Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.44.0-wmf.8
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Vazimba
0
9466
1093663
1093662
2025-01-02T12:20:36Z
Thelezifor
15140
/* Ny fombafomban' ny Vazimba */
1093663
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Vazimba''' dia heverina ho mponina voalohany teto [[Madagasikara]], talohan' ny nahatongavan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Austrôneziana]] izay fototry ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] ankehitriny, izay nonina indrindra tany amin' ny faritra nentim-paharazana onenan' ny [[Merina]] sy ny [[Betsileo]] sy ny [[Bara]], ary tany [[Anjozorobe]], talohan' ny nanjakan-d[[Rabiby]] sy [[Andriamanelo]] (taonjato faha-16). Feno zava-miafina sy angano ny tantaran' izy ireo, izay nampitaina am-bava teo amin' ny taranaka nifandimby.
Mbola tsy fantatra mazava ny tena fiavian' ny Vazimba. Misy petra-kevitra milaza fa mety ho avy amin' ny onjam-pifindra-monina talohan' ny an' ny Aostrôneziana izy ireo, angamba avy atsy [[Afrika]] na avy any [[Azia]]. Milaza ny lovantsofina fa niaina any anaty ala tany amin' ny faritra afovoan' i [[Madagasikara]] izy ireo, niaina amin' ny fiotazana zavamaniry sy ny fihazana. Nalaza amin' ny fahalalany ny zavaboary sy ny fanaony ara-panahy izy ireo. Matetika no lazaina fa keliray ny Vazimba, na dia misy aza ny angano sasany izay milaza fa nisy amin' izy ireo ny lavabe dia lavavabe, toa an-d[[Rapeto]].
Teo amin' ny [[Tantaran' i Madagasikara|tantaran' ny Malagasy]] dia manondro ny fotoana mialoha ny fisian' ny fanjakana voalamina sy ny fahatongavan' ny tarana-mpanjaka samihafa ny vanim-potoana faha-Vazimba, indrindra ny any amin' ny faritr' Imerina. Nifarana tamin' ny fipoiran' ny fanjakan' i [[Alasora]], teo ambany fitondran' ny mpanjaka [[Andriamanelo]] tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16, io vanim-potoana io. Mbola zava-miafina hatrany ny fomba nanjavonan' ny Vazimba na nifangaroany tao amin' ny vahoaka aostrôneziana. Milaza ny lovantsofina sasany fa nilentika lalina kokoa tany anaty ala izy ireo, fa ny hafa kosa miresaka momba ny firaisan' izy ireo tsikelikely amin' ny vahoaka vao tonga taty aoriana.
Matetika ny Vazimba no heverina ho manana hery miafina, izay ahafahany mifandray amin' ny fanahy eny amin' ny zavaboary sy mahatonga azy ho afaka manasitrana ary ny maminavina ny tsy hita sy ny hoavy. Mbola toeram-pivavahana sy naovana fombafomba ny fasan' izy ireo sy ny toerana manan-kasina mifandray amin' izy ireo ankehitriny. Na dia mifangaro [[fedrà]] na [[angano]] aza ny tantaran' ny Vazimba dia manana toerana lehibe eo amin' ny fisainana sy ny [[kolontsaina malagasy]]. Heverina ho razamben' ny Malagasy tonga voaloha teto Madagasikara izy ireo, ary miampita amin' ny alalan' ny angano sy lovantsofina ary fanao ara-pivavahana samihafa ny fahatsiarovana azy.
== Vazimba tao afovoan-tanin' i Madagasikara ==
[[Rabiby]] sy [[Andriamanelo]] no mpanjaka merina voalohandohany (sady jiosy no maley hoy ny lovantsofina sasany), ny olomainty mpanompony no angaralahy, fa ny sisa efa nonina taty anivontany tamin' izany dia Vazimba. Rabiby no nanenjika voalohany ny Vazimba sy nanosika azy handositra.
Razamben' ny Malagasy tany aloha tany ny Vazimba izay nana ny hasina maha izy azy. Mbola tsy fatatra mazava anefa ny fiavian' izy ireo na avy aiza na aiza. Natao ho ray aman-dreny ho fangataham-pitahiana ireo razana malagasy ireo.
Araka ny tantara, ny mpitondra fanjakana <u>jiosy</u> tonga taty anivon' i Madagasikara (taty amin' ny tanin' ny [[Merina]] sy ny an' ny [[Betsileo]]) nanomboka tamin' ny taonjato faha-15, no nampiasa voalohany ny teny hoe ''vazimba'' mba hiantsoany ny mponina efa tompontany taty anivon' ny riaka tamin' ny fahatongavany teto. Ohatra amin' izany, [[Rangita]] sy [[Rafohy]] renibeny dia voalazan' ny lovantsofina fa Vazimba. Toy izany koa, Rabiby raha nandao an' Ambohitsitakatra [[Anjozorobe]], dia tonga teo Ankotrokotroka (tato aoriana lasa [[Ambohidrabiby]]), ka nandroaka ny mponina teo izay Vazimba no nahafantarany azy .
Arak' izany, ny hoe ''vazimba'' dia tsy teny hiantsoana firazanan' olona na [[Fivavahana amin'ny razana|fanahin' ny maty]] akory (araka ny filazan' ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan' ireo mpiavy ny tompontany taty anivon' ny Nosy raha tonga taty anivontany tamin' ny taonjato faha-16. Izany dia manaporofo fa tena olona tokoa ny Vazimba toa an-d[[Rapeto]] sy [[Rasoalao]], ary indrindra ny [[Antehiroka]] izay Vazimba avokoa.
Araka izany, ny teny hoe ''vazimba'' dia saika nampiasaina manerana ny faritra anivon' i Madagasikara ary amin' ny sisintany andrefan' i Madagasikara satria ny mpiavy sendra azy ireo dia saika nampiasa io anarana io avokoa hiantsoana ny mponina efa teo taloha.
== Ny fiaviaviana sy ny hevitry ny teny hoe ''vazimba''==
Ny teny hoe ''vazimba'' dia mety ho avy amin'ny teny daiaka sy maley hoe ''wa-yimba'' izay midika hoe na "vahoakan'ny ala". Ireo vahoaka tany amorontsiraka kosa dia nantsoina hoe ''vezo'' na ''bejo'' avy amin'ny teny maley hoe ''bajao''. Ny teny hoe ''wa'' na ''va'' dia midika "andian'olona" na "vahoaka madinika". Niaraka tonga ny Vazimba sy ny Vezo saingy rehefa nahita ny Vazimba fa tsy azo ambolena ny morontsiraka dia niakatra ampovoantany izireo.
== Ny nipoiran' ny Vazimba ==
Mizara ny hevitra raha ny amin' ny toerana niavian' ny Vazimba no resahina, nefa ny fiavioana aostrôneziana no tazomin' ny ankamaroan' ny mpikaroka.
=== Manam-piaviana afrikana ? ===
Efa niadian-kevitra hatry ny ela ny flazana fa avy atsy [[Afrika]] ny Vazimba. Nandritra ny fotoana ela, ny fiheverana momba ny fiaviana afrikana dia be mpanohana, saingy ny fikarohana vao haingana, indrindra ny nataon' ny [[mpahay teny]] sy ny [[Arkeôlôjia|arkeôlôga]] ary ny mpandalina ny [[fototarazo]], dia mitodika mankany amin' ny fiaviana aostrôneziana indrindra.
=== Manam-piaviana aostrôneziana ===
Mampiseho ny fisian' ny olombelona teto [[Madagasikara]] nanomboka tamin' ny 2000 taona lasa teo ho eo ny fikarohana arkeôlôjika, mifanojo amin' ny fielezan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aôstrôneziana]] tao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]] izany. Mampiseho zavatra ara-kolontsaina sy ara-pitaovana mifandray amin' i [[Azia Atsimo-Atsinanana]] ny toerana arkeôlôjika tranainy indrindra. Noho izany dia taranaky ny mpiondrana an-tsambo aostrôneziana izay tonga tany amin' ny 2000 taona lasa ny Vazimba, amin' ny maha mponina voalohany teto Madagasikara azy ireo.
Ny Vazimba dia ny [[Maley (foko)|Maley]] sy ny [[Indôneziana (vahoaka)|Indôneziana]] ary ny [[Pôlineziana]], izany hoe [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneaziana]], tonga voalohany taty Madagasikara talohan' ny taonjato faha-3 na fah-4 (fa hatramin' ny taonjato faha-14 dia mbola nisy Maley tonga foana teto izay razana nipoiran' [[Andriamanelo]] sy ny mpanjaka [[sakalava]] teo [[Alasora]]).
Tsy nety tamin' ny Vazimba anefa ny nonina tany anindrana noho ny antony maro. Misy [[lovantsofina]] milaza fa narendriky ny ranomasina ny lakana nitondra an' ireo Maley sy Indôneziana ireo ka nanozona izy ireo fa tsy hanitsaka sy tsy hihinana [[sira]] intsony ka hany nataony nandao tanteraka ny moron-dranomasin' i Madagasikara, satria ny ranomasina dia misy sira, ary niditra taty afovoantany. Manaporofo izany, ny Vazimba dia saika fady sira. Misy kosa anefa milaza fa ireo Maley sy Indôneziana ireo dia mpamboly [[vary]] ka taty afovoantany no mety tsara amin' izany fambolena izany ka antony nahatonga azy niakatra taty anivon' ny Madagasikara izany.
== Ny toerana nahitana ny Vazimba ==
Araka ny lovantsofina dia saika amin' ny faritra afovoan' ny Nosy no niely patrana ny Maley sy ny Indôneziana. Tamin' ny taonjato faha-16 dia mbola saika ny Vazimba no nonina tao Ankova sy tao Ibetsileo. Nifanambady tamin' ny taranaka maley vaovao vao tonga taty anivon' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-16 ny sasany tamin' ny Vazimba, koa izany no ilazan' ny lovantsofina fa [[Andriamanelo]] dia Maley nefa ny renibeny dia Vazimba. Toy izany koa Rabiby izay voalaza fa [[Arabo]] nefa ny vadiny, [[Ramaintsoakanjo]], dia Vazimba.
Fa ity mpanjaka arabo atao hoe [[Rabiby]] ity anefa, angamba noho ny maha mpino [[silamo]] azy izay tsy tia ny fanaovana ody, no tezitra tamin' ny Vazimba sy nandroaka azy, ary nanomboka teo dia nataon' ny tarana-dRabiby lao monina ny Vazimba tao Imerina ka hany hery nitsoaka niakandrefana. Hoy mantsy ny filazan' ny lovantsofina tamin' izany: Rabiby no nandroaka an' Andriampirokana teo Ankotrokotroka, ary Andriampirokana nitsoaka tamin' ny zohy atsimo amin' Ankotrokotroka ka namonjy an' Analamanga (atao hoe Antananarivo tamin' Andrianjaka); ary Andrianjaka nandresy sy nandroaka ny Vazimba teo atsinanan' Ambohidrabiby sy teo Ambohimanaga sy teo Analamanga; ary ny Vazimba tamin' ireny toerana ireny dia lasa niankandrefana nankeo Antehiroka, Babay, Lohavohitra sy any Imamo, eny hatrany amin' ny faritra sakalava.
Any andrefana moa no nitsoahan' ny Vazimba satria mbola malalaka ny tany any no koa tsy te hiantsianana izy satria tany amorontsiraka atsinanana hono ny razambeny no vaky sambo. Araka izany, ny Vazimba taty Imerina dia niakandrefana ka tonga hatrany amin' ny faritra [[Sakalava]] ny sasany tamin' izy ireo.
== Ny fombafomban' ny Vazimba ==
Olona toa antsika ihany ny Vazimba satria isika Malagasy dia tarana-bazimba avokoa afa-tsy ny taranaky ny [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] avy any Afrika tamin' ny andron-d[[Ranavalona I]].
=== Toe-batana ===
Misy lava tokoa ny Vazimba satria i [[Rapeto]] izay "nilalao volana" dia voalaza fa Vazimba ka ny dian-tongony dia mbola lehibe tokoa araka ny hita amin' ny vatolampy ao Ambohidrapeto. Misy fohy koa ny Vazimba toa an-d[[Rafohy]] renin' [[Andriamanelo]] izany fa ny anarany aza dia Rafohy satria tratra antitra izy fa tsy sanatria fohy kely akory. Fa maro amin' ny Vazimba kosa no antonony tsy lava tsy fohy. Manaporofo izany, ny fikarohana arkeôlôjika tamin' ny fasam-bazimba maro dia mampiseho fa ny taolambalon' ny Vazimba rehetra voakaroka dia mampiseho fa olona mirefy manodidina ny 1m 65 ny Vazimba ary raha lava dia 1m 80. Ny Vazimba koa dia tsy olona mainty fihodirana, satria tamin' ny andron-dRabiby sy [[Ralambo]] dia "angaralahy" no fiantso ny olo-mainty fa tsy mba Vazimba akory. Manamporofo indray fa ny Vazimba dia Maley sy Indôneziana izay fotsy fihodirana na mavo na somary mangamanga fa tsy mainty akory.
=== Toerana onenany ===
Ny Vazimba dia matetika monina amin' ny tampon-kavoana ary tsy mba manao [[hadivory]] izy fa vato no alahadahany sy ataony mifanongoa ho fefin-tanàna. Araka izany, tsy ny mpanjaka arabo na maley akory no nanana ny kolontsaina mitoetra amin' ny tampon-tendrombohitra fa fahendrena nolovainy tamin' ny Vazimba izany. Manaporofo izany, Ankotrokotroka (Ambohidrabiby) dia fonenan' Andriampirokana tany am-boalohany vao nitoeran-dRabiby ary Analamanga dia toeran' ny Vazimba vao nitoeran' Andrianjaka. Araka izany, ny razan' ny andriana merina dia saika nanao izay hipetrahana tamin' ireny toerana efa nisy Vazimba ireny.
Tena tia mampiasa vato ny Vazimba ka amin' ny tanàna na amin' ny fasany dia saika ahitana ireny vato mifanongoa ireny, izay mbola hita ao an-tampon' [[Ankaratra]] sy ao Lohavohitra, ary mbola ny Vazimba koa no nahitana ireny [[vatolahy]] na vatomasina ireny mba hanaovana [[joro]] sy hataka amin' ny [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|zanahary]] ka maro ireny vato ireny no atao hoe "vatom-bazimba". Araka izany, ny fomba fanaon' ny andriana merina mahakasika ny vato dia saika nolovainy tamin' ny fomba sy fahendrena vazimba avokoa.
=== Fiarahamonin' ny Vazimba ===
Ny Vazimba dia olona mpandala fihavanana sy tsy tia ady, ka izany no naharesen'ireo Maley sy Arabo azy mora foana. Aleony hono mitsoaka toy izay misy rà latsaka satria masina aminy ny ràn' olona latsaka. Nanomboka tamin' ny vanimpotoana nidiran' ny Maley tonga farany sy ny Arabo ary ny Vazaha mantsy hono no nanomboka nikorontana i Madagasikara sy niadiady ny foko maro tao aminy fa tamin' ny Vazimba dia to ny [[fihavanana]] ary ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny fihavanana. Tia fifanajana koa ny Vazimba ka izany hono no mahatonga ireny olona manazimbazimba ireny fasam-bazimba ireny hiolan-tenda na harary satria hataon' ny fanahin' ireny Vazimba ireny ho tsy manaja ilay fasany ilay olona.
Mitsitokotoko ho zana-poko maro ny Vazimba ary manana ny mpanjakany izy izay ifandovana raha nofidiana izany tany amboalohany. Tsy mba nisy kosa ny mpanompo na [[hova]] tamin' ny androny.
=== Finoan' ny Vazimba ===
Mivavaka amin' i [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|Zanahary]] ny Vazimba. I Zanahary mantsy dia andriamanitra saika niraisan' ny Vazimba niely eran' ny Nosy. Avy amin' ny teny maley tranainy hoe ''zan'ahary'' ny hoe ''zanahary''. Ary anaran' andriamanitry ny Maley tranainy io ''Zan Ahary'' io izay midika hoe "andriamanitra masoandro". Ny hoe ''ahary'' mantsy dia [[fototeny]] amin' ny hoe ''johary'' ary amin' ny Ntaolo, ny tara-masoandro no antsoiny hoe "andriamanitra tonga an-trano".
Ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny finoana ny [[Hasina (hery tsy hita maso)|hasina]] ary ny Vazimba dia mihevitra ny tenany ho "taranaky ny manan-kasina" ka amin' ny toerana misy azy dia saika namboleny [[Hasina (zavamaniry)|hasina]]. Ny Arabo sy Maley (vao tonga tamin' ny taonjato faha-16), izay nivady tamin' ny Vazimba vavy dia nandova avy hatrany ny finoana ny hasina tamin' ny Vazimba ka ny taranany dia nataony ho tompon-kasina ary ny vohitra nisy azy dia namboleny hasina hatrany mba hanehoany izany hasina ao aminy sy ny taniny izany. Porofon' izany, ny hazon' andriana toy ny [[aviavy]] sy [[amontana]] dia tsy misaraka amin' ny hasina ary matetika ny hasina no tsy maintsy mijoro amin' ny vohitr' andriana fa ny aviavy sy amontana azo leferina ihany ny tsy fisiany. Araka izany, ny hasina dia tsy hazom-bazimba fotsiny fa indrindra hazom-panandratana amin' ny [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|zanahary]] ary hazon' andriana.
Mandevina ny Vazimba ary fasana tokana isan' olona ny azy. Matetika koa dia tsy mba tia alevina anaty tany izy fa ambony vato satria tsy tiany hohanin' ny kankana ny vatany, raha tsy izany dia alevina anaty hazo izy ka atao toy ny lakana mifanarona ny hazo. Misy milevina amin' ny tany ihany anefa ny Vazimba. Matetika ireny fasam-bazimba ireny dia eny an-tampon-kavoana no anaovany azy. Mino ny [[Fivavahana amin' ny razana|razana]] ny Vazimba, ary ny finoan' ny Malagasy ny razana dia nolovainy tamin' ny Vazimba.
Na dia mpilalao [[ody]] aza ny Vazimba, ireny ody ireny dia tsy mba nentiny nanaovana ratsy na namosaviana fa nampandrosoana sy nanasoa hatrany ny fiarahamonina.
=== Ny fitenin' ny Vazimba ===
Tsy ny Arabo na ny Maley vao tonga tamin' ny taonjato faha-11 akory no nitondra ny fototry ny teny malagasy fa ny Vazimba tonga teto [[Madagasikara]] talohan' ny taonjato faha-4. Ny Vazimba no niely patrana eran' i Madagasikara ka nifanambady tamin' ny Afrikana vao tonga ka nanome ny [[Fiteny antandroy|fiteny atandroy]], [[Fiteny bara (malagasy)|fiteny bara]], [[fiteny sakalava]], [[fiteny antankarana]] sns. Ny Vazimba koa no nivady tamin' ny Arabo sy Maley vao tonga taty anivon' ny riaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka nahazoana ny [[fiteny betsileo]], [[fiteny merina]], [[fiteny sihanaka]], [[fiteny bezanozano]], [[Fiteny bara (malagasy)|fiteny bara]], sns...
=== Fiharian-karena vazimba ===
Ny [[vary]] sy ny [[saonjo]] no foto-tsakafon' ny Vazimba ary tsy mba mihinana [[omby]] izy fa ny [[ronono]] no nosotroiny. Ny [[akoho dia]] kosa no fihinany. Ankoatra izay dia mioty sy mihaza no ataony. Efa nahandro tamin' ny [[afo]] koa izy ary efa nanao ny [[fanandroana]] koa. Tsy mba nitafy [[Lamba (malagasy)|lamba]] izy ary tsy mbola nahay nanenona [[landy]] fa ny andriambavy arabo izay nahay nanenona no nitondra izany taty anivontany. Ravin-kazo norariana kosa no fitafiny ary ravin-kazo norariana koa no anamboarany ny tranony ka izany no tsy nahitana tranom-bazimba mandraka ankehitrio.
== Mbola misy ve ny Vazimba ankehitrio? ==
=== Ny Vazimba ao afovoan-tanin' i Madagasikara ===
Nisy tamin' ny Vazimba no tonga vadin' ny Arabo sy Maley vao tonga ka lasa loharano nipoiran' ny andriana merina sy betsileo. Taty Imerina, ny mpanjaka [[Ralambo]] teo [[Ambohidrabiby]] ohatra dia tarana-bazimba avy amin' ny rainy izay tera-d[[Rafohy]] vazimba sy avy amin' ny reniny izay zana-d[[Ramaintsoakanjo]] vazimba. Araka izany, ny [[andriana]] merina dia saika tarana-bazimba.
Ny Vazimba izay tsy nandositra tamin' ny ady nataon' ny Maley tonga farany sy ny Arabo nefa tsy novadian'ireo Arabo sy Maley vao tonga dia tonga "[[hova]]" na "vohitra" fa tsy mba natao ho mpanompo akory. Araka izany, ny taranaka Hova na "Folovohitra" taty Imerina sy Ibetsileo dia saika tarana-bazimba.
Misy kosa anefa ny Vazimba izay tonga olona akaikin' ny taranak' Arabo izay nanorina fanjakana ka nomen' ireo taranak' Arabo ireo anjara asa sy nosokajiany ho "havan' andriana", anisan' izany ny zanak' [[Antehiroka]].
=== Ny Vazimba any amin' ny ilany andrefan' i Madagasikara ===
Ary ny Vazimba nandositra niakandrefana dia mbola maro ny taranany ankehitrio ka nifanambady tamin' ny vondrona isan-karazany faritra andrefan' i Madagasikara ka namorona ny foko toy ny [[Sakalava]], ny [[Antankarana|Antakarana]], ny [[Tsimihety]], ny [[Sihanaka]], sns.
== Lova avy amin' ny Vazimba ==
Saika nihomehezan' ny Arabo sy Maley vao tonga moa ny Vazimba noho izy ireo katahotra sy [[Finoanoam-poana|mpinompino foana]] hono ka raha misy olona ambanimbany hono na voatohintohina ny zony na ny fadiny dia ataon' ny olona hoe "voazimbazimba" ny fiteny izany olona izany.
Ankehitrio dia mbola raiki-tampisaka amin' ny Malagasy maro ny finoana ny Vazimba, ka mivavaka aminy. Mbola maro koa anefa ny Malagasy no menatra ny atao hoe "tarana-bazimba" anefa anie ka raha fantany fa ny Vazimba, na dia mpilalao ody aza, dia tsy mba nanao izany ho famosaviana fa nanasoavany hatrany ny tontolony mba ho masina hatrany izy sy ny taranany ary i Madagasikara tanidrazany.
Koa isaky ny maheno ianao hoe "Masina ny Tanindrazana" na koa "fihavanana, soatoavina malagasy" dia tsiahivo fa avy amin' ny Vazimba no nolovaintsika izany fomba fihevitra izany.
== Jereo koa ==
*[[Beosy]]
*[[Mikea]]
* [[Papoa (vahoaka]])
* [[Abôrijinan' i Aostralia|Tompon-tanin' i Aostralia]]
* [[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]]
* [[Veda (vahoaka)]]
* [[Negritô]]
[[sokajy:Kolontsaina malagasy]]
56ze9h0e4mr6j4q4q04e8bvy2hcvtkn
1093664
1093663
2025-01-02T12:31:17Z
Thelezifor
15140
/* Ny fiaviaviana sy ny hevitry ny teny hoe vazimba */ Nandamina lahatsoratra
1093664
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Vazimba''' dia heverina ho mponina voalohany teto [[Madagasikara]], talohan' ny nahatongavan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Austrôneziana]] izay fototry ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] ankehitriny, izay nonina indrindra tany amin' ny faritra nentim-paharazana onenan' ny [[Merina]] sy ny [[Betsileo]] sy ny [[Bara]], ary tany [[Anjozorobe]], talohan' ny nanjakan-d[[Rabiby]] sy [[Andriamanelo]] (taonjato faha-16). Feno zava-miafina sy angano ny tantaran' izy ireo, izay nampitaina am-bava teo amin' ny taranaka nifandimby.
Mbola tsy fantatra mazava ny tena fiavian' ny Vazimba. Misy petra-kevitra milaza fa mety ho avy amin' ny onjam-pifindra-monina talohan' ny an' ny Aostrôneziana izy ireo, angamba avy atsy [[Afrika]] na avy any [[Azia]]. Milaza ny lovantsofina fa niaina any anaty ala tany amin' ny faritra afovoan' i [[Madagasikara]] izy ireo, niaina amin' ny fiotazana zavamaniry sy ny fihazana. Nalaza amin' ny fahalalany ny zavaboary sy ny fanaony ara-panahy izy ireo. Matetika no lazaina fa keliray ny Vazimba, na dia misy aza ny angano sasany izay milaza fa nisy amin' izy ireo ny lavabe dia lavavabe, toa an-d[[Rapeto]].
Teo amin' ny [[Tantaran' i Madagasikara|tantaran' ny Malagasy]] dia manondro ny fotoana mialoha ny fisian' ny fanjakana voalamina sy ny fahatongavan' ny tarana-mpanjaka samihafa ny vanim-potoana faha-Vazimba, indrindra ny any amin' ny faritr' Imerina. Nifarana tamin' ny fipoiran' ny fanjakan' i [[Alasora]], teo ambany fitondran' ny mpanjaka [[Andriamanelo]] tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16, io vanim-potoana io. Mbola zava-miafina hatrany ny fomba nanjavonan' ny Vazimba na nifangaroany tao amin' ny vahoaka aostrôneziana. Milaza ny lovantsofina sasany fa nilentika lalina kokoa tany anaty ala izy ireo, fa ny hafa kosa miresaka momba ny firaisan' izy ireo tsikelikely amin' ny vahoaka vao tonga taty aoriana.
Matetika ny Vazimba no heverina ho manana hery miafina, izay ahafahany mifandray amin' ny fanahy eny amin' ny zavaboary sy mahatonga azy ho afaka manasitrana ary ny maminavina ny tsy hita sy ny hoavy. Mbola toeram-pivavahana sy naovana fombafomba ny fasan' izy ireo sy ny toerana manan-kasina mifandray amin' izy ireo ankehitriny. Na dia mifangaro [[fedrà]] na [[angano]] aza ny tantaran' ny Vazimba dia manana toerana lehibe eo amin' ny fisainana sy ny [[kolontsaina malagasy]]. Heverina ho razamben' ny Malagasy tonga voaloha teto Madagasikara izy ireo, ary miampita amin' ny alalan' ny angano sy lovantsofina ary fanao ara-pivavahana samihafa ny fahatsiarovana azy.
== Ny fiaviana sy ny hevitry ny teny hoe ''vazimba''==
Ny teny hoe ''vazimba'' dia mety ho avy amin'ny teny daiaka sy maley hoe ''wa-yimba'' izay midika hoe na "vahoakan'ny ala". Ireo vahoaka tany amorontsiraka kosa dia nantsoina hoe ''vezo'' na ''bejo'' avy amin'ny teny maley hoe ''bajao''. Ny teny hoe ''wa'' na ''va'' dia midika "andian'olona" na "vahoaka madinika". Niaraka tonga ny Vazimba sy ny Vezo saingy rehefa nahita ny Vazimba fa tsy azo ambolena ny morontsiraka dia niakatra ampovoantany izireo.
== Ny nipoiran' ny Vazimba ==
Mizara ny hevitra raha ny amin' ny toerana niavian' ny Vazimba no resahina, nefa ny fiavioana aostrôneziana no tazomin' ny ankamaroan' ny mpikaroka.
=== Manam-piaviana afrikana ? ===
Efa niadian-kevitra hatry ny ela ny flazana fa avy atsy [[Afrika]] ny Vazimba. Nandritra ny fotoana ela, ny fiheverana momba ny fiaviana afrikana dia be mpanohana, saingy ny fikarohana vao haingana, indrindra ny nataon' ny [[mpahay teny]] sy ny [[Arkeôlôjia|arkeôlôga]] ary ny mpandalina ny [[fototarazo]], dia mitodika mankany amin' ny fiaviana aostrôneziana indrindra.
=== Manam-piaviana aostrôneziana ===
Mampiseho ny fisian' ny olombelona teto [[Madagasikara]] nanomboka tamin' ny 2000 taona lasa teo ho eo ny fikarohana arkeôlôjika, mifanojo amin' ny fielezan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aôstrôneziana]] tao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]] izany. Mampiseho zavatra ara-kolontsaina sy ara-pitaovana mifandray amin' i [[Azia Atsimo-Atsinanana]] ny toerana arkeôlôjika tranainy indrindra. Noho izany dia taranaky ny mpiondrana an-tsambo aostrôneziana izay tonga tany amin' ny 2000 taona lasa ny Vazimba, amin' ny maha mponina voalohany teto Madagasikara azy ireo.
Ny Vazimba dia ny [[Maley (foko)|Maley]] sy ny [[Indôneziana (vahoaka)|Indôneziana]] ary ny [[Pôlineziana]], izany hoe [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneaziana]], tonga voalohany taty Madagasikara talohan' ny taonjato faha-3 na fah-4 (fa hatramin' ny taonjato faha-14 dia mbola nisy Maley tonga foana teto izay razana nipoiran' [[Andriamanelo]] sy ny mpanjaka [[sakalava]] teo [[Alasora]]).
Tsy nety tamin' ny Vazimba anefa ny nonina tany anindrana noho ny antony maro. Misy [[lovantsofina]] milaza fa narendriky ny ranomasina ny lakana nitondra an' ireo Maley sy Indôneziana ireo ka nanozona izy ireo fa tsy hanitsaka sy tsy hihinana [[sira]] intsony ka hany nataony nandao tanteraka ny moron-dranomasin' i Madagasikara, satria ny ranomasina dia misy sira, ary niditra taty afovoantany. Manaporofo izany, ny Vazimba dia saika fady sira. Misy kosa anefa milaza fa ireo Maley sy Indôneziana ireo dia mpamboly [[vary]] ka taty afovoantany no mety tsara amin' izany fambolena izany ka antony nahatonga azy niakatra taty anivon' ny Madagasikara izany.
== Ny fombafomban' ny Vazimba ==
Olona toa antsika ihany ny Vazimba satria isika Malagasy dia tarana-bazimba avokoa afa-tsy ny taranaky ny [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] avy any Afrika tamin' ny andron-d[[Ranavalona I]].
=== Toe-batana ===
Misy lava tokoa ny Vazimba satria i [[Rapeto]] izay "nilalao volana" dia voalaza fa Vazimba ka ny dian-tongony dia mbola lehibe tokoa araka ny hita amin' ny vatolampy ao Ambohidrapeto. Misy fohy koa ny Vazimba toa an-d[[Rafohy]] renin' [[Andriamanelo]] izany fa ny anarany aza dia Rafohy satria tratra antitra izy fa tsy sanatria fohy kely akory. Fa maro amin' ny Vazimba kosa no antonony tsy lava tsy fohy. Manaporofo izany, ny fikarohana arkeôlôjika tamin' ny fasam-bazimba maro dia mampiseho fa ny taolambalon' ny Vazimba rehetra voakaroka dia mampiseho fa olona mirefy manodidina ny 1m 65 ny Vazimba ary raha lava dia 1m 80. Ny Vazimba koa dia tsy olona mainty fihodirana, satria tamin' ny andron-dRabiby sy [[Ralambo]] dia "angaralahy" no fiantso ny olo-mainty fa tsy mba Vazimba akory. Manamporofo indray fa ny Vazimba dia Maley sy Indôneziana izay fotsy fihodirana na mavo na somary mangamanga fa tsy mainty akory.
=== Toerana onenany ===
Ny Vazimba dia matetika monina amin' ny tampon-kavoana ary tsy mba manao [[hadivory]] izy fa vato no alahadahany sy ataony mifanongoa ho fefin-tanàna. Araka izany, tsy ny mpanjaka arabo na maley akory no nanana ny kolontsaina mitoetra amin' ny tampon-tendrombohitra fa fahendrena nolovainy tamin' ny Vazimba izany. Manaporofo izany, Ankotrokotroka (Ambohidrabiby) dia fonenan' Andriampirokana tany am-boalohany vao nitoeran-dRabiby ary Analamanga dia toeran' ny Vazimba vao nitoeran' Andrianjaka. Araka izany, ny razan' ny andriana merina dia saika nanao izay hipetrahana tamin' ireny toerana efa nisy Vazimba ireny.
Tena tia mampiasa vato ny Vazimba ka amin' ny tanàna na amin' ny fasany dia saika ahitana ireny vato mifanongoa ireny, izay mbola hita ao an-tampon' [[Ankaratra]] sy ao Lohavohitra, ary mbola ny Vazimba koa no nahitana ireny [[vatolahy]] na vatomasina ireny mba hanaovana [[joro]] sy hataka amin' ny [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|zanahary]] ka maro ireny vato ireny no atao hoe "vatom-bazimba". Araka izany, ny fomba fanaon' ny andriana merina mahakasika ny vato dia saika nolovainy tamin' ny fomba sy fahendrena vazimba avokoa.
=== Fiarahamonin' ny Vazimba ===
Ny Vazimba dia olona mpandala fihavanana sy tsy tia ady, ka izany no naharesen'ireo Maley sy Arabo azy mora foana. Aleony hono mitsoaka toy izay misy rà latsaka satria masina aminy ny ràn' olona latsaka. Nanomboka tamin' ny vanimpotoana nidiran' ny Maley tonga farany sy ny Arabo ary ny Vazaha mantsy hono no nanomboka nikorontana i Madagasikara sy niadiady ny foko maro tao aminy fa tamin' ny Vazimba dia to ny [[fihavanana]] ary ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny fihavanana. Tia fifanajana koa ny Vazimba ka izany hono no mahatonga ireny olona manazimbazimba ireny fasam-bazimba ireny hiolan-tenda na harary satria hataon' ny fanahin' ireny Vazimba ireny ho tsy manaja ilay fasany ilay olona.
Mitsitokotoko ho zana-poko maro ny Vazimba ary manana ny mpanjakany izy izay ifandovana raha nofidiana izany tany amboalohany. Tsy mba nisy kosa ny mpanompo na [[hova]] tamin' ny androny.
=== Finoan' ny Vazimba ===
Mivavaka amin' i [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|Zanahary]] ny Vazimba. I Zanahary mantsy dia andriamanitra saika niraisan' ny Vazimba niely eran' ny Nosy. Avy amin' ny teny maley tranainy hoe ''zan'ahary'' ny hoe ''zanahary''. Ary anaran' andriamanitry ny Maley tranainy io ''Zan Ahary'' io izay midika hoe "andriamanitra masoandro". Ny hoe ''ahary'' mantsy dia [[fototeny]] amin' ny hoe ''johary'' ary amin' ny Ntaolo, ny tara-masoandro no antsoiny hoe "andriamanitra tonga an-trano".
Ny Vazimba no nandovan' ny Malagasy ny finoana ny [[Hasina (hery tsy hita maso)|hasina]] ary ny Vazimba dia mihevitra ny tenany ho "taranaky ny manan-kasina" ka amin' ny toerana misy azy dia saika namboleny [[Hasina (zavamaniry)|hasina]]. Ny Arabo sy Maley (vao tonga tamin' ny taonjato faha-16), izay nivady tamin' ny Vazimba vavy dia nandova avy hatrany ny finoana ny hasina tamin' ny Vazimba ka ny taranany dia nataony ho tompon-kasina ary ny vohitra nisy azy dia namboleny hasina hatrany mba hanehoany izany hasina ao aminy sy ny taniny izany. Porofon' izany, ny hazon' andriana toy ny [[aviavy]] sy [[amontana]] dia tsy misaraka amin' ny hasina ary matetika ny hasina no tsy maintsy mijoro amin' ny vohitr' andriana fa ny aviavy sy amontana azo leferina ihany ny tsy fisiany. Araka izany, ny hasina dia tsy hazom-bazimba fotsiny fa indrindra hazom-panandratana amin' ny [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|zanahary]] ary hazon' andriana.
Mandevina ny Vazimba ary fasana tokana isan' olona ny azy. Matetika koa dia tsy mba tia alevina anaty tany izy fa ambony vato satria tsy tiany hohanin' ny kankana ny vatany, raha tsy izany dia alevina anaty hazo izy ka atao toy ny lakana mifanarona ny hazo. Misy milevina amin' ny tany ihany anefa ny Vazimba. Matetika ireny fasam-bazimba ireny dia eny an-tampon-kavoana no anaovany azy. Mino ny [[Fivavahana amin' ny razana|razana]] ny Vazimba, ary ny finoan' ny Malagasy ny razana dia nolovainy tamin' ny Vazimba.
Na dia mpilalao [[ody]] aza ny Vazimba, ireny ody ireny dia tsy mba nentiny nanaovana ratsy na namosaviana fa nampandrosoana sy nanasoa hatrany ny fiarahamonina.
=== Ny fitenin' ny Vazimba ===
Tsy ny Arabo na ny Maley vao tonga tamin' ny taonjato faha-11 akory no nitondra ny fototry ny teny malagasy fa ny Vazimba tonga teto [[Madagasikara]] talohan' ny taonjato faha-4. Ny Vazimba no niely patrana eran' i Madagasikara ka nifanambady tamin' ny Afrikana vao tonga ka nanome ny [[Fiteny antandroy|fiteny atandroy]], [[Fiteny bara (malagasy)|fiteny bara]], [[fiteny sakalava]], [[fiteny antankarana]] sns. Ny Vazimba koa no nivady tamin' ny Arabo sy Maley vao tonga taty anivon' ny riaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka nahazoana ny [[fiteny betsileo]], [[fiteny merina]], [[fiteny sihanaka]], [[fiteny bezanozano]], [[Fiteny bara (malagasy)|fiteny bara]], sns...
=== Fiharian-karena vazimba ===
Ny [[vary]] sy ny [[saonjo]] no foto-tsakafon' ny Vazimba ary tsy mba mihinana [[omby]] izy fa ny [[ronono]] no nosotroiny. Ny [[akoho dia]] kosa no fihinany. Ankoatra izay dia mioty sy mihaza no ataony. Efa nahandro tamin' ny [[afo]] koa izy ary efa nanao ny [[fanandroana]] koa. Tsy mba nitafy [[Lamba (malagasy)|lamba]] izy ary tsy mbola nahay nanenona [[landy]] fa ny andriambavy arabo izay nahay nanenona no nitondra izany taty anivontany. Ravin-kazo norariana kosa no fitafiny ary ravin-kazo norariana koa no anamboarany ny tranony ka izany no tsy nahitana tranom-bazimba mandraka ankehitrio.
== Ny toerana nahitana sy ahitana ny Vazimba ==
=== Tao afovoan-tany ===
Araka ny [[lovantsofina]] dia saika amin' ny faritra afovoan' ny Nosy no niely patrana ny Maley sy ny Indôneziana. Tamin' ny taonjato faha-16 dia mbola saika ny Vazimba no nonina tao Ankova sy tao Ibetsileo. Nifanambady tamin' ny taranaka maley vaovao vao tonga taty anivon' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-16 ny sasany tamin' ny Vazimba, koa izany no ilazan' ny lovantsofina fa [[Andriamanelo]] dia Maley nefa ny renibeny dia Vazimba. Toy izany koa Rabiby izay voalaza fa [[Arabo]] nefa ny vadiny, [[Ramaintsoakanjo]], dia Vazimba.
Fa ity mpanjaka arabo atao hoe [[Rabiby]] ity anefa, angamba noho ny maha mpino [[silamo]] azy izay tsy tia ny fanaovana ody, no tezitra tamin' ny Vazimba sy nandroaka azy, ary nanomboka teo dia nataon' ny tarana-dRabiby lao monina ny Vazimba tao Imerina ka hany hery nitsoaka niakandrefana. Hoy mantsy ny filazan' ny lovantsofina tamin' izany: Rabiby no nandroaka an' Andriampirokana teo Ankotrokotroka, ary Andriampirokana nitsoaka tamin' ny zohy atsimo amin' Ankotrokotroka ka namonjy an' Analamanga (atao hoe Antananarivo tamin' Andrianjaka); ary Andrianjaka nandresy sy nandroaka ny Vazimba teo atsinanan' Ambohidrabiby sy teo Ambohimanaga sy teo Analamanga; ary ny Vazimba tamin' ireny toerana ireny dia lasa niankandrefana nankeo Antehiroka, Babay, Lohavohitra sy any Imamo, eny hatrany amin' ny faritra sakalava.
==== Taloha ====
[[Rabiby]] sy [[Andriamanelo]] no mpanjaka merina voalohandohany (sady jiosy no maley hoy ny lovantsofina sasany), ny olomainty mpanompony no angaralahy, fa ny sisa efa nonina taty anivontany tamin' izany dia Vazimba. Rabiby no nanenjika voalohany ny Vazimba sy nanosika azy handositra.
Araka ny tantara, ny mpitondra fanjakana <u>jiosy</u> tonga taty anivon' i Madagasikara (taty amin' ny tanin' ny [[Merina]] sy ny an' ny [[Betsileo]]) nanomboka tamin' ny taonjato faha-15, no nampiasa voalohany ny teny hoe ''vazimba'' mba hiantsoany ny mponina efa tompontany taty anivon' ny riaka tamin' ny fahatongavany teto. Ohatra amin' izany, [[Rangita]] sy [[Rafohy]] renibeny dia voalazan' ny lovantsofina fa Vazimba. Toy izany koa, Rabiby raha nandao an' Ambohitsitakatra [[Anjozorobe]], dia tonga teo Ankotrokotroka (tato aoriana lasa [[Ambohidrabiby]]), ka nandroaka ny mponina teo izay Vazimba no nahafantarany azy .
Arak' izany, ny hoe ''vazimba'' dia tsy teny hiantsoana firazanan' olona na [[Fivavahana amin'ny razana|fanahin' ny maty]] akory (araka ny filazan' ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan' ireo mpiavy ny tompontany taty anivon' ny Nosy raha tonga taty anivontany tamin' ny taonjato faha-16. Izany dia manaporofo fa tena olona tokoa ny Vazimba toa an-d[[Rapeto]] sy [[Rasoalao]], ary indrindra ny [[Antehiroka]] izay Vazimba avokoa.
Araka izany, ny teny hoe ''vazimba'' dia saika nampiasaina manerana ny faritra anivon' i Madagasikara ary amin' ny sisintany andrefan' i Madagasikara satria ny mpiavy sendra azy ireo dia saika nampiasa io anarana io avokoa hiantsoana ny mponina efa teo taloha.
==== Ankehitriny ====
Nisy tamin' ny Vazimba no tonga vadin' ny Arabo sy Maley vao tonga ka lasa loharano nipoiran' ny andriana merina sy betsileo. Taty Imerina, ny mpanjaka [[Ralambo]] teo [[Ambohidrabiby]] ohatra dia tarana-bazimba avy amin' ny rainy izay tera-d[[Rafohy]] vazimba sy avy amin' ny reniny izay zana-d[[Ramaintsoakanjo]] vazimba. Araka izany, ny [[andriana]] merina dia saika tarana-bazimba.
Ny Vazimba izay tsy nandositra tamin' ny ady nataon' ny Maley tonga farany sy ny Arabo nefa tsy novadian'ireo Arabo sy Maley vao tonga dia tonga "[[hova]]" na "vohitra" fa tsy mba natao ho mpanompo akory. Araka izany, ny taranaka Hova na "Folovohitra" taty Imerina sy Ibetsileo dia saika tarana-bazimba.
Misy kosa anefa ny Vazimba izay tonga olona akaikin' ny taranak' Arabo izay nanorina fanjakana ka nomen' ireo taranak' Arabo ireo anjara asa sy nosokajiany ho "havan' andriana", anisan' izany ny zanak' [[Antehiroka]].
=== Ny Vazimba any amin' ny ilany andrefan' i Madagasikara ===
Any andrefana moa no nitsoahan' ny Vazimba satria mbola malalaka ny tany any no koa tsy te hiantsinanana izy satria tany amorontsiraka atsinanana hono ny razambeny no vaky sambo. Araka izany, ny Vazimba taty Imerina dia niakandrefana ka tonga hatrany amin' ny faritra [[Sakalava]] ny sasany tamin' izy ireo.

28thowsjd9aonm1ox23q1j9z7ynfbxu
1093667
1093664
2025-01-02T13:09:45Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */

* [[Papoa (vahoaka)]] - [[Abôrijinan' i Aostralia|Tompon-tanin' i Aostralia]] - [[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]] - [[Veda (vahoaka)]] - [[Negritô]] - [[Pigmea]]
[[sokajy:Kolontsaina malagasy]]
8yqv0ns0bbnon3rh6tgu2aljypdqu8z
1093668
1093667
2025-01-02T13:10:05Z

*[[Beosy]] - [[Mikea]]
* [[Papoa (vahoaka)]] - [[Abôrijinan' i Aostralia|Tompon-tanin' i Aostralia]] - [[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]] - [[Veda (vahoaka)]] - [[Negritô]] - [[Pigmea]]
[[sokajy:Kolontsaina malagasy]]
cyufbgcxtqw7w688f6o3rkeel7oooil
1093670
1093668
2025-01-02T13:16:37Z

* [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]] - [[Maley (foko)|Maley]]
* [[Indôneziana (vahoaka)|Indôneziana]] - [[Maleziana (vahoaka)|Maleziana]]
[[sokajy:Kolontsaina malagasy]]
bg1youtjsgzyhi7v67q1iavmx5snffh
Humaitá (Amazonas)
0
69578
1093685
1093383
2025-01-03T11:56:21Z
EmausBot
2486
Nanala rohy interwiki 1 izay efa omen'i [[:mg:w:Wikipedia:Wikidata|Wikidata]] eo amin'i [[d:Q1025760]]
1093685
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-7.516510|-63.031050}}
{{infobox tanàna
|anarana=Humaitá (Amazonas)
|velarantany=33.071,67
|isam-ponina= 56.144 (2020)
|firenena={{BRA}}
|ben'ny tanàna =
|sary =Catedral Humait atras.JPG
|saina=Bandeira humaita am.png
}}
[[File:Amazonas Municip Humaita.svg|thumb|left| Humaitá]]
'''Humaitá''' dia tanàna ao amin'ny faritany mizaka tenan'i [[Amazonas]] ao amin'ny [[Brazila]].
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 56.144 mponina tamin'ny taona 2020.
[[sokajy:Tanàna ao Amazonas]]
t0ed76x36q3gsvviaknlehyhxmhinyd
São Gabriel da Cachoeira
0
69630
1093676
954343
2025-01-02T22:24:53Z
41.213.235.225
1093676
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-0.118100|-67.085270}}
{{infobox tanàna
|anarana=São Gabriel da Cachoeira
|velarantany=109.184,9
|isam-ponina= 51.795
|firenena={{BRA}}
|faritany={{Amazonas}}
|sary=Bela Adormecida.jpg
|saina=Bandeira de São Gabriel da Cachoeira (AM).png
}}
[[File:Amazonas Municip SaoGabrieldaCachoeira.svg|thumb|left|Sao Gabriel da Cachoeira]]
I '''São Gabriel da Cachoeira''' dia kaominina ao [[Brazila]], ao amin'i [[[Amazonas|Amazonas]], ao amin'i [[Norte Amazonense]], [[Microregione di Rio Negro (Amazonas)|Rio Negro]].
==Jeografia==
Ny velarantanin'ilay tanàna dia 109.184,9 kilometatra toradroa. Ny isam-ponina dia 51.795.
{{commonscat|São Gabriel da Cachoeira}}
[[sokajy:Tanàna ao Amazonas]]
p1w22vg7gkdbdrj9ngf0egf2dzav99q
1093677
1093676
2025-01-02T22:25:23Z
41.213.235.225
1093677
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-0.118100|-67.085270}}
{{infobox tanàna
|anarana=São Gabriel da Cachoeira
|velarantany=109.184,9
|isam-ponina= 51.795
|firenena={{BRA}}
|faritany={{Amazonas}}
|sary=Bela Adormecida.jpg
|saina=Bandeira de São Gabriel da Cachoeira (AM).png
}}
[[File:Amazonas Municip SaoGabrieldaCachoeira.svg|thumb|left|Sao Gabriel da Cachoeira]]
I '''São Gabriel da Cachoeira''' dia kaominina ao [[Brazila]], ao amin'i {{Amazonas}}, ao amin'i [[Norte Amazonense]], [[Microregione di Rio Negro (Amazonas)|Rio Negro]].
==Jeografia==
Ny velarantanin'ilay tanàna dia 109.184,9 kilometatra toradroa. Ny isam-ponina dia 51.795.
{{commonscat|São Gabriel da Cachoeira}}
[[sokajy:Tanàna ao Amazonas]]
5q1uclnob7c4zvme2a8i7vw0t8gujez
Beosy
0
231206
1093665
1072589
2025-01-02T13:03:51Z
Thelezifor
15140
Nanitatra votoatiny
1093665
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Beosy''' na '''Bôsy''' dia ilazana foko izay heverina ho anisan' ny [[Vazimba]], na vahoaka mpihavana akaiky aminy, izay nonina ao amin' ny [[Tsingin' i Bemaraha]]. Ny lovantsofina dia mamariparitra azy ireo ho olona kely ray sady zeny izy, nefa iadian-kevitra ny fahamarinan' izany. Mpihaza sy mpioty voan-javatra any anaty ala afovoan-tany izy ireo fa tsy toy ny [[Mikea]] izay mpihaza sy mpioty ary mpamboly any amin' ny tany iva amorontsiraka izy ireo. Mifamatotra amin' ny ala sy ny loharanon-karena ao anatiny ny fomba fiainan' izy ireo.
== Ny toetoetran' ny Beosy ==
=== Ny Beosy sy ny Vazimba ===
Ny Bôsy, izay antsoina koa hoe Beosy, dia foko na mponina eto [[Madagasikara]] izay mbola iadian-kevitra ny fisiany sy ny tena toetrany. Matetika izy ireo no ampifandraisina amin' ny [[Vazimba]], mponina voalohany teto Madagasikara, ary mifandray akaiky amin' ny Vazimba. Ao amin' ny tantara sy lovantsofina maro dia heverina ho anisan' ny Vazimba ny Bôsy. Lazaina fa mponina anaty ala, mpihaza izy ireo, ary voalaza fa manana fahalalana betsaka momba ny [[zavaboary]] sy ny [[zavamaniry]].
Ny lovantsofina sasany dia manavaka ny Bôsy amin' ny Vazimba hafa, ka milaza ny fananan' ny Beosy toetra manokana mampiavaka azy. Ny Bôsy indraindray dia lazaina ho keliray, na heverina ho [[Pigmea]] mihitsy aza. Misy manohitra anefa izany filazana izany ary mbola tsy misy ny marimaritra iraisana. Hamafisina ny fomba fiainan' izy ireo mpifindrafindra monina sy ny fiankinan' ny fiainany amin' ny ala. Milaza ny lovantsofina sasany fa manam-pahalalanana manokana momba ny [[ody]] sy ny [[fitsaboana nentim-paharazana]] izy ireo.
=== Ny Beosy sy ny Mikea ===
Misy ny fampifangaroana ny Bôsy sy ny foko hafa voahilikilika eto Madagasikara, toy ny [[Mikea]]. Mponina any amin' ny alan' ny ilany andrefana amin' i Madagasikara ihany koa ny Mikea, saingy miavaka amin' ny Vazimba sy ny Bôsy. Mpihaza sy mpioty voan-javatra any anaty ala afovoan-tany izy ireo fa tsy toy ny [[Mikea]] izay mpihaza sy mpioty ary mpamboly any amin' ny tany iva amorontsiraka izy ireo.
== Ny fitenin' ny Beosy ==
Ny Beosy dia miteny amin' ny [[fitenim-paritra malagasy]]. Niezaka nanao izay hahitana ny mety ho sisa tamin' ny voambolan' ny [[Vazimba]] tao amin' ny fitenin' ny Beosy i Blench sy Walsh araka ny soratra navoakan' izy ireo tamin' ny taona 2009. Tsapa fa betsaka dia betsaka ny voambolana izay tsy hita amin' ny fitenim-paritra malagasy hafa, izay betsaka noho ny hita ao amin' ny fiteny malagasin' ny [[Mikea]] sady mety ho ny sisa tamin' ny fototry ny fitenin' ny Vazimba raha mitaha amin' ny fitenin' ny Mikea, raha toa ka misy tokoa izany. Mihasarotra ny mety ho fisian' izany, vokatry ny fampiasan' ny Beosy be loatra ny fitenenana iniana atao mba tsy hahafantaran' ny olon-kafa izay lazainy<ref><small>Blench & Walsh, 2009 draft ms, "[http://www.rogerblench.info/Language/Isolates/Vazimba%20vocabulary.pdf The vocabularies of Vazimba and Beosi: do they represent the languages of the pre-Austronesian populations of Madagascar?]".</small></ref>.
== Jereo koa ==
'''Ny foko eto Madagasikara'''
* [[Antambahoaka]] - [[Antandroy]] - [[Antankarana]] - [[Antanosy]] - [[Antefasy]] - [[Antemoro]] - [[Antesaka]] - [[Bara]] - [[Beosy]] - [[Betsileo]] - [[Betsimisaraka]] - [[Bezanozano]] - [[Mahafaly]] - [[Makoa]] - [[Masikoro]] - [[Merina]] - [[Mikea]] - [[Sakalava]] - [[Sihanaka]] - [[Tanala]] - [[Tsimihety]] - [[Vezo]] - [[Zafimaniry]] - [[Zafisoro]].
'''Ny vahoaka hafa eto Madagasikara'''
* [[Sinoa eto Madagasikara]]
* [[Vazaha eto Madagasikara]]
* [[Karàna]]
'''Foko ara-tantara eto Madagasikara'''
* [[Vazimba]]
* [[Antalaotra]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Foko ao Madagasikara]]
abc4oa6226v97c17kz4x5uxie07j7yx
Aostrôneziana (vahoaka)
0
278314
1093674
1065014
2025-01-02T13:50:03Z
Thelezifor
15140
1093674
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Taiwanese aborigines.JPG|vignette|313x313px|Tompon-tany taioaney]]
Ny '''Aostrôneziana''' dia ireo vahoaka tompon' ny [[Fianakaviam-piteny aostroneziana|fianakaviam-piteny aostrôneziana]] ka ny ankamaroany dia miteny [[Fiteny malaio-polineziana|malaiô-pôlineziana]] (na nosantariana). Ny fiteny malaiô-pôlineziana dia ahitana fiteny miisa 1 248 raha mitotaly 1 268 ny fiteny aôstroneziana. Ny anarana hoe ''aostrônezia,'' izay avy amin' ny [[teny latina]] hoe ''auster'' (midika hoe "rivotra atsimo") sy ny [[teny grika]] hoe ''νῆσος / nêsos'' (izay midika hoe "nosy") dia midika ara-bakiteny hoe "nosin' ny rivotra atsimo".
== Faritra misy ny Aostrôneziana ==
[[Sary:Austronesia with hypothetical greatest expansion extent (Blench, 2009) 01.png|vignette|317x317px|Faritra misy ny Aostrôneziana sy fifindrà-monina sy fifampikasohana mety hitranga any aoriana (Blench, 2009)]]
Ny ankamaroan' ny mponin' ireo nosy any [[Azia Atsimo Atsinanana]] ([[Indônezia]] sy [[Filipina]] ary [[Malezia]]) dia miteny aostrôneziana. Ahitana vahoaka aostrôneziana vitsy anisa ny any [[Birmania]], [[Kambodia|Kambôjy]], [[Sina]] (ao amin' ny nosy Hainan), [[Taioàna]], [[Tailandy]], ary [[Vietinamy]]. Any atsinanana kokoa, any amin' ny morontsiraka sasany ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy manerana an' i [[Ôseania]], afa-tsy i [[Aostralia]], dia ahitana Aostrôneziana. Aty andrefana, eto [[Madagasikara]] sy ao [[Maiôty]], dia miteny aostrôneziana (ny [[fiteny malagasy]] sy ny [[fiteny kibosy]]). Ny mpiteny aostrôneziana dia miely amin' ny veleran-tany hatraty [[Madagasikara]] aty andrefana ka hatrany amin' ny [[Nosin'ny Paska|Nosin' ny Paska]] (Nosin' ny Paka) any atsinanana, ary hatrany Taioana sy [[Haoay]] any avaratra ka hatrany [[Zelanda Vaovao]] any atsimo ny fiteny aostrôneziana.
== Fipoiran' ny mpiteny aostrôneziana sy fielezany ==
Ny fandinihana ny [[fototarazo]] navoaka tamin' ny taona 2020 dia toa manambara fa ny fototra nipoiran' ny mpiteny aostrôneziana dia ireo vahoaka niaina tamin' ny vanimpotoana neôlitika tao amin' ny tapany atsimon' i [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]] tokony ho tany amin' ny 8 400 taona tany aloha. Nisy koa fikarohana marolafy, izay nahitana ny [[arkeôlôjia]] sy ny [[etnôlôjia]] ary ny [[haifiteny]], izay nahafahana nanombantombana ny fielezan' ny fiteny aostrôneziana sy ny fomba fambolena. Tany amin' ny 5 000 taona lasa (taona 3000 tal. J.K.) dia nisy mponina amorontsiraka tany amin' ny tapany atsimon' i Sina, mpamboly [[ampemba]] sy [[vary]], izay nanomboka niampita ny andilan-dranomasina mba hiorim-ponenana tao [[Taioàna]]. Tokony tamin' ny taona 2000 tal. J.K., ny fiteny aostrôneziana sy izany teknika izany dia niely avy any Taioàna mankany [[Filipina]], avy eo avy ao Filipina mankany [[Solaoesy]] sy [[Timôro]] ary avy ao nankany amin' ny nosy maro hafa ao amin' ny [[Vondro-nosy Indôneziana|Tambanosin' i Indônezia]]. Tokony tamin' ny taona 1500 tal. J.K. dia nisy koa fielezana avy ao Filipina nankany [[Ginea Vaovao]] ary any ankoantr' izany, ao amin' ny nosy maro ao amin' ny [[Ranomasimbe Pasifika]]. Farany, nanodidina ny taona 1 (fanombohan' ny fanisan-taona iraisana), dia nisy Aostrôneziana niorim-ponenana teto [[Madagasikara]] avy any Indônezia.
Na dia izany aza dia toa tsy manaporofo ny fisian' ny fifindrà-monina tsy maintsy tafaraka tamin' ny fielezan' ny kolontsaina ny [[biôlôjia]]. Ny fikarohana momba ny krôzôma Y nataon' ny vondrona biôlôjista iray dia nanatsoaka hevitra fa ny tarazo avy amin-dray ao amin' ny ankamaroan' ny mponin' i [[Indônezia]] sy i [[Ôseania]] dia avy amin' ny mponina tamin' io faritra io efa hatramin' ny faramparan' ny pleistôsena, efa mihoatra ny 10 000 taona, izany hoe talohan' ny fifindrà-monina aostrôneziana. Izany fikarohana izany dia naneho ny fifandraisana ara-tarazo eo amin' ny Indôneziana avy ao avaratra (Filipina sy Taioàna) amin' ny mponina mpamboly, izany hoe tamin' ny andron' ny neôlitika, sy taorian' ny taona 2000 tal. J.K. Araka izany fikarohana izany dia toa ny mponin' i Ôseania no nandray tamin' ny neôlitika ny fiteny sy ny teknikan' ny mponina avy any [[Filipina]], nefa tsy midika izany fa niorim-ponenana tao amin' io faritra io ireo olona avy any Filipina ireo. Mety nisy anefa mponina avy any avaratra niorim-ponenana tao Indônezia izay mety nisy mponina vitsy kokoa tamin' ny neôlitika.
Nisy sora-tsokitra [[Fiteny javaney|javaney]] sy lahatsoratra [[Fiteny arabo|arabo]] izay maneho fa tamin' ny taonjato faha-9 dia nifandray ara-barotra tamin' ny [[Ranomasimbe Indiana]] sy ny morontsirak' i [[Afrika]] i [[Java]] sy ny faritra sasany ao Indônezia. Nisy kapiteny [[Persàna (vahoaka)|persana]] atao hoe Ibn Shahriyar, ao amin' ny bokiny atao hoe ''Kitab Ajaib al Hind'' ("Bokin' ny zava-mahagaga any India"), izay nitatitra ny fijoroana vavolombelona nataon' ny mpivarotra arabo iray atao hoe Ibn Lakis izay nahita ny fahatongavan' ny "lakana arivo any ho any" tamin' ny taona 945 tao amin' ny morontsirak' i [[Môzambika]], niondranan' ny ''Waq-Waq'' izay avy any amin' ireo nosy "eo anoloan' i Sina" nitady entam-barotra sy andevo Zeng (izany hoe Zenj, anarana iantsoan' ny Arabo tamin' izany fotoana izany ny mponina ao amin' ny morontsirak' i Afrika).
== Fitaterana an-dranomasina ==
Ny fiparitahana amin' ny faritra lehibe toa an' i [[Mikrônezia]] sy i [[Melanezia]] ary i [[Pôlinezia]], miaraka amin' ny nosy maro izay matetika sarahan' ny elanelan-dranomasin-dalina anjato kilômetatra, dia azo hazavaina amin' ny nampiasana ny lakana misy "fanary" izay mety mahatratra ampolony metatra sady ahafaha mitondra fianakaviana sy biby fiompy. Azo inoana fa ny dingana nandalovan' ny fielezan' ny vahoaka aostrôneziana tao [[Filipina]] aloha sy Indônezia, avy eo tao amin' ny [[Ranomasimbe Pasifika]] sy [[Ranomasimbe Indiana|Indiana]], dia azo ampifandraisina amin' ny fivoaran' ny fitaovam-pitaterana sy ny teknikam-pifamoivoizana an-dranomasina: fivoaran' ny endriky ny lay sy ny lakana, famoronana ny fanary, sns).
== Ny fiteny aostrôneaziana ==
[[Sary:Austronesian family.png|vignette|342x342px|Fizaràna ny faritra itenenana ny fiteny aostrôneziana]]
Ny [[fiteny aostrôneziana]] dia ny fiteny tenenin' ny vahoaka aostrôneziana: eto [[Madagasikara]], any [[Azia Atsimo-Atsinanana|Azia Atsimo Antsinanana]], ao amin' ny [[Ranomasimbe Pasifika]] ary any [[Taioàna]]. Vondrom-piteny faharoa ny fiteny aostrôneziana raha ny isan' ny fiteny no heverina (fiteny miisa 1 268), aorian' ny [[Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley|fiteny nizerôkôngôley]]. Miisa roa ny zana-tsokajin' ny fiteny aostrôneziana: ny [[fiteny fôrmôzana]], izay tenenina ao Taioàna, sy ny [[fiteny malaiô-pôlineziana]] any amin' ny toerana hafa ankoatr' i Taioàna. Ny nipoiran' ireo fiteny ireo dia tokony ho tao amin' ny tendrony atsimo atsinanan' i Sina na Fôrmôzy (Taioàna) izay mbola ahitana mponina miteny aostrôneziana. Ny [[fiteny melaneziana]] maro, izay tokony ho anisan' ny fiteny aostrôneziana, dia tsy nafangaron' ny mpahay fiteny noho ny antony ara-bolonkoditra.
== Jereo koa ==
=== Vondrom-piteny ===
* [[Fiteny aostrôneziana]]
* [[Fiteny malaiô-pôlineziana]]
=== Vahoaka ===
* [[Vahoaka semitika]]
* [[Iranianina (vahoaka)|Vahoaka iraniana]]
* [[Indô-iraniana (vahoaka)|Vahoaka indô-iraniana]]
* [[Nilôtika (vahoaka)|Vahoaka nilôtika]]
* [[Banto (vahoaka)|Vahoaka banto]]
* [[Hamita (vahoaka)|Vahoaka hamita]]
* [[Indô-ariana (vahoaka)|Vahoaka indô-ariana]]
'''Samihafa'''
* [[Indônezia]]
* [[Malezia]]
* [[Maley (foko)]]
* [[Maley (firazanana)]]
* [[Fivavahana ao Indônezia]]
* [[Fiteny ao Indônezia]]
* [[Indôneziana Maley]]
* [[Maleziana Maley]]
7ac1fjaojewc9byeea8unxdmmclmivr
1093675
1093674
2025-01-02T13:50:47Z

3nffmneikuwos2prhqvhe09rpwqlij9
Mikea
0
279020
1093669
1049250
2025-01-02T13:13:09Z
Thelezifor
15140
1093669
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Mikea Forest, Madagascar - map 01.svg|vignette|Ny ankamaroan' ny Mikea dia monina ao amin' ny [[Ala Mikea]] eo anelanelan' i [[Toliara]] sy i [[Morombe]]|346x346px]]
Ny '''Mikea''' dia [[Malagasy (vahoaka)|vahoaka malagasy]] monina any anaty ala amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]] izay mivelona amin' ny fihinanana zavamaniry sy biby any anaty ala, amin' ny alalan' ny fihazana sy ny fiianaty. Mipetraka ao amin' ny [[Ala Mikea]] izy ireo. Ny ankamaroan' ny Mikea dia avy amin' ny [[Sakalava]], ary misy olona avy amin' ny [[Foko eto Madagasikara|foko malagasy]] isan-karazany hita ao amin' ny Mikea. Ny tobin' ny fianakavian' ny Mikea dia mifindra isan-taona avy amin' ny faritra fambolen-[[katsaka]] eo amin' ny sisin' ala amin' ny fotoan' ny orana mankamin' ny ala anatiny misy [[trandraka]] sy biby fihaza maro hafa amin' ny fizaràn-taona maina, ka lasa miankin-doha be amin' ny fakan-javamaniry fihinana izy ireo mba hahazoany ny rano tadiaviny isan' andro. Mifampiankina amin' ny fiainan' ny [[Vezo]] [[Jono|mpanjono]] mpifanolo-bodirindrina aminy sy ny [[Masikoro]] mpamboly sy mpiandry omby, izay ivarotany ny vokatra azony, nohadiny na novoleny tany anaty ala, ny Mikea. Maro koa ny Mikea manao asa fikaramana indraindray, toy ny fiandrasana [[omby]] na ny fikarakarana ny [[Tanimbary|tanim-bari]]<nowiki/>n' ny olona hafa.
Ny Mikea amin' izao fotoana izao dia tsy hoe ny sisa tavela tamin' ny Malagasy mpihaza sy mpioty fahiny, fa taranak' olona nialokaloka tany anaty ala nanomboka tamin' ny taona 1800 mba handositra ny ady sy ny [[hetra]] mavesatra ary ny antony hafa mampahory azy. Ny fomba fiainan' izy ireo, izay heverin' ny mponina hafa ho toy ny ntaolontaolo, dia miampy ny zava-miafina momba azy ireo izay nanentana ny fiforonan' ny [[angano]] isan-karazany. Heverin' ny olona sasany fa izy ireo no [[Vazimba]] lazain' ny lovantsofina fa mponina tany am-boalohany teto amin' ny Nosy, na dia tsy misy porofo manamarina izany. Tsy mitovy amin' ny [[Beosy]] mpihaza any amin' ny tany avo be tendrombohitra izy ireo. Raha olona 1 500 eo ho eo no fantatra amin' ny anarana hoe Mikea, maro amin' ny Malagasy no tsy mino fa mbola misy izany vahoaka mikea izany amin' izao fotoana izao.
== Ny maha izy azy ny foko mikea ==
Mpihaza sy mpioty manao fambolena tsy dia lehibe ny Mikea. Ny hoe ''Mikea'' dia anondroana ireo izay miaina io fomba fiaina miafy io fa tsy mifamatotra amin' ny resaka foko manokana. Misy vondron' olona maro antsoina hoe ''Mikea'' any amin' ny morontsiraka andrefana sy atsimo-andrefan' i [[Madagasikara]], ary ny ankamaroany dia mipetraka ao amin' ny [[Ala Mikea]] sy manodidina ny morontsiraka atsimo-andrefana eo anelanelan' i [[Morombe]] sy [[Toliara]], amin' ny velarantany mirefy 2 500 km<sup>2</sup>. Araka ny tantara dia mety niitatra hatrany atsimo amin' ny onin' i [[Fiherenana]] ary hatrany avaratra amin' ny onin' i [[Mangoky]] ny faritra nonenan' ny vondrona Mikea iray; mipetraka any andrefana sy atsimo-andrefan' ny [[Farihy Ihotry]] ny vondrona Mikea lehibe iray hafa. Matetika izy ireo dia heverina ho isan' ny vondrom-poko [[Sakalava]], na dia misy aza ny Mikea milaza fa avy amin' ny foko maro hafa. Ny firaiketan' izy ireo amin' ny fomba fiaina heverin' ny mponina hafa ho ntaolo dia niteraka [[lovantsofina]] sy [[angano]] maro samihafa momba azy ireo, ary maro ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] no mihevitra fa taranaky ny [[Vazimba]], izay mponina tany am-boalohany, izy ireo, na dia tsy misy aza ny porofo manohana izany fomba fijery izany. Ny ankamaroan' ny Malagasy dia mihevitra fa angano ny fisian' ny Mikea ary maro ny tsy mahafantatra fa mbola misy ny Malagasy miaina ny fomba fiaina Mikea mandraka ankehitriny. Ny teny hoe ''Mikea'' no tena ampiasain' ny olona avy any ivelany hanondroana ity vondrona ity ary tsy ampiasain' ny Mikea matetika izany. Aleon' ny ankamaroan' ny Mikea miantso ny tenany hoe ''Vezo Mikea'' na ''Masikoro Mikea'', arakaraka ny firazanany manokana.
== Tantara ==
[[Sary:Mikea Forest, Madagascar - map 01.svg|vignette|231x231px|Faritra misy ny [[Ala Mikea]] eo anelanelan' i Toliara sy i Morombe]]
Ny Mikea dia tsy ny sisa tavela tamin' ny fiaraha-monina mpihaza sy mpioty voalohany. Na dia mbola tsy mahazo antoka aza ny mpikaroka hoe oviana ny Mikea no nonina voalohany tany anaty ala sy nanao ny fomba fiain' ny mpihaza sy mpioty, dia nihevitra izy ireo fa vao haingana no niorina ho vondrom-piarahamonina ny Mikea. Ny ankamaroan' ny Mikea amin' izao fotoana izao dia heverina fa [[Masikoro]] nonina ambanivohitra izay nankany anaty ala mba handositra ny tafika [[merina]] sy [[sakalava]] tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19. Ny tahirin-kevitry ny mpanjana-tany frantsay tamin' ny taona 1901 dia mamaritra ny mpihaza sy mpioty amin' ny anarana hoe ''Mikea'' izay manondro mponina any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny Nosy. Heverina fa nitombo ny isan' izy ireo nandritra ny [[Tolom-bahoaka tamin' ny 1947|fikomiana tamin' ny taona 1947]] izay nanohitra ny fitondràn' ny mpanjanaka frantsay, rehefa nandao tanàna sy vohitra ka niafina tany anaty ala manerana ny firenena ny fianakaviana malagasy maro. Ny fitrandrahana [[solitany]] tamin' ny taona 1950 sy 1960 dia nitaky fanamboaran-dalana namakivaky ny ala mbola tsy voakitika tany atsimo-andrefana, ka nanosika indray ny fifindrà-monin' ny mponina hankany an' ala sy hanaraka ny fomba fiaina Mikea.
== Fiarahamonina ==
Ny Mikea dia fehezin' ny lalàna malagasy tahaka ny Malagasy rehetra, nefa raha eo amin' ny fampiharana dia tsy tongan' ny governemanta sy ny sampan-draharaham-panjakana ny any amin' ireo mponina izay mipetraka any anaty ala ireo. Ao anatin' ny fonenana ao amin' ny Ala Mikea dia ny fizankan-tena manome lanja ny fitovian' ny olona tsirairay no manjaka, ka ny lehilahy zokiny indrindra ao amin' ny fianakaviana no manana fahefana lehibe amin' ny fanapahan-kevitra ho an' ny vondrona. Izany dia mifanohitra amin' ny fanaon' ny foko sasany, toy ny [[Merina]], izay misy lamim-piarahamonina saro-drafitra nahitana sarangam-pirazanana itsinjarana andraikitra ara-piarahamonina manokana nomena ny vondrom-pianakaviana manokana. Tamin' ny taona 1991 dia notombanana ho 1 500 ny Mikea, indrindra ireo monina manodidina ny [[Ala Mikea]], izay faritra mahazo rotsak' orana voafetra. Tombanana ho an-jatony maro io isa io tamin' ny taona 1950, izay azo iheverana ny nisian' ny fitomboan' ny mponina mikea. Sarotra ny manombantombana ny tena isan' ny olona mivelona any anaty ala, satria ny sokajin' olona tondroina hoe "Mikea" dia tena miovaova, ary ny halehiben' ny fiankinan-doha amin' ny fihazana sy ny fiotazana, izay mifanohitra amin' ny [[fambolena]] manaraka [[fizaràn-taona]], dia miovaova be amin' ny fotoana rehetra arakaraka ny fahafahana omen' ny fihariana sy ny tontolo iainana. Ny Mikea dia iharan' ny fanilikilihana ara-piarahamonina mifandray amin' ny fiheverana azy ireo ho vahoaka ntaolo fiainana sy tsy nandray fivoarana.
Ny trano fonenana sy ny fandaminana ara-tsôsialy eo amin' ny Mikea dia miovaova arakaraka ny olona na vondron' olona. Ny Mikea sasany dia mijanona ao anaty ala mandritra ny androm-piainany, fa ny sasany kosa miaina ampahany any amin' ny vohitra na tanàn-dehibe. Raha monina any anaty ala ny Mikea, dia matetika mivezivezy isan-taona eo anelanelan' ny toeram-ponenana akaiky indrindra ny zavatra azo ivelomana. Amin' ny fotoan' ny orana dia matetika izy ireo no mipetraka anaty vondrona misy olona 30 hatramin' ny 50 eo akaikin' ny [[ala tsy vaky lay]] eo akaikin' ny [[tanimbary]] vao nodiovina sy nambolena. Ny trano ao amin' izany toeram-ponenany izany dia efa-joro, misy tafo avo, toy ny any amin' ny faritra hafa eto [[Madagasikara]], ary amin' ny ankapobeny dia vita amin' ny bozaka sy hodi-kazo ny trano. Ireo trano ireo dia mitangorona mahalana, ahitana toera-malalaka eo anelakela-trano. Ny fitobiana amin' ny fotoan' ny orana dia miasa mandritra ny telo ka hatramin' ny dimy taona ka atao fiaingana amin' ny fitadiavana sakafo ao anaty ala alohan' ny fahataperan' ny zavatra azo atao sakafo izay mitaky fifindrà-monina mankany amin' ny toerana vaovao. Ny Mikea miasa amin' ny tanin-katsaka dia mipetraka amin' ny trano ahitra mandritra ny fotoam-pambolena mandra-pahatongan' ny volana Avrily na Mey, dia miverina any amin' ny trano vita amin' ny hodi-kazo. Mandritra ny main-tany, manomboka amin' ny volana Mey ka hatramin' ny Oktobra, dia mizara ho vondrona kely maromaro ny toby izay mifindra any amin' ny aty ala kokoa manakaiky ny toerana maro ''babò'' (zavamaniry fihinam-bodiny), izay tsy ahitana afa-tsy trano sy fialofana vita amin' ny bozaka sy ahitra, ary misy olona tsy monina amin' izany mihitsy. Saika tsy misy fanaka ao amin' ireo karazana trano fonenana roa ireo ary misy amin' ny Mikea ny matory amin' ny tany na amin' ny lavaka nohadina eo am-pototry ny [[votry]] lehibe.
Miady mafy mba hiantohana ny hatsaran' ny fiainana ilainy ny Mikea. Na dia efa ela aza ny ala no nanome azy ireo ny filana fototra, dia mampihena ny loharanon-karena ny fandripahana ala sy ny fitomboan' ny mponina. Ankoatr' izay dia mikatsaka hatrany ny hahazo zavatra tsara kokoa, toy ny fitafiana, ny Mikea, ka mitaky fandraisana anjara bebe kokoa amin' ny toekarena ivelany izany amin' ny alàlan' ny varotra sy ny karama mba hahazoana vola. Olana lehibe ihany koa ny tsy fahampian' ny tolotra ara-tsôsialy toy ny fampianarana sy ny tobim-pahasalamana: noho ny tsy fisiana afa-tsy tobim-pahasalamana tokana ao amin' ny faritry ny [[Ala Mikea]] sy ny tsy fahampian' ny [[rano]] handroana, dia be loatra ny tahan' ny aretina toy ny [[raboka]] sy ny [[habokana]] ary aretin-koditra.
=== Fianakaviana ===
Ny Mikea dia mazàna mamototra ny firazanany any amin' ny vohitra sasany, ao amin' ny iray na maromaro amin' ireo vondrona telo lehibe, izay mifandray isanisany amin' ny faritra avaratra sy atsimo ary afovoany amin' ny [[Ala Mikea]]. Ny ankamaroany koa dia manana havana mipetraka ao amin' ny tanànan' ny [[Vezo]] na [[Masikoro]] amin' ilay faritra. Fianakaviana mikea maro no nanangana [[ziva]] (fomba fahita matetika any amin' ny [[Faritra Atsimo ao Afrika|faritra atsimo]] sy [[Afrika Atsinanana|atsinana]] ao [[Afrika]]) miaraka amin' ny [[fokom-pianakaviana]] Vohitse Vanovato ao amin' ny Masikoro, ka manondro ambaratongam-pihavanana amin' ity fokom-pianakaviana ity izany.
Mazàna ivondronan' ny fianakaviana maro ny tobin' ny Mikea. Anisan' izany ny mpivady zokiolona, ny zanany lahy manambady sy ny vinantovaviny, ny zafikely avy amin' ireo mpivady ireo, ary ny zanak' izy mivady tsy manambady na firy taona na firy taona. Matetika ny zanakavavy efa lehibe dia mifindra any amin' ny tobin' ny fianakavian' ny vadiny aorian' ny fampakaram-bady, fa ny mpivady dia matetika mizara ny fotoanany eo amin' ny tobin' ny ray aman-drenin' ny lahy na ny vavy. Ny fihavanan' ny fianakaviana roa dia miforona amin' ny alalan' ny lanonana anatanterahana ny ''fandeo'' izay anehoana ny lahy amin' ny fianakavian' ny vavy, ary ny faneken' ny ray aman-drenin' ny vavy no maha ara-dalàna ny fanambadiana. Ara-dalàna ny zanaka azo avy amin' ny fanambadiana amin' ny alalan' ny fanolorana' ny lahy fanomezana ho an' ny ray aman-drenin' ny vavy. Mafy orina eo amin' ny fanambadian' ny Mikea ny fifandraisana amin' ny anadahin-dreny (''renilahy''), ary mazàna ny renilahy no manangana ny zanaka izay heberin' ny vadin' anabaviny ho zazasary. Samy afaka misaraka amin' ny fotoana rehetra sy manambady indray ny mpivady. Azo atao koa ny [[Fampirafesana|fananana vady maro]].
=== Finoana sy fivavahana ===
Toy ny Malagasy hafa dia ny fanajana ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] no ivon' ny finoana sy ny fivavahan' ny Mikea. Mitovy amin' ny Malagasy hafa koa izy ireo amin' ny finoana ny fisian' ny [[andriamanitra mpamorona]] iray antsoina hoe [[Andriamanitra (finoan-drazana malagasy)|Andrianañahary]]. Maro amin' ny Mikea no mino ny karazana [[fanahy]] monina anaty ala atao hoe ''[[koko]]'', izay mifandray amin' ny toerana voajanahary sasany heverina ho masina ao anaty ala; ireo toerana ireo no anatanterahana lanonana isan-karazany, ka ny fampiasana [[toaka]] amin' izany dia misy heviny ara-panahy sy ara-panoharana. I [[Ndrianazo]], tompon' ny ala, no fanahy lehibe indrindra eo amin' ny zavaboary. Ny fianakaviam-be, izay miparitaka amin' ny toby maro, dia miray hina amin' ny alalan' ny mpisorona atao hoe ''mpitoka hazomanga'', izay miandraikitra ny lanonam-pianakaviana lehibe natokana ho an' ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]]. Ankoatr' izany, ao amin' ny toby tsirairay dia misy [[ombiasy]] iray fara fahakeliny, izay mampita ny hafatry ny razana sy ny fanahy, ary mitana anjara toerana lehibe amin' ny lanonana toy ny [[fanambadiana]], ny [[famorana]], ny [[tso-drano]], ny fombafomba enti-manompo ny razana, ny [[fandevenana]], ny ny [[tromba]] ary ny [[bilo]]. Ny sasany koa dia manao [[Sikidy malagasy|sikidy]] sy karazana [[Fanandroana malagasy|fanandroana]] hafa, ary manome torohevitra ara-panahy momba ny andro na toerana tsara indrindra hihazana, hambolena, hifindrana toby, ary zavatra hafa toy izay miseho eo amin' ny fiainana andavanandro.
== Kolontsaina ==
Ny Mikea dia saika mitovy kolontsaina sy fiteny amin' ny [[Vezo]], foko mpanjono mifanila aminy, sy amin' ny [[Masikoro]], foko mpamboly sy mpiompy izay heverina fa isan' ny vondrom-poko [[sakalava]]; ny fivelomana nentim-paharazana ihany no manavaka ireo vondrona telo ireo. Ny fampitoviana ny Mikea amin' ny [[Vazimba]] dia niteraka finoana niely patrana fa manana ny toetran' ny Vazimba ny Mikea, toy ny hakeliray, ny tsy fananana fitafiana, ny hasaro-kenatra ary ny tsy fifandraisana amin' ny any ivelan' ny toerana misy azy, ary ao koa ny fiainana mifanaraka tanteraka amin' ny tontolo ara-boajanahary. Tsy misy porofo manamarina izany anefa.
Ny Mikea dia manamboatra [[saron-tava]] - izay tsy fahita firy eto Madagasikara - amin' ny fampiasana nify sy volon' olombelona.
=== Dihy sy mozika ===
Ampahany manan-danja amin' ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-panahin' ny Mikea ny [[mozika]]. Ny antsa manokana dia ampifandraisina amin' ny hetsika sy lanonana isan-karazany eo amin' ny fiainana, anisan' izany ny ''havoaza'' ([[fandevenana]]), ny ''bilo'' (fomba [[Fahasitranana mahagaga|fanasitranana mahagaga]]), ny ''[[tromba]]'', ny [[ringa]] (karazana [[haiady]]), ny [[savatsy]] ([[famorana]]) sy ny maro hafa. Ny ankamaroan' ny mozika dia atao amin' ny feon' olombelona - matetika mampiasa sioka, horakoraka ary zavatra hafa amin' ny feo ankoatry ny fihirana - miaraka amin' ny tehaka ka hatramin' ny [[amponga]] langoro. Ampiasaina koa ny [[antsiva]] sy ny [[jejy lava]]. Samy tsy fahita firy eto [[Madagasikara]] ireo zavamaneno tranainy ireo, ary eo amin' ny Mikea, dia lalaovin' ny lehilahy mifanatrika. Ampiasaina amin' ny fombafomba sasany iantsoana ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] ny [[zavamaneno]] tsy fahita firy sy lafo kokoa toy ny [[marovany]] sy ny [[valiha]]. Ny mpilalao marovany na valiha dia mazàna omena voninahitra ara-bola (''fomba'') rehefa manatanteraka ny mozikan-danonana. Hira maro no ampiarahina amin' ny dihy sy fombafomba manokana izay mbola fanao eo amin' ny Mikea amin' ny fiainana andavanandro.
== Fiteny ==
Ny Mikea dia miteny [[Fitenim-paritra malagasy|fitenim-paritra]] amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] manakaiky ny [[Fiteny vezo|fitenin' ny Vezo]] sy [[Fiteny masikoro|Masikoro]] ary [[Fiteny sakalava|Sakalava]].
== Fiharian-karena ==
Ny ala misy tsilo maniry amin' ny faritra maina, izay mahazo rotsak' orana latsaky ny 600 mm isan-taona, no tena mamaritra ny asa fiveloman' ny Mikea. Saika ny zava-drehetra ampiasainy dia alainy avy any anaty ala, ary amin' ny ankapobeny dia mandany adiny roa na latsaka ny Mikea mba hanangonana sakafo sahaza mandritra ny andro. Ny vodin-javamaniry fihinana no loharanon-tsakafon' izy ireo, indrindra amin' ny vanim-potoana maina izay maha vitsy ny sakafo hafa azo alaina. Mangady amin' ny alalan' ny [[angady]] (''antsoro'') sy ny vilia baolina (''kipao'') ny olon-dehibe sy ny ankizy na lahy na vavy. Atsatsika na andrahoina alohan' ny hihinanana azy ny [[Oviala|ovy]] misy [[tavolo]], fa ny ''babò'' (na ''baboho'') misy rano kosa dia analana hetaheta na andrahoana ny sakafo hafa; ny ''[[Tavolo (zavamaniry)|tavolo]]'' dia hamainina sy notoina mba hatao vovo-koba ary amidy eny an-tsena. Manangona [[voankazo]] sy voatavo ary [[tantely]] any an' ala koa izy ireo, ary ity farany no loharanon-karena lehibe indrindra ho an' ny Mikea mandritra ny vanim-potoanan' ny orana. Mba hahazoana rano mandritra ny fotoanan' ny orana dia manangona ranon' orana avy eny an-tampon' ny tranon' izy ireo ny Mikea amin' ny alalan' ny hazo misy loaka na mitondra rano mandeha an-tongotra na mandeha [[sarety]] tarihin' [[omby]] avy any an-tanàna; fa mandritra ny main-tany mangatsiaka kosa dia mihinana ''babò'' (''Dioscorea trichopoda'') ny Mikea ary misotro rano avy amin' ny fantsakana voajanahary na nataon' olombelona raha misy.
Ny loharanon-[[prôteinina]] fototra dia ny [[vorona]] sy ny [[trandraka]]. Ny olon-dehibe sy ny ankizy mikea na lahy na vavy dia mampiasa kibay hamonoana ny trandraka kely (''tambotrika'': 0,4 kg), izay betsaka mandritra ny taona, sy ny lehibe kokoa (''tandraka'': 2-3 kg), izay hazaina indrindra mandritra ny fotoan' ny orana. Amin' ny ankapobeny dia mihaza na mamandrika karazana [[gidro]], sakadia (''Felis lybica ocreata''), [[lambo]] ala indraindray, [[sokatra]] sy karazam-biby mpikiky, ka mampiasa [[basy]] sy [[lefona]] ary [[alika]] izy ireo, ary mampiasa [[farango (fitaovana)|farango]] sy [[fintana]] mba hakana trondro amin' ny [[Farihy|farihi]]<nowiki/>n-dranomasira. Miompy biby toy ny [[osy]] sy [[akoho]] ary [[akanga]] hohanina na hamidy eny an-tsena ny Mikea sasany. Manome prôteinina fanampiny koa ny voankazo sasany.
Ny [[katsaka]] no tena vokarin' ny Mikea, izay nampidirina teto Madagasikara tamin' ny taona 1890. Mamboly [[mangahazo]] koa izy ireo indraindray. Ny vanin-taona maina no amaritana tanin-katsaka vaovao, izay dorana amin' ny volana Ôktôbra (fambolena mifindrafindra toerana, antsoina hoe ''hatsaky'') ary ambolena amin' ny volanao Nôvambra sy Desambra rehefa manomboka milatsaka ny orana. Telo volana aty aoriana no jinjaina ny katsaka ary hohanina mandritra ny vanin-taona misy orana; ny ambin-katsaka dia atapy ho maina ka amidy, ary ny sasany dia tahirizina hambolena sy hohanina amin' ny taona manaraka. Ny mpivarotra manangona katsaka avy amin' ny Mikea dia manodina azy ho azo aondrana any ivelan' i [[Madagasikara]] ka mahazo tombony be.
Ny fiain' ny Mikea dia mifampiankina amin' ny an' ny mpamboly sy mpiompy [[masikoro]] mpifanolo-bodirindrina aminy, sy amin' ny an' ny fianakavian' ny mpanjono [[vezo]]. Ny Mikea dia mivelona indrindra amin' ny sakafo alaina ao anaty ala, nefa koa mamboly manaraka ny fizaràn-taona. Ny fivezivezena sy ny fiankinan' ny Mikea amin' ny fanangonam-bokatra mifanohitra amin' ny fitomboan' ny voly dia miovaova araka ny fiovan' ny tsindry ara-tontolo iainana sy ara-toekarena amin' ny fisian' ny loharanon-karena eo aminy ary koa ny an' ny Vezo sy ny Masikoro mpifanolo-bodirindrina aminy. Mivarotra ny vokatry fihazana sy ny fiotazana avy any an' ala ary ny [[tsihy]] voatenona sy ny biby fiompiny eny amin' ny tsenan' ny Vezo sy ny Masikoro isan-kerinandro ny Mikea ka any amin' ny tanàna manodidina mba no anaovany izany hahazoana ny zavatra tsy azony alaina ao anaty ala, toy ny fitafiana sy ny fanafody. Mifindra monina mandritra ny fotoana maharitra mba hiasa any amin' ny tanàna manodidina na ny any amn' ny tanànan' i [[Morombe]] ny Mikea sasany. Karamain' ny Vezo sy Masikoro ihany koa izy ireo, amin' ny asa toy ny fanapahana hazo any an' ala ho an' ireo mponina ireo, na fiasana ny tanin-katsaky ny Mikea hafa, na ny fiandrasana ny [[omby]] ompian' ny mponina. Indraindray izy ireo dia mahazo omby iray na maromaro ho fanampiny na ho solon-karama, satria famantarana ny fananan-karena izany ary atao [[sorona]] amin' ny lanonana iantsoana ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] fa tsy atao ho hanina fotsiny. Ny vanim-potoan' ny orana dia fotoana andaozan' ny Mikea ny tobiny mba hahazoany mikarama any an-tanàna na mba hiotazana katsaka. Amin' io fotoana io ihany koa no mety mifindra any anaty ala hamboly katsaka ny Masikoro sy ny Vezo.
== Jereo koa ==
'''Ny foko eto Madagasikara'''
* [[Antambahoaka]] - [[Antandroy]] - [[Antankarana]] - [[Antanosy]] - [[Antefasy]] - [[Antemoro]] - [[Antesaka]] - [[Bara]] - [[Beosy]] - [[Betsileo]] - [[Betsimisaraka]] - [[Bezanozano]] - [[Mahafaly]] - [[Makoa]] - [[Masikoro]] - [[Merina]] - [[Mikea]] - [[Sakalava]] - [[Sihanaka]] - [[Tanala]] - [[Tsimihety]] - [[Vezo]] - [[Zafimaniry]] - [[Zafisoro]].
'''Ny vahoaka hafa eto Madagasikara'''
* [[Sinoa eto Madagasikara]]
* [[Vazaha eto Madagasikara]]
* [[Karàna]]
'''Samihafa'''
* [[Jiosy malagasy]]
== Boky azo anovozan-kevitra ==
* Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). ''Madagascar'' (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115. <nowiki>ISBN 978-1-84162-197-5</nowiki>.
* Chantal Blanc-Pamard, "The Mikea Forest Under Threat (southwest Madagascar): How public policy leads to conflicting territories", ''Field Actions Science Reports'', vol. 3, 2009 (DOI 10.5091/plecevo.2011.513, [[https://journals.openedition.org/factsreports/341 vakio eto]], [[http://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=http%3A%2F%2Ffactsreports.revues.org%2F341 tahiry]])
* Daniel Stiles, "Hunters of the Great Red Island", ''Geographical'', juillet 2007, p. 46–48 ([https://www.academia.edu/5003243/MADAGASCARS_MIKEA vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=https%3A%2F%2Fwww.academia.edu%2F5003243%2FMADAGASCARS_MIKEA tahiry]])
* Daniel Stiles, "[https://www.allmusic.com/album/madagascar-music-of-mikea-province-mw0000607772 Madagascar: Music of Mikea Province]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=http%3A%2F%2Fwww.allmusic.com%2Falbum%2Fmadagascar-music-of-mikea-province-mw0000607772 tahiry]], ''Allmusic.com'', 2014.
* Daniel Stiles, "The Mikea Hunter-Gatherers of Southwest Madagascar: Ecology and Socioeconomics", ''African Study Monographs'', vol. 19, no 3, 1998, p. 127–148 ([https://repository.kulib.kyoto-u.ac.jp/dspace/bitstream/2433/68175/1/ASM_19_127.pdf vakio eto] PDF[[http://archive.wikiwix.com/cache/display2.php/ASM_19_127.pdf?url=http%3A%2F%2Frepository.kulib.kyoto-u.ac.jp%2Fdspace%2Fbitstream%2F2433%2F68175%2F1%2FASM_19_127.pdf tahiry]]).
* Daniel Stiles, "Tubers and Tenrecs: The Mikea of Southwestern Madagascar", ''Field Actions Science Reports'' [[https://www.researchgate.net/publication/277466928_Tubers_and_Tenrecs_The_Mikea_of_Southwestern_Madagascar vakio eto]], vol. 30, no 30, 1991, p. 251–263 (JSTOR 3773634)
* Hilary Bradt et Daniel Austin, ''Madagascar : The Bradt Travel Guide'', Guilford, CT, The Globe Pequot Press Inc., 2007, 9e éd., 468 p. (<nowiki>ISBN 978-1-84162-197-5</nowiki> et 1-84162-197-8, [https://books.google.mg/books?id=vyNVb2q0RisC&pg=PA23&dq=madagascar+ethnic+group&redir_esc=y#v=onepage&q=madagascar%20ethnic%20group&f=false vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3DvyNVb2q0RisC%26pg%3DPA23%26dq%3Dmadagascar%2Bethnic%2Bgroup tahiry]]), p. 113–115
* J. Dina et J.M. Hoerner, "Études sur les populations mikea du sud-ouest de Madagascar", ''Omaly sy anio''. Revue des études historiques, nos 3-4, 1976, p. 269-286
* Kelly, RL; Rabedimy, JF; Poyer, L (1999). "The Mikea of Madagascar". In Lee, Richard; Daly, Richard (eds.). ''The Cambridge Encyclopedia of Hunters and Gatherers''. Cambridge, U.K.: Cambridge University Press. pp. 215–219. <nowiki>ISBN 978-0-521-57109-8</nowiki>.
* Lin Poyer et Robert Kelly, "Mystification of the Mikea: Constructions of Foraging Identity in Southwest Madagascar", ''Journal of Anthropological Research'', vol. 56, no 2, 2000, p. 163–185 (DOI 10.1086/jar.56.2.3631361, JSTOR 3631361)
* R.L. Kelly, J.F. Rabedimy et L. Poyer, "The Mikea of Madagascar", in Richard Lee et Richard Daly (éds), ''The Cambridge Encyclopedia of Hunters and Gatherers,'' Cambridge, U.K., Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0-521-57109-8</nowiki>, [https://books.google.com/books?id=5eEASHGLg3MC&printsec=frontcover#v=onepage&q&f=false vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3D5eEASHGLg3MC%26printsec%3Dfrontcover%23v%3Donepage%26q%26f%3Dfalse tahiry]]), p. 215–219
== Loharano sy fanamarihana ==
dy4d68yd0vlc05fqb16g2b6traoa6ci
Zebra
0
281051
1093678
1090007
2025-01-03T03:49:42Z
2806:2F0:55C1:CC29:5DDE:E49A:E3A7:39D3
1093678
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Plains Zebra Equus quagga.png|vignette|312x312px|Zebra]]
Ny '''zebra''' dia biby misy nono ao [[Afrika atsimon' i Saharà]], indrindra ao amin' ny tapany [[Afrika Afovoany|afovoany]] sy [[Faritra Atsimo ao Afrika|atsimo]] amin' i [[Afrika]], mitovitovy amin' ny boriky dia, miloko mitsoriandriaka mainty sy fotsy ny hodiny. Miovaova arakaraka ny karazana zebra sy ny zebra tsirairay ny endrika sy ny toerana misy izany mitsoriadriaka izany, ka mampiavaka ny karazana sy ny zebra tsirairay. Iva kokoa noho ny soavaly ny zebra izay manana halavana mirefy 1,90 hatramin' ny 2,60 m. Fohy ny vombony izay mitsangana, lehibe ny sofiny, ary misy volo betsaka ny mankany amin' ny tendron' ny rambony.
[[Sary:Grevy's Zebra Stallion.jpg|vignette|Zebran' i Grévy]]
[[Sary:Equus quagga burchellii - Etosha, 2014.jpg|vignette|Zebra-tany lemaka]]
[[Sary:Equus zebra hartmannae - Etosha 2015.jpg|vignette|Zebra an-tendrombohitra]]
Misy karazany telo ny zebra, dia ny zebra an-tany lemaka (''Equus quagga'' na ''Equus burchellii'') sy ny zebra an-tendrombohitra (''Equus zebra'') ary ny zebran' i Grévy (''Equus grevyi''). Ny zebra an-tendrombohitra sy ny zebra an-tany lemaka dia mitovitovy endrika amin' ny [[soavaly]] fa ny zebran' i Grévy kosa mitovitovy amin' ny [[boriky]]. Ahitana azy ireo ny eny an-kijana, anaty [[hivoka]], amin' ny kirihitra misy tsilo, any anaty ala, an-tendrombohitra sy an-kavoana amorontsiraka. Mihalany tamingana ny zebran' i Grévy sy ny zebra an-tendrombohitra.
* [[Babôna]]
{{reflist}}
[[Sokajy:Soavaly]]
qxip4hmxw2ltu9x6q1jo19g9c2n5fpq
1093680
1093678
2025-01-03T03:58:16Z

pf37nuapzlms9cj2h1vyhrc4m9uvwkx
Espirito Santo
0
285823
1093684
1093641
2025-01-03T11:56:17Z
EmausBot
2486
Nanala rohy interwiki 1 izay efa omen'i [[:mg:w:Wikipedia:Wikidata|Wikidata]] eo amin'i [[d:Q43233]]
1093684
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-20.319440|-40.337780}}
{{infobox tanàna
|anarana=Espirito Santo
|sary=Webysther 20131025132658 - Terceira Ponte.jpg
|saina=Bandeira do Espírito Santo.svg
|velarantany= 46.095,6
|isam-ponina= 4.108.508
|ben'ny tanàna=
|governadora=
|faritany = Espírito Santo
|firenena={{BRA}}
}}
[[Sary:Espirito Santo in Brazil.svg|thumb|left|Saritanin'i Espirito Santo]]
I '''Espirito Santo''' dia Fanjakana federaly ao [[Brazila]]. Ny renivohiny dia [[Vitória]]. Ny velarantanin'ilay faritany dia {{formatnum:46095.5}} kilometatra toradroa ary ny isam-poniny dia 4.108.508
==Jereo Koa==
*[[Lisitry ny faritany ao Brazile]]
{{commonscat|Espírito Santo}}
[[sokajy:Faritany mizaka-tena ao Brazila]]
[[Sokajy:Espírito Santo]]
9p5b7l3bfjeo6af5qswr4u45331f4ed
Faritanin' i Sofala
0
286570
1093681
1088414
2025-01-03T11:53:21Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Sofala]] ho [[Faritanin' i Sofala]] i Thelezifor
1088414
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-19.843610|34.838890}}
{{infobox tanàna
|anarana = Sofala (faritany)
|velarantany = 68018
|faritany = [[Sofala]]
|isam-ponina = 2.221.803
|firenena = {{Mozambika}}
|ben'ny tanàna =
|saina=
|sary = Moçambique Sofala.gif
}}
[[File:Gorongosa - Gogogo peak. (4403966914).jpg|left|thumb|Gorongosa]]
Ny Faritanin' i '''Sofala''' dia iray amin' ireo faritany enina eto Mozambika, amin’ny [[ranomasimbe Indianina]], ao amin'ny [[Mozambika]].
==Renivohitra==
*[[Beira]]
==Kaominana==
[[Beira]], [[Caia]], [[Dondo]], [[Gorongosa]], [[Inhaminga]], [[Marromeu]], [[Nhamatanda]] sy [[Sena]].
==Distrika==
* [[Buzi (Distrika)|Buzi]]
* [[Caia (Distrika)|Caia]]
* [[Chemba (Distrika)|Chemba]]
* [[Cheringoma (Distrika)|Cheringoma]]
* [[Chibabava (Distrika)|Chibabava]]
* [[Dondo (Distrika)|Dondo]]
* [[Gorongosa (Distrika)|Gorongosa]]
* [[Marromeu (Distrika)|Marromeu]]
* [[Machanga (Distrika)|Machanga]]
* [[Maringué (Distrika)|Maringué]]
* [[Muanza (Distrika)|Muanza]]
* [[Nhamatanda (Distrika)|Nhamatanda]]
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 2.221.803 mponina tamin'ny taona 2017.
==Valan-javaboarim==
*[[Valan-javaboarin'i Gorongosa]]
==Renirano==
* [[Pungwe]], [[Buzi]], [[Save]]
== Jereo koa ==
* [[Mozambika]]
** [[Sofala]]
*** [[Beira]]
== Tsiahy ==
<references/>
{{commonscat}}
{{Mozambika}}
[[sokajy:Faritanin'i Sofala]]
[[Sokajy:Faritany ao Mozambika]]
sar9tvjq917z9kgprt2xbmdv6h45t5m
1093683
1093681
2025-01-03T11:55:55Z
Thelezifor
15140
Nanitsy tsipelina
1093683
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-19.843610|34.838890}}
{{infobox tanàna
|anarana = Sofala (faritany)
|velarantany = 68018
|faritany = [[Sofala]]
|isam-ponina = 2.221.803
|firenena = {{Mozambika}}
|ben'ny tanàna =
|saina=
|sary = Moçambique Sofala.gif
}}
[[File:Gorongosa - Gogogo peak. (4403966914).jpg|left|thumb|Gorongosa]]Ny '''Faritanin' i Sofala''' dia iray amin' ny faritany enina eto [[Môzambika]], manamorona ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]]. I [[Beira]] no renivohiny.
==Kaominana==
Ireto ny kaominina ao amin' ny Faritanin' i Sofala: [[Beira]], [[Caia]], [[Dondo]], [[Gorongosa]], [[Inhaminga]], [[Marromeu]], [[Nhamatanda]] sy [[Sena]].
==Distrika==
* [[Buzi (Distrika)|Buzi]]
* [[Caia (Distrika)|Caia]]
* [[Chemba (Distrika)|Chemba]]
* [[Cheringoma (Distrika)|Cheringoma]]
* [[Chibabava (Distrika)|Chibabava]]
* [[Dondo (Distrika)|Dondo]]
* [[Gorongosa (Distrika)|Gorongosa]]
* [[Marromeu (Distrika)|Marromeu]]
* [[Machanga (Distrika)|Machanga]]
* [[Maringué (Distrika)|Maringué]]
* [[Muanza (Distrika)|Muanza]]
* [[Nhamatanda (Distrika)|Nhamatanda]]
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 2.221.803 mponina tamin'ny taona 2017.
==Valan-javaboarim==
*[[Valan-javaboarin'i Gorongosa]]
==Renirano==
* [[Pungwe]], [[Buzi]], [[Save]]
== Jereo koa ==
* [[Mozambika]]
** [[Sofala]]
*** [[Beira]]
== Tsiahy ==
<references/>
{{commonscat}}
{{Mozambika}}
[[sokajy:Faritanin'i Sofala]]
[[Sokajy:Faritany ao Mozambika]]
h8psezhttjnyf9mpurdxiu19gpasu60
Indôneziana (vahoaka)
0
289346
1093673
1088551
2025-01-02T13:48:06Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */
1093673
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Flag of Indonesia.svg|vignette|345x345px|Sainan' i Indônezia]]
Ny '''Indôneziana''' dia ny olom-pirenena na olona teratanin' i [[Indônezia]], na inona na inona fiaviany ara-poko na ny fivavahany. Amin' ny [[fiteny indôneziana]] izy ireo dia atao hoe ''orang Indonesia''. Misy foko maherin' ny 1 300 ny ao Indônezia, ka mahatonga azy ho firenena ahitana kolontsaina maro isan-karazany sy fiteny ary finoana ara-pivavahana be dia be. Ny isan' ny mponin' i Indônezia dia 270,2 tapitrisa araka ny fanisana tamin' ny taona 2020. Ny 56 % no mipetraka ao amin' ny nosy [[Java]], nosy be mponina indrindra eran-tany. Indôneziana teratany (navondrona amin' ny anarana hoe "''Pribumi''" taloha) ny 95 % amin' ny Indôneziana, indrindraindrindra ny taranaky ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]] sy [[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]], ka ny Javaney (40 %) sy ny Sondaney (15 %) no maro anisa, raha ny 5 % hafa kosa dia Indôneziana manana razambe avy any ivelany toy ny Indôneziana [[Arabo (vahoaka)|arabo]], ny Indôneziana [[Sinoa (vahoaka)|sinoa]], ny Indôneziana [[Indiana (vahoaka)|indiana]] ary ny Indô.
== Ny mponina ==
Tamin' ny taona 2020, ny Indôneziana dia 3,4 % amin' ny fitambaran'ny mponina eran-tany ary i Indônezia no firenena fahefatra be mponina indrindra aorian' i [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]] sy i [[India]] ary i [[Etazonia]].
Na dia eo aza ny fandaharan' asa fandrindram-pianakaviana izay efa napetraka hatramin' ny taona 1967, nandritra ny folo taona, nifarana tamin' ny 2020, dia 1,1 % ny fitombon' ny mponina ao Indônezia. Amin' izany taha izany, ny mponina ao Indônezia dia vinavinaina hihoatra ny isan' ny mponina any Etazonia ankehitriny ary - raha tsy mitombo ny isan' ny mponina any Etazonia amin' izao fotoana izao - ho lasa fahatelo lehibe indrindra eran-tany aorian' i Sina sy i India amin' ny taona 2043. Efa naverina indray ny fandrindram-pianakaviana izay mifototra amin' ny fandaharan' asa tamin' ny taona 1967 mba tsy haha firenena fahatelo be mponina indrindra eran-tany an' i Indônezia.
Mahatonga an' i Java ho fonenan' ny 56 % amin' ny mponina indôneziana ny mponina miisa 151,6 tapitrisa ao aminy, ary izy no nosy be mponina indrindra eto an-tany. Ny nosy lehibe hafa any Indônezia dia i [[Sumatra]], i [[Bôrneô|Kalimantan]], i [[Sulawesi]] ary i [[Ginea Vaovao]], izay fonenan' ny 49 %n' ny mponina indôneziana. Misy ihany koa ny nosy kely maro be mponina toa an' i Bali, i Bangka, i Madura, i Nias, i Maluku, ny nosy Sunda Kely, ny nosy Riau sy ny hafa.
== Foko ==
[[Sary:Gadispalembang.jpg|vignette|[[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]]]]
Misy [[foko]] 1 300 mahery ny any [[Indônezia]]. Io isa io no mahatonga an' i Indônezia ho anisan' ny firenena ahitana [[kolontsaina]] maro isan-karazany indrindra eran-tany. Avy amin' ny razambe indôneziana tompontany ny 95 % amin' ireo (''Pribumi'').
Ny vondrom-poko lehibe indrindra any Indônezia dia ny Javaney izay efa ho ny 40 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao. Monina ao amin' ny nosy Java ny ankamaroan' ny Javaney fa olona an-tapitrisany no nifindra monina any amin' ny nosy hafa manerana ny vondronosy noho ny fandaharan' asa fifindra-monina any amin' ny nosy tsy nisy olona. Ny Sondaney, izay 15 % amin' ny mponina ao Indônezia, dia foko iray mitambatra fizaran-tany amin' ny Javaney, mipetraka any amin' ny tapany andrefan' i Java ny ankamaroan' ny Sondaney. Ny [[Maley (foko)|Maley]], ny Batàka, ny Madorey, ny Betaoy ary ny Minangkabao no vondrona lehibe manarakaraka ao amin' ilay firenena. Vondrom-poko maro, indrindra any [[Kalimantan]] sy any amin' ny faritany Papua, no tsy misy afa-tsy olona an-jatony. Ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ny ankamaroan' ny fiteny eo an-toerana, na dia betsaka ihany ny vahoaka mampiasa fiteny ao amin' ny [[vondrom-piteny papoa]], indrindra fa any amin' ny nosy Maluku sy any [[Ginea Andrefana]]. Latsaky ny 1 % amin' ny fitambaran' ny mponina indôneziana ny Indôneziana sinoa (''Tionghoa'') araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2000. Miteny [[fiteny sinoa]] isan-karazany, indrindra fa ny [[fiteny hôkiena]] sy ny [[fiteny hakà]], ny sasany amin' ireo Indôneziana manam-piaviana sinoa ireo.
[[Sary:Festifal Lima Raja Tifa 2.webp|vignette|¨[[Melaneziana (vahoaka)|Melaneziana]]]]
Tsy hentitra ny fanasokajiana ny foko ao Indônezia ary amin' ny toe-javatra sasany dia tsy mazava noho ny fifindra-monina sy ny kolontsaina ary ny fiteny; ohatra, mety heverin' ny sasany ho mpikambana ao amin' ny foko javaney ny Ôsingy sy ny Tsirebôney, na izany aza, ny sasany kosa milaza fa foko samy hafa izy ireo satria samy manana ny fiteniny manokana. Mitovy amin' izany ihany koa ny Badoy izay tena zana-pokon' ny Sondaney nefa indraindray heverina ho foko misaraka. Ohatra iray amin' ny foko mifangaro ny Betaoy, tsy avy amin' ny fanambadian' ny olona samy hafa ao Indônezia ihany fa avy any ivelany ihany koa toa ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy ny [[Sinoa (vahoaka)|Sinoa]] ary ny [[Indiana (vahoaka)|Indiana]] mpifindra monina hatramin' ny andron' i Batavia faha fanjanahantany ([[Jakarta]]).
== Fiteny ==
Ny [[fiteny indôneziana]] no [[Fiteny ôfisialy|fiteny ôfisiali]]<nowiki/>n' i [[Indônezia]]. Karazana fiteny malay nampanarahim-penitra izy io. Anisan' ny [[fiteny aostrôneziana]] izay nampiasaina ho ''[[lingua franca]]'' ao amin' ny [[Vondronosy Indôneziana]] nandritra ny taonjato maro io fiteny io. Miteny ny iray amin' ny fiteny teratany maherin' ny 700 koa ny ankamaroan' ny Indôneziana.
Ny ankamaroan' ny Indôneziana, ankoatry ny fitenenana ny fitenim-pirenena, dia mampiasa fitenim-paritra hafa (ohatra ny [[fiteny javaney]], ny [[fiteny sondaney]] sy ny hafa), izay matetika ampiasaina ao an-trano sy eo amin' ny fiarahamonina eny ifotony. Atao amin' ny fiteny indôneziana ny ankamaroan' ny fampianarana ara-dalàna, ary saika ny haino aman-jerim-pirenena sy ny endri-pifandraisana hafa rehetra. Any [[Timôro Atsinanana|Timor Atsinanana]], izay faritany indôneziana nanomboka tamin' ny taona 1975 ka hatramin' ny 1999 dia eken' ny lalàmpanorenana ho anisan' ny fiteny roa enti-miasa ny fiteny indôneziana (ny iray hafa dia [[fiteny anglisy]]), miaraka amin' ny [[fiteny tetoma]] sy ny [[fiteny pôrtogey]] izay [[fiteny ôfisialy]].
== Fivavahana ==
[[Sary:A procession with offerings entering a Hindu temple Bali.jpg|vignette|Filaharana itondram-panatitra miditra ao amin' ny tempoly hindoa ao Bali]]
Fanjakana laîka i [[Indônezia]] araka ny [[lalàmpanorenana]] sy ny foto-pitsipika voalohany ao amin' ny fototra filôzôfika indôneziana, atao hoe ''Pancasila'', dia ny "finoana an' Andriamanitra tokana". Fivavahana maro samihafa no hita ao amin' ilay firenena, ary manan-danja tokoa ny fiantraikan' izy ireo miaraka eo amin' ny fiainana ara-pôlitika sy ara-toekarena ary ara-kolontsaina ao amin' io firenena io. Miantoka ny fahalalahan' ny [[fivavahana]] ny lalàmpanorenan' i Indônezia. Ny fivavahana ôfisialy enina ihany anefa no eken' ny fanjakana ([[silamo]], [[prôtestantisma]], [[katôlisisma]], [[hindoisma]], [[bodisma]] ary [[kônfosianisma]]). Misy fivavahana tsy ôfisialy miisa 245 eo ho eo ao Indônezia. Ny lalàna indôneziana dia mandidy ny olom-pirenena indôneziana tsirairay hanana kara-panondro izay anondroan' io olona io ny iray amin' ireo fivavahana enina ireo, na dia azon' ny olom-pirenena atao aza ny mameno amin' ny teny hoe "mpino" ao amin' io faritry ny kara-panondro io raha toa ka manaraka fivavahana hafa ankoatr' ireo fivavahana enina ireo ilay olona na mamela an' io faritra io ho banga. Tsy manaiky ny [[agnôstisma]] sy ny [[ateisma]] (tsy finoana an' Andriamanitra) i Indônezia, ary melohin' ny lalàna ny fitenenan-dratsy an' Andriamanitra ([[blasfemia]]). Manana mpino silamo be indrindra eran-tany i Indônezia tamin' ny fanisam-bahoaka indôneziana natao tamin' ny taona 2018, ka ny 86,7 % amin' ny Indôneziana dia nilaza fa Mozilmana ([[Sonisma|Sonita]] ny 99 %, [[Siisma|Siita]] ny 1 %, [[Ahmadisma|Ahmady]] ny 0,2 %), 7,6 % ny Prôtestanta, 3,12 % ny Katôlika, 1,74 % ny Hindo, 0,77 % ny Bodista, 0,03 % ny Kônfosiana, ary 0,04 % ny manaraka fivavahana hafa na tsy manana fivavahana.
Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fifandraisan' ny foko, na tsara na ratsy, ny fitarihana ara-pôlitika indôneziana, amin' ny fampiroboroboana ny fifanajana amin' ny alalan' ny fanamafisana ny ''Pancasila'' nefa koa amin' ny fampiroboroboana ny fandaharan' asam-pifindra-monina, izay niteraka disadisa maro tany amin' ny tapany atsinanan' ilay firenena.
== Jereo koa ==
* [[Indônezia]]
* [[Malezia]]
* [[Maley (foko)]]
* [[Maley (firazanana)]]
* [[Fivavahana ao Indônezia]]
* [[Fiteny ao Indônezia]]
* [[Indôneziana Maley]]
* [[Maleziana Maley]]
* [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aosrôneziana]]
q970l4o2438akjuc0uche5ae00wybxl
Tsingin' i Bemaraha
0
290354
1093666
2025-01-02T13:06:08Z
Thelezifor
15140
Fihodinana
1093666
wikitext
text/x-wiki
#FIHODINANA[[Tahirin-javaboarin' ny Tsingin' i Bemaraha]]
6gblmbvbo2pzuw3xli7gsj16v36gzr1
Maleziana (vahoaka)
0
290355
1093671
2025-01-02T13:43:55Z
Thelezifor
15140
Olom-pirenen' i Malezia na olona manam-piaviana any Malezia
1093671
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Maleziana''' dia ny olom-pirenen' i [[Malezia]]. Na dia ny olom-pirenena no maro anisa amin' ny Maleziana, ny mponina tsy olom-pirenena dia mety hilaza ny maha Maleziana azy ihany koa. Amin' ny [[Fiteny malay|fiteny maley]] dia atao hoe ''Orang Malaysia'' izy ireo.
I Malezia dia fonenan' ny olona avy amin' ny firenena sy [[foko]] ary [[fivavahana]] samihafa. Vokatr' izany dia maro ny Maleziana no tsy mampitovy ny maha olom-pirenena amin' ny maha mpikambana amina foko azy. Ny ankabeazan' ny mponina anefa dia avy amin' ny firazanana voafaritra mazava ao amin' ilay firenena sady samy manana ny kolontsainy sy ny fomban-drazany manokana: [[Maley (foko)|Maley]], mponina teratany voalohany (''Orang Asli''), Sinoa Maleziana (indrindra ny [[Hana (vahoaka)|Sinoa Hana]] sy Peranakana), Indiana Maleziana (indrindra fa ny [[Fiteny tamily|Tamily]] sy Tsity any [[Azia Atsimo]]). Ny ankamaroan' ny mponina tsy maley sy tsy teratany voalohany any Malezia ankehitriny dia mpifindra monina sy ny taranany. Taorian' ny vanim-potoana voalohan' ny fanjanahan-tany pôrtogey sy neerlandey ary avy eo britanika izay naharitra kokoa, onjam-pifindra-monina samihafa (na tampony) sy ny fiorenam-ponenan' ireo tsy teratany voalohany nandritra ny taonjato dimy ary mbola mitohy ankehitriny.
Nitombo tsikelikely ny fahaleovantenan' i Malezia amin' ny Fanjakana Mitambatra izay nanomboka tamin' ny taona 1957 nandritra ny tapany farany tamin' ny taonjato faha-20 hatramin' ny nananganana ny Federasiônan' i Malezia tamin' ny taona 1948 (tsy anisan' izany i Singaporo sy i Borneo Avaratra ary i Sarawak). Ny [[Ady Lehibe Faharoa]] indrindraindrindra dia niteraka faniriana teo amin' ny Maleziana mba hanekena ny tanindrazany ho fanjakana manana fiandrianana feno sady ahitana vahoaka manana zom-pirenena miavaka.
== Jereo koa ==
* [[Maley (foko)|Maley]]
* [[Indôneziana (vahoaka)|Indôneziana]]
* [[Indôneziana Maley]]
* [[Maleziana Maley]]
* [[Malezia]]
* [[Indônezia]]
7bacw550qesb2x466vn1wwx984e1o4x
1093672
1093671
2025-01-02T13:46:37Z
Thelezifor
15140
Nanisy sary
1093672
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Flag of Malaysia.svg|vignette|350x350px|Sanan' i Malezia]]

mffo5lha0gwkbre453cg44hn9pd0mbx
Babôna
0
290356
1093679
2025-01-03T03:57:29Z
2806:2F0:55C1:CC29:5DDE:E49A:E3A7:39D3
Pejy noforonina tamin'ny « [[Sary:Olivebaboon.jpg|thumb|250px|Babôna oliva]] Ny '''babôna''' dia primata ahitana ny karazana '''''Papio''''', iray amin'ireo 23 karazana rajako Tontolo Taloha, ao amin'ny fianakaviana Cercopithecidae. Ny karazany tsirairay dia avy amin'ny iray amin'ireo faritra enina any Afrika ary ny babôna hamadryas dia teratany amin'ny ampahany amin'ny Saikinosy Arabo ihany koa. Miovaova ny habeny sy ny lanjany arakaraka ny karazana. Ny kely indrindra, ny Kinda b... »
1093679
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Olivebaboon.jpg|thumb|250px|Babôna oliva]]
Ny '''babôna''' dia primata ahitana ny karazana '''''Papio''''', iray amin'ireo 23 karazana rajako Tontolo Taloha, ao amin'ny fianakaviana Cercopithecidae.
Ny karazany tsirairay dia avy amin'ny iray amin'ireo faritra enina any Afrika ary ny babôna hamadryas dia teratany amin'ny ampahany amin'ny Saikinosy Arabo ihany koa.
Miovaova ny habeny sy ny lanjany arakaraka ny karazana. Ny kely indrindra, ny Kinda babôna, dia 50 sm (20 in) ny halavany ary milanja 14 kilao monja (31 lbs), fa ny lehibe indrindra, ny chacma babôna, dia mahatratra 120 sm (47 in) ny halavany ary milanja 40 kg ( 88 lb).
2typ4ad6wf9468m3l7gzeijwqfpb3lw
Sofala
0
290357
1093682
2025-01-03T11:53:21Z
Thelezifor
15140
nanova ny anaran'i [[Sofala]] ho [[Faritanin' i Sofala]] i Thelezifor
1093682
wikitext
text/x-wiki
#FIHODINANA [[Faritanin' i Sofala]]
pk6u9lngys0ooera7rqbsqifsqgg0jc