Tantaran'i Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia

< Madagasikara

Votoatiny

[Ovay] Ny Fiavian'ny Anarana hoe : Madagasikara

I Marco Polo dia nanome ny anarana hoe: Madeigascar na. Mo gelaiso: nafangrony tamin'ny tanana any Somalia Mogadiscio. Sarintany eoropeana misy an'i Madagasikara ny toerany eo atsinanan'i Afrika. Ny "Portuguais" nanome ny anarana "Saint-Laurent", "l'île dauphine" hoy ny Frantasy. Nandroso ny taona, nipoitra ny hoe Madagasikara ka ny mponina tao Faradofay "Fort Dauphin " dia natao hoe "Madagascarois" na "les Madécasses". Mpandinika tantara no milaza fa ny teny madekasy dia avy amin'ny hoe Madagasy na Madegasy, teny malayziana (Malaysia) na afrikana navadika hoe Malagasy. Ireo Anglisy taty aoriana no nanaiky an'i Radama ho mpanjakan'i Madagasikara.

Araka ny fikarohana nataonay dia fahadisoana nataon'ireo eropeanina nanaraka ny feo heno ary voasoratr'ingahy Marco Polo, efa voalazan'ny namana etsy ambony io, no nahataonga ny anaran'i Madagasikara. Ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Milione, voadika amin'ny teny italianina ankehitriny dia marihiny fa misy fanjakana roa lehibe matanjaka any amin'ireo nosy roa ao atsinana'i Afrika dia i Madaghosho (Madeigascar na Mogelascio) sy i Zanzibar (Zanguebar); arak'izany ny teny hoe: "Madaghosh" izay ampiasain'i Marco Polo eto dia azo heverina fa mifandrika amin'ny teny hindi indianina hoe: "mad'hos"; koa noho izy nihaino fotsiny nefa tsy tena mahay ny teny hindi dia izay nahazoany azy no nanoratany azy; koa azo heverina fa io teny hindi io no fototry ny teny tena mahalaza ny anarana hoe Madagasikara sy Malagasy, satria miovaova ny fanononana ny teny araka ny fotoana sy ny tantara, ary tsy mitsaha-mivoatra izy. Ny teny hindi "mad'hos" moa dia midika hoe: ravoravo, mifalihavanja, velon'aina fa feno fanatenana; tsy lavitra an'izany ny fomban'ny Malagasy ary mahasarika vahiny maro, koa mety ho notondroin'ireto Indianina ho tanin'ireo olona falifaly na ravoravo ny Nosintsika. Raha dinihina izany dia ireo Indianina tonga taty amintsika voalohany no nanome io anarana io; ary raha ny fiovan'ny feo no zohina dia toy izao no azo andinihana io teny io: mad'hos mety ho voatonona ho mad'ghos, na mal'hos, na mal'ghos, saingy ny hoe "Madeigascar" voalazan'i Marco Polo dia noho izy nanao lalamahitsy fotsiny, ary nadahatra azy mora fotsiny amin'ny hoe "Zanguebar" na Zanzibar (marihina fa amin'ny fandrasan-teny ny fiovana dia ny "h" lasa "g"; ny "d" miova ho "l", koa azo halalinina akaiky izany). Jereo G. Treccani, Eciclopedia Italiana di scienze, lettere ed arti, vol. XXI, Milano 1934, p.808; J. Rabenirina, Dalla vita all'unità, Roma 2004, p.9-10.

Toy izao kosa ny hevitr'i Xhi sy M'aa, izay filôzôfy malagasy anisan'ny fanta-daza: Ny fanandroana malagasy dia mampiasa anaram-bolana, toy ny 'fanandroana' rehetra hita eran-tany. Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy. Amin'ireo anaram-bolana ireo dia ny volana Alahamady, Alakaosy ary Alakarabo no nivoahan'ny teny hoe Mady, Kaosy, Kara ka ireo hono no nahatonga ilay hoe Madagasikara rehefa atambatra.

[Ovay] Ny Fahavazimba (400 - 1500)

Araka ny volazan'i L. Ramaroson ao amin'ny Teto an'ivon'ny Riaka dia efa nisy olona nonina ihany teto Madagasikara tany amin'ny roarivo taona talohan'i Jesoa Kristy tany ho any, saingy mbola vitsy dia vitsy ny mponina teto tamin'izany. Ny vazimba no voalaza fa nonina teto amintsika voalohany indrindra, dia ny taranak'ireo olona ireo izany no tondroina amin'io anarana io voalohany, fa voatondro ho vazimba koa ireo aziatika na indonezianina efa nanomboka niori-mponenana teto Madagasikara hatramin'ny taonjato Voalohany taorian'i Jesoa Kristy. Saingy nandritry ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny faha-16 vao tena nisy fifindra-monina rodobe, ary notondroina ho vazimba ireo olona efa teo taloha. Tsy azo hadinoina koa anefa fa efa nivezivezy tamin'ny morotsiraka ny Arabo hatramin'ny taonjato faha-8 taorian'i Jesoa Kristy. Tsy dia misy zavatra fantatra firy momba ireo vazimba hatramin'izao, fa ny antsoin'ny olona ho vazimba koa dia ireo fasana efa tsy misy mpamoha sy tsy misy mpahatsiaro intsony. Koa aoka ho anjaran'ireo arkeologa ny manamarina izany raha misy sahy mamoha ireny fasana ireny ka hanao fanamarinana siantifika, fa tsy maintsy maro ny zavatra miara-milevina amin'izy ireo ka hanaporofo ny dingana tratran'izy ireo teo amin'ny haitao sy ny fomba amam-panao, izay mety ho re sy fantatra tokoa eo amin'ireo tantaran-drazana ny ny angano na tantara hafa nifandovana isam-paritra. Ny Taimbalimbaly no voalaza ho tompon'ny tany hoy ny tantara, ary fiompiana akoho sy voly saonjo ary fihazana mbamin'ny jono no foto-pivelomany, nivelona tamin'ny tavy kosa ireo olona tonga taty afara koa izany no nahafongotra ny ala teto amintsika.


[Ovay] Ny nahalalana an'i Madagasikara voalohany ka hatramin'ny Fanjakana Hova (1300)

Hatramin'ny taonjato voalohany tao.J.K dia tsy nazava loatra ny tena tantaran'i Madagasikara. Tsisy nahitana taratra fa nisy karazan'olombelona niaina talohan'io fotoana io, ka nahatonga ny fieritreretana fa tsy nanana fiandohan-tantara ity nosy ity. P. Laforgue, mpandalina tantara dia nanambara fa "toe-javatra hafa kely izany, nefa dia izay no zavamisy".

Na ny nanazavana ny fiavian'ireo mponina sy ny fotoana tena nipoirany aza dia tsy voalaza mazava. Maro ny sosokevitra naroso, isan'izany ny an'i G. Grandidier, mpikaroka, nilazana fa ny Malagasy dia Indo-melaniziana, nisy nifandraisany tamin'ny olona avy tao Papoazia. Ny Governora Deschamps kosa dia nihevitra fa nisy ireo tansambo izay niatrika ny ranomasimbe indiana, ka izany no niheverany fa ny mponina indoneziana dia niala avy tany India sy ny sisin'i Afrika izay toerana nakan'izy ireo ny mainty hoditra. Rehefa izany dia nitohy tamin'ny sisin'i Afrika ny fifanakalozana mandra-pahatongan'ny fotoana nampatanjaka ny arabo teo amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina.

Araka ny hevitr'i Deschamps noho izany, ny mponina malagasy hatramin'ny fahagola dia fifangaroan'ny mponina indoneziana sy afrikana, na eo amin'ny fiteniny na eo amin'ny fomba amam-panao, ary niampy tsikelikely ireo maleziana, indò, arabo, ary eoropeana.

Maro ireo tantsambo nandalo ny morontsirak'i Madagasikara ; tao ny arabo, i Marco Polo, i Vasco de Gama, ireo portogezy Pereira sy d'Acunha, de Gonneville,... fa tsy voalaza mazava na tena niantsona tamin'ny tany malagasy izy ireo na tsia.

Fa oviana izany no tena nanomboka ny fanjakana Hova ?

Tsy nahazoana valiny mazava izy io, fa efa tamin'ny andron'Andrianampoinimerina vao nisy daty nazava. Fa ny taona 1300 kosa no noheverina ho nanombohan'ny fanjakana Hova tamin'ny andron'Andrianerinerina. Nanomboka teo ka nandritra ny taonjato roa teo ho eo, dia nisy mpanjaka dimy no nifandimby tao. Tamin'ny 1500 kosa no niakatra teo amin'ny fiandrianany ny mpanjakavavy Rafohy, ka tamin'ny androny no azo lazaina ho tena niforonan'ny fanjakana, tsy noho izy nahazo fanjakana hafa, satria izy dia niaina tamim-pahatsorana tao Imerimanjaka, fa noho ny fahendrena tsy nanam-paharoa nananan'ity vehivavy ity tamin'ny fandaminana ny fifandimbiasana teo amin'ny fiandrianana. Ny zanany vavy, Rangita, no nandimby azy tamin'ny 1520.

[Ovay] Ireo Tatsambo sy ny Fanjakana Sakalava (1500 - 1700)

[Ovay] Ny Mpanjaka Malagasy (1700 - 1896)

ANDRIANAMPOINIMERINA (1794-1810)

Taorian'ny nahafatesan'ny mpanjakavavy Rangita tany amin'ny taona 1540 tany ho any, dia nisy mpanjaka 15 nifandimby teo amin'ny fiandrianana Hova mandrapahatongan'ny fanjakan'Andrianampoinimerina tamin'ny 1794.

Andianampoinimerina no andriandehibe Hova nitondra ny anarana hoe "Mpanjakan'i Madagasikara".

Ny nampalaza azy dia ny fahaizany nandrindra sy nandamina ary nanitatra ny fanjakany, "Ny ranomasina no valamparihiko" no teny filamatra nentina nanjaka ary fandriampahalemana no niainan'ireo fanjakany.

Niamboho tamin'ny faha-dimy amby enimpolo taonany Andrianampoinimerina tamin'ny 1810.


RADAMA I (1810-1828)

Valo ambin'ny folo taona Ilaidama raha nandimby an'Andrianampoinimerina tamin'ny taona 1810, ary Radama I no anarana nentiny.

Nandritra ny taonjato XIX dia nisy fifandrafiana teo amin'ny fitondrana frantsay sy ny mpitondra anglisy tao amin'ny nosy Maorisy izay nihevitra an'i Madagasikara ho eo ambany fifehezany. Voasolon'ny Angletera noho izany ny toerana notazonin'i Frantsa tao Madagasikara, ary afaka nifandray ara-pihavanana sy ara-diplomatika tamin'i Radama I izy ireo.

Ny fanjakan'i Radama I, noho izany, dia voamariky ny fananan'ny Anglisy fahefana tanteraka.

Nandritra ny fiandrianany no nanitaran'i Radama ny fanjakany hatrany Toamasina, Mahajanga ary Taolagnaro. Nofoanany ny fanandevozana, natsangany ny tafika, ny fitsarana ambony sy ny mpitsara fara-tampony. Nofoanany koa ny fanamelohana ho faty, fa nosoloiny ny fonja. Natsangany ny sekoly, ny fanotam-boky, ary ny tenan'ny Mpanjaka mihitsy no manara-maso akaiky ny taozava-baventy sasantsasany.

Nomeny fahalalahana hisafidy ny finoany ny vahoakany na dia somary tsy niraika firy tamin'ny fivavahana aza izy. Tamin'izany no nahazo vahana ny "fitoriana ny tenin'Andriamanitra" nataon'ny protestanta.

Ny 27 jolay 1828 izy no niamboho, tamin'ny faha-enina ambin'ny telopolo taonany ; ny zava-pisotro mahamamo no nanimba ny fahasalamany. Ramatoa vadiny, Ramavo, no nandimby azy.


RANAVALONA I (1828-1861)

Ramavo, vadin'ny Mpanjaka niamboho, no nandimby an'i Radama I araka ny lalànan'ny fifandimbiasana eo amin'ny fiandrianana, ka Ranavalona I no anarana nentiny.

Nanjaka tanteraka ny antokon'ny hova taorian'ny niambohon'ilay Mpanjaka tia fahalalahana, ary dia nanjaka tokoa ny habibiana izay tsy mbola fahita tao Madagasikara tamin'izany. Namoaka karazana lalàna izay nanageja tokoa ny vahoakany ny Mpanjakavavy. Ny habibiana, ny finoanoam-poana ary ny fankahalana ny vahiny no tena nanamarika ny fotoana nanjakany. Noroahiny ireo vahiny ary nobodoiny ny tany sy fananan'izy ireo ; nanamparany ny fahefany ny protestanta ; nofoanany ny finoana kristiana, noheverina ho fahavalon'ny fanjakana sy mpamadika ireo misionera sy ny mpanaraka azy. Tamin'ny taona 1849 no tena nafana ny fanenjehana ireo kristiana izay nodorana velona, notapahan-doha na navarina avy teny amin'ny havoana.

Frantsay vitsy dia vitsy no mba navahan'ny Mpanjakavavy tamin'izany, ka isan'ireo i Jean Laborde, izay olona nitokisany tokoa nandritra ny 25 taona. Izy no nanangana ozinina maro, sy nampiditra indostria maro tao amin'ny firenena ary izy koa no vy nahitana ny Rovan'i Manjakamiadana, izay nilana olona an'arivorivony tamin'ny nananganana azy.

I Jean Laborde no naharesy lahatra ny Mpanjakavavy ka nampalefaka azy tamin'ny vahiny. Nanomboka nisokatra ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny tany ivelany.

Ny zoma 16 aogositra 1861, tamin'ny 7 ora maraina no niamboho tamin'ny faha-73 taonany ny Mpanjakavavy rehefa nanjaka 33 taona.


RADAMA II (1861-1863)

Rakoto, zanakalahin'i Ranavalona I, no nandimby an-dreniny, ka naka ny anarana Radama II. Teo dia làlam-piainana vaovao,hafa tokoa noho ny tamin'ny teo aloha no niainan'ny Nosy, satria raha lozabe sy tsy mba nandefitra ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ity zanany nandimby azy kosa dia tena olon'ny fo sy malalaka. Ny tena mba faniriany dia ny hanamaivana ny fahorian'ny vahoakany sy ny hahasambatra azy.

Toa ny niaina fitsanganana tamin'ny maty ny vahoaka tamin'izany, vahoaka afa-patorana ka nahazo fahafahana. Nandritra ny fotoana fohy nanjakany, dia nomen'i Radama II fahafahana ny andevo rehetra, nasaina natsahatra ny fanenjehana ny kristiana (protestanta) ary nomeny vahana ny fananganana ny eglizy katolika romana, nofoanany ny haban-tseranana, ary nomeny alalana honina ny vahiny.

Noho izy tsy mba nanafina ny fitiavany an'i Frantsa sy ny Andriandehibeny, dia nangataka tamin'i Napoléon III izy hanendry solontenam-panjakana frantsay ao Antananarivo. I Jean Laborde, namana akaiky ny Mpanjaka no voatendry tamin'izany, ary izy kosa dia nanendry an'i Lambert ho lehiben'ny Masoivohon'i Madagasikara tao Parisy.

Kanefa ny hatsaram-panahin'ny Mpanjaka dia lasa nivadika ho fahalemena ihany koa. Nisy antokon'olona mpankahala azy nitsangana malaky, ka Rabodo vadiny indrindra no lohany tamin'izany. Notoheriny ny fitondran'ny vadiny, ka nikonokonona ny hanjera ny fanjakany izy. Io antoko mankahala an'i Radama II io no nararaotin'ny Anglisy niaraha-dia mba hahafahany mampahazo laka ny politika viktoriana.

Ellis, misionera anglisy, no isan'ny nandranitra ny toe-draharaha raha nanaparitaka fa tadiavin'ny Frantsay alaina an-keriny ny tany Malagasy ka mila tapahina haingana dia haingana ny fifandraisana amin'i Frantsa sy Napoléon III. Babony hatramin'ny fon'ny praiministra Rainivoninahitriniony.

Ny 11 mey 1863 dia nisy nahazo baiko tamin'ny praiministra namono an'i Radama II.

Rabodo vadiny no voatendry ho Mpanjakavavin' Madagasikara nandimby azy, nitondra ny anarana Rasoaherina.


RASOAHERINA (1863-1868)

RANAVALONA II (1868-1883)

RANAVALONA III (1883-1897)

[Ovay] Ny Fanjanahan-tany (1896 - 1960)

Vanim-potoana nidiran'ny frantsay tao Madagasikara, fotoana nanamarika ny fidirany tao amin'ny taon-jato faha 20. Azo lazaina hoe nitondra fandrosoana sy fivoaram-piainana ihany teo anivon'ny andavan'androny ihany raha ny fivoarana teo amin'izao tontolo izao no jerena.

[Ovay] Ny Repoblika Voalohany (1960 - 1973)

[Ovay] Ny Repoblika Faharoa (1973 - 1991)

[Ovay] Ny Repoblika Fahatelo (1991 - )

Amin'ny tenim-pirenena hafa