Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.44.0-wmf.8
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Betlehema
0
240162
1093566
1061860
2024-12-31T10:42:24Z
Thelezifor
15140
Nanitatra votoatiny
1093566
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Bethlehem-street2.JPG|vignette|Lalana ao amin' ny tanànan' i Betlehema ankehitriny|450x450px]]
I '''Betlehema''' dia tanàna ao amin' ny [[Jôrdania Andrefana]], ao amin' ny Fizaràn-tany palestiniana voabodo, 10 km eo atsimon' i [[Jerosalema]]. Ny velarany dia 10,61 km<sup>2</sup>. Ity tanàna ity dia nisy mponina 28.591 tamin' ny taona 2017, indrindra ny Palestiniana mozilmana. Izy io koa dia fonenan' ny Kristianina palestiniana vitsy, izay anisan' ny vondrom-piarahamonina kristiana tranainy indrindra eran-tany. Ny faritry ny tanànan' i Betlehema dia mipaka hatrany amin' ny tanànan' i Beit Jala sy i Beit Sahour.
Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izy dia atao hoe בֵּית לֶחֶם / ''Bet Lekhem'' fa amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] kosa dia بَيْت لَحْم, ''Bayt Laḥm''.[[Sary:Folio 52r - The Adoration of the Magi.jpg|vignette|''Mitsaoka an' i Jesoa Zaza ireo [[Magy ao amin'ny Baiboly|Magy]]'', nataon' ireo Limbourg brothers]]Foibem-pivavahana lehibe ilay tanàna. Ny lovantsofina jiosy, izay miantso azy koa hoe '''''Efrata''''', dia mahatonga azy io hoheverina fa toerana nahaterahan' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]], [[Mpanjakan' i Israely|mpanjakan' i Isiraely]]. Toerana masina ao amin' ny [[jodaisma]] koa izy io, satria ahitana ny fasan' i [[Rahely]] (na [[Rahely|Rasela]]), eo amin' ny fidirana amin' ilay tanàna. Ny Kristiana dia mihevitra azy ho ny tanàna nahaterahan' i [[Jesosy|Jesoa]], araka ny voasoratra ao amin' ny [[Baiboly]]. Toerana fanaovana [[fivahiniana masina]] i Betlehema, izay miteraka asa ara-toekarena lehibe mandritra ny vanim-potoan' ny [[Noely|Krismasy]].
Nanomboka tamin' ny taona 1995, araka ny fepetran' ny Fifanarahana tany Oslo, ny tanànan' i Betlehema dia eo ambany fitantanan' ny Fahefana Palestiniana, na dia i Israely no mitantana n ampahany be amin' ilay tanàna (85%).
== Tantara sy lanjany ==
=== Ao amin' ny jodaisma ===
==== Ao amin' ny Testamenta Taloha ====
Ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy|Genesisy]], i Betlehema no toerana nahafatesan' i [[Rahely]] (na [[Rahely|Rasela]]) sy nahaterahan' i [[Benjamina]], zanakalahy faharoan' i Rahely sady faralahy tamin' ny zanakalahin' i [[Jakôba (patriarka hebreo)|Jakôba]]. Miseho imbetsaka ao amin' ny [[Baiboly]] ilay fomba fiteny hoe "Betlehema ... amin' ny lalana mankany Efrata".
Ao amin' ny [[Bokin' i Rota]], dia nanambady an' i [[Rota (Baiboly)|Rota]] mpitondratena mahantra tonga hitsimpona tany an-tsahany i [[Bôaza]], tompon-tany manankarena avy any Betlehema. Avy amin' ny taranany no hahaterahan' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]], [[Mpanjakan' i Israely|mpanjakan' i Isiraely]].
Ao amin' ny [[Bokin' i Samoela]], i Davida mpanjaka dia zanak' i [[Jese (rain' i Davida)|Jese]] avy any Betlehema, ka izany no nahatonga an' i [[Mikà (mpaminany)|Mika]] mpaminany nanao azy ho tanindrazan' ny [[Mesia]] ho avy: "Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan' ireo arivon' i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin' Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin' ny andro fahagola, hatramin' ny andro mandrakizay." ([[Bokin' i Mikà|Mikà]] 5:1- ''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]'').
==== Ankehitriny ====
Toerana masina maromaro no hita ao Betlehema ka anisan' izany ny fasan' i Rahely.
=== Ao amin' ny kristianisma ===
==== Ao amin' ny Testamenta Vaovao ====
Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], araka ny voalazan' i [[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]] sy i [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]], dia i Betlehema any [[Jodea]] (na [[Jodea|Jodia]]) no toerana [[Fahaterahan' i Jesoa|nahaterahan' i Jesoa]]; raha nanapaka i Publius Sulpicius Quirinius, dia nankany ny ray aman-dreniny mba hosoratana anarana any, dia i [[Jôsefa (vadin' i Maria)|Jôsefa]], taranak' i Davida, izay tompon-tany avy any<ref><small>"Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an' i [[Jodea|Jodia]], tamin' ny andron' i [[Herôda Lehibe|Heroda]] mpanjaka, indreo, nisy [[Magy ao amin' ny Baiboly|Magy]] avy tany atsinanana tonga tany [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] [...]" (Matio 2:1- ''[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly]]'').</small>
<small>"Ary [[Jôsefa (vadin' i Maria)|Josefa]] koa niakatra avy tany [[Galilea (faritra)|Galilea]] avy tao an-tanàna [[Nazareta]] hankany [[Jodea]] ho ao an-tanànan' i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] izy," (Lioka 2:4 - ''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]'')</small> </ref>.
==== Taty aoriana ====
Tamin' ny taonjato faha-11, i Bernard de Clairvaux dia nanitatra ny famotoran-teny hebreo momba an' i ''Betlehema'' ("tranon' ny mofo") tao amin' ny fampiasana kristiana: ka i Jesoa izay teraka tao Betlehema no lasa "Mofo velona nidina avy any an-danitra"<ref><small>Bernard de Clairvaux, ''[https://www.jarrige.fr/wp-content/uploads/motos/templiers/Bernard_de_Clairvaux-De_laude_novae_militiae.pdf De laude Novae Militiae]'', 1129 [PDF] ([https://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=https%3A%2F%2Fwww.jarrige.fr%2Fwp-content%2Fuploads%2Fmotos%2Ftempliers%2FBernard_de_Clairvaux-De_laude_novae_militiae.pdf Arsiva]), chapitre VI, 21.</small></ref>. Toerana masina maromaro no hita ao Betlehema ka anisan' izany ny Bazilikan' ny Fahaterahana sy ny Lavabaton-dRonono.
==== Toerana nahaterahan' i Jesoa ====
Momba ny toerana nahaterahan' i Jesoa, dia nisalasala ny mpahay tantara teo fisafidianana an' ii Nazareta izay toerana nisy ny fianakaviany, izay nandaniany ny fahazazany sy ny fahatanorany manontolo, sy ny tanànan' i [[Kafarnahoma]] na [[Kafarnahoma|Kapernaomy]] (''Kfar Nahoma'', "Tanànan' i [[Nahoma]]") izay hita ao amin' ny Filazantsara izay maneho azy ho foiben' ny asa fitoriana nataony, eny fa na dia ny tanànan' i [[Kôrazaina]] na [[Kôrazina]] izay niraiketan' ny fon' i Jesoa indrindra.
Ny fitantaran' i [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]] sy ny an' i [[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]], izay samy milaza fa tao Betlehema any Jodea no nahaterahan' i Jesoa, dia mahatonga ny mpamakafaka ny Baiboly hirona amin' ny fandraiketana an-tsoratra ara-teôlôjia fa tsy araka ny zava-misy, - satria i Betlehema no tanànan' i Davida mpanjaka izay tsy maintsy hiavian' ny [[Mesia]] andrasan' ny [[Jiosy]] na [[Jiosy|Jody]], araka ny voalazan' ny faminanian' i [[Mikà (mpaminany)|Mikà]].
Ao amin' ny fitantaran' izy ireo ny nahaterahan' i Jesoa, ireo evanjelista ireo dia nanao fandrafetana ara-bakiteny izay manome fanazavana ny antony maha Mesia an' i Jesoa, amin' ny alalan' ny fanakarana taty aoriana (satria ny lovantsofina momba an' i Betlehema dia tsy nanomboka any alohan' ny fiafaran' ny taonjato voalohany).
Ny [[Filazantsara araka an' i Lioka|Filazantsaran' i Lioka]] sy ny [[Filazantsara araka an' i Matio|an' i Matio]] dia mitatitra fa i Betlehema no toerana nahaterahan' i Jesoa, ny [[Filazantsara araka an' i Marka|an' i Marka]] sy ny [[Evanjely araka an' i Joany|an' i Joany]] kosa nanomboka amin' ny fiainan' i [[Joany Batista]], avy eo ny an' i Jesoa, nefa tsy milaza na inona na inona momba ny [[Evanjelin' ny fahazazana|fahazazany]].
Araka ny voalazan' i [[Jerôma avy any Stridôna|Hierônimo avy any Stridôna]] (''Epistola'', 58:3), izay nipetraka tany Betlehema tamin' ny faran' ny taonjato faha-4, dia efa nohajaina sahady ny lavabato nisy ny nahaterahan' i Kristy, tamin' ny andron' i [[Hadriano]], izay nanorina tempoly natokana ho an' i Adônisy teo, mba hanakanana an' io fanomezam-boninahitra io; voalaza fa ity emperora rômana ity dia nanao toy izany koa tany [[Jerosalema]] tao amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] sy ny tao amin' ny [[Fasana Masina]].
Raha voamarina ny fanambaràn' ilay apôlôjeta momba ny Fasana Masina, ny fanambaràn' ity apôlôjeta kristiana ity dia tsy voamarin' ny zavatra hita tamin' ny fikarohana arkeôlôjika tao Betlehema izay tsy nahitana soritra toeram-ponenana tamin' ny andron' i Jesoa hatramin' izao. Ankoatr' izany dia toa nisy koa ny toerana nivavahana amin' ny Fahaterahana, talohan' ny Bazilika Kônstantiniana, na dia teo aza ny firesahana ankolaka nataon' ny apôlôjeta [[Jostinôsy Martira|Jostino]] avy any Nablosy sy [[Ôrigenesy avy any Aleksandria|Ôrigenesy]].
Teo anelanelan' ny taona 1992 sy 2003, i Aviram Oshri, arkeôlôga israeliana, dia nanao fikarohana fanavotana tao amin' ny tanàna mitovy anarana antsoina hoe Betlehema any Galilea, 6 km andrefan' i [[Nazareta]]. Navoakany tao ny sisa tavela tamin' ny fonenana jiosy tao tamin' ny Vanim-potoana Herôdiana (taonjato voalohany tal JK sy taor JK) ary tamin' ny taonjato faha-6, ny an' ny basilika kristiana iray, mifandray amin' ny mônasitera sy toerana fandraisam-bahiny. Araka ireo zavatra hita ireo dia nanatsoaka hevitra izy fa nisy ny fivahiniana masina kristianina ary nihevitra izy fa ny tanànan' i [[Betlehema any Galilea]] no toerana nahaterahan' i Jesoa marina.
==== Amin' izao fotoana izao ====
Amin' izao fotoana izao dia mihena isa ny Kristiana manerana an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]], indrindra fa ao Betlehema izay misy vondrom-piarahamonin' ny Kristiana maherin' ny 11 000, izany hoe 20 % amin' ny mponina ao an-tanàna, ka ny 40 % amin' izany dia Katôlika. Tamin' ny taona 2016 dia ny 12 % amin' ny mponina Kristiana, hoy ny ben' ny tanàna ao an-toerana. Tamin' ny taona 1950 dia ny 86 % amin' ny mponina tao Betlehema sy ny tanàna manodidina dia Kristiana.
==== Ny Bazilikan' ny Fahaterahana ====
Taorian' ny namonoan' i [[Kônstantino I]] ny emprora vavy rômana Faosta (''Fausta'') sy an' i Krispo (''Crispus''), dia nitsidika ny toerana masina ny emperora vavy [[Helena (emperora vavy)|Helena]], renin' i Kônstantino I, ary ity farany ity nanangana ny Bazilikan' ny Fahaterahana ao Betlehema. Nandeha nitoetra tany amin' ny zohy teo akaiky teo i [[Jerôma avy any Stridôna|Hierônimo]] (na i [[Jerôma avy any Stridôna|Jerôma]]) avy any Stridôna, ary nandika ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] tamin' ny [[Fiteny latina|teny latina]], tao amin' ny dikan-teny antsoina hoe ''[[Volgata|Vulgata]]''.
Naverin' i [[Jostiniano I|Jostiniano]] tamin' ny laoniny ny Bazilikan' ny Fahaterahana ary io irery no [[fitoerana masina]] tsy noravan' ny [[Persàna (vahoaka)|Persiana]] rehefa nanafika an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]] izy ireo. Mbola naverin' ny [[Kroazada]] tamin' ny laoniny izy io tamin' ny taonjato faha-12.
=== Ao amin' ny silamo ===
Ny [[Môskean' i Omar (Brtlehema)|Môskean' i Omar]] dia naorina tamin' ny taona 1860 ary natokana ho an' ny [[kalifa]] [[Omar ibn al-Khattâb|Omar ibn al-Khattab]] izay nandresy sy naka an' i [[Jerosalema]] ary nankany Betlehema tamin' ny taona 637, araka ny lovantsofina silamo. Nohavaozina izy io tamin' ny taompolo 1950.
== Jereo koa ==
* [[Nazareta]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Tanàna ao Israely]]
hml6kykg78iu0dlmr3gunnajsfmn99u
1093567
1093566
2024-12-31T10:53:03Z
Thelezifor
15140
Nanampy sary
1093567
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Bethlehem skyline, West Bank.jpg|vignette|379x379px|I Betlehema jerena avy eny amin' ny Fiangonan' ny Fahaterahana]]
I '''Betlehema''' dia tanàna ao amin' ny [[Jôrdania Andrefana]], ao amin' ny Fizaràn-tany palestiniana voabodo, 10 km eo atsimon' i [[Jerosalema]]. Ny velarany dia 10,61 km<sup>2</sup>. Ity tanàna ity dia nisy mponina 28.591 tamin' ny taona 2017, indrindra ny Palestiniana mozilmana. Izy io koa dia fonenan' ny Kristianina palestiniana vitsy, izay anisan' ny vondrom-piarahamonina kristiana tranainy indrindra eran-tany. Ny faritry ny tanànan' i Betlehema dia mipaka hatrany amin' ny tanànan' i Beit Jala sy i Beit Sahour.
Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izy dia atao hoe בֵּית לֶחֶם / ''Bet Lekhem'' fa amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] kosa dia بَيْت لَحْم, ''Bayt Laḥm''.
Foibem-pivavahana lehibe ilay tanàna. Ny lovantsofina jiosy, izay miantso azy koa hoe '''''Efrata''''', dia mahatonga azy io hoheverina fa toerana nahaterahan' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]], [[Mpanjakan' i Israely|mpanjakan' i Isiraely]]. Toerana masina ao amin' ny [[jodaisma]] koa izy io, satria ahitana ny fasan' i [[Rahely]] (na [[Rahely|Rasela]]), eo amin' ny fidirana amin' ilay tanàna. Ny Kristiana dia mihevitra azy ho ny tanàna nahaterahan' i [[Jesosy|Jesoa]], araka ny voasoratra ao amin' ny [[Baiboly]]. Toerana fanaovana [[fivahiniana masina]] i Betlehema, izay miteraka asa ara-toekarena lehibe mandritra ny vanim-potoan' ny [[Noely|Krismasy]].
Nanomboka tamin' ny taona 1995, araka ny fepetran' ny Fifanarahana tany Oslo, ny tanànan' i Betlehema dia eo ambany fitantanan' ny Fahefana Palestiniana, na dia i Israely no mitantana n ampahany be amin' ilay tanàna (85%).
== Tantara sy lanjany ==
=== Ao amin' ny jodaisma ===
==== Ao amin' ny Testamenta Taloha ====
Ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy|Genesisy]], i Betlehema no toerana nahafatesan' i [[Rahely]] (na [[Rahely|Rasela]]) sy nahaterahan' i [[Benjamina]], zanakalahy faharoan' i Rahely sady faralahy tamin' ny zanakalahin' i [[Jakôba (patriarka hebreo)|Jakôba]]. Miseho imbetsaka ao amin' ny [[Baiboly]] ilay fomba fiteny hoe "Betlehema ... amin' ny lalana mankany Efrata".
Ao amin' ny [[Bokin' i Rota]], dia nanambady an' i [[Rota (Baiboly)|Rota]] mpitondratena mahantra tonga hitsimpona tany an-tsahany i [[Bôaza]], tompon-tany manankarena avy any Betlehema. Avy amin' ny taranany no hahaterahan' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]], [[Mpanjakan' i Israely|mpanjakan' i Isiraely]].
Ao amin' ny [[Bokin' i Samoela]], i Davida mpanjaka dia zanak' i [[Jese (rain' i Davida)|Jese]] avy any Betlehema, ka izany no nahatonga an' i [[Mikà (mpaminany)|Mika]] mpaminany nanao azy ho tanindrazan' ny [[Mesia]] ho avy: "Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan' ireo arivon' i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin' Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin' ny andro fahagola, hatramin' ny andro mandrakizay." ([[Bokin' i Mikà|Mikà]] 5:1- ''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]'').
==== Ankehitriny ====
Toerana masina maromaro no hita ao Betlehema ka anisan' izany ny fasan' i Rahely.
=== Ao amin' ny kristianisma ===
==== Ao amin' ny Testamenta Vaovao ====
[[Sary:Folio 52r - The Adoration of the Magi.jpg|vignette|''Mitsaoka an' i Jesoa Zaza ireo [[Magy ao amin'ny Baiboly|Magy]]'', nataon' ireo Limbourg brothers]]Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], araka ny voalazan' i [[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]] sy i [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]], dia i Betlehema any [[Jodea]] (na [[Jodea|Jodia]]) no toerana [[Fahaterahan' i Jesoa|nahaterahan' i Jesoa]]; raha nanapaka i Publius Sulpicius Quirinius, dia nankany ny ray aman-dreniny mba hosoratana anarana any, dia i [[Jôsefa (vadin' i Maria)|Jôsefa]], taranak' i Davida, izay tompon-tany avy any<ref><small>"Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an' i [[Jodea|Jodia]], tamin' ny andron' i [[Herôda Lehibe|Heroda]] mpanjaka, indreo, nisy [[Magy ao amin' ny Baiboly|Magy]] avy tany atsinanana tonga tany [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] [...]" (Matio 2:1- ''[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly]]'').</small>
<small>"Ary [[Jôsefa (vadin' i Maria)|Josefa]] koa niakatra avy tany [[Galilea (faritra)|Galilea]] avy tao an-tanàna [[Nazareta]] hankany [[Jodea]] ho ao an-tanànan' i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] izy," (Lioka 2:4 - ''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]'')</small> </ref>.
==== Taty aoriana ====
Tamin' ny taonjato faha-11, i Bernard de Clairvaux dia nanitatra ny famotoran-teny hebreo momba an' i ''Betlehema'' ("tranon' ny mofo") tao amin' ny fampiasana kristiana: ka i Jesoa izay teraka tao Betlehema no lasa "Mofo velona nidina avy any an-danitra"<ref><small>Bernard de Clairvaux, ''[https://www.jarrige.fr/wp-content/uploads/motos/templiers/Bernard_de_Clairvaux-De_laude_novae_militiae.pdf De laude Novae Militiae]'', 1129 [PDF] ([https://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=https%3A%2F%2Fwww.jarrige.fr%2Fwp-content%2Fuploads%2Fmotos%2Ftempliers%2FBernard_de_Clairvaux-De_laude_novae_militiae.pdf Arsiva]), chapitre VI, 21.</small></ref>. Toerana masina maromaro no hita ao Betlehema ka anisan' izany ny Bazilikan' ny Fahaterahana sy ny Lavabaton-dRonono.
==== Toerana nahaterahan' i Jesoa ====
Momba ny toerana nahaterahan' i Jesoa, dia nisalasala ny mpahay tantara teo fisafidianana an' ii Nazareta izay toerana nisy ny fianakaviany, izay nandaniany ny fahazazany sy ny fahatanorany manontolo, sy ny tanànan' i [[Kafarnahoma]] na [[Kafarnahoma|Kapernaomy]] (''Kfar Nahoma'', "Tanànan' i [[Nahoma]]") izay hita ao amin' ny Filazantsara izay maneho azy ho foiben' ny asa fitoriana nataony, eny fa na dia ny tanànan' i [[Kôrazaina]] na [[Kôrazina]] izay niraiketan' ny fon' i Jesoa indrindra.
Ny fitantaran' i [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]] sy ny an' i [[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]], izay samy milaza fa tao Betlehema any Jodea no nahaterahan' i Jesoa, dia mahatonga ny mpamakafaka ny Baiboly hirona amin' ny fandraiketana an-tsoratra ara-teôlôjia fa tsy araka ny zava-misy, - satria i Betlehema no tanànan' i Davida mpanjaka izay tsy maintsy hiavian' ny [[Mesia]] andrasan' ny [[Jiosy]] na [[Jiosy|Jody]], araka ny voalazan' ny faminanian' i [[Mikà (mpaminany)|Mikà]].
Ao amin' ny fitantaran' izy ireo ny nahaterahan' i Jesoa, ireo evanjelista ireo dia nanao fandrafetana ara-bakiteny izay manome fanazavana ny antony maha Mesia an' i Jesoa, amin' ny alalan' ny fanakarana taty aoriana (satria ny lovantsofina momba an' i Betlehema dia tsy nanomboka any alohan' ny fiafaran' ny taonjato voalohany).
Ny [[Filazantsara araka an' i Lioka|Filazantsaran' i Lioka]] sy ny [[Filazantsara araka an' i Matio|an' i Matio]] dia mitatitra fa i Betlehema no toerana nahaterahan' i Jesoa, ny [[Filazantsara araka an' i Marka|an' i Marka]] sy ny [[Evanjely araka an' i Joany|an' i Joany]] kosa nanomboka amin' ny fiainan' i [[Joany Batista]], avy eo ny an' i Jesoa, nefa tsy milaza na inona na inona momba ny [[Evanjelin' ny fahazazana|fahazazany]].
Araka ny voalazan' i [[Jerôma avy any Stridôna|Hierônimo avy any Stridôna]] (''Epistola'', 58:3), izay nipetraka tany Betlehema tamin' ny faran' ny taonjato faha-4, dia efa nohajaina sahady ny lavabato nisy ny nahaterahan' i Kristy, tamin' ny andron' i [[Hadriano]], izay nanorina tempoly natokana ho an' i Adônisy teo, mba hanakanana an' io fanomezam-boninahitra io; voalaza fa ity emperora rômana ity dia nanao toy izany koa tany [[Jerosalema]] tao amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema]] sy ny tao amin' ny [[Fasana Masina]].
Raha voamarina ny fanambaràn' ilay apôlôjeta momba ny Fasana Masina, ny fanambaràn' ity apôlôjeta kristiana ity dia tsy voamarin' ny zavatra hita tamin' ny fikarohana arkeôlôjika tao Betlehema izay tsy nahitana soritra toeram-ponenana tamin' ny andron' i Jesoa hatramin' izao. Ankoatr' izany dia toa nisy koa ny toerana nivavahana amin' ny Fahaterahana, talohan' ny Bazilika Kônstantiniana, na dia teo aza ny firesahana ankolaka nataon' ny apôlôjeta [[Jostinôsy Martira|Jostino]] avy any Nablosy sy [[Ôrigenesy avy any Aleksandria|Ôrigenesy]].
Teo anelanelan' ny taona 1992 sy 2003, i Aviram Oshri, arkeôlôga israeliana, dia nanao fikarohana fanavotana tao amin' ny tanàna mitovy anarana antsoina hoe Betlehema any Galilea, 6 km andrefan' i [[Nazareta]]. Navoakany tao ny sisa tavela tamin' ny fonenana jiosy tao tamin' ny Vanim-potoana Herôdiana (taonjato voalohany tal JK sy taor JK) ary tamin' ny taonjato faha-6, ny an' ny basilika kristiana iray, mifandray amin' ny mônasitera sy toerana fandraisam-bahiny. Araka ireo zavatra hita ireo dia nanatsoaka hevitra izy fa nisy ny fivahiniana masina kristianina ary nihevitra izy fa ny tanànan' i [[Betlehema any Galilea]] no toerana nahaterahan' i Jesoa marina.
==== Amin' izao fotoana izao ====
[[Sary:Bethlehem-street2.JPG|vignette|Lalana ao amin' ny tanànan' i Betlehema ankehitriny|373x373px]]
Amin' izao fotoana izao dia mihena isa ny Kristiana manerana an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]], indrindra fa ao Betlehema izay misy vondrom-piarahamonin' ny Kristiana maherin' ny 11 000, izany hoe 20 % amin' ny mponina ao an-tanàna, ka ny 40 % amin' izany dia Katôlika. Tamin' ny taona 2016 dia ny 12 % amin' ny mponina Kristiana, hoy ny ben' ny tanàna ao an-toerana. Tamin' ny taona 1950 dia ny 86 % amin' ny mponina tao Betlehema sy ny tanàna manodidina dia Kristiana.
==== Ny Bazilikan' ny Fahaterahana ====
Taorian' ny namonoan' i [[Kônstantino I]] ny emprora vavy rômana Faosta (''Fausta'') sy an' i Krispo (''Crispus''), dia nitsidika ny toerana masina ny emperora vavy [[Helena (emperora vavy)|Helena]], renin' i Kônstantino I, ary ity farany ity nanangana ny Bazilikan' ny Fahaterahana ao Betlehema. Nandeha nitoetra tany amin' ny zohy teo akaiky teo i [[Jerôma avy any Stridôna|Hierônimo]] (na i [[Jerôma avy any Stridôna|Jerôma]]) avy any Stridôna, ary nandika ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] tamin' ny [[Fiteny latina|teny latina]], tao amin' ny dikan-teny antsoina hoe ''[[Volgata|Vulgata]]''.
Naverin' i [[Jostiniano I|Jostiniano]] tamin' ny laoniny ny Bazilikan' ny Fahaterahana ary io irery no [[fitoerana masina]] tsy noravan' ny [[Persàna (vahoaka)|Persiana]] rehefa nanafika an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]] izy ireo. Mbola naverin' ny [[Kroazada]] tamin' ny laoniny izy io tamin' ny taonjato faha-12.
=== Ao amin' ny silamo ===
[[Sary:No Peace with Settlements protest banner.jpg|vignette|"Tsy misy fandriampahalemana amin' ny mpibodo tanàna (Israeliana)”, sora-baventy eo amin' ny Môskean' i Omar, ao Betlehema, tamin' ny taona 2008.]]
Ny [[Môskean' i Omar (Brtlehema)|Môskean' i Omar]] dia naorina tamin' ny taona 1860 ary natokana ho an' ny [[kalifa]] [[Omar ibn al-Khattâb|Omar ibn al-Khattab]] izay nandresy sy naka an' i [[Jerosalema]] ary nankany Betlehema tamin' ny taona 637, araka ny lovantsofina silamo. Nohavaozina izy io tamin' ny taompolo 1950.
== Jereo koa ==
* [[Nazareta]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Tanàna ao Israely]]
mwrodeljzmkbwyo75oklnp7dol9eehi
Rahely
0
244532
1093553
971112
2024-12-30T12:20:54Z
Thelezifor
15140
Nanitsy rohy
1093553
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Rachel WilliamDyce.jpg|vignette|''I Rahely sy i Jakôba'', sary nataon' i William Dyce, taonjato faha-19.]]
I '''[[Rahely]]''' na '''Rasela''' (hebreo רָחֵל / ''raḥel'') dia vehivavy resahina ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy]] ao amin' ny [[Baiboly]]. Vadin' i [[Jakôba (patriarka hebreo)|Jakôba]] faharoa izy sady zokin' i [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] izay mbola vadin' i Jakôba koa sady samy zanak' i Labana. Roa ny zanany dia i [[Jôsefa (zanak' i Jakôba)|Jôsefa]] sy i [[Benjamina]].
== Jereo koa ==
* Ny zanak' i Jakôba: [[Robena]] - [[Simeôna (zanak' i Jakôba)|Simeôna]] - [[Levy (zanak' i Jakôba)|Levy]] - [[Jodà (zanak' i Jakôba)|Jodà]] - [[Dana]] - [[Naftaly]]- [[Gada]] - [[Asera]] - [[Isakara]] - [[Zebolôna]] - [[Jôsefa (zanak' i Jakôba)|Jôsefa]] - [[Benjamina]] - [[Dina (zanak' i Jakôba)|Dina]]
* Ny vadin' i Jakôba: [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] - [[Rahely]] (na '''Rasela''') - [[Bila]] - [[Zilpa]]
ke84rmbmlahvsl9x0q9ibw2tajt4jkb
Muaná
0
256992
1093557
955639
2024-12-31T03:30:48Z
41.213.235.225
1093557
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-1.528330|-49.216670}}
{{infobox tanàna
|anarana = Muaná
|velarantany =3 765,5
|faritany = [[Pará]]
|isam-ponina = 38.616
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Frente de Muaná.jpg
|saina=Flag_of_Muana.svg
}}
[[File:Para Municip Muana.svg|thumb|left|Muana]]
'''Muaná''' dia tanàna ao amin'ny faritany mizaka tenan'i [[Pará]] ao amin'ny [[Brazila]].
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 38.616 mponina tamin'ny taona 2016.
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
** [[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
h7ds5ievgueg7dh21qbs2jkqwk1zvoo
Afuá
0
257232
1093563
955880
2024-12-31T06:17:36Z
41.213.235.225
1093563
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-0.156670|-50.386670}}
{{infobox tanàna
|anarana = Afuá
|velarantany =8 338,7
|faritany = {{Pará}}
|isam-ponina = 3765
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Afuá (29724714337).jpg
|saina=Bandeira de Afuá (PA).svg
}}
[[File:Para Municip Afua.svg|thumb|left|Afua]]
'''Afuá''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}} ao amin'ny [[Brazila]], ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 37.765 mponina.
Lavitra mankany an-drenivohitra (Belém): 256 km
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
*** [[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
gnqmscpcozh3kvlvmfzc5qffixctd2w
1093564
1093563
2024-12-31T06:18:26Z
41.213.235.225
1093564
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-0.156670|-50.386670}}
{{infobox tanàna
|anarana = Afuá
|velarantany =8 338,7
|faritany = {{Pará}}
|isam-ponina = 37765
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Afuá (29724714337).jpg
|saina=Bandeira de Afuá (PA).svg
}}
[[File:Para Municip Afua.svg|thumb|left|Afua]]
'''Afuá''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}} ao amin'ny [[Brazila]], ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 37.765 mponina.
Lavitra mankany an-drenivohitra (Belém): 256 km
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
*** [[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
5ek1f345qk7itfzq9zsaq5gtjvboaur
Jitàna
0
280656
1093568
1089871
2024-12-31T11:54:23Z
2600:6C50:7E00:7EC:4998:B7EF:F760:DF4E
1093568
wikitext
text/x-wiki
{{Delete|Unsourced}}
[[Sary:Flag_of_the_Romani_people.svg|thumb|266x266px|Sainam-pirenana jitàna, noforonina tamin' ny taona 1933 sy nekena tamin' ny taona 1971.]]
Ny '''Jitàna''' na '''Rômanỳ''' na '''Tsigàna''' na '''Bôhemiana''' na '''Rôma''' dia vondron' olona [[Indô-ariana (vahoaka)|indô-ariana]], mpandehandeha mpifindra monina monina any [[Eorôpa]] ny ankamaroany, ary koa mponina am-pielezana any [[Amerika]].
Ny porofom-pitenenana sy ny fototarazo dia manondro fa ny jitàna amin' ny maha-vahoaka azy dia avy any avaratry ny [[Zana-kôntinenta Indiana]] (avy any amin' ny faritra misy an' i Rajasthan sy i Haryana ary i Punjab ankehitriny).
Niparitaka izy ireo, fa ny mponina marobe indrindra ao Eorôpa dia indrindra ny [[Eorôpa Afovoany]] sy [[Eorôpa Atsinanana]] ary [[Eorôpa Atsimo]] (anisan'izany i [[Frantsa]] atsimo), ary koa i [[Azia Andrefana]] ([[Torkia]] indrindra).
Ny fitenin' izy ireo, ny fiteny rômany, dia avy amin' ny [[fiteny sanskrita]], tenenina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Zana-kôntinenta Indiana, toy ny [[fiteny gojaraty]], ny fiteny penjaby, ny fiteny rajastany ary ny [[fiteny sindy]].
{{stub}}
ssujhbfodb68xgolh8vh01jsenq6w2e
Hamas
0
284821
1093556
1090133
2024-12-31T00:25:06Z
CommonsDelinker
112
Replacing Flag_of_Hamas.svg with [[File:Flag_of_al-Qassam_Brigades.svg]] (by [[:c:User:CommonsDelinker|CommonsDelinker]] because: [[:c:COM:FR|File renamed]]: [[:c:COM:FR#FR3|Criterion 3]] (obvious error) · This is not the flag of hamas; It is the flag of
1093556
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Flag of al-Qassam Brigades.svg|vignette|284x284px|Sainan' ny Hamas]]
Ny '''Hamas''' dia hetsika [[Islamisma|islamista]] sy [[Nasiônalisma|nasiônalista]] palestiniana ahitana sampana pôlitika sy sampana mitam-piadiana, ny [[Brigady Izz al-Din al-Qassam]]. Miasa indrindra ao [[Gaza]], izay notantaniny samirery nanomboka tamin' ny Jona 2007, ny Hamas, taorian' ny fandreseny tamin' ny fifidianana parlemantera sy ny fandroahana ny [[Fahefana Palestiniana]] taorian' ny ady an-trano tsy naharitra.
Midika ara-baiteny hoe "fahavitrihana" na "hafanam-po" ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe حماس¨/ ''hamas''. Raha ny tena marina dia fanafohezan-teny avy amin' ny hoe حركة المقاومة الإسلامية / '''''h'''arakat '''a'''l-'''m'''uqâwama '''a'''l-'i'''s'''lâmiya,'' izay midika ara-bakiteny hoe "hetsika fanoherana islamika", io teny io.
Noforonin' i [[Ahmed Yassin|Sheikh Ahmed Yassin]] sy i [[Abdel Aziz al-Rantissi]] ary i [[Mohammed Taha]] tamin' ny taona 1987 ilay hetsika, avy ao amin' ny <u>Fikambanan' ny Mpirahalay Mozilmana</u> (جمعيّة الإخوان المسلمين / ''Jamiat al-Ikhwan al-Muslimin'') izy telo ireo, manamafy ny sata mifehy azy fa "tany silamo ny tanin' i Palestina". Io fikambanana io dia manohana ny fandravana ny [[Israely|Fanjakan' i Israely]] sy ny fananganana Fanjakana Islamika Palestiniana manerana ny fizaràn-tanin' i Palestina izay teo ambany [[Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika|fitantanan' ny Britanika]] teo aloha, na dia mety hitarika ho amin' ny "fampiatoana ady" aza ny "fananganana fanjakana palestiniana feno manana ny [[Fiandrianana|fiandrianam-pireneny]] sy mahaleo tena ao anatin' ny sisin-taniny nofaritana tamin' ny 4 Jona 1967 (tsipika maitso (Israely)), ka i [[Jerosalema]] no renivohiny” dia.
Niandoha tamin' ny fampidiran' i [[Ejipta]] an' i Gaza tamin' ny taona 1948 ho anisan' ny taniny ny Hamas. Niorina manerana ny tanim-pirenena ejipsiana ny Fikambanan' ny Mpirahalahy Mozilmana, mpanohitra lehibe an' i [[Gamal Abdel Nasser|Nasser]]. Roapolo taona taty aoriana, taorian' ny [[Ady Enina Andro]], dia tsy voafehin' ny Ejipsiana intsony ny [[Salavantanin' i Gaza|faritr' i Gaza]].
Ny Mpirahalahy Mozilmana, izay mifampiresaka amin' i Israely, no hany hery ara-pôlitika voalamina. Neken' i Israely araka izany ny fangatahan' izy ireo hamatsy vola [[môskea]] maro, ho takalon' ny fitoniana. Tamin' izany fotoana izany dia nandray anjara tamin' ny ady an-trano tany [[Libàna|Libanona]] i [[Israely]] ary niady tamin' ny [[Fikambanam-Panafahana an' i Palestina]], izay nampitombo ny fanafihana mahafaty olona. Tamin' ny taona 1987, "rahalahy mozilmana" maromaro avy any Gaza no nanangana ny Hamas. Niantso fanaovana [[jihady]] avy hatrany ilay fikambanana vaovao.
Ao amin' ny tontolon' ny [[Ady Israeliana-Palestiniana]] dia mamaritra ny tenany ho hetsika mandray ny foto-keviny avy amin' ny [[Kor'any]] ary miady amin' ny anaran' ny [[Silamo|finoana silamo]] ny Hamas. Samy mikendry hamono ny miaramila sy ny sivily israeliana ny mpikatroka ao amin' ny Hamas, anisan' izany ireo avy amin' ny [[Brigady Izz al-Din al-Qassam]].
Teo anelanelan' ny Avrily 1993 sy ny taona 2005 dia nanao fanafihana vonotena am-polony maro, izay mikendry indrindra ny sivily, ny Hamas. Tamin' ny Avrily 2006 dia nanambara ilay fikambanana fa tsy hamerina intsony io karazana hetsika io fa hitifitra rôkety Qassam sy balafomanga Grad any amin' ny tanàna israeliana toa an' i [[Sderot]], i [[Ashdod]], i [[Ashkelon]] ary i [[Beer Sheba]]. Tamin' ny taona 2023 ny Hamas no nanao fanafihana lehibe tsy mbola nisy toy izany an' i Israely.
Amin' ny lafiny jeôpôlitika dia heverina ho mpiara-dia amin' ny [[Hezbollah]] [[Siisma|siita]] sy amin' i [[Iràna]] ao anatin' ny محور المقاومة / ''Miḥwar al-Muqāwamah'' ("Tezan' ny Fanoherana") ny Hamas. Ireo mantsy no manome azy fitaovam-piadiana sy famatsiam-bola. Manana fifandraisana amin' i [[Katara]] koa io fikambanana io.
Na izany aza, nandritra ny ady an-trano tao [[Siria]] (nanomboka tamin' ny taona 2011), dia nanohana ny mpanohitra siriana teo anelanelan' ny taona 2012 sy 2017 ny Hamas mba hanoherana ny governemanta siriana tarihin' i [[Bashar al-Assad]], mpiara-dia amin' i [[Iràna]] sy amin' ny [[Hezbollah]] ary mpikambana fototra ao amin' ny "Tezan' ny Fanoherana". Izy no nanorina ny vondrona mpikomy <u>Aknaf Beit al-Maqdess</u> tao Siria. Tamin' ny ady an-trano tao [[Iemena]] dia nanohana ny governemanta iemenita hanohitra ny [[Houthi]] mpioko, izay mpikambana ao amin' ny "Tezan' ny Fanoherana" ihany koa, ny Hamas. Na izany aza dia namelona ny fifandraisany indray tamin' i Iràna ny Hamas nanomboka tamin' ny taona 2017.
Sokajîn' ny firenena maro ho hetsika mpanao asa [[fampihorohoroana]] ny Hamas, anisan' izany i [[Kanada]], i [[Etazonia]] ary i [[Japàna|Japana]], toraka izany koa ny [[Vondrona Eorôpeana]]. Ny hafa, toa ny [[Fanjakana Mitambatra]], i [[Aostralia]] ary i [[Ejipta]], dia tsy mampihatra io teny io afa-tsy amin' ny sampany mitam-piadiana ihany. Farany, ny hafa indray, toa an' i [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], ny ankamaroan' ny firenena arabo-mozilmana na i [[Nôrvezy]] aza, dia tsy manasokajy an' io fikambanana io ho mpampihorohoro.
== Jereo koa ==
* [[Palestina]]
* [[Salavantanin' i Gaza]]
* [[Hezbollah]]
* [[Houthi]]
* [[Fahefana Palestiniana]]
* [[Ady Israeliana-Palestiniana]]
rqoblqaw3l9fahcp9m3tsly6r8f883a
Nosy Marajó
0
290326
1093560
1093534
2024-12-31T03:56:50Z
41.213.235.225
1093560
wikitext
text/x-wiki
[[File:Amazonasmuendung MK1888.png|thumb|left|[[Amazonas]]]]
[[File:Ilha de Marajó (3926554584).jpg|thumb|Nosy Marajó]]
'''Nosy Marajó''' dia nosy lehibe amoron-tsiraka ao amin'ny fanjakan'i {{Pará}} ao amin'ny {{Brazila}}.
Ny Nosy Marajó dia misaraka amin'ny tanibe amin'ny Helodranon'i Marajó, Reniranon'i [[Pará (renirano)]], renirano kely ary [[Ranomasimbe Atlantika]].
Miaraka amin'ny velaran-tany mirefy 40.100 kilometatra toradroa dia mitovy amin'ny [[Soisa]] ny haben'i Marajó. Ny haavon'ny toerana avo indrindra dia 295 kilometatra toradroa.
==Kaominina==
* Microregion of Arari:
** [[Cachoeira do Arari]]
** [[Chaves (Pará)|Chaves]]
** [[Muaná]]
** [[Ponta de Pedras]]
** [[Salvaterra|Salvaterra]]
** [[Santa Cruz do Arari]]
** [[Soure|Soure]]
* Microregion of Furos de Breves:
** [[Afuá]]
** [[Anajás]]
** [[Breves|Breves]]
** [[Curralinho]]
** [[São Sebastião da Boa Vista]]
* Microregion of Portel:
** [[Bagre (Pará)|Bagre]]
** [[Gurupá]]
** [[Melgaço (Pará)|Melgaço]]
** [[Portel|Portel]]
{{commonscat|Ilha de Marajó}}
[[Sokajy:Nosy ao Pará]]
t3pbzhxs9ysay4nqnn4xmnj31zv54y2
1093562
1093560
2024-12-31T05:56:41Z
41.213.235.225
1093562
wikitext
text/x-wiki
[[File:Amazonasmuendung MK1888.png|thumb|left|[[Amazonas]]]]
[[File:Ilha de Marajó (3926554584).jpg|thumb|Nosy Marajó]]
'''Nosy Marajó''' dia nosy lehibe amoron-tsiraka ao amin'ny fanjakan'i {{Pará}} ao amin'ny {{Brazila}}.
Ny Nosy Marajó dia misaraka amin'ny tanibe amin'ny Helodranon'i Marajó, Reniranon'i [[Pará (renirano)]], renirano kely ary [[Ranomasimbe Atlantika]].
Miaraka amin'ny velaran-tany mirefy 40.100 kilometatra toradroa dia mitovy amin'ny [[Soisa]] ny haben'i Marajó. Ny haavon'ny toerana avo indrindra dia 295m.
==Kaominina==
* Microregion of Arari:
** [[Cachoeira do Arari]]
** [[Chaves (Pará)|Chaves]]
** [[Muaná]]
** [[Ponta de Pedras]]
** [[Salvaterra|Salvaterra]]
** [[Santa Cruz do Arari]]
** [[Soure|Soure]]
* Microregion of Furos de Breves:
** [[Afuá]]
** [[Anajás]]
** [[Breves|Breves]]
** [[Curralinho]]
** [[São Sebastião da Boa Vista]]
* Microregion of Portel:
** [[Bagre (Pará)|Bagre]]
** [[Gurupá]]
** [[Melgaço (Pará)|Melgaço]]
** [[Portel|Portel]]
{{commonscat|Ilha de Marajó}}
[[Sokajy:Nosy ao Pará]]
2zs4jg01cfvdh52l31gp8ivyimkak58
Fasana Masina
0
290331
1093554
2024-12-30T13:44:44Z
Thelezifor
15140
Toerana heverina fa misy ny fasana nametrahana ny fatin' i Jesoa.
1093554
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Church of the Holy Sepulchre Jerusalem -8 (32789490453).jpg|vignette|Ny trano kely misy ny "fasan' i Kristy" ao amin' ny Fiangonan' ny Fasana Masina, taorian' ny namerenana azy amin'ny laoniny tamin' ny taona 2016.]]
Ny '''Fasana Masina''', araka ny [[lovantsofina]] kristianina, dia fasan' i Kristy, izany hoe fasana nametrahana ny fatin' i [[Jesoa]] ny harivan' ny nahafatesany teo amin' ny [[hazo fijaliana]]. Napetraka ao amin' ny trano kely iray naorina ao anatin' ny [[Fiangonan' ny Fasana Masina]] any Jerosalema izy io ankehitriny.
o62gjymbb3iozt1mru8eo3akh1mf466
1093555
1093554
2024-12-30T13:46:12Z
Thelezifor
15140
Nanampy rohy anatiny
1093555
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Church of the Holy Sepulchre Jerusalem -8 (32789490453).jpg|vignette|Ny trano kely misy ny "fasan' i Kristy" ao amin' ny Fiangonan' ny Fasana Masina, taorian' ny namerenana azy amin'ny laoniny tamin' ny taona 2016.]]
Ny '''Fasana Masina''', araka ny [[lovantsofina]] kristianina, dia fasan' i Kristy, izany hoe fasana nametrahana ny fatin' i [[Jesoa]] ny harivan' ny nahafatesany teo amin' ny [[hazo fijaliana]]. Napetraka ao amin' ny trano kely iray naorina ao anatin' ny [[Fiangonan' ny Fasana Masina]] any Jerosalema izy io ankehitriny.
== Jereo koa ==
* [[Betlehema]]
mlgiizr40icvb89qdafah1xfs8vbq4s
Cachoeira do Arari
0
290332
1093558
2024-12-31T03:51:09Z
41.213.235.225
Pejy noforonina tamin'ny « {{Coord|01|01|S|48|58|E}} {{infobox tanàna |anarana = Cachoeira do Arari |velarantany =3102,1 |faritany = [[Pará]] |isam-ponina = 22.786 |firenena = {{Brazila}} |ben'ny tanàna = |sary =Cachoeira do Arari 008.jpg |saina= Bandeira cachoeira do arari.JPG }} [[File:Para Municip CachoeiradoArari.svg|thumb|left|Cachoeira do Arari]] '''Cachoeira do Arari ''' dia tanàna ao amin'ny faritra federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazi... »
1093558
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|01|01|S|48|58|E}}
{{infobox tanàna
|anarana = Cachoeira do Arari
|velarantany =3102,1
|faritany = [[Pará]]
|isam-ponina = 22.786
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Cachoeira do Arari 008.jpg
|saina= Bandeira cachoeira do arari.JPG
}}
[[File:Para Municip CachoeiradoArari.svg|thumb|left|Cachoeira do Arari]]
'''Cachoeira do Arari ''' dia tanàna ao amin'ny faritra federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazila}}, ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 22.786 mponina.
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
***[[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[pt:Cachoeira do Arari]]
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
1gn56ak8hl391fzvjzlqpw2h9n4e1pq
1093559
1093558
2024-12-31T03:53:45Z
41.213.235.225
1093559
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|01|01|S|48|58|E}}
{{infobox tanàna
|anarana = Cachoeira do Arari
|velarantany =3102,1
|faritany = [[Pará]]
|isam-ponina = 22.786
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Cachoeira do Arari 008.jpg
|saina= Bandeira cachoeira do arari.JPG
}}
[[File:Para Municip CachoeiradoArari.svg|thumb|left|Cachoeira do Arari]]
'''Cachoeira do Arari ''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazila}}, ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 22.786 mponina.
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
***[[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[pt:Cachoeira do Arari]]
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
s4a0wg4xvoawkpjg8iy0bykicygdqt9
Salvaterra
0
290333
1093561
2024-12-31T04:00:30Z
41.213.235.225
Pejy noforonina tamin'ny « {{Coord|01|01|S|48|58|E}} {{infobox tanàna |anarana = Salvaterra |velarantany =918.5 |faritany = [[Pará]] |isam-ponina = 25.441 |firenena = {{Brazila}} |ben'ny tanàna = |sary =Salvaterra, Brazil - Brasil, Marajó (27236546269).jpg |saina= Bandeira de Salvaterra (Pará).jpg }} [[File:Para Municip Salvaterra.svg|thumb|left|Salvaterra]] '''Salvaterra ''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Bra... »
1093561
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|01|01|S|48|58|E}}
{{infobox tanàna
|anarana = Salvaterra
|velarantany =918.5
|faritany = [[Pará]]
|isam-ponina = 25.441
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Salvaterra, Brazil - Brasil, Marajó (27236546269).jpg
|saina= Bandeira de Salvaterra (Pará).jpg
}}
[[File:Para Municip Salvaterra.svg|thumb|left|Salvaterra]]
'''Salvaterra ''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazila}}, ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 25.441 mponina.
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
***[[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[pt:Salvaterra]]
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
rdv80tfdpr8i6w241ovg7pbouw65bqk
Curralinho
0
290334
1093565
2024-12-31T06:25:25Z
41.213.235.225
Pejy noforonina tamin'ny « {{Coord|01|49|S|49|48|E}} {{infobox tanàna |anarana = Curralinho |velarantany = 3617,0 |faritany = [[Pará]] |isam-ponina = 32.881 |firenena = {{Brazila}} |ben'ny tanàna = |sary =Cachoeira do Arari 008.jpg |saina= Bandeira cachoeira do arari.JPG }} [[File:Para Municip Curralinho.svg|thumb|left|Curralinho]] ''' Curralinho''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazila}}, ao amin'ny Nosy Mar... »
1093565
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|01|49|S|49|48|E}}
{{infobox tanàna
|anarana = Curralinho
|velarantany = 3617,0
|faritany = [[Pará]]
|isam-ponina = 32.881
|firenena = {{Brazila}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Cachoeira do Arari 008.jpg
|saina= Bandeira cachoeira do arari.JPG
}}
[[File:Para Municip Curralinho.svg|thumb|left|Curralinho]]
''' Curralinho''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i {{Pará}}, ao amin'ny {{Brazila}}, ao amin'ny [[Nosy Marajó]] no misy azy.
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 32.881 mponina (2016). . Lavitra mankany an-drenivohitra (Belém): 150 km
==Renirano==
[[Rio Pará]] sy [[Rio Canaticu]].
== Jereo koa ==
* [[Brazila]]
** [[Pará]]
***[[Nosy Marajó]]
== Tsiahy ==
<references/>
[[pt:Curralinho]]
[[sokajy:Tanàna ao Pará]]
5kyx5gqx5mfen4kdlf2p63fiz69ky96