotany izy dia nodorana velona tamin' ny 2 Jolay 1706, tao amin' ny tanànan' i Evolulu (any [[Angôla]]), ao akaikin' i Mbanza Kongo, niaraka tamin' ny vadiny sady "anjely mpiambina" azy João Barro. Ny zanak' izy ireo dia voavonjy noho ny fanelanelanana nataon' ny mompera Lorenzo da Lucca (izay nampanao [[kônfesy]] farany azy ireo) teo amin' ny mpanjaka. Nomen' i Lorenzo anarana hoe Jerónimo ity zaza ity fa tsy nampanarahina ny fanirian-dreniny hanome azy ny anarana hoe António.
== Ny akon' ny asan' i Kimpa Vita taty aoriana ==
Na dia resy aza ireo mpianayr' i Kimpa Vita tamin' ireo taona manaraka (resin' i Pedro IV tamin' ny taona 1709 i Pedro Constantinho da Silva), ny antônianisma dia nitohy ihany taorian' ny fahafatesan' ilay mpanorina azy. Niady tamin' ny [[antônianisma]] ny misiônera katôlika tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19.
Ny [[mesianisma]] kôngôley sy angôley tamin' ny taonjato faha-20 (dia ny [[matsoanisma]] sy ny [[kimbangisma]] ary ny [[tôkôisma]]), izay mbola velona ankehitriny dia mampahatsiaro hatrany ny amin' i Kimpa Vita izay antsoina indraindray hoe "Jeanne d'Arc kôngôley" (frantsay: "''Jeanne d'Arc congolaise''") noho ny fifanahafan' ny zontram-piainany sy ny an' i Jeanne d'Arc izay nodorana velona tao Rouen<ref><small>I Rouen ankehitriny dia kaominina ao amin' ny tapany avaratra-adrefan' i Frantsa izay andalovan' ny renirano Seine.</small></ref> tamin' ny taona 1431. Ny oniversiten' i Uíge ao [[Angôla]] dia nomena ny anarana hoe "Universidade Kimpa Vita" (UNIKIVI) nanomboka tamin' ny taona 2009.
== Jereo koa ==
* [[Mesianisma]]
* [[Teôlôjian'ny fanafahana]]
*[[William Wade Harris]]
*[[Simon Kimbangu]]
== Loharano sy fanamarihana ==
izjyq7lyz60hhqgj1jpa8j2wr625kjv
Fifohazam-panahy lehibe faharoa
0
280261
1092637
1092609
2024-12-08T12:42:26Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092637
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fifohazam-panahy lehibe faharoa''' dia [[fifohazam-panahy]] prôtestanta niseho tamin' ny taonjaro faha-19 tao [[Etazonia]]. Atao hoe ''Second Great Awakening'' izany amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]]. Ny fifohazam-panahy lehibe faharoa, izay nampiely ny fivavahana kristiana tamin' ny alalan' ny toriteny mamohafoha sy mampihetsi-po, dia niteraka hetsi-panavaozana maro. Io fifohazam-panahy io dia singa manan-danja indrindra teo amin' ireo hetsika ireo sady nahasarika mpiova finoana an-jatony maro ho amin' ny antokom-pinoana [[Prôtestantisma|prôtestanta]] vaovao. Nampiasa mpitodra fivavahana mitaingin-tsoavaly (anglisy: ''circuit riders'') mitety tanàna, mba ho afaka mitory amin' ireo olona any amin' ny faritra an-tsisin-tany, ny [[Metôdisma|fiangonana metôdista]]. Nitarika mankany amin' ny vanim-potoan' ny fanitsiana (fanavaozana) ara-piarahamonina talohan' ny ady sady nanantitra ny famonjena amin' ny alalan' ny institosiôna izany. Nanomboka tao [[Kentucky]] sy tao [[Tennessee]] tamin' ireo taona 1790 sy tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1800 tao amin' ny [[Presbiterianisma|Presbiteriana]] sy ny [[Metôdisma|Metôdista]] ary ny [[Batisma|Batista]] ny fitobaky ny hafanam-po ara-pivavahana sy ny fifohazam-panahy. Nitondra fampaherezana manoloana ny tsy fahafantarana marina ny halehan' ny fiainana vokatry ny fiovana ara-piarahamonina sy ara-pôlitika tany [[Amerika]] ilay fifohazam-panahy.
Nitarika ho amin' ny fanorenana kôlejy sy seminera ary fikambanana misiônera malaza maro izany. Niteraka fanovana lehibe teo amin' ny tontolon' ny fivavahana tao amin' ny zanatany tany Amerika ny fifohazam-panahy lehibe. Maro ny olon-tsotra namporisihina mba hanam-pifandraisana mivantana manokana amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], fa tsy hiankina amin' ny tompon' andraiki-pivavahana. Nandroso haingana ny antokom-piangonana vaovao toy ny metôdisma sy ny batisma. Na dia nanambatra ny zanatany sy nanetsika ny fitombon' ny fiangonana aza izany hetsika izany dia niteraka fisarahana koa teo amin' ny mpanohana sy ny mpanohitra an' izany.
Mametraka ny fifohazam-panahy lehibe faharoa ao amin' ny toe-javatra manodidina ny [[fifohazam-panahy lehibe voalohany]] (tamin' ny taompolo 1730 sy 1750) sy ny [[fifohazam-panahy lehibe fahatelo]] (tamin' ny faramparan' ny taompolo 1850 sy ny fiandohan' ny taompolo 1900). Ny fifohazam-panahy lehibe faharoa sy fahatelo dia ampahany ao ny fihetsiketsehana ara-pivavahana rômantika izay lehibe lavitra nahenika an' i [[Angletera]] sy i [[Ekôsy]] ary i [[Alemaina]].
Maro ny firehana ara-pivavahana vaovao niforona nandritra ny fifohazam-panahy lehibe faharoa, ka anisan' izany ny [[adventisma]] sy ny [[dispensasiônalisma]] ary ny [[hetsika Olomasin' ny Andro Farany]]. Nanjaka tao amin' izany fifohazam-panahy lehibe faharoa izany ny [[pôstmilenarisma]] sy ny [[restaorasiônisma]].
== Jereo koa ==
* [[Fifohazam-panahy]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe voalohany]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe fahatelo]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe fahefatra]]
ekdp0oflk0ecozz7czuz50rcyqlqxfx
1092656
1092637
2024-12-08T13:40:30Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092656
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fifohazam-panahy lehibe faharoa''' dia [[fifohazam-panahy]] prôtestanta niseho tamin' ny taonjaro faha-19 tao [[Etazonia]]. Atao hoe ''Second Great Awakening'' izany amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]]. Ny fifohazam-panahy lehibe faharoa, izay nampiely ny fivavahana kristiana tamin' ny alalan' ny toriteny mamohafoha sy mampihetsi-po, dia niteraka hetsi-panavaozana maro. Io fifohazam-panahy io dia singa manan-danja indrindra teo amin' ireo hetsika ireo sady nahasarika mpiova finoana an-jatony maro ho amin' ny antokom-pinoana [[Prôtestantisma|prôtestanta]] vaovao. Nampiasa mpitodra fivavahana mitaingin-tsoavaly (anglisy: ''circuit riders'') mitety tanàna, mba ho afaka mitory amin' ireo olona any amin' ny faritra an-tsisin-tany, ny [[Metôdisma|fiangonana metôdista]]. Nitarika mankany amin' ny vanim-potoan' ny fanitsiana (fanavaozana) ara-piarahamonina talohan' ny ady sady nanantitra ny famonjena amin' ny alalan' ny institosiôna izany. Nanomboka tao [[Kentucky]] sy tao [[Tennessee]] tamin' ireo taona 1790 sy tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1800 tao amin' ny [[Presbiterianisma|Presbiteriana]] sy ny [[Metôdisma|Metôdista]] ary ny [[Batisma|Batista]] ny fitobaky ny hafanam-po ara-pivavahana sy ny fifohazam-panahy. Nitondra fampaherezana manoloana ny tsy fahafantarana marina ny halehan' ny fiainana vokatry ny fiovana ara-piarahamonina sy ara-pôlitika tany [[Amerika]] ilay fifohazam-panahy.
Nitarika ho amin' ny fanorenana kôlejy sy seminera ary fikambanana misiônera malaza maro izany. Niteraka fanovana lehibe teo amin' ny tontolon' ny fivavahana tao amin' ny zanatany tany Amerika ny fifohazam-panahy lehibe. Maro ny olon-tsotra namporisihina mba hanam-pifandraisana mivantana manokana amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], fa tsy hiankina amin' ny tompon' andraiki-pivavahana. Nandroso haingana ny antokom-piangonana vaovao toy ny metôdisma sy ny batisma. Na dia nanambatra ny zanatany sy nanetsika ny fitombon' ny fiangonana aza izany hetsika izany dia niteraka fisarahana koa teo amin' ny mpanohana sy ny mpanohitra an' izany.
Mametraka ny fifohazam-panahy lehibe faharoa ao amin' ny toe-javatra manodidina ny [[fifohazam-panahy lehibe voalohany]] (tamin' ny taompolo 1730 sy 1750) sy ny [[fifohazam-panahy lehibe fahatelo]] (tamin' ny faramparan' ny taompolo 1850 sy ny fiandohan' ny taompolo 1900). Ny fifohazam-panahy lehibe faharoa sy fahatelo dia ampahany ao ny hetsika ara-pivavahana rômantika izay lehibe lavitra nahenika an' i [[Angletera]] sy i [[Ekôsy]] ary i [[Alemaina]].
Maro ny firehana ara-pivavahana vaovao niforona nandritra ny fifohazam-panahy lehibe faharoa, ka anisan' izany ny [[adventisma]] sy ny [[dispensasiônalisma]] ary ny [[hetsika Olomasin' ny Andro Farany]]. Nanjaka tao amin' izany fifohazam-panahy lehibe faharoa izany ny [[pôstmilenarisma]] sy ny [[restaorasiônisma]].
== Jereo koa ==
* [[Fifohazam-panahy]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe voalohany]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe fahatelo]]
* [[Fifohazam-panahy lehibe fahefatra]]
asy2pkuvir0e1nhec6s0iudgxnpbw5n
Simon Kimbangu
0
280874
1092622
1039102
2024-12-08T12:03:06Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092622
wikitext
text/x-wiki
I '''Simon Kimbangu''' dia teraka tao Nkamba tamin' ny 12 Septambra 1887 tao Kongo Central. Lasa mpitoriteny izy tamin' ireo taona 1920 sady nanorina fikambanana ara-pivavahana tamin' ny taona 1921 tao Nkamba izay niteraka ny [[kimbangisma]]. Maty tamin' ny 12 Oktobra 1951 tao [[Elisabethville]] ([[Lubumbashi]] ankehitriny) izy. Mihevitra azy ho "iraka ara-panahy" kôngôley ny mpanaraka fivavahana ny naoriny. Lasa mpitoriteny izy tamin' ireo taona 1920 sady nanorina ny hetsika ara-pivavahana izay niteraka ny [[kimbangisma]] izy tamin' ny taona 1921 tao Nkamba. Nosamborina sy nnotsaraina izy ka maty rehefa nogadraina nandritra ny fotoana ela maharitra 30 taona any ho any.
Ny asa nataony dia niteraka ny fiangonana kimbangista teo amin' ny sehatry ny fivavahana, izay mbola misy hatramin' izao fotoana izao. Izany dia niteraka koa ny fipoiran' ny hetsi-panoherana ara-pôlitika nenti-nanohitra ny fanjanahan-tany.
Tamin' ny nahafatesan' i Simon Kimbangu dia ny zanany lahy Joseph Diangienda no lasa mpitarika ilay fiangonana hatramin' ny taona 1992, ka i Paul Salomon Dialungana Kiangani rahalahin' ity indray no nitarika ny fiangonana hatramin' ny taona 2001, avy eo i Simon Kimbangu Kiangani zafikeliny no niolo an' io indray.
== Jereo koa ==
* [[Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]]
* [[Fivavahana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]]
* [[Kimpa Vita]]
* [[William Wade Harris]]
* [[Fivavahana aty Afrika]]
31p71gd2dtufejmkyjy4pa4xu0k274i
Antônianisma
0
280878
1092627
1048876
2024-12-08T12:12:58Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092627
wikitext
text/x-wiki
Ny '''antônianisma''' na '''hetsika antônianista''' dia firehana ara-[[Fivavahana|pivavahana]] [[Sinkretisma|mampifangaro singa]] avy amin' ny fivavahana samihafa izay nipoitra tao amin' ny Fanjakan' i Kôngô teo anelanelan' ny taona 1704 sy 1706 tao amin' ny [[Eglizy katôlika rômanina|Eglizy katôlika]]. Ny mpanorina azy dia i [[Kimpa Vita]] na Dona Beatriz (anarany am-batemy), izay nilaza fa itoeran' i Santo António de Pádua (na [[Antoine de Padoue]] amin' ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]]), izay nioan' ny mpanaraka azy fa afaka manasitrana ny marary, sy manatanteraka [[fahagagana]] hafa. Nofaizin' ny mpanjaka Pierre IV n' i Kôngô izany hetsika izany ka nodorana velona tamin' ny taona 1706 i Kimpa Vita. Nanana endrika ara-pôlitika koa ny hetsika antônianista, satria nitolona ny amin' ny fampitambarana ny Fanjakan' i Kôngô sy ny fandroahana ny misionera eorôpeana i Kimpa Vita.
Ity hetsika ity dia [[Sinkretisma|mampifangaroharo fanao]] avy amin' ny fivavahana kôngô tamin' izany fotoana izany, sy ny teôlôjia ary fanao momba ny fanoloran-tena katôlika, nikatsaka ny hanorina ny fitantarana ao amin' ny Baiboly ao amin' ny jeôgrafia kôngôley izy (ohatra: [[Fahaterahan' i Jesoa|teraka]] tao Mbanza Kôngô i [[Jesoa|Kristy]], natao batemy tao amin' ny faritra Nsundi; i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] dia andevon' ny olom-baventy kôngô, sns). Nanova zavatra sasany ao amin' ny vavaka kristiana i Kimpa Vita, indrindra ny ''Ave Maria'' ("Arahaba ry Maria") sy ny ''Salve Regina'' ("Arahaba ry Mpanjakavavy"). Nanome toerana lehibe ho an' ny fanoloran-tena amin' i António de Pádua izay atao hoe ''Tony Malau'' amin' ny [[fiteny kikôngô]] koa izany hetsika izany.
== Jereo koa ==
* [[Fivavahana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]]
* [[Kimbangisma|Kimbagisma]]
* [[Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô]]
* [[Fivavahana aty Afrika]]
* [[Matsoanisma]]
* [[Fiangonana kristiana afrikana tsy miankina]]
o5gkks20gx9ocrd07jy66akdhj823nq
Tôkôisma
0
280882
1092638
1048878
2024-12-08T12:43:30Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092638
wikitext
text/x-wiki
Ny '''tôkôisma''' dia firehan' ny [[Evanjelisma|kristianisma ara-pilazantsara]] manana ny foibeny ao [[Angôla]], naorin' i Simão Gonçalves Toco.
Tao amin' ny faritanin' i Uíge tamin' ny taona 1918 no teraka i Simão Gonçalves Toco, ka rehefa avy nivoatra tao amin' ny [[Batisma|fiangonana batista]], dia namorona ny fikambanana ara-pivavahany manokana tamin' ny taona 1949. Nihevitra an' io fikambanana io ho mampidi-doza ny mpanjana-tany pôrtogey ka nanenjika sy nanafay ny mpikambana tao sady nanao sesitany matetika an' i Simão Gonçalves Toco, valohany tao amin' ny faritanin' i Namibe, avy eo tamin' ny fiantombohan' ny ady ho amin' ny fahaleovan-tenan' i Angôla: tany [[Açores]] (nosy maro any avaratra-andrefan' i [[Pôrtogaly]]) izay nanaovany ny asan' ny mpanampy ny mpiandry jiron-tseranana. Nody tany Angôla izy tamin' ny taona 1974 ary maty rehefa afaka folo taona taorian' izany.
Anisan' ny fihetsika ara-pivavahana lehibe ao Angôla ny tôkôisma ankehitriny. Mifanakaiky firehana amin' ny [[kimbangisma]] izy.
== Jereo koa ==
* [[Fivavahana ao Angôla]]
* [[Fivavahana aty Afrika]]
* [[Kimbangisma]]
* [[Antônianisma]]
* [[Matsoanisma]]
* [[Fiangonana kristiana afrikana tsy miankina]]
1inbqnam3r55v2q4bmcbklcfvec3hwh
Fiangonana harista
0
280885
1092632
1039099
2024-12-08T12:24:53Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092632
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Harris.jpg|vignette|I William Wade Harris]]
[[Sary:Harriste.jpg|vignette|Mpitoriteny harista]]
Ny '''Fiangonana harista''' dia [[fiangonana teratany afrikana]] manindrahindra ny [[faminaniana]], izay mino an' i [[Jesoa Kristy]], izay hita indrindra ao [[Kôtidivoara]]. Ilay [[evanjelista]] [[William Wade Harris]] no nanorina izany fiangonana izany tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.
Teraka tao [[Liberia|Liberià]] tamin' ny taona 1860 i William Wade Harris Wury tao amin' ny fianakaviana animista. Ninatra tao amin' ny sekolin' ny misiôna [[Metôdisma|metôdista]] izy ka natao [[batisa]] tao amin' io fiangonana io. Tamin' ny fanagadrana azy tamin' ny taona 1910 dia namangy azy ny arkanjely [[Gabriela (anjely)|Gabriela]] ka naniraka azy hitory ny [[filazantsara]] amin' ireo rahalahiny. Rehefa afaka avy tao am-pigadrana izy dia nisesitany tany [[Kôtidivoara]]. Nahita fahombiazana ny fitorianteny nataony tao. Voaroaka hiala an' i Kôtidivoara izy tamin' ny taona 1915. I Johh Ahui mpianany no nanohy indray ny hetsika tamin' ny taona 1929 sy tamin' ny taona 1954. Nandroso haingana ny fivavahana harista noho izany.
Anisan' ny fiangonana lehibe efatra eken' ny fitondram-panjakana ivoariana ny Fiangonana harista. Hita miorina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i Kôtidivoara io fiangonana io. Ahitana azy koa ny any [[Liberia|Liberià]] sy ny any [[Ganà]]. Efa misy azy koa ny any [[Eorôpa]], indrindra ny any [[Frantsa]].
Araka ny foto-pampianarana voalohany omen' i Harris dia mitana anjara toerana lehibe ny [[Baiboly]] (fandaozana ny ody sy ny sampy, fanahana ny [[lalàn' i Mosesy]], ny tsy maitsy anaovana batisa). Heverina ho fitaratra ho an' i Afrika ny [[Testamenta Taloha]] (andefarana ny [[fampirafesam-panambadiana]], fanomezana toerana ny [[lovantsofina am-bava]], fanomezan-danja ny [[nofy]] ahafaha-mamantatra ny tsy fantatra, fanomezan-danja ny fanasitranana ara-panahy).
== Jereo koa ==
* [[Kimbangisma]]
* [[Antônianisma]]
* [[Matsoanisma]]
* [[Tôkôisma]]
36675urs53zv0z0ph2wp0yscnam88qr
William Wade Harris
0
280887
1092640
1039153
2024-12-08T12:48:54Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092640
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Harris.jpg|vignette|I William Wade Harris]]
I '''William Wade Harris''' (1860-1929) dia evanjelista avy amin' ny [[Grebô (vahoaka)|foko grebô]], any [[Liberia|Liberià]]. Ny fianakaviany dia [[Animisma|animista]] nefa nandefa azy hianatra any amin' ny sekoly [[Metôdisma|metôdista]] episkôpaliana izy notaleavan' ny pastora Jesse Lavry. Niahy azy ity farany ka nanao [[batisa]] azy sady nampianatra azy namaky teny sy manoratra amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] sy amin' ny [[Fiteny grebô|teny grebô]]. Izy no mpanorina ny [[Fiangonana harista]].
== Fiainany manokana ==
Teraka tao [[Liberia|Liberià]] tamin' ny taona 1860 i William Wade Harris Wury tao amin' ny fianakaviana animista. Ninatra tao amin' ny sekolin' ny misiona [[Metôdisma|metôdista]] izy ka natao [[batisa]] tao amin' io fiangonana io. Tamin' ny fanagadrana azy tamin' ny taona 1910 dia namangy azy ny arkanjely [[Gabriela (anjely)|Gabriela]] ka naniraka azy hitory ny [[filazantsara]] amin' ireo rahalahiny. Rehefa afaka avy tao am-pigadrana izy dia nisesitany tany [[Kôtidivoara]]. Nahita fahombiazana ny fitorianteny nataony tao. Voaroaka hiala an' i Kôtidivoara izy tamin' ny taona 1915. I Johh Ahui mpianany no nanohy indray ilay hetsika tamin' ny taona 1929 sy tamin' ny taona 1954.
Araka ny [[foto-pampianarana]] voalohany nomen' i Harris dia mitana anjara toerana lehibe ny [[Baiboly]] (fandaozana ny ody sy ny sampy, fanahana ny [[lalàn' i Mosesy]], ny tsy maitsy anaovana batisa). Heverina ho fitaratra ho an' i Afrika ny [[Testamenta Taloha]] (andefarana ny [[fampirafesam-panambadiana]], fanomezana toerana ny [[lovantsofina am-bava]], fanomezan-danja ny [[nofy]] ahafaha-mamantatra ny tsy fantatra, fanomezan-danja ny fanasitranana ara-panahy).
== Jereo koa ==
* [[Kimpa Vita]]
* [[Simon Kimbangu]]
jnf79269jxvsi21wty89obc293tasnz
Koramita
0
281604
1092648
1043181
2024-12-08T13:11:53Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092648
wikitext
text/x-wiki
Ny '''koramita''' antsoina koa hoe '''koramià''' dia hetsika ara-pivavahana sy ara-pôlitika iraniana niseho tany [[Azerbaijàna]] tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-9, izay manam-pototra ao amin' ny sekta [[Zôrôastrisma|zôrôastriana]] naorin' i Mazdak (ny [[mazdakisma]]). Ity hetsika ity, izay antsoina koa hoe ''Surkh jāmgān'' ("miakanjo mena") noho ny saron-dohany mena, dia fanehoan-kevitra iraniana manohitra ny fahefana [[Arabo (vahoaka)|arabo]] sy ny [[Silamo|fivavahana silamo]], izay nanampy tamin' ny fampihenana ny herinr' ny [[kalifata]].
Tamin' ny nitarihan' i Babak azy ireo dia nanomboka nanafika tany Iràna sy [[Iràka]] ny Koramita tamin' ny taona 816, nandritra ny fitondran' i Al-Mamun. Novonoina tamin' ny Janoary 838 tao Samarra i Babak.
Ny Qizilbash tamin' ny taonjato faha-16, izay hetsika ara-pivavahana sy ara-pôlitika tao [[Azerbaijàna]] nanampy tamin' ny fananganana ny [[Diastia Safavida|dinastia safavida]], dia voalaza fa "taranaka ara-panahin' ny Koramita".
== Ny finoany ==
I Al-Maqdisi (mpahay jeôgrafia arabo) dia miresaka zava-misy maromaro. Nomarihiny fa "ny fototra ao amin' ny fampianaran' izy ireo dia ny finoana ny mazava sy ny haizina"; indrindra indrindra, "ny foto-pisian' izao rehetra izao dia ny Fahazavana, izay misy ampahany nofoanana ka nivadika ho Haizina". "Ialan' izy ireo ny fandatsahan-dra, afa-tsy rehefa atsangany ny fanevan' ny fikomiana". Izy ireo dia "tena miahy ny amin' ny fahadiovana sy ny fanadiovana, ary ny amn' ny fanatonana olona amin-katsaram-panahy sy fiantrana". Ny sasany tamin' izy ireo dia "nino ny [[firaisana ara-nofo malalaka]], raha toa ka nanaiky izany ny vehivavy, ary koa ny fahalalahana hifaly amin' ny fahafinaretana rehetra sy hanome fahafaham-po ny fironan' ny tena raha tsy manisy ratsy ny hafa izany"<ref name=":0"><small>Yarshater, Ehsan. 1983. ''The Cambridge history of Iran'', volume 2. p. 1008</small></ref>.
Mikasika ny fahasamihafan' ny finoana, dia mino izy ireo fa "ny mpaminany, na dia samy hafa aza ny lalàny sy ny fivavahany, dia tsy mahaforona afa-tsy fanahy iray ihany"<ref name=":0"><small>Yarshater, Ehsan. 1983. ''The Cambridge history of Iran'', volume 2. p. 1008</small></ref>. Nilaza i Naubakhti fa mino ny [[fahaterahana indray ao amin' ny vatana]] ho ny hany karazana fiainana any an-koatra sy ny famaliana ary ny fanafoanana ny fepetra sy adidy ara-pivavahana rehetra. Tena manaja an' i Abou Muslim<ref><small>I Abou Muslim dia jeneraly persiana niasa tamin' ny nandritra ny Dinastia Abasida, izay nitarika ny revôlisiôna abasida nanongana ny Dinastia Ômeiada.</small></ref> sy ny imamany izy ireo. Ao amin' ny fombafombany, izay somary tsotra, dia "mitady ny vokatra ara-tsakramenta lehibe indrindra amin' ny divay sy ny zava-pisotro" izy ireo. Amin' ny ankapobeny, notombanan' i Al-Maqdisi ho "[[Mazdeisma|Mazdeana]]... izay misaron-tena ho [[Silamo|Mozimana]]" izy ireo.
== Jereo koa ==
* [[Fivavahana iraniana]]
* [[Zôrôastrisma]]
== Loharano sy fanamarihana ==
qf7rtpthmngwzahwiacis2myn6wqtz9
Valabe
0
281644
1092681
1087296
2024-12-09T11:16:13Z
Thelezifor
15140
1092681
wikitext
text/x-wiki
Ny '''valabe''' dia fomba amam-panaon' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] taloha tamin' ny faritra sasany sy tamin' ny fotoam-piravoravoana sasany, anisan' izany ny [[Fandroana|Fandroan' andriana]] tao Imerina sy ny [[Fitampoha]]<ref><small>"[http://madarevues.recherches.gov.mg/IMG/pdf/omaly13-14_23_.pdf Un aspect du Fitampoha - Le Valabe]"; ''madarevues.recherches.gov.mg''</small></ref> tao amin'ny faritra Menabe teto [[Madagasikara]], izay nahazoana manao [[firaisana ara-nofo]] malalaka: na amin' olona avy amin' ny saranga inona na amin' olona avy amin' ny saranga inona<ref><small>[[Régis Rajemisa Raolison|Rajemisa-Raolison Régis]], "Valabe", in ''Rakibolana malagasy'', 1985.</small></ref><ref><small>Abinal Antoine et Malzac Victorin, "Valabe", ''Dictionnaire malgache-français'', 1888.</small></ref>.
Amin' ny alina mialoha ny andro hanatanterahana ny Fandroana, izay fihavaozana ara-tandindona, dia misy ny fanaovana valabe<ref name=":2"><small>Larson, Pier M. (1999), "A cultural politics of bedchamber construction and progressive dining in Antananarivo: ritual inversions during the ''fandroana'' of 1817", in Middleton, Karen (ed.), ''[https://books.google.mg/books?id=My4B9q9FTiYC&printsec=frontcover&redir_esc=y#v=onepage&q&f=false Ancestors, Power and History in Madagascar]'', Leiden, The Netherlands: Brill, pp. 37–70, ISBN <bdi>978-90-04-11289-6</bdi>, retrieved March 3, 2010</small></ref>. Nanomboka tamin-d[[Radama II]] (1861-1863) anefa dia tsy nankalazaina intsony ny Fandroana amin' ny [[Alahamadibe]], noho izy nanaraka ny [[Kristianisma ao Madagasikara|fivavahana kristiana]] izay nifanohitra amin' ny fanandratana ny [[Sampy (malagasy)|sampy]] masina 12, nifanohitra amin' ny fanaovana [[lapabe]] sy [[kimandrimandry]] fanao mandritra ny andro tsy maty, ary amin' ny fanaovana sorona eny amin' ny fasana. Tamin-d[[Ranavalona III]] (1881-1896) dia efa tsy nankalazaina intsony ny Fandroana sy ny Alahamadibe ka foana tanteraka tamin' izay ny valabe sy ny lapabe.
Fanao tany amin' ny faritra maro teto Madagasikara ny valabe na lapabe na kimandrimandry. Maro ny faritra efa niala amin' izany fanao izany, indrindra amin' ny fotoan' ny firavoravoana nentim-paharazana izay anaovana fankalazana fara tampony toy ny famorana faobe na ny fahatsiarovana ny mpanjaka efa niamboho.
== Jereo koa ==
* [[Lapabe]]
* [[Kimandrimandry]]
* [[Fiandravasana]]
== Rohy ivelany ==
* "[https://cultmada.blogspot.com/2018/02/il-y-100-ans-fiandravasana.html Il y a 100 ans : Fiandravasana]", ''cultmada.blogspot.com''
* "[http://madarevues.recherches.gov.mg/IMG/pdf/omaly13-14_23_.pdf Un aspect du Fitampoha - Le Valabe]"; ''madarevues.recherches.gov.mg''
== Loharano sy fanamarihana ==
ivncmrwv0145fhs0lkhnephg1ze2e3l
Sampan' ny kristianisma
0
282312
1092652
1047829
2024-12-08T13:23:04Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092652
wikitext
text/x-wiki
Izao ny sampana lehiben' ny fivavahana kristiana: ny [[Katolisisma|fiangonana katôlika]] (izay ahitana ny [[Fiangonana latina]] sy ireo [[Fiangonana katolika tatsinanana|fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 toy ny [[Fiangonana katôlika marônita]]), ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] ([[fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]], [[fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], ny [[Fiangonan'ny Atsinanana|Fiangonan' ny Atsinanana]]), ny [[prôtestantisma]] (ahitana ny [[anglikanisma]], ny [[kalvinisma]], ny [[loteranisma]] ary ny [[evanjelisma]]. Ao koa ireo fiangonana hafa toy ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] sy ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon' i Jehovah]].
== Ny katôlisisma ==
Ny [[katôlisisma]] dia fivavahan' ny Kristiana mankato ny fahefan' ny [[papa]] sy ny [[eveka]], indrindra m [[Foto-pampianarana|foto-pampianarany]], ny fampitana sy ny fandaminana ny fanompoam-pivavahany. Ny ankamaroan' ny Katôlika dia ao amin' ny [[Eglizy latina]], nefa ny Eglizy katôlika dia mahafaoka koa ireo [[fiangonana katôlika tatsinanana]] miisa 23 izay manan-jo hanao [[Ordinasiona|ôrdinasiona]] pretra lehilahy manam-bady.
=== Ny fiangonana latina ===
Ny [[Fiangonana latina]] dia ny ampahany manaraka ny fomba tandrefana ao amin' ny Fiangonana katôlika ka ny [[Fiangonana katolika tatsinanana|Fiangonana katôlika tatsinanana]] no ampahany mifameno aminy. Amin' ny Fiangonana katôlika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin' ny [[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]. Nampiasa ny [[fiteny latina]] izy tamin' ny [[Andro Antenatenany]] ka hatra taty aoriana fa tsy ny [[fiteny grika]] na hafa. Indraindray koa ny Fingonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana katôlika rômana" na "Eglizy katôlika romana". Manana ny fehezan-dalàny manokana ny Fiangonana latina, dia ny [[Lalàna Kanônika]] izay tsy ampiharina amin' ireo Fiangonana katôlika tatsinanana izay manaiky ny fahefan' ny [[Papa]] koa.
=== Ny fiangonana katôlika tatsinanana ===
Ny [[Fiangonana katôlika tatsinanana]] dia fitambaran' ny fiangonana any Atsinanana izay miombona amin' ny [[Papa]] ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana|Fiangonana ôrtôdôksa]] izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny kristianisma ôrtôdôksa an' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo. Anisan' ny Fiangonana katôlika tatsinana ny Fiangonana katôlika marônita, kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinana sy ao [[Eorôpa Atsinanana]] ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any [[Amerika]] sy [[Ôseania]] ary [[Eorôpa Andrefana]] koa.
== Ny fiangonana ôrtôdôksa ==
Ny [[fiangonana ôrtôdôksa]] dia mahafaoka ireo Kristiana monina any [[Atsinanana Akaiky]] sy [[Atsinanana Afovoany]] indrindraindrindra.
=== Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana ===
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa, dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "[[Fiangonan' ny kônsily fito|Fiangonan'ny kônsily fito]]" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao [[Eoropa Andrefana|Eorôpa Andrefana]] sy ao [[Grisy|Grisia]] (na Gresy) ary ao [[Kaokazy]].
=== Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo ===
Ny [[Fiangonana ortodoksa etiopiana|Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana]] na [[Fiangonana ortodoksa teoahedo etiopiana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana]] dia [[Fiangonana antekalkedoniana|fiangonana antekalkedôniana]]<nowiki/>niforona tao [[Etiopia|Etiôpia]], mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny [[Fiangonan'ny konsily telo|Fiangonan'ny kônsily telo]]. Isan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4.
Ny [[Fiangonana ortodoksa teoahedo eritreana|Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana]] dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny [[Fiangonan'ny konsily telo]] izy. Teo ambany fahefan' ny [[Fiangonana etiopiana ortodoksa|Fiangonana etiopiana ôrtôdôksa]] io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.
=== Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana ===
Ny [[Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana]] dia tsy isan'ny [[Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]] na ny [[Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]].
=== Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana ===
Ny [[Fiangonana ortodoksa atsinanana|Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana]], izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny [[Konsily voalohany tao Nikea|Kônsilin' i Nikea]] (taona 325) sy ny [[Konsily voalohany tao Konstantinopoly|Kônsily voalohan' i Kônstantinôpôly]] (taona 381) ka indraindray atao hoe [[Fiangonan' ny kônsily roa]] na [[Fiangonan' ny kônsily telo|Fiangonan'ny kônsily telo]]. Tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana|Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana]].
== Ny prôtestantisma ==
Ny prôtestantisma dia mahafaoka ireo fiangonana nipoitra mivantana na tsia amin' ny [[Reformasiona|Refôrmasiona]] (na Refôrma) ka mizara ho sampany maro (toy ny [[adventisma]], ny [[anabatisma]], ny [[anglikanisma]], ny [[fiangonana batista]], ny [[fiangonana nohavaozina]], ny [[loteranisma]], ny [[metôdisma]], ny [[pentekôtisma]] sns). Ireo [[Evanjelisma|fiangonana ara-pilazantsara]] (ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[Hetsika karismatika evanjelika|hetsika karismatika ara-pilazantsara]], ny [[hetsika karismatika vaovao]], sns) dia indraindray atao hoe anisan' ny Prôtestanta nefa indraindray koa lazaina hoe sampana manokan' ny kristianisma.
=== Ny anglikanisma ===
Ny [[anglikanisma]] dia fivavahana kristiana niorina voalohany tao [[Angletera]] vokatry ny fialany avy amin' ny Fiangonana katôlika tamin'ny taona 1534. Any amin'ireo firenena miteny anglisy no tena ahitana azy, indrindra ireo zanatany britanika taloha. Miisa eo amin’ ny 85 000 000 eo ny mpino ao aminy. Raha any ivelan'ny Fanjakana Mitambatra dia "[[Fiangonana episkopaliana|episkopaliana]]" no ahafantarana io fiangonana io. Eo anelanelan’ny [[katolisisma]] sy ny [[protestantisma]] ny anglikanisma izay milaza ny tenany ho sady katôlika no nohavaozina.
=== Ny kalvinisma ===
Ny kalvinisma dia foto-pampianarana [[Teôlôjia|teôlôjika]] [[Protestantisma|prôtestanta]] sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin' ny fiandrianan' Andriamanitra amin' ny zavatra rehetra. Ankehitriny dia ilazana ny foto-pampianarana sy ny fanaon' ny [[fiangonana nohavaozina]] sy [[Presbiterianisma|presbiteriana]] ary [[Fiangonana kongregasionalista|kôngregasiônalista]] izany.
=== Ny loteranisma ===
Ny [[loteranisma]] dia fiangonana manaraka ny [[teôlôjia]] nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' i Martin Lotera. Betsaha fiangonana loterana maro ny any [[Alemaina]] sy any [[Skandinavia]] ([[Danmarka|Danemarka]], [[Norvezy]], sns.), ny any amin'ny faritra na firenena hafa toa an'i [[Alzasa]], i [[Lorena]], i [[Madagasikara]], i [[Namibia]], i [[Polonia]] ary ireo firenena balta.
=== Ny adventisma ===
Ny [[adventisma]] dia hetsika ara-pinoana kristiana [[Milenarisma|milenarista]] nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny [[fifohazam-panahy lehibe faharoa]] tao [[Etazonia]] izay mampianatra momba ny [[Fiaviana fanindroany|Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany]] izay hiseho tsy ho ela amin' ny [[andro farany]]. Ny tena be mpanaraka indrindra dia ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]].
=== Ny anabatisma ===
Ny [[anabatisma]] dia firehana prôtestanta manandratra avo ny [[batisa]] an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina. Anisan' ny fiangonana batista ny Amisy (alemàna: ''Amische''; anglisy: ''Amish''), ny Hoterita (anglisy: ''Hutterites'' ; alemàna: ''Hutterer''), ny Mpirahalahy ao amin' i Kristy (alemàna: ''Brüder in Christo''; anglisy: ''Brethren in Christ''), ny Mpirahalahy Batista Jermanika (anglisy: ''German Baptist Brethren''; alemàna: ''Schwarzenauer Brüder'') ary ny [[Menônisma|fiangonana menônita]] maro izay maro anisa indrindra.
== Ny evanjelisma ==
Ny [[evanjelisma]] dia fihetsiketsehana kristiana milaza fa ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Nitombo tanjaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tamin' ny nipoiran' ny [[metôdisma]] britanika sy ny [[pietisma]] loterana. Isan' ny matanjaka ao amin' ireo Fiangonana evanjelika ny [[batisma]], ny [[pentekôtisma]], ny [[fihetsiketsehana karismatika evanjelika]], ny [[fihetsiketsehana karismatika vaovao]] (na pentekôtisma vaovao) ary ireo kristianisma avanjelika tsy miankina.
=== Ny batisma ===
Ny [[batisma]] dia finoana kristiana nipoitra tamin' ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ilay [[pastora]] anglisy atao hoe John Smyth tao [[Hôlandy]] tamin' ny taona 1609. Io hetsika io dia nanomezany lanja ny Baiboly, ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]], ny [[batisan' ny olon-dehibe]], ny fizakan-tena isan-toeran' ny fiangonana, ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan' ny fitambaran' ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana ([[kôngregasiônalisma]]). Mizara ho antokom-piangonana 27 ny fiangonana batista. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 000 000 ny mpino batista. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao [[Etazonia]] ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny fiangonana prôtestanta hafa rehetra.
=== Ny pentekôtisma ===
Ny pentekôtisma dia fireham-pinoana vokatry ny [[fifohazam-panahy]] notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]], ny [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina]], ny [[Batisan'ny mino|batisan' ny olon-dehibe]]. Manao fiteny tsy fantatra ny Pentekotista sady mazoto mifady hanina. Araka ny tarehimarika omen' ny [[Pew Research Center]] dia miisa any amin' ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekôtista maneran-tany izay hita indrindra any amin' ny firenena any [[Amerika]] (Etazonia, Kanada, Brezily, Sily, Nikaragoa, Kôlômbia, Arzantina), any [[Afrika]] (Ginea Bisao, Kôtidivoara, Borkina Faso, Benîno, Ganà, Kamerona, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblikan' i Kôngô, Angôla, Madagasikara, Môzambika) ary any [[Azia]] (Sina, Kôrea, Japana, India, Tany Masina).
=== Ny fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara ===
Ny fihetsiketsehana karismatika evanjelika dia manandratra avo ireo [[Fanomezan'ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] izy nefa manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny [[Fanahy Masina]]. Araka ny tarehimarika nomen' ny ''Pew Research Center'' dia ahitana mpino miisa 305 000 000 io fihetsiketsehana io tamin' ny taona 2011.
=== Ny fihetsiketsehana karismatika vaovao ===
Ny fihetsiketsehana karismatika vaovao dia manandratra avo ny [[Fanomezan'ny Fanahy Masina|fanomezan' ny Fanahy Masina]]. Nanomboka tao [[Etazonia]] tamin' ny fanombohan' ireo taona 1980 izany fihetsiketsehana izany. Maro ireo fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io fihetsiketsehana io. Ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan' ny Fanahy Masina]] sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Araka ny tarehimariky ny ''Pew Research Center'' tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 000 000 io fihetsiketsehana io.
=== Ny kristianisma tsy manavaka fiangonana ===
== Kristianisma hafa ==
=== Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany ===
Ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] dia fiangonana kristiana [[Restaorasiônisma|restaorasiônista]] teraka tany [[Etazonia]] tamin' ny taona 1830. I [[Joseph Smith]] no mpanorina azy. Ao [[Salt Lake City, Utah|Salt Lake City]] any [[Utah]] no misy ny foiben-toerany. Amin' ny teôlôjia môrmôna, ny ampahany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny [[Fanahin'ny vatana|fanahiny]], dia naterak' Andriamanitra Ray. [[Zanak'Andriamanitra|Zanak' Andriamanitra]] ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana. Tsy isan' ny fiangonana [[Trinite|trinitariana]] ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany na dia miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra. Ankoatry ny Baiboly dia manana ny boky masiny manokana izy, dia ny [[Bokin'i Môrmôna|''Bokin'i Môrmôna'']] sy ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] ary ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']]. Manana mpikambana miisa 16 000 000 any ho any io fiangonana io maneran-tany.
=== Ny Vavolombelon' i Jehovah ===
Ny [[Vavolombelon' i Jehovah]] dia mino ny fitondran’ ny [[Mesia]] mandritra ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] ([[milenarisma]]) sy mihevi-tena ho mamerina amin’ ny endriny tany amboalohany ny fivavahana kristiana ([[Restaorasiônisma|restaorasiônista]]). Nipoitra avy amin' ny fikambanana ''Bible Students'' ("[[Mpianatra Baiboly]]") notarihin' i [[Charles Taze Russell]] izay nandray ampahany betsaka tamin' ny fampianaran' ny [[adventisma]]. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, i Jesoa dia noforonin' Andriamanitra mivantana sady voalohany fa tsy Andriamanitra, ny [[Fanahy Masina|fanahy masina]] dia herin' Andriamanitra. Tsy mitambatra ho [[Trinite]] ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tamin' ny taona 2020 dia niisa manodidina ny 8 430 000 ny mpino Vavolombelon' i Jehovah.
== Jereo koa ==
* [[Kristianisma Tatsinanana|Kristianisma tatsinanana]]
* [[Kristianisma Tandrefana|Kristianisma tandrefana]]
* [[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]]
* [[Katôlisisma]]
* [[Kristianisma ôrtôdôksa]]
* [[Protestantisma|Prôtestantisma]]
* [[Evanjelisma]]
* [[Kristianisma ao Madagasikara]]
* [[Finoana abrahamika]]
cp3yc51fhbh1z4g9jx9r9tyn0u840sl
Hetsika Olomasin' ny Andro Farany
0
283282
1092670
1062129
2024-12-08T16:32:45Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */ Nandamina
1092670
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Book of Mormon - Malagasy.jpg|vignette|Ny Bokin' i Môrmôna]]
Ny '''hetsika Olomasin' ny Andro Farany''' dia fitambaran' ny vondrom-piangonana mahaleo tena avy amin' ny hetsika kristiana amin' ny [[Restaorasiônisma|famerenana amin' ny laoniny]] ([[restaorasiônisma]]) naorin' i [[Joseph Smith]] tamin' ny faramparan' ny taompolo 1820.
Ahitana mpikambana 16 tapitrisa mahery ireo fiangonana ireo raha atambatra, ka ny 98 % amin' izany dia ao amin' ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]. Ny [[teôlôjia]]<nowiki/>n' ny fiangonana amin' io hetsika io dia ny [[môrmônisma]], izay manao ny tenany ho mamerina ny fiangonana kristianina voalohany, miampy [[Fanambaràna (Olomasin' ny Andro Farany)|fanambaràna]] fanampiny.
Vitsy amin' ny [[Olomasin' ny Andro Farany]], toy ny mpikambana ao amin' ny [[Fianakaviamben' i Kristy (môrmônisma)|Fianakaviamben' i Kristy]] ([[Fiteny anglisy|anglisy]]: ''Community of Christ''), no voataonan' ny [[teôlôjia prôtestanta]] sady mitazona ny finoana sy fomba fanao miavaka sasany, anisan' izany ny [[fanambaràna mitohy]] sy ny fisokafan' ny kanônan' ny Soratra Masina ary ny fanorenana [[Tempoly (môrmônisma)|tempoly]]. Ny vondrona hafa dia ahitana ny [[Fiangonana Sisan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] (anglisy: ''Remnant Church of Jesus Christ of Latter Day Saints''), izay manohana ny fifandimbiasan' ny fitarihana avy amin' ny taranak' i Smith, ary ny [[Fiangonana Fondamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] (anglisy: ''Fundamentalist Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints'') izay mampiady hevitra kokoa, izay miaro ny fampiharana ny [[Môrmônisma sy fampirafesana|fampirafesana]].
== Fiaviany ==
Nanomboka tany New York andrefana ilay hetsika nandritra ny [[Fifohazam-panahy lehibe faharoa]] rehefa nilaza i [[Joseph Smith]] fa nahazo fahitana nanambara lahatsoratra masina vaovao iray izy, dia ny [[Bokin' i Môrmôna]], izay navoakany tamin' ny taona 1830 ho famenon' ny [[Baiboly]]. Niorina amin' ny fampianaran' ity boky ity sy ny fanambaràna hafa i Smith, ka nanorina fiangonana kristiana maka tahaka izay heveriny ho ny fiangonana voalohany, antsoina hoe "[[Fiangonan' i Kristy (Olomasin' ny Andro Farany)|Fiangonan' i Kristy]]".
Nahasarika mpanaraka an-jatony maro, izay nantsoina hoe "Môrmôna" na "Olomasin' ny Andro Farany" na "Olomasina" fotsiny, ny Bokin' i Môrmôna. Tamin' ny taona 1831, i Joseph Smith dia namindra ny foiben' ny fiangonana tany [[Kirtland, Ohio|Kirtland]], any [[Ohio]], ary tamin' ny taona 1838 dia nanova ny anarany ho "Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany" izy.
Taorian' ny faharavan' ny fiangonana tao Ohio noho ny fahasahiranana ara-bola sy ny tsy fitovian-kevitra, dia nifindra tany Missouri i Smith sy ny fiangonana manontolo tamin' ny taona 1838. Nenjehina anefa ny Olomasin' ny Andro Farany ka nandositra nankany Illinois.
Taorian' ny namonoana an' i Smith tamin' ny taona 1844, ny tsy fifanarahana momba ny fifandimbiasana dia nitarika ny fizaran' ilay fiangonana ho vondrona maromaro. Ny lehibe indrindra amin' izy ireo, ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany, dia nifindra monina teo ambany fitarihan' i [[Brigham Young]] nankany amin' ny Great Basin ([[Utah]] ankehitriny) ary nanjary nalaza tamin' ny fanekeny ny [[Fampirafesana (môrmônisma)|fampirafesana]] tamin' ny taonjato faha-19. Nandao tamin' ny fomba ôfisialy io fanao io ny Fiangonan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany tamin’ ny taona 1890, ary nampiato tsikelikely izany, ka nahatonga ny tanin' i Utah ho lasa iray amin’ ireo fanjakana any [[Etazonia]]. Io fiovana io dia niteraka fiforonan' ny sampana kely maromaro izay nitady hihazona ny fampirafesana sy ny fotopampianarana sy fanao hafa nanjaka tamin' ny taonjato faha-19, ka ireo no antsoina ankehitriny hoe "[[Fondamentalisma môrmôna]]".
Nisy vondrona hafa nipoitra tao anatin' ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany nanaraka lalana samihafa tany Missouri, Illinois, Michigan, ary Pennsylvania. Amin' ny ankapobeny dia nolavin' ireo vondrona ireo ny fampirafesana sy ny sasany tamin' ny fampianaran’ i [[Joseph Smith]] tatỳ aoriana. Ny lehibe indrindra amin' izy ireo, ny Fianakaviamben' i Kristy (fantatra taloha hoe "[[Fiangonana Sisan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]"), dia niorina tao Illinois tamin' ny taona 1860 tamin' ny alalan' ny vondrona maromaro nitambatra nanodidina ny zanak' i Joseph Smith, ata hoe [[Joseph Smith III]].
== Tantarany ==
Ny mpanorina ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany dia i [[Joseph Smith]], ary amin' ny lafiny kely kokoa, nandritra ny roa taona voalohany nisian' ilay hetsika, dia i [[Oliver Cowdery]]. Nandritra ny androm-piainany, i Smith dia nitantara ny zavatra niainany fony izy zazalahy, ny amin' ny [[Fahitana voalohany (môrmônisma)|nahitany an' Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy]] ho toy ny roa samy hafa, izay nilaza taminy fa ny fiangonana marin' i Jesoa Kristy dia efa very ary [[Restaorasiônisma|haverina amin' ny laoniny]] amin' ny alalany, ary izy homena fahefana hanorina sy hitarika ny Fiangonan' i Kristy marina.
Ny fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany dia naorina tamin' ny 6 Avrily 1830, izay ahitana vondrona mpino tao amin’ ny tanànan’ i Fayette, ao Manchester, ary Colesville samy any New York andrefana. Ny fiangonana dia naorina tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny anarana hoe "Fiangonan' i Kristy". Tamin' ny taona 1834, ny fiangonana dia nantsoina hoe "Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany" tao amin' ny bokin' ny fiangonana tany am-boalohany, ary tamin' ny taona 1838 dia niteny i [[Joseph Smith]] fa nahazo fanambaràna avy amin' Andriamanitra, izay nanova tamin' ny fomba ôfisialy ny anaran’ ilay fiangonana ho lasa hoe "Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany".
Tamin' ny taona 1844, i [[William Law]] sy ny Olomasin' ny Andro Farany maro hafa teo amin' ny toeran' ny mpitarika ao amin' ilay fiangonana dia nanameloka ampahibemaso tao amin' ny ''[[Nauvoo Expositor]]'' ny [[Fampirafesana (môrmônisma)|fampirafesana]] miafina nataon' i [[Joseph Smith]] ary nanangana ny fiangonany manokana ("Fiangonana Marin' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany" "''True Church of Jesus Christ of Latter Day Saints''"). Ny filankevitry ny tanànan' i Nauvoo, any Illinois, izay notarihin' i Joseph Smith, dia nandrava ny milina fanontam-pirinty an' ny ''Expositor''. Na dia teo aza ny tolo-kevitr' i Joseph Smith tatỳ aoriana mba handoa onitra noho ny fananana rava, ny mpitsikera an' i Smith sy ny fiangonana dia nihevitra an’ ilay fandravana ho mavesatra. Ny sasany dia niantso ny Olomasin' ny Andro Farany mba horoahina na haringana. I Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay filoha mpanampy, dia samy novonoin' ny mpihetraketraka fony izy ireo tao amin' ny fonjan' i Carthage, ao Illinois, ary olona maromaro tao amin' ny fiangonana no nilaza ho tompon' andraikitra ambony mbola velona ary voatendry ho mpandimby.
Niteraka krizim-pifandimbiasana ireo filazana samihafa ireo. Maro no nanohana an' i [[Brigham Young]], filohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo; ny hafa naohana an' i [[Sidney Rigdon]], ilay mpikambana zokiolona mbola velona ao amin’ ny fiadidian’ ny filoha voalohany. I [[Emma Hale Smith]] dia tsy nahavita nandresy lahatra an' i [[William Marks]], filohan’ ny Filankevitra Ambony Mpitarika sady mpanohana an’ i Rigdon, mba handray ny fitarihana ary ireo sisa tavela tamin' ny fianakavian’ i Joseph Smith akaiky dia tsy niray tamin’ ny vondrona lehibe hatramin’ ny taona 1860, rehefa nanangana ny Fiangonan' i Jesoa Kristy Nohavaozina ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany (anglisy: ''Reorganized Church of Jesus Christ of Latter Day Saints'') izy ireo miaraka amin' ny lahimatoan' i Joseph Smith atao hoe [[Joseph Smith III]] ho mpaminany.
Ireo vondrona isan-karazany ireo indraindray dia antsoina amin' ny anarana ara-jeôgrafia roa he: "Olomasin' ny Kijana" ("Prairie Saints" ireo izay nijanona tany amin’ ireo fanjakana ao afovoan' i Etazonia); ary ny “Olomasin’ ny Tendrobhitra Be Vatolampy” ("Rocky Mountain Saints": ireo izay nanaraka an' i Young tany amin’ izay ho lasa fanjakan' i Utah tatỳ aoriana).
Ankehitriny, ny ankamaroan' ny Olomasin' ny Andro Farany (mihoatra ny 98 isan-jato) dia amin' ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin' ny Andro Farany, izay misy mpikambana maherin' ny 16 tapitrisa maneran-tany. Ny antokom-pinoana faharoa lehibe indrindra dia ny Community of Christ any Missouri, izay misy mpikambana 252 000. Ny antokom-pinoana madinika izay mitantara ny fiaviany hatramin' i Rigdon, [[James Strang]], na ny mpiara-miasa hafa amin' i Joseph Smith, dia mbola misy, ary ireo sampana fondamentalista maromaro izay nisaraka tamin' ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] taorian' ny nandavan' ity frany ny fampirafesana tamin' ny taona 1890 dia misy mpikambana an'aliny.
== Finoany ==
=== Fiantsoana ny mpikambana hoe "olomasina" ===
=== Famerenana amin' ny laoniny ===
=== Telôjia ===
== Jereo koa ==
* [[Kristianisma]]
* [[Restaorasiônisma]]
* [[Mônôteisma]]
* [[Henôteisma]]
* [[John Smith]]
* Ny niandohany: [[Fiangonan' i Jesoa Kristy (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* Ny fiangonana lehibe indrindra: [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] - [[Fiangonan' i Jesoa Kristy (Bikertônita)]] - [[Rigdônita]] - [[Fiangonan' i Kristy (Temple Lot)]] - [[Fianakaviamben' i Kristy]] - [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany (Strangita)]] - [[Fiangonana Fondamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Fondamentalisma môrmôna]]
* [[Tantaran' ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Restaorasiôna (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* [[Fivadiham-pinoana Lehibe|Fivadiham-pinoana lehibe]]
* [[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|Ôrdônansy]]
* [[Tempoly (môrmônisma)]]
* [[Batisa ho an' ny maty]]
* [[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Môrmônisma|Teôlôjia môrmôna]]
* [[Tantaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
syxo4f07tfbyu77es66p33khmaxiu05
1092671
1092670
2024-12-08T16:35:14Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */

'''Kristanisma'''
* [[Kristianisma]]
* [[Restaorasiônisma]]
* [[Mônôteisma]]
* [[Henôteisma]]
'''Môrmônisma'''
* [[John Smith]]
* Ny niandohany: [[Fiangonan' i Jesoa Kristy (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* Ny fiangonana lehibe: [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] - [[Fiangonan' i Jesoa Kristy (Bikertônita)]] - [[Rigdônita]] - [[Fiangonan' i Kristy (Temple Lot)]] - [[Fianakaviamben' i Kristy]] - [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany (Strangita)]] - [[Fiangonana Fondamentalistan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Fondamentalisma môrmôna]]
* [[Tantaran' ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Restaorasiôna (Olomasin' ny Andro Farany)]]
* [[Fivadiham-pinoana Lehibe|Fivadiham-pinoana lehibe]]
* [[Ôrdônansy (Olomasin' ny andro farany)|Ôrdônansy]]
* [[Tempoly (môrmônisma)]]
* [[Batisa ho an' ny maty]]
* [[Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
* [[Môrmônisma|Teôlôjia môrmôna]]
* [[Tantaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]
ofocajb95367hkm4pfntjes8tkleapq
Amboarampeon' ny Tabernakely
0
290152
1092660
2024-12-08T14:14:33Z
Thelezifor
15140
Amboarampeon' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany any Etazonia.
1092660
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Mtchoirandorchestra ConferenceCenter.jpg|vignette|354x354px|Amboarampeon' ny Tabernakely]]
Ny '''Amboarampeon' ny Tabernakely ao Temple Square''' dia amboarampeo any [[Etazonia]] izay mikambana amin' ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]]. Amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] izy dia atao hoe '''''The''' '''Tabernacle Choir at Temple Square''''' sady fantatra teo aloha amin' ny anarana hoe '''''Mormon Tabernacle Choir'''''. Nanao fampisehoana tao amin' ny Tabernakelin' i Salt Lake (anglisy: ''Salt Lake Tabernacle'') nandritra ny 100 taona mahery izy io. Ny fandaharana fampaherezam-panahy isan-kerinandro, atao hoe ''Music & the Spoken Word'', dia anisan' ny fandaharana an' onjam-peo naharitra ela indrindra eran-tany, nalefa isan-kerinandro nanomboka tamin' ny 15 Jolay 1929. Mandray anjara amin' ny fampielezam-peo amin' ny fahitalavitra, amin' ny fandraisam-peo, amin' ny horonan-tsary maromaro ary manao fitetezam-paritra ao Etazonia sy any ivelany ity antoko mpihira ity. Misy fandaharana mivantana mandritra ny antsasak' adiny isan-kerinandro ao amin' ny Tabernakelin' i Salt Lake City.
Niorina tamin’ ny 22 Aogositra 1847 ity amboarampeo ity, fotoana fohy taorian' ny nidiran' ny mpisava lalana môrmôna tao amin' ny Lohasahan' i Salt Lake. Ireo izay mikasa hiditra ho mpihira ao dia tsy maintsy mpikambana ao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany izay mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hanompo ao amin' ny tempoly, sady eo anelanelan' ny 25 sy 55 taona eo am-piandohan' ny fanompoana ao amin' ilay amboarampeo, ary mipetraka ao anatin' ny 160 km miala ny Temple Square.
[[Sary:Mormon Tabernacle Choir.jpg|vignette|288x288px|Ny mpihira sy ny mpitendry zavamaneno ao amin' ny Amboarampeon' ny Tabernakely]]
Iray amin' ny amboarampeo malaza indrindra eran-tany ny Amboarampeon' ny Tabernakely. Natao fampisehoana voalohany ho an' ny filoham-pirenena amerikanina izy io tamin' ny taona 1911, ary niseho tao amin' ny fitokanana ny filoha [[Lyndon B. Johnson]] (1965), [[Richard Nixon]] (1969), [[Ronald Reagan]] (1981), [[George H. W. Bush]] (1989), [[George Bush|George W. Bush]] (1989). 2001), ary [[Donald Trump]] (2017).
Mpihira 360 no mandrafitra azy ary matetika miaraka amin' ny Organ' ny Tabernakely, izay misy fantsom-peo 11 623, sy ny Ôrkesitran' ny Temple Square, izay misy mpitendry zavamaneno miisa 110.
f2vmsytcbc5t36pqlfat4s9aknnypdk
1092661
1092660
2024-12-08T14:15:01Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Tabernacle Choir]] ho [[Amboarampeon' ny Tabernakely]] i Thelezifor

Tabernacle Choir
0
290153
1092662
2024-12-08T14:15:01Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Tabernacle Choir]] ho [[Amboarampeon' ny Tabernakely]] i Thelezifor
1092662
wikitext
text/x-wiki
#FIHODINANA [[Amboarampeon' ny Tabernakely]]
6fe82idv94pvfu9wwll68edpn3cww7l
Russell M. Nelson
0
290154
1092664
2024-12-08T15:41:10Z
Thelezifor
15140
Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany
1092664
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Russell M. Nelson.png|vignette|Russell M Nelson]]
I '''Russell Marion Nelson Sr.''' dia mpitondra fivavahana amerikanina ary mpitsabo mpandidy efa misotro ronono izay filoha faha-17 ao amin' ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany]] sady mbola filohany hatramin' izao (2025). Teraka tamin' ny 9 Septambra 1924 izy. Mpikambana tao amin' ny Kôlejin' ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folon' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany i Nelson nandritra ny efa ho 34 taona, ary filohan’ ilay kôlejy nanomboka tamin' ny taona 2015 ka hatramin’ ny 2018. Amin’ ny maha filoham-piangonana azy dia eken’ ny fiangonana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara i Nelson.
Teratany avy any Salt Lake City, Utah, i Nelson, nianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Utah ho an’ ny fianarany abaratonga voalohany sy nianarany ho mpitsabo. Nahazo mari-pahaizana ''Bachelor of Arts'' momba ny siansa biôlôjika fototra izy tamin' ny taona 1945, ary nahazo diplôma momba ny fitsaboana tamin' ny taona 1947, tamin' ny faha-22 taonany. Nizatra asa amn' ny fitsaboana (''medical residency'') izy avy eo ary nahazo Ph.D tao amin' ny Oniversiten' i Minnesota (''University of Minnesota''), izay naha mpikambana azy tao amin' ny ekipa mpikaroka namolavola ny milina fo-havokavoka (''heart-lung machine'') izay nanohana ny fandidiana fo misokatra voalohany tamin' ny taona 1951. Taorian’ ny naha mpitsabo azy tao amin' ny Tafika Amerikana nandritra ny Ady tao Kôrea dia niverina tany Salt Lake City i Nelson ary nandray ny maha profesora azy tao amin’ ny Sekolibn' ny Mpitsabon’ ny Oniversiten’ i Utah (''University of Utah School of Medicine''). Nandany ny 29 taona manaraka izy niasa teo amin' ny sehatry ny fandidiana fo. Lasa mpandidy fo nalaza i Nelson ary filohan’ ny Society for Vascular Surgery sy ny Utah Medical Association.
Nanompo tamin' ny toeran' ny mpitarika laîka tao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany nandritra ny naha mpitsabo mpandidy azy i Nelson, nanomboka tao Salt Lake City ary avy eo dia lasa Filohan' ny Sekoly Alahady tao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany tamin' ny taona 1971 ka hatramin' ny 1979. Tamin' ny taona 1984 i Nelson sy i Dallin H. Oaks, mpahay lalàna, dia voafidy ho amin' ny toerana banga roa ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folo.
sfk2bu2daevkhehfmt4lhm756rhzcbv
Boky faharoan' i Nefia
0
290155
1092666
2024-12-08T16:06:33Z
Thelezifor
15140
Boky faharoa ao amin' ny Bokin' i Môrmôna, ao amin' ny môrmônisma.
1092666
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Lehi Blesses His Posterity.jpg|vignette|365x365px|''Nitso-drano ny taranany i Lehia'', sary nataon’ i C. C. A. Christensen, 1890]]
Ny '''Boky faharoan' i Nefia''', na '''Bokin' i Nefia Faharoa''' izay antsoina matetika hoe '''Nefia Faharoa''' na '''2 Nefia''', no boky faharoa mandrafitra ny [[Bokin' i Môrmôna]], soratra ara-pivavahana voalohany ao amin’ ny [[Hetsika Olomasin' ny Andro Farany|Hetsika Olomasin’ ny Andro Farany]]. Notantarain’ i Nefia, zanakalahin’ i Lehia, fa tsy toy ny Bokin' i Nefia Voalohany, ny 2 Nefia dia mirakitra kely ny tantaran’ ny Nefita ary mifantoka indrindra amin’ ny [[Fahitana (finoana)|fahitana]] sy amin’ ny [[Faminaniana|faminanian]]’ i Nefia tenany sy ny an' ny mpaminany hafa, indrindra fa i [[Isaia (mpaminany)|Isaia]].
Ity boky ity dia manomboka amin' ny fitahiana sy fampianarana farany nataon' i Lehia ho an’ ny fianakaviany alohan’ ny nahafatesany. Nandalina lohahevitra momba ny <u>doalisma kôsmôlôjika</u> ("fifanoherana") i Lehia, ny [[Fahalavoan' ny Olombelona|Fahalavoan' ny olombelona]], ny [[Fitsanganan-ko velona|fitsanganana amin' ny maty]] ary ny [[:en:Salvation_in_Christianity#Atonement|sorom-panavotana]]. Taorian' ny nahafatesan' i Lehia dia nizara roa ny fianakaviana: ny Nefita izay notarihin' i Nefia ary ny Lamanita izay notarihin' i Lamana zokin' i Nefia. Voatery nandositra ny fonenany tany am-boalohany ny Nefita ary voaozon' Andriamanitra tamin’ ny "hoditra mainty" ny Lamanita. Nanorina tempoly ny Nefita ary nanaraka ny [[Lalàn' i Mosesy]]. Nitory teny i Nefia sy i Jakôba zandriny, nitanisa sy namakafaka ny [[Bokin' i Isaia]], matetika isaky ny teny avy ao amin' ny dikan-tenin' ny [[Baibolin' ny Mpanjaka Jakôba]].
== Jereo koa ==
* [[Bokin' i Môrmôna]]
* [[Boky voalohan' i Nefia]]
b5ejdkm58x01l4b2j3m1ur24ajos293
Sigara
0
290156
1092667
2024-12-08T16:26:53Z
Thelezifor
15140
Varingarina taratasy, matetika feno ravim-paraky, natao ho fohina
1092667
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Cigarette.jpg|vignette|Sigara]]
Ny '''sigara''' dia [[varingarina]] taratasy, mirefy santimetatra vitsivitsy ny lavany, feno akora azo arehitra, matetika ravim-[[Paraky (zavamaniry)|paraky]] voatetika sy voahodina, ary koa ny akora fanampiny. Izy io dia azo amboarina amin' ny tanana na amboarina betsaka amin' ny indostria, ary mety misy sivana amin' ny tendrony iray. Vita amin' ny plastika ny sivana. Doroana ny tendron' ny sigara tsy misy sivana mba hifohana ny [[setroka]] avoakany. Mety tsy misy paraky mihitsy indraindray ny sigara, na misy vokatra avy amin' ny [[zavamaniry]] hafa, anisan' izany ny fanafody psikôtrôpy hafa toy ny [[rongony]] na [[jirofo]].
fbfoulddk6tz4f6dylacdmdz9iuhre6
Tahirin-dranomandry
0
290157
1092672
2024-12-08T17:49:10Z
Thelezifor
15140
Ranomandry midadasika izay miforona avy amin' ny fiangonan' ny oram-panala.
1092672
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Briksdalsbreen (03 272).jpg|vignette|337x337px|Ny tahirin-dranomandry Briksdal, any [[Nôrvezy]].]]
Ny '''tahirin-dranomandry''' dia vongan-d[[ranomandry]] midadasika izay miforona avy amin' ny [[oram-panala]] miangona. Mampivoaka tsikelikely ny rivotra ao anatiny ny vesatry ny oram-panala miangona, sy mampihizina azy ka manjary ranomandry matevina. Mikoriana miadana vokatry ny vesatra izay misintona azy manaraka fidinana ny tahirin-dranomandry.
Miaty ny 60 hatramin' ny 70 % amin' ny [[ranomamy]] eto ambonin' ny [[Tany]] ny tahirin-dranomandry, ary ampahany manan-danja amin' ny bolan-dranomandry (na kriôsfera). Mahatratra 16 tapitrisa km<sup>2</sup> ny velaran’ ny ranomandry eto an-tany. Any amin' ny faritra avo (faritr' i [[Antarktika]] sy faritr' i [[Groenlanda|Grinlandy]]) ny ampahany be (95 %) amin' ny tany be tahirin-dranomandry.
Nahitana tahirin-dranomandry 300 000 ny fanisana ny tahirin-dranomandry eto an-tany nataon' ny ''Randolph Glacier Inventory'' tamin' ny taona 2024, mitombo izany tarehimarika izany noho ny fandrosoan' ny fijerena an-janabolana sy ny fiakaran' ny maripanan' izao tontolo izao izay mitarika ny fihenan' ny tahirin-dranomandry nanomboka tamin' ny taona 1850, sy ny fahaverezan' ny hateviny ary ny fisilatsilahan' izy ireo.
Nahatonga ny fihafainganan' ny fitsonihan' ny ranomandry nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 ny fiakaran' ny hafanana maneran-tany noho ny asan' ny olombelona.
0xul1rbxztbtl8k0gbscldzifg1wb6o
Saron-tendro
0
290158
1092674
2024-12-08T18:07:30Z
Thelezifor
15140
Ranomandry midadasika manodidina ny tendron' ny planeta na ny satelita.
1092674
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Mars NPArea-PIA00161.jpg|vignette|295x295px|Saron-tendro avaratry ny planeta [[Marsa (planeta)|Marsa]]]]
Ny '''saron-tendrontany''' na '''saron-tendro''' dia lafika [[ranomandry]] manodidina ny tendron' ny [[Fajiry|planeta]] na ny [[Satelita (voajanahary)|satelita]]. Ny ranomandry, izay vainga mangarahara sy mora miroritra, dia mety ahitana [[rano]] (H<sub>2</sub>O), [[metanina]] (CH<sub>4</sub>), [[amôniaka]] (NH<sub>3</sub>), [[etona karbônika]] (CO<sub>2</sub>), mônôksida-na karbônina (CO), na dinitrôzenina (N<sub>2</sub>, arao hoe diazôta koa). Ny saron-tendro dia mety maharitra na tsia ary miovaova arakaraka ny [[fizaràn-taona]] ny velarany.
dz60e0x2pxja6yink3ilg1amab8wdfb
1092675
1092674
2024-12-08T18:08:14Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Saron-tendrontany]] ho [[Saron-tendro]] i Thelezifor

1092677
1092675
2024-12-08T18:10:38Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1092677
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Mars NPArea-PIA00161.jpg|vignette|295x295px|Saron-tendro avaratry ny planeta [[Marsa (planeta)|Marsa]]]]
Ny '''saron-tendro''' dia lafika [[ranomandry]] manodidina ny tendron' ny [[Fajiry|planeta]] na ny [[Satelita (voajanahary)|satelita]]. Mety hahitana [[rano]] (H<sub>2</sub>O), [[metanina]] (CH<sub>4</sub>), [[amôniaka]] (NH<sub>3</sub>), [[etona karbônika]] (CO<sub>2</sub>), mônôksida-na karbônina (CO), na dinitrôzenina (N<sub>2</sub>, atao hoe diazôta koa) ny ranomandry, izay vainga mangarahara sy mora miroritra. Mety maharitra na tsia ny saron-tendro ary miovaova arakaraka ny [[fizaràn-taona]] ny velarany.
23m4hiy3x8b8z08avfk0nthsqis89ue
Saron-tendrontany
0
290159
1092676
2024-12-08T18:08:14Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Saron-tendrontany]] ho [[Saron-tendro]] i Thelezifor
1092676
wikitext
text/x-wiki
#FIHODINANA [[Saron-tendro]]
adi9x9pszk6mpy88b03jifmykp4fv4c
Ôseana
0
290160
1092679
2024-12-08T18:13:43Z
Thelezifor
15140
Fihodinana
1092679
wikitext
text/x-wiki
#FIHODINANA[[ranomasimbe]]
mcc84vx2u8pg0x4iwu9ioqwz23rflmq
Hasira
0
290161
1092680
2024-12-09T08:29:37Z
Thelezifor
15140
Habetsahan' ny sira levona anatn' ny ranoka
1092680
wikitext
text/x-wiki
Ny '''hasira''' dia ny habetsahan' ny [[sira]] levona ao anatn' ny ranoka, indrindra ny [[rano]], izay mpandevona mahery ho an' ny [[mineraly]] maro. Matetika ny venty ampiasaina dia ny g/L na g/kg (graman-tsira isaky ny litatra na isaky ny kilaon-drano; ity farany ity dia tsy misy refy ary mitovy amin' ny ‰, izany hoe isan' arivo). Ny hasiradia dia singa manan-danja amin' ny famaritana ny lafiny maro amin' ny [[simia]]<nowiki/>n' ny rano voajanahary sy amin' ny dingana biôlôjika ao anatiny, ary ny ova ao amin' toetra termôdinamika (toy ny [[mari-pana]] sy ny [[Tsindry (fizika)|tsindry]]) izay, mifehy ny toetra ara-pizika toy ny [[lanja isam-bentin-kadiry]] sy ny [[fiatiana ara-pana]]<nowiki/>n' ny rano.
ef6wvq16j2tyhsb8esvtqt6n3vv6x41